FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 47
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Tanjona Tena Tsara ny Batisa!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 47
Lesona 47. Mpianatra Baiboly iray mieritreritra momba ny batisa, eo am-pijerena lehilahy iray atao batisa eny amin’ny fivoriambe.

LESONA 47

Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Betsaka ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah hatramin’izay nianaranao Baiboly izay. Azo inoana hoe efa niezaka nampihatra an’izay nianaranao ianao. Mety ho mbola misy zavatra misakana anao tsy hanokan-tena sy hatao batisa anefa. Horesahina ato amin’ity lesona ity hoe inona ny zavatra sasany misakana ny olona tsy hatao batisa ary ahoana no handresenao azy ireny.

1. Mila mahafantatra zavatra be dia be ve ianao vao azo atao batisa?

Mila ‘mahalala tsara ny fahamarinana’ ianao vao azo atao batisa. (1 Timoty 2:4) Tsy midika izany hoe tsy maintsy hainao daholo ny valin’ny fanontaniana rehetra momba ny Baiboly. Na ny Kristianina vita batisa efa ela aza mbola mianatra foana. (Kolosianina 1:9, 10) Mila azonao anefa ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana no hanampy anao hahita raha ampy ny zavatra fantatrao.

2. Inona avy no mila ataonao alohan’ny hanaovana batisa anao?

Mila mibebaka sy miova aloha ianao. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19, fanamarihana ambany pejy.) Midika izany hoe tena manenina ianao noho ny fahotana nataonao, ary mangataka famelan-keloka amin’i Jehovah. Tapa-kevitra koa ianao hoe tsy hanao an’izay zavatra tsy tian’i Jehovah ary hampifaly azy amin’ny fiainanao manontolo. Ankoatra izay, dia efa manomboka mivory sy mitory miaraka amin’ny fiangonana ianao.

3. Nahoana no tsy tokony havelanao hisakana anao ny tahotra?

Matahotra ny olona sasany hoe sao dia tsy ho vitany ny zavatra nampanantenainy an’i Jehovah. Marina fa mety hanao fahadisoana ianao indraindray. Na ireo lehilahy sy vehivavy tsy mivadika resahin’ny Baiboly aza mba hoatr’izany koa. Tsy manantena anefa i Jehovah hoe ho lavorary ny mpanompony. (Vakio ny Salamo 103:13, 14.) Faly izy rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao! Hanampy anao izy. Manome toky mihitsy aza izy hoe “tsy hisy hahavita hampisaraka antsika [aminy] ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony.”​—Vakio ny Romanina 8:38, 39.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Ho hitantsika hoe handresy an’izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa ianao, raha miezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy manaiky hampiany.

Sary: Tovovavy iray te hatao batisa ka miezaka mandresy zava-tsarotra. Miverina eo ambany ny sary tsirairay.

4. Miezaha ho akaiky kokoa an’i Jehovah

Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay tovovavy.

Tokony ho hoatran’ny ahoana ny fifandraisanao amin’i Jehovah alohan’ny hanaovana batisa anao? Tokony hoe efa mifandray akaiky aminy ianao ka tia azy sy te hampifaly azy. Inona no nataon’ny mpianatra Baiboly sasany mba ho akaiky an’i Jehovah izy ireo? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Inona avy ny Ezaka Nataoko Talohan’ny Batisako? (3:56)

  • Inona no nanampy an’ireo olona tao amin’ilay video mba ho vonona hatao batisa?

Vakio ny Romanina 12:2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Mbola misy mampisalasala anao ve ny zavatra ampianarin’ny Baiboly? Mbola misalasala ve ianao hoe marina sa tsia ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

  • Inona no azonao atao raha mbola misalasala ianao?

5. Reseo izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa

Mampiditra Baiboly ao anaty kitapony izy ary mibedy azy ny mamany.

Tsy maintsy miatrika olana isika rehefa tapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Inona, ohatra, izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Nahavita Nandresy Zava-tsarotra Satria Tia An’i Jehovah (5:22)

  • Tsy maintsy nandresy zava-tsarotra i Narangerel mba ho afaka hanompo an’i Jehovah. Inona avy izany?

  • Nahoana no nanampy azy handresy azy ireny ny fitiavany an’i Jehovah?

Vakio ny Ohabolana 29:25 sy ny 2 Timoty 1:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no manampy antsika ho be herim-po ka handresy zava-tsarotra?

6. Matokia fa hanampy anao i Jehovah

Mitory amin’ny vehivavy iray be taona izy ary miaraka aminy ny mpampianatra Baiboly azy.

Hanampy anao hampifaly azy i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Hanampy Anao i Jehovah Andriamanitra (2:50)

  • Nahoana ilay mpianatra Baiboly tao amin’ilay video no nisalasala hatao batisa?

  • Inona no nanampy azy hatoky kokoa an’i Jehovah?

Vakio ny Isaia 41:10, 13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Misy zavatra ampanantenainao an’i Jehovah rehefa manokan-tena ianao. Nahoana ianao no afaka matoky hoe hahavita hanatanteraka an’ilay izy?

7. Miezaha hankasitraka kokoa ny fitiavan’i Jehovah

Mivavaka izy.

Vao mainka ianao hankasitraka kokoa an’i Jehovah rehefa misaintsaina ny fitiavany anao. Vao mainka koa ianao te hanompo azy mandrakizay. Vakio ny Salamo 40:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona avy ny fitahiana nomen’i Jehovah anao ka tena ankasitrahanao?

Tia an’i Jehovah sy ny teniny i Jeremia mpaminany. Tena faly koa izy hoe nanana tombontsoa hitondra ny anaran’i Jehovah. Nilaza izy hoe: ‘Naharavoravo ahy ny teninao sady nahafaly ny foko. Fa mitondra ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitra ô!’ (Jeremia 15:16) Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no tombontsoa miavaka ilay hoe Vavolombelon’i Jehovah?

  • Te hatao batisa ve ianao ka ho lasa Vavolombelon’i Jehovah?

  • Misy zavatra misakana anao tsy hanao an’izany ve?

  • Inona no mbola mila ataonao mba ho tratranao ilay tanjona hoe atao batisa?

Atao batisa izy.

MISY MITENY HOE: “Matahotra aho hoe tsy ho vitako ny zavatra nampanantenaiko rehefa vita batisa eo aho.”

  • Hoatr’izany koa ve no tsapanao?

FAMINTINANA

Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia ho vitanao ny handresy an’izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa.

Famerenana

  • Inona ny zavatra tokony ho fantatrao ao amin’ny Baiboly vao azo atao batisa ianao?

  • Inona avy ny fiovana mila ataonao alohan’ny hanaovana batisa anao?

  • Nahoana no tsy tokony havelanao hisakana anao ny tahotra?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no tokony handrisika anao hatao batisa?

“Vonona Hatao Batisa ve Ianao?” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2020)

Inona ny zavatra sasany mety hisakana anao tsy hatao batisa, ary ahoana no handresenao azy ireny?

“Inona no Misakana Ahy Tsy Hatao Batisa?” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2019)

Nahavita nandresy zava-tsarotra ny lehilahy iray mba ho vita batisa. Ahoana no nataony?

‘Inona no Misakana Anao Tsy Hatao Batisa?’ (1:10)

Nisalasala hatao batisa ny lehilahy iray atao hoe Ataa, tamin’ny voalohany. Inona anefa no nandresy lahatra azy?

Tena Mendrika An’izany ve Aho? (7:21)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara