Mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny Zanany
“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao.” — JAONA 17:3.
1. Nahoana no zava-dehibe indrindra ny fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy?
HO an’izay te-hiaina mandrakizay, dia zava-dehibe indrindra ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. “Izay [Andriamanitra] tia ny olona [karazan’olona, MN ] rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” (1 Timoty 2:4). Izany fahalalana, voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, izany, dia mampianatra antsika hoe iza moa Andriamanitra ary inona avy ireo adidintsika eo anatrehany (2 Timoty 3:16, 17; 1 Jaona 2:17). Mamela antsika hahafantatra koa izy hoe iza moa Jesosy Kristy ary toerana inona no tokony hotanantsika manoloana azy. — Salamo 2:12; Filipiana 2:5-11.
2. Inona no mety hahazo antsika raha tsy manana fahalalana marina isika?
2 Raha tsy ao ny fahalalana marina, dia mety ho voataonan’ireo fampianaran-diso aelin’ilay mpanohitra an’Andriamanitra, dia Satana Devoly, isika; izy io dia “mpandainga sady rain’ny lainga”. (Jaona 8:44.) Raha ekentsika ho marina tokoa ny fampianarana iray diso, izay manohitra ny Tenin’Andriamanitra, ary raha mampianatra izany isika, dia manambany an’i Jehovah isika sady manohitra azy. Tokony handinika ny Soratra Masina àry isika mba hahafantarana ny marina sy ny diso (Asa. 17:11). Tsy ho tiantsika ny ho tahaka ireo olona izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.” — 2 Timoty 3:1, 7.
3. Inona moa no ampianarin’ny Baiboly amin’ny fomba mazava tokoa momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny fanahy masina?
3 Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tsy araka ny Baiboly. Milaza mazava amintsika ao amin’ny Teniny Andriamanitra fa izy no Mpamorona ny zavatra rehetra ary ny voariny voalohany tany an-danitra dia ny Zanany lahy (Apokalypsy 4:11; Kolosiana 1:15, 16). Avy eo, dia naniraka io Zanany io naka endrik’olombelona ho ety an-tany izy, mba hanomezany ny sorom-panavotana izay ahafahana mamela ireo fahotan’ny olombelona, ary mba hitondrany ho an’ny olona tso-po fahazavana mitombo ny amin’Andriamanitra sy ireo fikasany (Matio 20:28; Jaona 6:38). Nandritra ny taonjato maro anefa dia naolana ny hevitr’ity fampianarana tsotra sady mazava ity: Andriamanitra sy Kristy dia persona roa miavaka; raha ny amin’ny fanahy masina kosa dia tsy persona izy io, fa ny hery miasan’Andriamanitra. Tsy toy izany kosa, fa ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tonga ny fampianarana fototry ny fivavahana lazaina fa kristiana.
“Izaho sy ny Ray dia iray ihany”
4. Nahoana ireo lazain’ireo Fiangonana mikasika ny Jean 10:30 no tsy marina?
4 Na dia tsy manisy fitenenana ny amin’ny persona fahatelo aza io andininy io, dia tononin’ny Fiangonana matetika ireo teny hita ao amin’ny Jaona 10:30 ireo mba hanohanana ny hevitra ny amin’ny Trinite. Izao tokoa no ambaran’i Jesosy ao: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” Kanefa, moa ve ny tian’i Jesosy holazaina dia hoe izy no ilay Andriamanitra Tsitoha amin’ny endrika hafa? Tsia, tsy mety ho izany, satria nilaza foana izy fa Zanak’Andriamanitra ny tenany sady ambany noho izy no nanaiky azy. Inona àry no hevitr’ireo tenin’i Jesosy voalaza ao amin’ny Jaona 10:30?
5, 6. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny fitenenana hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”? b) Amin’ny ahoana ny fatorana mampiray ireo mpianatr’i Jesosy teo amin’izy samy izy no manampy antsika hahatakatra an’io fitenenana io?
5 Tamin’ireo teny ireo dia te-hilaza Jesosy fa izy sy ny Rainy dia iray hevitra sy fikasana. Izany no asehon’ny Jaona 17:21, 22, izay ivavahan’i Jesosy amin’ny Rainy ho an’ny mpianany: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy (...), mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika.” Moa ve Jesosy nivavaka mba hahatonga ny mpianany ho persona iray? Tsia, nivavaka izy mba hiray saina, tahaka azy sy ny Rainy, hitovy hevitra sy fikasana izy ireo.
6 Ahitana hevitra mitovy amin’izany ao amin’ny 1 Korintiana 1:10, izay ilazan’i Paoly amin’ny kristiana hoe: “Ary mananatra anareo aho, (...) mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” Noho izany, rehefa nanambara i Jesosy fa izy sy ny Rainy dia iray ihany, dia tsy te-hilaza izy akory fa nahaforona persona iray izy ireo; tahaka izany koa, rehefa nilaza izy fa tokony ho iray ny mpianany, tsy tiany holazaina akory fa izy ireo dia tokony ho tonga persona tokana.
Iza moa “ny Teny”?
7. a) Inona no ambaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny amin’ny Jaona 1:1? b) Ao amin’ny Jaona 1:1, inona no mampiseho avy hatrany fa tsy resahina ny trinite?
7 Ahoana àry, ao anatin’izany toe-javatra izany no anazavana ny teny ao amin’ny Jaona 1:1? Ny Baibolin’i Jerosalema dia mandika toy izao an’io andininy io: “Tamin’ny voalohany ny Verba ary ny Verba dia niaraka tamin’Andriamanitra ary ny Verba dia Andriamanitra.” Manampy toy izao ny Jaona 1:14: “Tonga nofo ny Verba ka nonina teo amintsika.” Milaza ny fivavahana lazaina fa kristiana fa io “Verba” na “Teny” io (Logos amin’ny teny grika), izay tonga teto an-tany ary nantsoina hoe Jesosy Kristy, dia ilay Andriamanitra Tsitoha. Kanefa, azo marihina fa na dia ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema aza dia izao no vakina ao amin’ny Jaona 1:1: “Ny Verba dia niaraka tamin’Andriamanitra.” Izay miaraka amin’ny olona iray dia tsy ilay olona ihany. Noho izany, na dia io fandikan-teny io aza dia mampiseho fa eo anatrehan’ny persona roa miavaka isika. Ankoatra izany dia tsy resahina ny amin’ny persona fahatelo, izay hahaforona trinite iray miaraka amin’iretsy roa hafa.
8. Ahoana no andikan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasantsasany ny Jaona 1:1?
8 Raha mandika ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1 amin’ny fitenenana hoe “ny Verba dia Andriamanitra” ny Baibolin’i Jerosalema, ny fandikan-teny hafa kosa dia mandika amin’ny fomba hafa an’io andalan-teny io. Ireto ny sasantsasany amin’izany:
1864: “ary andriamanitra ny Teny.” The Emphatic Diaglott, nataon’i Benjamin Wilson, New York sy Londres.
1879: “ary ny Teny dia andriamanitra.” La Sainte Bible, L. Segond sy H. Oltramare.
1908: “ary ny Teny dia iray karazana amin’Andriamanitra.” La Sainte Bible, L. Segond sy H. Otramare (jereo fanamarihana Decoppet: “mitovy karazana amin’Andriamanitra”; Pirot sy Clamer: “ny Verba dia manana toetra an’Andriamanitra”; Lagrange dia miresaka ny amin’ny hoe “manana ireo toetra an’Andriamanitra”; Fillion, “iray karazana amin’Andriamanitra”; ary Crampon 1904, ao amin’ny voambolany s.v. Verba, “fotopotony araka an’Andriamanitra ao amin’i J.K.”).
1928-1947: “ary ny Verba dia fisiana araka an’Andriamanitra.” La Bible du Centenaire, Fikambanana mampiely Baiboly ao Paris.
1935: “ary ny Teny dia araka an’Andriamanitra.” The Bible — An American Translation, nataon’i J. M. P. Smith sy E. J. Goodspeed, Chicago.
1935: “ny Logos dia araka an’Andriamanitra.” A New Translation of the Bible, nataon’i James Moffatt, New York.
1978: “ary mitovy karazana amin’Andriamanitra ny Logos.” Das Evangelium nach Johannes, nataon’i Johannes Schneider, Berlin.
Tahaka izany koa, fa tamin’ny 1950 (1963 ho an’ny fanontana amin’ny teny frantsay), Ny Soratra grika kristiana — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., dia nandika toy izao an’io andalana io: “ary ny Teny dia andriamanitra.”
9. Inona no hita eo alohan’ny théos (andriamanitra) voalohany ao amin’ny Jaona 1:1 amin’ny soratra grika, ka mampiseho amin’izany fa ilay Andriamanitra Tsitoha no resahina?
9 Moa ve ireo fandikana ireo mifanaraka amin’ny fitsipi-pitenenan’ny Jaona 1:1 ao amin’ny teny grika? Izany tokoa. Ao amin’ny Jaona 1:1, dia hita indroa ny anarana iombonana hoe théos (andriamanitra amin’ny teny grika). Ny voalohany dia manondro an’ilay Andriamanitra Tsitoha, izay niarahan’ny Teny: “ary ny Teny [Logos] dia tao [niaraka tamin’, MN ] amin’Andriamanitra [endrika iray amin’ny teny hoe théos].” Io théos voalohany io dia ialohavan’ny endriky ny mpanondro voafaritra grika ho, ary milaza izany fa fisiana miavaka mihitsy no resahina, ka eto dia ilay Andriamanitra Tsitoha: “ary ny Teny dia tao [niaraka tamin’, MN ] amin’[ilay] Andriamanitra.”
10. Inona no asehon’ny tsy fametrahana mpanondro ho eo alohan’ny théos faharoa, izay hita ao amin’ny Jaona 1:1?
10 Kanefa, ao amin’ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1, ireo fandikan-teny voatonona tetsy amin’ny fehintsoratra faha-8, dia mandika ny théos faharoa (izay milaza toetra) amin’ny hoe “iray karazana amin’Andriamanitra”, “fisiana araka an’Andriamanitra”, “araka an’Andriamanitra” na “andriamanitra” (“a” sora-madinika) fa tsy “Andriamanitra”. Nahoana no izany? Satria, ao amin’ny soratra grika, ny théos faharoa dia anarana milaza toetra sady milaza iray, apetraka ao alohan’ny matoanteny, ary tsy ialohavan’ny mpanondro voafaritra ho. Ao amin’ny andininy resahina, izany firafetana izany dia manondro izay mampiavaka na toetra mifandray amin’ilay lazaina. Mampahafantatra antsika ny amin’ny toetran’ny Teny izany: ny hoe “iray karazana amin’Andriamanitra” izy, “fisiana araka an’Andriamanitra” na “andriamanitra”, fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha akory. Izany famaranan-kevitra izany dia mifanaraka amin’ny andinin-teny maro ao amin’ny Soratra Masina izay mampiseho fa ny “Teny” dia mpitondra tenin’Andriamanitra, nirahin’Andriamanitra tetỳ an-tany. Ao amin’ny Jaona 1:18, dia izao no vakina: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy [ilay andriamanitra, MN ] Tokana [ara-bakiteny, “ilay andriamanitra nateraka irery”, ilay Zanaka noforonin’Andriamanitra Tsitoha mivantana tany andanitra], izay ao an-tratran’ny Ray, Izy [izay tonga Jesosy olona teto an-tany] no nanambara Azy [ilay Andriamanitra Tsitoha].”
11. Milazà ohatra iray ao amin’ny Baiboly, izay anampian’ny mpandika ny teny hoe “iray” kanefa tsy ahitana izany ao amin’ny soratra grika. Hazavao hoe nahoana.
11 Misy andinin-tenin’ny Baiboly maro izay ahitana ny anarana tsy misy mpanondro ao amin’ny soratra grika, ka miharihary fa milaza toetra izany; izay asehon’ny mpandika teny tsara matetika, rehefa mitaky izany ny teny malagasy, amin’ny tsy fanasiana mpanondro eo alohan’ilay anarana. Izany fomba fandikana izany dia ahafahana mampahatsiahy izay mampiavaka na ny toetry ny lazaina. Ohatra, ao amin’ny Marka 6:48 rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teny ambonin’ny rano ny mpianatra, ny Baibolin’ny mpanjaka Jacques dia milaza hoe: “Nataony ho fanahy (esprit) iray izany (amin’ny teny grika: phantasma).” Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao kosa dia mandika marimarina kokoa an’io andalana io amin’ny filazana hoe: “Fisehoana izany!”
12. Fampiasana ny mpanondro voafaritra mitovy amin’izany inona moa no hita ao amin’ny Jaona 8:44?
12 Ahitana ohatra mitovitovy amin’izany fomba fanao izany ao amin’ny Jaona 8:44, izay iresahan’i Jesosy ny Devoly amin’izao teny izao: “Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha.” Tahaka ny ao amin’ny Jaona 1:1, ao amin’ny teny grika tany am-boalohany, ny anarana milaza toetra hoe “mpamono olona” dia mialoha ny matoanteny ary tsy miaraka amin’ny mpanondro. Eto àry dia tsahivina ny toetra mampiavaka ny Devoly. — Jereo Marka 11:32; Jaona 6:70; 8:44; 9:17; 10:1, 13, 21.
“Tompoko sy Andriamanitro!”
13, 14. Nahoana Tomasy no afaka niantso an’i Jesosy ho “Andriamanitro” kanefa tsy te-hilaza tamin’izany izy akory fa Jesosy no Jehovah?
13 Ireo mpanohana ny Trinite koa dia manonona ny Jaona 20:28 hanohanana ny heviny. Ao amin’io andinin-teny io, dia hoy Tomasy amin’i Jesosy: “Tompoko sy Andriamanitro!” Araka ny asehon’ireo fehintsoratra eo aloha, dia tsy manana antony mihitsy tsy tokony hiantsoana an’i Jesosy amin’ny fampiasana ny teny hoe “Andriamanitra” i Tomasy. Tamin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy tokoa dia andriamanitra Kristy; izany hoe persona mahery, araka an’Andriamanitra; ary hatramin’ny nahafatesany sy nitsanganany ho amin’ny fiainana any an-danitra, dia tsy isalasalana fa noraisiny indray izany toerana izany. Jesosy koa dia naka teny tao amin’ny Salamo mba hampisehoana fa nisy olona mahery nantsoina hoe “andriamanitra”. (Salamo 82:1-6; Jaona 10:34, 35.) Ny tenan’ny apostoly Paoly kosa dia nanoratra hoe: “Misy ‘andriamanitr’izao tontolo izao [izao fandehan-javatra izao, MN ].” — 2 Korintiana 4:4.
14 Mitana toerana ambony lavitra noho ny an’ny olombelona tsy tanteraka na ny an’i Satana Kristy. Raha antsoina hoe “andriamanitra” àry izy ireny, dia tsy misy tsy maha-mendrika tokoa ny iantsoana toy izany ny tenan’i Jesosy. Noho ny toerana misy tombontsoa tanany eo anilan’i Jehovah, dia “andriamanitra tokana” Jesosy (Jaona 1:18, MN ); “Andriamanitra Mahery” (Isaia 9:5) koa izy, ary “andriamanitra”. (Jaona 1:1, MN ). Azon’i Tomasy natao tsara tokoa àry ny niresaka tamin’i Jesosy toy ny nataony. Ny tiany holazaina dia ny hoe andriamanitra iray no fiheverany an’i Jesosy, izany hoe fisiana iray mahery, fisiana araka an’Andriamanitra. Tsy nilaza akory izy fa Jesosy no Jehovah; noho izany no niantsoiny azy hoe “Andriamanitro” fa tsy “ilay” Andriamanitra.
15. Nahoana no azo lazaina fa ny Jaona 20:31 dia mampiseho mazava hoe iza moa Jesosy?
15 Izao no azo vakina eo amin’ny andininy fahatelo avy eo, ao amin’ny Jaona 20:31: “Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” Rava araka izany ny fisalasalana farany ny amin’ny hevitr’ireo tenin’i Tomasy. Ilay mpanoratra ny Baiboly tokoa dia nilaza mazava fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra fa tsy ny tenan’ilay Andriamanitra Tsitoha mihitsy.
