Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ireo vala sy ny Mpiandry ondry
JESOSY dia tany Jerosalema tamin’ny fotoan’ny andro firavoravoana antsoina hoe Fitokanana, na Hanukkâh, izay fahatsiarovana ny fitokanana indray ny tempolin’i Jehovah. Efa ho 200 taona talohan’izay, tamin’ny 168 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nandresy ny tanàna i Antiochus IV Epiphane ka nolotoiny ny tempoly sy ny alitarany. Telo taona taorian’izany, anefa dia azo indray Jerosalema ka notokanana indray ny tempoly. Tamin’izay dia nanjary nankalazaina isan-taona ny andro firavoravoana ny amin’ny Fitokanana.
Nankalazaina ny andro firavoravoana atao hoe Fitokanana tamin’ny 25 Kisleo, volana amin’ny fitadidianandro jiosy izay mifanitsy eo ho eo amin’ny tapa-bolana faharoa amin’ny volana novambra sy ny tapa-bolana voalohany amin’ny volana desambra ankehitriny. 100 andro mahery kely àry sisa dia tonga ny Paska malaza tamin’ny taona 33. Andro nangatsiaka tamin’izay ka izany no manazava ny antony nitenenan’ny apostoly Jaona ny amin’ny “ririnina”.
Izao Jesosy dia mampiasa fanoharana iray, izay iresahany ny amin’ny vala telo sy ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpiandry tsara. Ny voalohany amin’ireny vala ireny dia mampiseho ny faneken’ny Lalàna nanana an’i Mosesy ho mpanalalana. Tahaka ny fefy nampihataka ny Jiosy tamin’ireo fanao manimban’ny olona izay tsy tafiditra tao anatin’io fanekena manokana tamin’Andriamanitra io ny Lalàna. Manazava toy izao Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.”
Tonga tokoa ny lehilahy hafa, nilaza ny tenany ho Mesia na Kristy, nefa tsy ny mpiandry marina izay lazalazain’i Jesosy amin’ireto teny ireto izy ireny: “Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka. (...) Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.”
Ny “mpiandry vavahady” amin’ny vala voalohany dia i Jaona Mpanao batisa. Tamin’ny naha-mpiandry vavahady azy, Jaona dia ‘namoha’ an’i Jesosy tamin’ny nampisehoany azy tamin’ireo ondry ara-panoharana izay handrasany. Ireny ondry izay antsoin’i Jesosy amin’ny anarany ireny ka entiny mivoaka dia horaisina ao amin’ny vala hafa iray amin’ny farany. Izany no nohazavain’i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry”, izany hoe vavahadin’ny vala vaovao. Ireny ondry ireny dia horaisina ao amin’io vala vaovao io, rehefa nanorina ny fanekena vaovao amin’ny mpianany Jesosy ka ho nandrotsaka amin’izy ireo avy any an-danitra ny fanahy masina amin’ny Pentekosta nanaraka.
Nilaza tamin’ny fomba hentitra ny anjara asany Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. (...) Izaho avy mba hananany [ny ondry] fiainana, sady hananany be dia be. (...) Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.”
Taloha kelin’izay Jesosy dia nampahery ny mpianany tamin’ireto teny ireto: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Izany ondry vitsy izany, izay hiisa ho mpikambana 144 000 amin’ny fitambarany, dia miditra ao amin’io vala vaovao na vala faharoa io. Nanao izao fanamarihana izao anefa i Jesosy: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.”
Koa satria ny ‘ondry hafa (...) tsy amin’io vala io’, dia tokony hisy hafa anankiray amin’izany, dia ny fahatelo. Ireo vala farany ireo na toerana fihinanan’ny biby dia mifanitsy amin’ny anjara samy hafa. Ao amin’ny anankiray, dia hanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra ny “ondry vitsy”, fa hiaina mandrakizay eto an-tany voaova ho paradisa kosa ny “ondry hafa” ao amin’ilay faharoa. Na dia ao anaty vala voa samy hafa aza ny ondry, dia tsy mifampialona na mihevitra fa iharan’ny fanavakavahana, satria, araka ny voalazan’i Jesosy dia tonga “andiany iray” izy eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’.
Vonona hanolotra ny ainy ho an’ny ondry ao amin’ireo vala roa ireo ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy. “Ny tenako ihany no manolotra azy, hoy ny fanazavany. Manana fahefana hanolotra azy Aho ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko.” Niteraka fisarahana teo amin’ny Jiosy ireo teny ireo.
Maro tamin’ny vahoaka no nilaza hoe: “Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy hianareo?” Hoy kosa no navalin’ny hafa: “Tsy mba tenin’ny demoniaka izany.” Avy eo, tsy isalasalana fa satria tsaroany fa nanasitrana jamba iray Jesosy roa volana talohan’izay, dia hoy ny nanampiny: “Moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ny jamba?” Jaona 10:1-22; 9:1-7; Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 3; 21:3, 4; Salamo 37:29.
◆ Inona moa ny andro firavoravoana ny amin’ny Fitokanana, ary oviana no fankalazana azy?
◆ Inona moa ny vala voalohany ary iza no mpiandry ny vavahadiny?
◆ Amin’ny heviny ahoana no amohan’ny mpiandry vavahady ny mpiandry ondry, ary aiza no handraisana ny ondry avy eo?
◆ Iza no mahaforona ireo vala roa an’ny Mpiandry tsara ireo, ary tonga andiany firy izy ireo?