Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nisy mpianatra betsaka nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy
TANY KAPERNAOMY, tao amin’ny synagoga iray, dia niresaka ny amin’ny toerana notanany tamin’ny naha-tena mofo avy any an-danitra azy i Jesosy. Ny lahateniny dia toa tohin’ny fifanakalozan-kevitra natomboka niaraka tamin’izay rehetra nahita azy tamin’ny fiverenana avy any amin’ny moron-tsiraka andrefan’ny ranomasin’i Galilia, izay nihinanany ny mofo sy ny hazandrano nampitomboina tamin’ny fomba mahagaga.
Nanao izao fanambarana amboniny izao i Jesosy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” Roa taona talohan’izay, tamin’ny lohataonan’ny taona 30, dia nilaza tamin’i Nikodemosy izy fa tia dia tia izao tontolo izao Andriamanitra ka nomeny ny Zanany ho Mpamonjy. Araka ny nolazainy izao, ny olona rehetra izay mihinana ara-panoharana ny nofony, amin’ny fanehoana finoana ny sorona hotanterahiny tsy ho ela, dia mety hahazo ny fiainana mandrakizay.
Nahatafintohina an’ireo mpihaino azy anefa izany teny izany. “Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?” hoy ny fanontanian’izy ireo. Nirin’i Jesosy ny hampahafantatra azy ireo fa izany dia ho fihinanana ny nofony amin’ny heviny ara-panoharana. Mba hanamafisana an’io hevitra io, dia nolazainy ny hevitra iray vao mainka sarotra ekena raha raisina ara-bakiteny.
“Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.”
Marina fa raha nanisy fitenenana ny amin’ny fihinanana nofon’olona i Jesosy, dia ho ratsy dia ratsy tokoa ireo teny ireo. Mazava ho azy anefa fa tsy namporisika ireo olona niresahany hihinana ny nofony sy hisotro ny rany ara-bakiteny izy. Nosoritany fotsiny fa izay rehetra maniry hahazo ny fiainana mandrakizay dia tokony haneho finoana ny sorona hataony amin’ny fanolorana ny tenan’olombelona tanteraka nananany sy amin’ny fandatsahana ny rany. Na dia teo aza izany rehetra izany, dia maro be tamin’ireo mpianany mihitsy no tsy nanao izay hahazoana ny fampianarany ka nanohitra hoe: “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?”
Noho ny fahafantarana fa maro be tamin’ny mpianany no nimonomonona, dia hoy Jesosy tamin’izy ireo: “Mahatafintohina anareo va izany? Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha hianareo. (...) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino.”
Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.” Tamin’izany teny izany, dia maro be tamin’ny mpianany no lasa ka tsy nanaraka azy intsony. Tamin’izay dia nitodika tany amin’ireo mpianany 12 i Jesosy ka nanontany azy ireo hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”
Hoy ny navalin’i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” Endrey izany mari-pahatokiana tsara nasehon’i Petera mbamin’ny apostoly hafa izay angamba tsy nahazo tanteraka ny fampianaran’i Jesosy ny amin’io raharaha io akory!
Na dia nanohina an’i Jesosy aza ny valin-tenin’i Petera, dia nanao izao fanamarihana izao izy: “Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly [mpanendrikendrika, MN ]?” Jodasy Isikariota no noresahiny. Nety ho efa voamariny tao amin’i Jodasy ny “fanombohana” na fiandohan’ny fitondrantena ratsy.
Vao avy nandiso fanantenana ny olona i Jesosy tamin’ny fanoherana ny fanandraman’izy ireo nanao azy ho mpanjaka, ary angamba nihevitra toy izao izy ireo: ‘Ahoana no mety haha-Mesia an’io lehilahy io nefa laviny ny hiantsoroka ny anjara asa tokony hotanan’ny Mesia?’ Fanontaniana vao tonga tao an-tsain’izy ireo koa izany. Jaona 6:51-71; 3:16.
◆ Ho an’ny olona iza avy moa no nanomezan’i Jesosy ny nofony, ary amin’ny heviny ahoana no azo atao ny milaza fa ‘mihinana ny nofony’ ireo?
◆ Tenin’i Jesosy hafa inona avy no nahatafintohina ny olona, nefa manipika inona izany?
◆ Rehefa be dia be no tsy nanaraka an’i Jesosy intsony, ahoana no nambaran’i Petera?