FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Media, Medianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Resin’i Aleksandra Lehibe. Mbola nisy firesahana momba ny “tafik’i Persa sy Media” sy ireo “andriana fiton’i Persa sy Media” mpanolo-tsain’ny mpanjaka ary “ny lalàn’i Persa sy Media” ihany, tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka (izay azo inoana fa i Ksersesy I). (Es 1:3, 14, 19) Tamin’ny 334 T.K. i Aleksandra Lehibe no tena nandresy voalohany an’ireo tafika persianina, ary lasa teo ambany fahefany i Media tamin’ny 330 T.K. Lasa nofehezin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus ny faritra atsimon’i Media taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra, fa ny faritra avaratra kosa nanjary fanjakana nahaleo tena. Na dia nifandimby nifehy an’i Media aza anefa ny Partianina sy ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, dia nilaza i Strabon, Grika mpahay jeografia, fa nisy foana ny tarana-mpanjaka medianina hatramin’ny taonjato voalohany. (Jeografia, 11, XIII, 1) Tonga tao Jerosalema avokoa ny olona avy amin’ny firenen-tsamy hafa, anisan’izany ny Medianina sy Partianina ary Elamita, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nantsoina hoe “Jiosy avy tamin’ny firenena rehetra” sady “olona natahotra an’Andriamanitra” izy ireo. Mety ho taranak’ireo Jiosy natao sesitany tany Media taorian’ny nandresen’ny Asyrianina an’i Israely mantsy ny sasany taminy, na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy.​—As 2:1, 5, 9.

  • Mezopotamia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nisy avy any Mezopotamia ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:1, 2, 9) Nety ho avy tany Babylonia, faritra atsimon’i Mezopotamia, ny sasany tamin’izy ireny. Mahaliana fa nilaza i Josèphe, mpahay tantara, hoe nisy “Jiosy maro be” tany Babylonia, tamin’ny taonjato voalohany T.K.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 14 (ii, 2).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara