FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/8 p. 15-20
  • Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miteny amin’ny ‘fiteny madio’ izy ireo
  • Olona faniry
  • Toetra vaovao
  • Aoka isika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika
  • Aoka isika hihaino sy handinika
  • Voatahy sy tohanana
  • Firahalahiana manosika antsika hankasitraka
  • Miraisa hina noho ny Fiteny Madio
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fiteny Madio Iray Ho An’ny Firenena Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Manompoa Hatrany Amin’ny Firaisan-kina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mitenena ny Fiteny Madio ary Aoka Ianao ho Velona Mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/8 p. 15-20

Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina

“Dia hanome molotra madio ny vahoaka aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah sy hanompoany azy amim-piraisan-tsaina.” — ZEFANIA 3:9, Crampon 1905.

1, 2. a) Eo am-panatanterahana faminaniana inona moa Jehovah? b) Fanontaniana inona avy no apetraka noho io faminaniana io?

JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia manatanteraka amin’izao androntsika izao, asa tsy vitan’ny olombelona tamin’ny herin’ny tenany mihitsy. Raha fiteny eo amin’ny 3 000 no itenenana eo amin’izao tontolo izao voazarazara misy antsika, dia eo am-panatanterahana ity faminaniana ity Andriamanitra: “Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry [fitenin’ny, MN ] ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” — Zefania 3:9.

2 Inona moa izany ‘fiteny madio’ izany? Iza no miteny izany? Ary inona no dikan’ny hoe ‘manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-kina’?

Miteny amin’ny ‘fiteny madio’ izy ireo

3. Inona moa ny “fiteny madio”, ary nahoana no tsy misaratsaraka ny olona izay miteny izany?

3 Tamin’ny andro Pentekosta taona 33, dia nalatsaka teo amin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy ny fanahy masin’Andriamanitra, ka nanome azy ireo fahafahana hiteny amin’ny fiteny tsy fantany. Tamin’izany no nahafahany nilaza ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” tamin’olona niteny tamin’ny fiteny maro. Nanomboka nampiray olona samy hafa fiaviana Jehovah (Asa. 2:1-21, 37-42). Tatỳ aoriana, rehefa nisy Jentilisa tonga mpianatr’i Jesosy, dia nanomboka nahaforona vahoaka maro karazana aoka izany teo amin’ny lafin’ny fiteny sy ny firazanana ireo mpanompon’Andriamanitra. Na dia tao aza izany rehetra izany, ireny olona ireny dia tsy nahita mihitsy ny fisaratsarahana mandrotidrotika izao tontolo izao, satria izy rehetra miteny ny ‘fiteny madio’ daholo. Io fiteny iombonana io, ampahatsiahivin’ny Zefania 3:9, dia mampiseho ny fitambaran’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly (Efesiana 4:25). Tsy voazarazara ny olona miteny izany, fa ‘mifanaraka tanteraka rehefa miteny’ ary ‘miray saina sy hevitra’. — 1 Korintiana 1:10.

4. Ahoana moa no anipazan’ny Zefania 3:9 hevitra ny amin’ny fiezahana iray ihany ataon’olona mampiseho fiteny sy firazanana maro, ary iza amin’izao andro izao no manao izany fiezahana izany?

4 Ny ‘fiteny madio’ dia tokony hahatonga olona avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra ho afaka hanompo an’i Jehovah “amin’ny firaisan-kina”, raha lazaina ara-bakiteny dia hoe “amin’ny soroka iray ihany”. Ireny olona ireny dia hanompo an’Andriamanitra “amim-piraisam-po” (Français courant); “amim-piraisan-tsaina” (Crampon 1905); “eo ambany zioga iray ihany”. (Jérusalem.) Mandika toy izao an’io andinin-teny io ny fandikan-teny hafa iray: “Dia hataoko izay hananan’ny vahoaka molotra madio mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’ny TOMPO, hanompoany azy amim-piezahana mitovy.” (TOB). Ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany, izay mampiseho fiteny sy firazanana maro, no miara-miezaka ao amin’ny asan’i Jehovah.

5. Ahoana no ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo fitenin’olombelona?

5 Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra miteny io “fiteny madio” io, dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia ampiasainy amin’ny fomba ambony indrindra ireo fitenin’olombelona: midera an’Andriamanitra izy ireo ary manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana (Marka 13:10; Titosy 2:7, 8; Hebreo 13:15). Moa ve tsy mahatalanjona ny amelan’ny “fiteny madio” toy izany, olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra, hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina?