Tsy mitovy amin’Andriamanitra izy
16. Fiampangana inona no nataon’ny Jiosy tamin’i Jesosy? Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa diso izany fiampangana izany?
16 Ampiasain’ireo Fiangonana ny andinin-teny hafa iray ao amin’ny Soratra Masina, Jaona 5:18. Vakina ao fa nitady hamono an’i Jesosy ny Jiosy “noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra izy”. Kanefa, iza moa no nilaza fa nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra i Jesosy? Tsy Jesosy velively. Manala izay mety ho fisalasalana rehetra ny amin’io raharaha io izy eo amin’ny andininy manaraka (ny andininy faha-19), izay ilazany hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” Noho izany dia tsy mihambo ho ilay Andriamanitra Tsitoha na mitovy aminy i Jesosy. Nasehony ny Jiosy kosa fa diso hevitra izy ireo, fa tsy Andriamanitra izy, fa Zanak’Andriamanitra; ary satria mpitondra tenin’Andriamanitra izy, dia tsy afaka manao zavatra avy amin’ny tenany manokana. Azo eritreretina ve ilay Andriamanitra Tsitoha an’izao rehetra izao eo am-pilazana fa tsy mahazo manao na inona na inona ho azy ny tenany? Araka izany ny resahina eo, dia fiampangana nataon’ny Jiosy hanoherana an’i Jesosy ka nasehon’i Jesosy fa tsy marina.
17. a) Fanambarana mazava inona no omen’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny tena maha-izy an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ary ny fanahy masina? b) Ahoana no tokony handraisana izay mety ho andinin-teny rehetra ao amin’ny Soratra masina aroson’ireo mpanohana ny Trinite mba hanamarinana ny zavatra inoany?
17 Noho izany, ny fanambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny an’i Jesosy sy ny an’ny mpianatr’i Jesosy, dia manaporofo amin’ny fomba mazava fa ilay Andriamanitra Tsitoha sy Jesosy Kristy dia persona roa miavaka, Ray sy Zanaka. Tahaka izany koa, fa io fanambarana tsy azo lavina io, dia manaporofo fa ny fanahy masina dia tsy persona fahatelo amin’izay lazaina fa trinite, fa ny hery miasan’Andriamanitra kosa. Ho zava-poana ny handinihana ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Masina tsy ao anatin’ny teny manodidina azy, na ny hanolanana ny hevitr’izany mba hanohanana ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Izay andinin-teny rehetra aroso ho porofo toy izany tokoa, dia tokony hampitahaina amin’ny fanambarana mazava omen’ny Baiboly amin’ny fitambarany.
Inona no anton’ny fahombiazana toy izany?
18. Inona avy moa no fihavian’ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
18 Amin’ny famakiana ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-18 mitondra ny lohateny hoe “Tantaran’ny fampianarana ny amin’ny Trinite”, dia azo marihina fa nanana fiandohana tany amin’ny mpanompo sampy ny Trinite. Tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly tokoa izy io, fa noraisin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’ny taonjato faha-4. Kanefa, ela be talohan’izany fotoana izany no efa nivavahana tamin’ny fitambarana telon’Andriamanitra maro tany Babylona, tany Egypta sy tany amin’ny faritra hafa teto amin’izao tontolo izao. Nampidiran’ny fivavahana lazaina fa kristiana fampianarana avy amin’ny mpanompo sampy àry tao amin’ny fampianarany. Izany findramana izany dia natao teo ambany famporisihan’ny emperora romana Constantin; tsy naniry hahafantatra ny fahamarinana momba izany raharaha izany izy, fa ta-hanamafy ny empirany voaforon’ny mpanompo sampy sy mpivadika tamin’ny kristianisma. Tsy fampianarana kristiana mihitsy ny Trinite, fa porofo kosa fa nihataka tamin’ny fampianaran’i Kristy ny fivavahana lazaina fa kristiana ka nanaraka ny fanompoan-tsampy.
19. Nahoana no nahita fahombiazana lehibe tahaka izany ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
19 Nahoana no nahita fahombiazana toy izany io fampianarana io? Tsy fanohanana an’Andriamanitra mihitsy ny fampisehoana azy amin’ny fomba misafotofoto sady feno zava-miafina eo amin’ny fifandraisany amin’ny Zanany sy ny Fanahiny masina; ary tsy mahasoa koa izany ho an’ny olombelona azon’izany fisafotofotoana izany. Etsy an-daniny, arakaraka ny mampanjavozavo ny maha-izy sy ny fikasan’Andriamanitra ao an-tsain’ny olona, no ahitan’i Satana Devoly ao amin’izany ny tombontsoany; io mpanohitra an’Andriamanitra io tokoa, izay “andriamanitr’izao tontolo izao”, dia miezaka ‘hanajamba ny sain’ny tsy mino’. (2 Korintiana 4:4.) Raha ny amin’ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana kosa, dia afa-po tanteraka amin’izany fampianarana izany izy ireo satria mampino ny olona izany fa ireo teolojiana irery ihany no afaka mahatakatra ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Izany tarehin-javatra izany àry dia manampy azy ireny hitana ny fangejan’ny vahoaka.
20. a) Inona no fampianarana tsotra dia tsotra momba ny Trinite? b) Milaza inona ho antsika moa ny fahazaona fahalalana ireo fahamarinana manafaka?
20 Nefa tsotra aoka izany ny fahamarinana hany ka na ny ankizy aza, dia afaka mahatakatra azy. Fantatry ny zazalahy kely iray tsara tokoa fa tsy izy no rainy, fa olona iray miavaka amin’ny rainy izy. Izany no tian’ny Baiboly holazaina rehefa manambara izy fa Zanak’Andriamanitra Jesosy Kristy. Fahamarinana tsotra dia tsotra izany; tsy izany kosa no izy ny amin’ny fampianarana momba ny Trinite. Lainga izany fampianarana izany; ny tsy maintsy ho mpamorona azy àry dia ilay atao hoe “Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9.) Ankoatra izany, ireo fahamarinana tsotra sady mampahery momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany ary ny Fanahiny masina mahery dia manafaka ny olombelona amin’ny fanandevozan’ireo fampianaran-diso, izay niandoha tany amin’ny fanompoan-tsampy sady manana an’i Satana ho mpamorona azy. Hoy Jesosy tamin’ireo izay nitady tamim-pahatsorana ny fahamarinana: “Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Eny, “izao no fiainana mandrakizay” dia ny fahazoana ny fahalalana marina ny amin’ireo fahamarinana manafaka sy ny fampiharana izany. — Jaona 17:3.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy?
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny fitenenana hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny Jaona 1:1 ny fahasamihafana misy eo amin’ny Teny sy Andriamanitra?
◻ Nahoana no afaka niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro” i Tomasy?
◻ Avy aiza ny fampianarana ny amin’ny Trinite ary iza no nihavian’izany?
[Efajoro, pejy 18]
Tantaran’ny fampianarana ny amin’ny Trinite
Izao no azo novakina tao amin’ny Nouvelle Encyclopédie britannique (1985, Micropædia, Boky faha 11, pejy faha-928) manaraka ny hoe “Trinite”: “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe ‘Trinite’. Tsy lazaina ao amin’ny fomba mazava mihitsy ny fampianarana tondroiny. Jesosy sy ny mpianany dia azo antoka fa tsy naniry handà ny Shema ao amin’ny Testamenta Taloha, manao hoe: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Andriamanitsika ny Mandrakizay, iray ihany ny Mandrakizay!’ (Deot. 6:4).” Manampy toy izao io boky io: “Niforona tsikelikely io fampianarana io, nandritra ny taonjato maromaro ary nandalo ady hevitra maro. (...) Tamin’ny taona 325, ny konsily natao tao Nicée dia nametraka ny fototr’io fampianarana io tamin’ny filazana fa ny Zanaka dia ‘mitovy toetra (...) amin’ny Ray’, ary izany na dia tsy misy firesahana firy ny amin’ny Fanahy masina aza. (...) Tany amin’ny faran’ny taonjato faha-4 (...), dia nandray indrindra ny endrika notanany foana hatramin’izay ny fampianarana ny amin’ny Trinite.”
Ny Firaketana Vaovao katolika (1967, Boky faha-14, pejy faha-299, angl.), kosa, dia miaiky fa “ny filazana ‘ny Andriamanitra iray misy persona telo’ dia tsy niorina mafy na angamba nampidirina tanteraka tao amin’ny fiainana kristiana sy ny fanekem-pinoany talohan’ny faran’ny taonjato faha-4”. Manampy izy io fa “tao amin’ireo Ray apostolika, dia tsy ahitana na inona na inona mihitsy mety hampahatsiahy na dia kely akory aza, an’izany fomba fiheverana izany”.
Araka izany, dia tsy ao amin’ny Baiboly ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Nekena tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny taona 325, tany amin’ny konsilin’i Nicée izy io. Izany dia fiheverana avy tany amin’ny mpanompo sampy, izay teraka ela talohan’io fotoana io tany Babylona sy Egypta ary tany amin’ny faritra hafa teto amin’izao tontolo izao. Ao amin’ny bokiny hoe Tantaran’ny haifomba (Kaisara sy Kristy III, pejy faha-239, 240), Will Durant dia nanao izao fanamarihana izao: “Tsy nahafongotra ny fanompoan-tsampy ny kristianisma; noraisiny kosa izany (...). Avy tany Egypta ny hevitra ny amin’ny fitambarana telon’andriamanitra (...).”
Eo ambanin’ny teny hoe “triade”, ny firaketana iray miresaka fivavahana (An Encyclopedie of Religion, pejy faha-793, 794, navoakan’i Vergilius Ferm, 1964) dia manome ny lisitr’ireo fitambarana telon’andriamanitra nivavahan’ny Babyloniana, ny bodista, ny hindoa, ireo Tavaratra, ny taoista ary ny mpino maro hafa, tahaka ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Manamarika io boky io, ohatra, fa any India “ny fitambarana telon’andriamanitra lehibe ivavahana dia voaforon’i Brahma, Mpamorona; Vishnu, Mpamonjy; ary Shiva, Mpandringana. Ireo andriamanitra telo ireo dia mampiseho ny fihodinkodinan’ny fiainana, toy ny fitambarana telon’andriamanitra babyloniana misy an’i Anu, Enlil ary Ea, izay mampiseho ny fitaovana mahatonga an’izany fiainana izany dia: ny rivotra sy ny rano ary ny tany”. Azo jerena ao amin’ny British Museum (Londres) ny zavatra sasany mampiseho fitambarana telon’andriamanitra tranainy, toy ny fitambarana telon’andriamanitra egyptiana voaforon’i Isis sy Harpocrate ary Néphtys. Ny boky iray avoakan’io trano fitehirizana ny rakitry ny ela io (eo ambany fiandraiketan’ny Department of Medieval and Later Antiquities) dia manonona ity soratra hita teo amin’ny firavaka tranainy iray ity: “Lafiny manatrika: ireo andriamanitra egyptiana Horus-Baït (manan-doham-boro-mahery) sy Buto-Akori (ny menarana) ary Hathor (manan-dohan-tsahona). Ambadika: andininy amin’ny tononkalo grika iray: ‘Baït iray, Hathor iray, Akori iray; ny fahefany dia iray. Arahaba ry rain’izao tontolo izao! Arahaba ry andriamanitra manana endrika telo!’ Ireny andriamanitra ireny àry dia heverina ho fisehoana telon’ny fahefana tokana iray, mampiseho ny andriamanitra masoandro angamba.”
Manamafy izany ny Tantara, nindramina tamin’ny mpanompo sampy ny Trinite. Ankoatra izany, rehefa tonga teto an-tany i Jesosy dia afa nisy hatramin’ny taonjato maro izany fampianarana izany. Ela be taorian’ny nahafatesan’i Kristy, ny olona sasany voataonan’ny folozofian’ny mpanomp sampy, dia nandà ny fanompoam-pivavahana marina tamin’Andriamanitra, nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny, ka nampino an’io fampianarana io.
[Sary, pejy 16]
Jesosy dia nivavaka ho an’ny mpianany mba hiray hevitra sy fikasana izy ireo, tahaka azy sy ny Rainy.