Fanontanian’ny mpamaky
◼ Azo atao ve ny milaza dieny ankehitriny ny amin’ny kristiana iray manana fanantenana ny ho eto an-tany fa anisan’ny “olona betsaka” izy, na dia tsy mbola tafita velona tamin’ny “fahoriana lehibe” aza izy? — Apokalypsy 7:9, 14.
Eny, mety izany, satria izany no fanantenany.
Ny Apokalypsy toko faha-7 dia mampiseho amintsika antokon’olona roa. Voalohany indrindra, dia ireo 144 000 izay “voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra”. (Apokalypsy 7:4.) Raha ampitahaina amin’ny Apokalypsy 14:1-5 io andinin-teny io, dia hita fa ireo 144 000 dia “navotana niala tamin’ny tany” mba ho tonga “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra”. Ireo àry no hiara-hanjaka any an-danitra amin’i Kristy (Galatiana 6:16; II Timoty 4:18). Ny antokony faharoa dia “olona betsaka tsy tambo isaina” ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’.
Ao amin’ny teny manodidina, ny Apokalypsy 7:9-17 dia milazalaza ny amin’ireo ho tafita velona eto an-tany amin’ny fahoriana ho avy. Araka izany, ny olona izay tia ny ho henjana loatra dia mety hametra ny teny hoe “olona betsaka” ho an’ireo olona ho tafita velona amin’io fahoriana io ihany. Tsy heverinay anefa fa ilaina ny ho hentitra toy izany. Miharihary tokoa fa ireo izay ho tafita velona dia ho nangonina alohan’ny “fahoriana lehibe”, hany ka ho afaka ny ho mendrika ho tafita velona izy ireo. Azontsika atao àry ny mampihatra ny teny hoe “olona betsaka” amin’ireo kristiana manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Izy ireo dia manana fahatsinjovana ny ho tafita velona sy ny ‘hoentina ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina’, ary izany dia ho eto an-tany (Apokalypsy 7:17). Raha toa anisan’ny “olona betsaka” iray ka maty ankehitriny, alohan’ny “fahoriana lehibe” indrindra, dia hisy ny antony rehetra hanantenana ny fitsanganany ho amin’ny fiainana eto an-tany.
Azo ampiharina koa io fotopoto-pitsipika io raha ny amin’izay mahakasika ny teny hoe “ondry hafa”. Ao amin’ny Jaona 10:7-16, Jesosy dia miresaka voalohany ny amin’ireo ‘ondriny’ izay takatsika fa “ondry vitsy” natao hiaina ho any an-danitra. Izao no nolazainy nanaraka izany: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity [any an-danitra] Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” Matetika izahay no nampiseho porofo araka ny Baiboly mahatonga ho afaka hanondro ny “ondry hafa” ho olona manana fanantenana ny hiaina eto an-tany. — Lioka 12:32.
Ny sasany mety hilaza anakampo hoe: Nieritreritra ny fanangonana ho avy ny “ondry hafa” i Jesosy, noho izany, io teny io dia tsy mihatra afa-tsy amin’ireo izay, aorian’ny ho niresahan’i Jesosy, dia hanaiky ny fanantenana araka ny Baiboly ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Toa tsy ilaina anefa ny hamerana toy izany amin’io teny io, toy ny hoe nilazalazana ny zavatra araka ny fandaharan-taona i Jesosy, na nisesy. Heverinay fa tiany ny hanorina ny hoe mpiandry ireo ondry tafaray ny tenany. Ny olona sasany azo ampitahaina amin’ny ondry dia miditra ao amin’ny vala iray mba hankanesana ho any an-danitra. Hisy ondry hafa koa hanaiky azy ho mpiandry; hiaina ao anatin’ny firaisan-tsaina miaraka amin’ireo voalohany izy ireny. Rehefa ekena izany, ny teny hoe “ondry hafa” dia mahafaoka ireo olona nanam-pinoana maty talohan’ny nanokafan’i Jesosy ny lalana ho any an-danitra, dia lehilahy tahaka an’i Noa, Abrahama, Joba, Davida sy Jaona Mpanao batisa (Matio 11:11; Asan’ny apostoly 2:29; Hebreo 10:19, 20). Rehefa ho tafatsangana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ireo, dia ho afaka hanaiky an’ilay Mpiandry tsara sy hanana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany miaraka amin’ny sisa amin’ny “ondry hafa” an’i Jesosy.