6. Ahoana moa no fomba fijerin’i Jehovah ny olombelona, ary inona no azon’ny kristiana iray atao raha mbola misy fizahan-tavan’olona tavela ao am-pony?

6 Nanao fanambarana tamin’i Kornelio sy tamin’ny Jentilisa hafa i Petera ka nilaza hoe: “Takatro marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay matahotra azy ka mampihatra ny rariny no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35, Osty). Araka ny fandikan-teny hafa, Jehovah dia “tsy mifidy olona”, “tsy manavakavaka olona”, “tsy manao zavatra hafa arakaraka ny olona”. (Maredsous; Darby; Français courant.) Isika izay manompo an’i Jehovah, dia araka ny fijerin’i Jehovah azy no tokony hijerentsika ny olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra. Inona anefa no azon’ny kristiana iray atao raha mbola misy sisa tavela amin’ny fizahan-tavan’olona ihany ao am-pony? Azony atao ny mieritreritra amin’ny fomba mahasoa ny hoe ahoana no itondran’ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona ny olona avy amin’ny firenena sy foko ary vahoaka sy fiteny rehetra izay manompo azy eo amin’izao tontolo izao. — Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 febroary 1985, pp. 3-11.

Olona faniry

7. Raha ny amin’izay mahakasika ny fifandraisany amin’Andriamanitra, nahoana moa no azo atao ny milaza fa na inona na inona firazanany na fireneny, dia mitovy amin’ny hafa ny kristiana iray?

7 Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao amin’izao fotoana izao, dia azo inoana tokoa fa nisy fotoana ‘nampisento sy nampitaraina anao noho ny fahavetavetana’ atao eto amin’ity izao tontolo izao ratsy ity (Ezekiela 9:4). ‘Maty tao amin’ny fahotanao’ ianao, nefa naneho famindrampo taminao Andriamanitra: nanintona anao ho aminy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy (Efesiana 2:1-5; Jaona 6:44). Amin’izany lafiny izany, dia tsy hafa noho ny olon-kafa izay namanao ao amin’ny finoana ankehitriny ianao. Taloha koa izy ireny dia ory noho ny faharatsiana ary ‘maty tao amin’ny fahotany’, ary nandray soa koa tamin’ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireny. Afa-tsy izany koa, na inona na inona firazanany na fireneny, dia noho ny finoany ihany no mety hiheveran’i Jehovah Andriamanitra antsika ho anankiray amin’ireo vavolombelony. — Romana 11:20.

8. Ahoana moa no ahatanterahan’ny Hagay 2:7 amin’izao androntsika izao?

8 Ny teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Hagay 2:7 dia manampy antsika hahatakatra hoe ahoana no tokony hiheverantsika ireo namantsika samy hafa firenena. “Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah.” Ao amin’ny tena tempolin’Andriamanitra, ao amin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana aminy, no anandratana ny fivavahana madio, araka io faminaniana io (Jaona 4:23, 24). Fa inona no atao hoe “izay irin’ny firenena rehetra”? Ireo olona an’arivony maro tia ny rariny ka mandray tsara ny hafatra momba ny Fanjakana. Avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra izy ireny ka miakatra ao amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia atao batisa izy ireny ary manatevin-daharana ny “olona betsaka” vavolombelon’Andriamanitra avy amin’ny firenena rehetra (Isaia 2:2-4; Apokalypsy 7:9). Madio sy tsara fitondrantena ary tia fivavahana ny olona midera an’i Jehovah eo anivon’ny fandaminany eto an-tany; tena faniry tokoa izy ireny. Ara-dalana ary raha toa ny kristiana marina iray ka maniry haneho fitiavan-drahalahy amin’ireny olona rehetra ireny, izay nankasitrahan’ny Raintsika rehetra, dia ilay Andriamanitry ny lanitra.

Toetra vaovao

9. Na dia tsy tsara aza ny fiheverantsika ny hafa firenena taloha, nahoana moa no tokony ho hafa ny zavatra, rehefa kristiana isika izao?

9 Matoa faniry ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ny finoana, na aiza na aiza misy azy eto an-tany, dia satria koa narahiny ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tokony ‘hanariana ny toetra taloha mbamin’ny asany sy ny hitafiana ny toetra vaovao’. “Havaozina [io toetra io] ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.” (Kolosiana 3:9-11). Raha tsy tsara ny fiheveran’ny olona iray ny hafa firenena sasany, Jiosy, Grika na hafa, talohan’ny nahatongavany ho kristiana, dia tokony ho hafa izao ny zavatra. Na inona na inona firazanany, fireneny na fahaizany, ireo izay nitafy ny “toetra vaovao” dia mampiseho fa ambolen’izy ireo ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, dia: ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena (Galatiana 5:22, 23). Mahatonga azy ireny ho sarobidy ho an’ny namany kristiana ireo toetra ireo.

10. Raha voan’ny fakam-panahy hanao fanamarihana manaratsy ireo namantsika ao amin’ny finoana isika noho izy ireny anisan’ny firazanana na firenena toy izao na izao, ahoana no mety hanampian’ny Titosy 1:5-12 antsika?

10 Mifanohitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao dia miteny amin’ny fomba tsy manaja loatra ny olona hafa firazanana noho izy. Nilaza toy izao ny amin’ny mpiray firenena taminy mihitsy aza ny mpaminany kretana iray: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”. Nahatsiaro ireo teny ireo ny apostoly Paoly rehefa tsy maintsy nampangina mpampianatra sandoka teo amin’ireo kristiana tany amin’ny nosy Kreta. Tsy nilaza anefa akory i Paoly hoe mpandainga, ratsy, kamo sy be tenda daholo ny kristiana rehetra tany Kreta (Titosy 1:5-12). Tsia, satria tsy mba miresaka ny hafa amim-panamavoana ny kristiana. Ambonin’izany koa, ny ankamaroan’ireny kristiana ireny dia nitafy ny “toetra vaovao”, ary ny sasany taminy dia nanana ireo toetra ara-panahy notakina mba hanendrena azy ho loholona. Tokony hieritreritra an’io ohatra io isika raha sanatria ka voan’ny fakam-panahy hanao fanamarihana ratsy momba ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy hafa firazanana na firenena.

Aoka isika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika

11. Raha mbola tsy afaka ao am-pon’ny kristiana iray ny fironana hizaha tavan’olona, inona no ho azony atao?

11 Etsy an-daniny koa, raha mirona ho tia kokoa firazanana na firenena iray ny kristiana, dia azo inoana fa hiseho eo amin’ny teniny na ny ataony izany; ary mety ho tafintohina noho izany fizahan-tavan’olona izany ny sasany, indrindra fa ao amin’ireo kongregasiona ifangaroan’ny firazanana samihafa. Tsy isalasalana fa tsy misy mihitsy kristiana ho tia ny hanimba toy izany ny firaisan-tsain’ny olon’Andriamanitra (Salamo 133:1-3). Noho izany, raha tsy afaka ao am-pon’ny kristiana iray ny fironana hizaha tavan’olona, dia ho afaka hivavaka amin’izao fomba izao izy: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” — Salamo 139:23, 24.

12. Nahoana moa isika no tsy tokony hirehareha na hanindrahindra olon-kafa mitovy fiaviana amintsika?

12 Aoka isika hiseho hihevitra ny zavatra tena misy ka tsy hanadino fa isika rehetra dia olombelona tsy tanteraka izay ho tsinontsinona eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy nanolotra ny ainy ho sorona Jesosy Kristy (1 Jaona 1:8-2:2). Noho izany, inona no tsy itoviantsika amin’ny hafa? Koa satria tsy manana na inona na inona ka tsy noraisintsika isika, nahoana isika no hirehareha na hanindrahindra olon-kafa mitovy firazanana amintsika? — Jereo 1 Korintiana 4:6, 7.

13. Ahoana no azontsika andraisana anjara amin’ny fanaovana izay hisian’ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona, ary inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny Filipiana 2:1-11?

13 Afaka mandray anjara amin’ny firaisan-tsain’ny kongregasiona isika amin’ny fampisehoana amin’ireo namantsika fa ankasitrahantsika ny toetrany tsara. Ny apostoly Paoly, izay Jiosy, dia mampieritreritra antsika rehefa nilaza toy izao tamin’ny Jentilisa tao amin’ny kongregasiona tany Filipy: “Tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” Tamin’ny ohatra nomeny, dia nasehon’i Jesosy Kristy tamintsika ny fomba tokony hitondrantsika tena eo anoloan’ny olona, na inona na inona firazanany sy fireneny. Na dia zavaboary ara-panahy nahery aza izy, dia ‘tonga mba hanam-pitoviana tamin’ny olona’ ary nanetry tena hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny mpanota avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra (Filipiana 2:1-11). Noho izany, isika izay mpianatr’i Jesosy, moa ve isika tsy tokony haneho fitiavana, fanetren-tena sy fangoraham-po amin’ny fiaikena fa ambony noho isika ny hafa?

Aoka isika hihaino sy handinika

14. Inona moa no mety hanampy antsika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika?

14 Ho mora kokoa ny fahaizantsika mihevitra ny hafa ho ambony noho isika raha mihaino azy ireny sy mandinika azy amim-pitandremana isika. Izany fihetsika izany dia hahatonga antsika ho afaka, ohatra, raha loholona isika, hiaiky amim-pahamarinana tanteraka fa ny loholona hafa iray — tsy mitovy firazanana amintsika angamba — dia manome torohevitra tsaratsara kokoa noho isika ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Ho takatsika angamba fa ny fiainany ara-panahy — fa tsy hoe tsy maintsy ho ny fomba firesany, ny fandahany teny, ohatra — no mahatonga azy ho afaka hahazo vokatra tsara sy hanampy ireo namany kristiana ho tonga mpitory ilay Fanjakana mahay. Hiharihary koa fa mitahy ny fiezahany Jehovah.

15. Inona no mety ho voamarintsika rehefa mihaino ireo namantsika kristiana isika?

15 Rehefa miresaka amin’ireo namantsika kristiana isika na mihaino ny valin-teny omeny amin’ireo fivoriana, dia ho voamaritsika angamba fa ny sasany amin’izy ireny dia mahazo tsara kokoa noho isika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sasany; mety ho hitantsika fa lalina kokoa ny fitiavany ny rahalahy, mafy orina kokoa ny finoany, na lehibe kokoa ny fitokisany an’i Jehovah. Araka izany, na inona na inona fiaviany, dia mamporisika antsika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara izy ireny, manampy antsika hanatanjaka ny finoantsika ary manosika antsika hitoky bebe kokoa amin’ny Raintsika any an-danitra (Ohabolana 3:5, 6; Hebreo 10:24, 25, 39). Miharihary fa nanatona azy ireny Jehovah, ary izany no tokony hataontsika. — Jereo Jakoba 4:8.

Voatahy sy tohanana

16, 17. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny hoe tsy amim-piangarana no izaran’i Jehovah ireo fitahiana omeny ho an’ny mpanompony avy amin’ny firenena na firazanana toy izao na izao.

16 Tsy amim-piangarana akory no izaran’i Jehovah ireo fitahiana omeny ny mpanompony avy amin’ny firenena na ny firazanana toy izao na izao. Aoka hojerentsika, ohatra, izay hita any Brésil. Tsy misionera akory, fa tantsambo breziliana valo, no nanao izay handrenesana voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana tany. Tany amin’ny 1920 izany. Mazava fa notahin’Andriamanitra ny asa fitoriana notanterahina tao amin’io tany io, satria, tao anatin’ny taom-piasana 1987, dia 216 216 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana voamarika, amin’ny mponina 141 302 000, ka izany dia manome ampahany mpitory iray isaky ny olona 654.

17 Aoka hojerentsika ny fisehoan’ny fitahian’Andriamanitra hafa iray koa. Tamin’ny aprily 1923, ny Vavolombelon’i Jehovah mainty hoditra roa nonina tany amin’ny nosy Trinite, any Antilles, dia nirahina ho any Afrika andrefana mba hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana tany. Tamin’izany no niasan’ny rahalahy sy ny anabavy Brown tany Afrika nandritra ny taona maro; nantsoina hoe “Brown Baiboly” ilay rahalahy. “Namboly” izy ireo ary ‘nampitombo Andriamanitra’ arakaraka ny nitorian’olon-kafa tao amin’io faritany midadasika io. (1 Korintiana 3:5-9). Amin’izao andro izao, dia miisa ho 32 600 ny mpitory ilay Fanjakana any Ghana ary maherin’ny 133 800 any Nigéria.

18, 19. Manomeza ohatra mampiseho fa manohana ireo mpanompony avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona.

18 Araka ny asehon’izay nitranga tamin’ny Vavolombelona japone roa, Jehovah dia mitahy, nefa koa manohana ireo mpanompony avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra. Ny 21 jona 1939, dia nosamborina tsy ara-drariny Katsuo Miura sy ny vadiny, nampidirina an-tranomaizina ary nosarahina tamin’ny zanany lahy kely dimy taona izay voatery nampiandraiketina ny renibeny. Nafahana ny vadin’i Katsuo rehefa afaka valo volana fa izy kosa nijanona tany an-tranomaizina nandritra ny roa taona mahery talohan’ny hitsarana azy. Nampiharana fitondrana ratsy izy, rehefa avy eo dia nekena fa meloka ary nomelohina dimy taona an-tranomaizina. Nandritra ny fotoana nitanana azy tany Hiroshima, Andriamanitra dia nanohana azy tamin’ny alalan’ny Soratra masina izay nitondra hery sy fampiononana ho azy foana. Rehefa nipoaka ny baomba ataomika tamin’ny 6 aogositra 1945, dia toa noho ny fahagagana no tsy nahafaty azy, satria nandrava ny tranomaizina nisy azy ny fitsokan’ny fipoahana. Roa volana tatỳ aoriana, dia afaka nody tany amin’ny vady aman-janany izay nonina tany avaratr’i Japon izy.

19 Tany amin’ny tany maro, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia niharam-panenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah; izany no hita tamin’i Robert Winkler, kristiana alemana izay nijaly tany amin’ny toby fitanana nazia, na tany Alemaina na tany Pays-Bas. Koa satria tsy tiany ny hamadika ireo namany, dia nokapohina tamin-kabibiana izy, mafy aoka izany ka nahatonga azy tsy ho fantatra intsony ny fijaliana. Izao no notantarainy: “Noeritreretiko ireo fampanantenan’Andriamanitra nanomezany antoka fa hanampy ireo mpanompony amin’ny fahoriana isan-karazany izy, ka izany dia nampahery ahy sy nanome ahy hery hiaretana izao karazam-pahoriana rehetra izao (...) Ny asabotsy, dia mbola nikapoka ahy ihany ireo iraky ny Gestapo, ary ny alatsinainy nanaraka dia nisy fakana am-bavany ahy. Inona no hitranga izao, ary inona no hataoko? Nitodika tany amin’i Jehovah tao amin’ny vavaka aho, natoky ny fampanantenany. Fantatro fa izany dia nilaza hoe ilaina ny mampiasa hakingana teokratika ho tombontsoan’ny asan’ilay Fanjakana sy mba hiantohana ny fiarovana ireo rahalahiko kristiana. Fitsapana mafy tokoa ho ahy izany! Trotraka tanteraka aho tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo, kanefa nisaorako Jehovah izay nahatonga ahy ho afaka hiaritra sy hitana ny tsy fivadihako, noho ny heriny.” — Salamo 18:35; 55:22; 94:18.

Firahalahiana manosika antsika hankasitraka

20. Ahoana no mety hitomboan’ny fanajantsika ireo namantsika avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra?

20 Tsy isalasalana mihitsy fa mitahy sy manohana ireo vavolombelony amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra Jehovah. Tsy mizaha tavan’olona izy, koa tsy azo alan-tsiny isika izay nanolo-tena ho azy sy manompo azy raha maneho fizahan-tavan’olona. Afa-tsy izany koa, dia tsy maintsy hitombo ny fanajantsika ireo rahalahintsika sy anabavintsika avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra raha mieritreritra ny lafiny maha-ambony azy ireny oharina amintsika isika. Izy ireny koa dia mampihatra ny fahendren’Andriamanitra izay tsy manavakavaka ary mitondra vokatra tsara dia tsara (Jakoba 3:13-18). Ambonin’izany, ny fahamoram-panahiny, ny fahalalahan-tanany, ny fitiavany mbamin’ireo toetrany hafa araka an’Andriamanitra dia mahatonga azy ireo ho ohatra tsara ho antsika.

21. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa isika?

21 Araka izany, dia tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny fahafahana manana fifandraisan’ny mpirahalahy amin’olona avy amin’ny firazanana sy firenena maro. Noho ny fanampiany sy ny fitahiany, dia aoka àry isika hanompo ny Raintsika any an-danitra “amim-piraisan-kina”, ao anatin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy sy ny fifanajana. Eny, tokony hanana faniriana lalina sy fikasana mafy orina ny hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-kina isika.

Ahoana ny hevitrao?

◻ Afaka manao inona moa, noho ny “fiteny madio”, ireo mpanompon’i Jehovah avy amin’ny fiaviana rehetra?

◻ Ahoana moa no ahatanterahan’ny Hagay 2:7 amin’izao andro izao, ary inona no tokony ho herin’io fisehoan-javatra io eo amin’ny fomba iheverantsika ny mpanompon’Andriamanitra hafa?

◻ Inona mety ho herin’ny Filipiana 2:3 eo amin’ny fifandraisana tanantsika amin’olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra?

◻ Raha mihaino sy mandinika ireo namantsika hafa firenena isika, inona no ho fantatsika mazava ny amin’izy ireny?

[Sary, pejy 17]

Misy olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra midera an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina.

[Sary, pejy 18]

Raha mihaino sy mandinika amim-pitandremana ny Vavolombelon’i Jehovah hafa isika, dia hanohina antsika ny fitiavana sy ny finoana hita taratra amin’ny tenin’izy ireny sy ny ataony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara