FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/3 p. 28-31
  • Fanomezana mamelombelona ny fo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana mamelombelona ny fo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba fanaon’ireo kristiana voalohany
  • Ny tsy fahatapatapahana no fanalahidiny
  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny fomba anambinan’i Jehovah ny asany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • “Fisedrana ny fahatsoran’ny fitiavanao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Inona no havalintsika an’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/3 p. 28-31

Fanomezana mamelombelona ny fo

NY FARITRA voafefy eto ambany dia mampiseho santionan-taratasy nalefan’ny mpitondra fivavahana sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana noho ny fikendrena hangata-bola. Hitanao ho mamelombelona ny fo ve izy ireo? Tsy dia be loatra, lavitra an’izany. Ilaina amin’ny lafin-javatra maro anefa ny vola amin’izao andro izao; manampy amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra izy io. Ahoana àry no fomba ahazoan’ny fandaminana kristiana iray ny vola tsy maintsy ilainy hanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra?

Azo atao ny mahita valiny amin’ny fandinihina izay fomba fanao tao anatin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary koa ireo tenin’i Jesosy Kristy, Mpanorina azy. “Omeo, dia mba homena hianareo”, hoy ny toroheviny ao amin’ny Lioka 6:38. “Fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” Io fanoharana io dia tsy maintsy ho toa nety aoka izany kokoa tamin’ireo mpihaino an’i Jesosy tamin’ny androny. Tany Atsinanana, ny akanjo dia nisy paosy natao hitondrana na hitehirizan-javatra. Ny teny hoe “ampofoana” na, ara-bakiteny “trotroana” (kolpos amin’ny teny grika) dia manondro ny lempona avy amin’ny riran’akanjo iray midoroboka eo ambonin’ny fehin-kibo indrindra; ao anatin’io paosy io, ireo mpivarotra no mandrotsaka ny entana novidiana taminy, rehefa avy nandanja azy.

Mpivarotra firy no hamatratra, avy eo dia hanintsan’entana mba hametrahana betsaka tamin’izany araka izay azo natao tao anatin’ny riran’akanjon’ny mpividy iray, mba hihoarany? Vitsy dia vitsy, raha hisy aza. Kanefa, amin’ny fanatanterahana amim-pahalalahan-tanana asa fiantrana amin’ireo izay mila izany, ny kristiana dia honerana famindrampo amim-pahalalahana. Arakaraka ny fomba itondrantsika ny hafa, na amim-pahihirana izany na amim-pahalalahan-tanana, no hamarana izay jinjaintsika avy amin’ny olona, nefa, ny mbola zava-dehibe kokoa, dia izay jinjaintsika avy amin’i Jehovah Andriamanitra. — Jereo II Korintiana 9:6; Galatiana 6:7.

Tamin’ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy amin’ny tenany sy ny volany, Jesosy dia nanamarina io fotopoto-pitsipika io. Fisehoana velon’ny fahalalahan-tanana izy. Tamin-jotom-po sy tsy fitiavana tombontsoa ho an’ny tenany no nitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ireo malahelo. Tsy nampandoa vola tamin’ny asany na oviana na oviana izy na nanantena ny handoavana aminy karama toy izao na izao. Na dia izany aza dia tsy ory na inona na inona mihitsy izy. Ny olona mihitsy no niahy tamim-pahalalahan-tanana ny amin’izay nilainy teo amin’ny fanompoana. — Lioka 7:22; 8:1-3.

Ny ohatra navelan’i Jesosy dia namporisika olon-kafa koa — Simona Petera, Jakoba, Jaona ary ny sisa tamin’ireo apostoly roa ambin’ny folo — haneho fahalalahan-tanana toy izany tamin’ny fandaozana ny zavatra rehetra mba hanokanan-tena tamin’ny fanompoana (Lioka 5:10, 11; 9:1-6). Miteraka vokatra mitovy amin’izany io karazam-panomezana io amin’izao andro izao. Ny vavolombelon’i Jehovah dia manome avy amin’ny fotoanany, avy amin’ny heriny ary ny fahafahany mba hahazoan’ny mpiara-belona aminy mandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa satria maneho fahalalahan-tanana izy ireny rehefa mitory, etsy ankilan’izany dia mba voatosika koa ny hafa hiseho ho malala-tanana amin’ny fampielezana ny vaovao tsara. — Ohabolana 11:25.

Kanefa, ankoatran’ny fitoriana, dia misy endrim-panomezana hafa izay mamelombelona ny fo. Ny fanomezana vola amin’ny antony tsara manosika sy noho ny antony tsara dia anisan’ny fanompoam-pivavahana marina ihany koa (II Korintiana 9:9-14). Ahoana no nataon’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany mba hanaovana fanomezana?

Ny fomba fanaon’ireo kristiana voalohany

Tamin’ny andro mihitsy nahaterahan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo olona niova vaovao 3000 vita batisa dia ‘niombona tamin’ny famakiana mofo ary ny fivavahana’. Antony tsara inona no nananan’izy ireny? Izany dia namela azy ireny hihazona ny finoany vao teraka tamin’ny ‘faharetana tamin’ny fampianaran’ny apostoly’. — Asan’ny apostoly 2:41, 42.

Ireo Jiosy sy proselyta tonga tany Jerosalema dia tsy nihevitra ny hijanona tao afa-tsy tamin’ny andro firavoravoan’ny Pentekosta ihany. Nefa, ireo izay tonga kristiana dia nanam-paniriana hijanona elaela kokoa sy hianatra bebe kokoa mba hanatanjaka ny finoany vaovao. Niteraka zava-manahirana maika momba ny sakafo sy ny trano fonenana izany. Ny mpandeha sasany dia tsy nanam-bola ampy tany aminy, ny hafa anefa nanana be loatra tamin’izany. Nanangona vonjy maika ny fananany ara-nofo àry ny rehetra, ka izany dia nozaraina tamin’ireo izay nila izany. — Asan’ny apostoly 2:43-47.

Ahoana no fomba nanaovana ny fitsinjarana ny sakafo sy ireo trano fonenana? Tamin’ny fanaovan-javatra tamin’ny naha-kolejy foibe azy, ireo apostoly dia nandamina ny famoriam-bola sy ny fizarana ireo fananana nomena. Araka izany, ireo fitantarana momba ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany dia mampiseho fa ireo mpikambana tao aminy dia tsy nihevitra ny fananany ara-nofo ho toy ny azy, fa ho toy ny zavatra azo ampiasaina ho tombontsoan’ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona (Asan’ny apostoly 2:44; 4:32). Ambonin’izany, “izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo, ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy”. — Asan’ny apostoly 4:34, 35.

Ny famarotana ny fananan’ny tena momba ny tany sy ny fizarana ny fananan’ny tena rehetra dia an-tsitrapo tanteraka; tsy nisy olona voatery hivarotra na hanome ny fananany. Tsy natao ihany koa hampisongadina ny fahantrana izany. Tsy hoe natao hivarotra ny fananany rehetra akory ireo kristiana nanan-karena kokoa mba hahatongavana ho mahantra. Noho ny fangorahany kosa ireo mpino namany izay tao anatin’ilay tarehin-javatra tamin’izany fotoana izany no namarotany fananana sy nanolorany ny vidin’izany rehetra, noho ny fikendrena hanome izay nilaina ho fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. — Jereo II Korintiana 8:12-15.

Toy izany koa amin’izao andro izao, ny sasany dia nanao fanomezana tany ho an’ny Fikambanana Watch Tower na koa nanao ny didim-pananany ho tombontsoan’io; tamin’izany no nanomezany ho eo ambany fitantanan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, vola hampiasaina any amin’ireo tany izay mandodona indrindra ireo zavatra ilain’ilay Fanjakana. Sahala amin’ny tamin’ny Pentekosta taona 33, ireo fanomezana rehetra karazan’izany dia mandray anjara amin’ny fampielezana ny fahazavana ara-panahy, ary tsy misy na oviana na oviana na dia iray amin’ireny aza terena.

Ny tsy fahatapatapahana no fanalahidiny

Roapolo taona teo ho eo taty aorianan’ny Pentekosta taona 33, ny apostoly Paoly dia nampahatsiahy ny kongregasiona tany Korinto fa ilaina ny manao fanomezana sasany. “Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia”, hoy ny nosoratany, tamin’ny fanampiana izao torohevitra izao: “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.” Miharihary fa ny fianakaviana manontolo, na nanan-karena izy na nahantra, no tsy maintsy nanapa-kevitra ny amin’izay vola homena, satria tsy maintsy nanao izany ny tsirairay avy “ao aminy”. — I Korintiana 16:1-3.

Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona amin’ny andro ankehitriny dia afaka manaraka ny torohevitra nomen’i Paoly ny amin’ny fomba fanaovana fanomezana. Ahoana izany? Ny tsy fanapatapahana no fanalahidiny. Raha toa ny kongregasionareo ka tsy maintsy mandoa hofan-trano isam-bola sy saran’ny fikarakarana ny toeram-pivorianareo na Efitrano Fanjakana, ny zava-dehibe dia “tsy ny fitambaran’ny vola harotsaka loatra fa ny hanokananao zavatra ara-potoana isan-kerinandro na isam-bolana ho an’ireo tombontsoan’ilay Fanjakana”, hoy ny nosoratan’ny sampana any Pérou. Heverinao ve fa fomba fanao tsara izany? Azo atao aza ny mampianatra ny ankizy fa ny tsy fanapatapahana eo amin’ny fanomezana dia anisan’ny fanompoam-pivavahany.

Araka izany àry, rehefa atao amin’ny antony tsara manosika sy amin’ny antony tsara ny fanomezana, dia mamelombelona ny fon’Andriamanitra sy ny an’ny olona koa. Izao no voasoratra ao amin’ny II Korintiana 9:7: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.”

[Efajoro, pejy 28]

Ireo fomba fanaon’ny fivavahana lazaina fa kristiana

“Nilaza tamiko ny Tompo mba hanoratra ho anao ity taratasy ity. (...) Tsy ho nanoratra ho anao ity taratasy ity mihitsy aho raha tsy Andriamanitra no nilaza tamiko hanao izany sy hampahafantatra anao fa raha mandefa avy hatrany vola 20,00 $ [14 000 FMG] ianao mba hanampiana ahy, dia hitahy anao izy tsy toy ny nanampiany anao teo aloha.” — Taratasy iray nalefa ho an’olona maro avy tamin’ny mpitondra fivavahana kanadiana iray, voasonia hoe “Ny minisitrao sy mpiara-miasa aminao”.

“Sokafy ity menaka fanosorana masina ity. (Aza misy ariana na indray mitete aza.) Ao anatin’ity menaky ny finoana ity Jesosy. Ampiasao izy io mba hanaovana mariky ny tanam-bokovoko eo amin’ny handrinao, manaraka izany, amin’ny alalan’ny finoana dia mandehana mitokana ao amin’ny efitrano iray, dia avoahy ny vola rehetra anananao ary manaova mariky ny tanam-bokovoko isaky ny vola taratasy mba handaminan’Andriamanitra ny zava-manahirana anao ara-bola sy hampitomboany ny volanao sahala amin’ny ao amin’ny Lioka 6:38. (...) Rehefa manosotra menaka ny volanao amin’ity menaka ity ianao, dia hosory ny vola taratasy tsirairay avy, avy eo, amin’izay vaventy indrindra anananao, raha toa izany ka vola taratasy 20 $ [14 000 FMG], 10 $ [7 000 FMG] na 5 $ [3 500 FMG], dia manaova mariky ny tanam-bokovoko amin’ilay menaka fanosorana ary alefaso ho an’ny asan’Andriamanitra izany.” — Taratasy iray nalefa ho an’olona maro avy tamin’ny “révérend” amerikana iray, voasonia hoe “Mpaminanin’Andriamanitra iray hatramin’ny 30 taona”.

[Efajoro, pejy 30]

Fomba fanaon’ny sasany fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana

◆ FANOMEZANA: Ny fanomezana dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201 (Etazonia) na any amin’ny sampan’ny Fikambanana eo amin’ny taninao. Azo atao ihany koa ny manao fanomezana fananana toy ny trano. Tokony hisy taratasy fohy miaraka amin’ireny fanomezana ireny mba hilazana fa fanomezana an-tsitrapo izany.

◆ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manome ho an’ny Fikambanana Watch Tower vola, vola azo ampiasaina, taratasy fanekena milaza fandoavam-bola ary fananana, amin’ny fanantenana hahazo famerenana raha sendra misy ilàna azy. Io fomba io dia misoroka ny fandaniana sy ireo fisalasalana eo amin’ny fifanekena amin’ny didim-pananana iray, amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa handray ireo fananana ny Fikambanana raha sendra misy fahafatesana.

◆ FIANTOHANA: Ny Fikambanana Watch Tower dia azo ambara ho ny mpandray soa amin’ny fanekena iray andoavam-bola amin’ny fiantohan’aina. Toy izany koa, fa azo atao ny mitahiry vola ho an’ny Fikambanana. Amin’ireo zava-mitranga anankiroa ireo, ny Fikambanana dia tokony hampandrenesina ny amin’izany.

◆ DIDIM-PANANANA: Any amin’ny tany sasany (fa tsy eto Madagasikara), ny fananana toy ny trano na ny vola dia azo atolotra ny Fikambanana amin’ny alalan’ny didim-pananana nohamarinina ara-dalàna. Ny kopia iray amin’ilay didim-pananana dia tokony halefa any amin’ny Fikambanana amin’izay.

Raha maniry hahazo fanazavana bebe kokoa na torohevitra momba io foto-kevitra io ianao, dia manorata any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny Sampan’ny Fikambanana ao amin’ny taninao.

[Sary, pejy 31]

Fomba maro nitsinjaran’ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo fanomezana nataonao mba hampandrosoana ireo tombontsoan’ilay Fanjakana tao anatin’ireo taona roa farany:

Fanampiana ara-bola ho an’ireo misionera sy mpitory maharitra manokana maherin’ny 12 700

Fanorenana na fanitarana sampana efapolo

Fanampiana ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany maherin’ny 5 000 sy ny vadin’izy ireny

Fividianana milina fanontam-pirinty rotativa haingam-pandeha valo vaovao

Fikarakarana ireo mpikambana ao amin’ny Betela 8 400 mahery

Fanampiana ho an’ireo niharam-pahavoazana noho ny loza aman’antambo maro

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara