-
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Septambra
-
-
TSY azo novitaina tao anatin’ny andro na ny herinandro na ny volana vitsivitsy izany asa nanendrena izany. Tsy nisalasala kely akory anefa ireo mpianatra, nanomboka nitory avy hatrany. Tsy nanary mihitsy ny fahalianany mahakasika ilay foto-kevitra momba ny famerenana amin’ny laoniny anefa izy ireo. Izao no nolazain’ny apostoly Petera, rehefa nanambara azy io tamin’ireo vahoaka betsaka tafavory tao Jerosalema izy: “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro [famerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, NW] izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.” — Asan’ny Apostoly 3:19-21, izahay no manao sora-mandry.
Hitondra “andro famelombelomana”, avy amin’i Jehovah, ireo “andro famerenana amin’ny laoniny” ireo. Ambaratonga roa no hahatongavan’io famerenana amin’ny laoniny, nambara mialoha, io. Voalohany, dia haverina amin’ny laoniny ny famelombelomana ara-panahy, ary efa mizotra izany amin’izao fotoana izao. Faharoa, dia hanaraka azy io ny fanorenana paradisa iray ara-bakiteny eto an-tany.
-
-
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Septambra
-
-
Natomboka ny ezaka manokana lehibe mba hampianarana ny olona amin’ny firenena rehetra, hitandremany ny zavatra nandidian’i Kristy hataon’ny mpanara-dia azy. (Matio 28:20). Mamelombelona erỳ ny mahita olona, izay nampiseho toetra toy ny an’ny biby taloha, nanova ny fomba fiheviny! Nesorin’izy ireo ny toetra taloha, izay namokatra lafin-toetra toy ny “fahatezerana” sy ny “fitenenan-dratsy” ary ny “teny mahamenatra”, ary notafiny kosa ny toetra vaovao “izay nohavaozina, tamin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, araka ny endrik’Ilay [Andriamanitra] nahary azy”. Na dia ankehitriny aza, dia tanteraka amin’ny heviny ara-panahy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Ny amboadia [olona nampiseho toetra toy ny an’ny amboadia taloha] hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry [olona malemy fanahy]; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana.”—Kolosiana 3:8-10, NW; Isaia 11:6, 9.
-