FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/3 p. 22-25
  • Ny fomba anambinan’i Jehovah ny asany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fomba anambinan’i Jehovah ny asany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • “Avy Aiza Ireo Vola?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/3 p. 22-25

Ny fomba anambinan’i Jehovah ny asany

NANDRITRA ireo am-polony taona faramparany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahita fitomboana goavana. Tao anatin’ireo folo taona lasa monja, dia tafakatra ho 60 192 any amin’ny tany 212 ny isan’ireo kongregasiona 42 600 teo aloha. Eo anoloan’izany, dia nisy nanontany hoe: Amin’ny fomba ahoana no ikarakarana ara-bola ny asan’ny Vavolombelona? Faly ny Fikambanana Watch Tower mamaly izany sy fanontaniana mifandray amin’izany ato amin’ity lahatsoratra ity.

Mandoa ny ampahafolon-karena ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsia. Teo amin’ny Isiraely fahizay, dia nandidian’ny Lalàn’i Mosesy ny fandoavana ny ampahafolon-karena mba hanohanana ireo mpiasa tao amin’ny tempolin’Andriamanitra, dia ireo Levita sy ireo mpisorona. (Nomery 18:21, 24-29). Izy ireo dia tsy nanana tany ara-poko afa-tsy tanàna sasantsasany, noho izany, dia nila io fanohanana manokana io izy ireo. Ambonin’izany, ireo Isiraelita nahatoky dia afaka nanome fanomezana an-tsitrapo nalalaka ho an’ny tetikasa manokana, toy ny fanamboarana ny tabernakely ary koa ny tempoly tatỳ aoriana. — Eksodosy 25:1-8; 1 Tantara 29:3-7.

Kanefa, rehefa maty i Jesosy, dia milaza ny Baiboly fa ‘noravany ny lalàna nisy didy natao hotandremana’. (Efesiana 2:15; Kolosiana 2:13, 14). Raha lazaina amin’ny teny hafa, teo imason’Andriamanitra, dia tsy namatotra na ny Jiosy na ny kristiana intsony ny Lalàna. Noho izany, ny ampahafolon-karena, miaraka amin’ireo zavatra hafa nahaforona ny Lalàna, toy ny fanaovana sorona tsy tapaka tao amin’ny tempoly, dia tsy notakina intsony tamin’ireo olo-mahatoky.

Teo anivon’ireo kristiana, dia natosiky ny fitiavana, fa tsy ny lalàna, ny fanomezana nataony. Nanazava ny fotopoto-pitsipika harahina rehefa handamina ny famoriana fanomezana ho an’ireo kristiana nila fanampiana ara-nofo tany Jodia ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo [fanomezana tsy fidiny, MN], na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintiana 9:7). Io fomba araka ny Soratra masina ny amin’ny fanomezana an-tsitrapo io dia ampiharin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Moa ve ianareo mandamina sakafo hahazoam-bola, mampiely valopy famoriam-bola, mitety trano sy olona mba hangataka vola ary mampiasa fomba maro hafa mitovy amin’izany mba hahazoana vola?

Tsia, tsy mila ny hoterena na hotambazana amin’ny fanevahevana loka eo anoloany vao hanome ny kristiana marina. Ireo antoko ara-pivavahana izay mitodika any amin’ny fanaovana “loto”, varotra fiantrana, “tombola”, kermesy, fampanofana dabilio any am-piangonana na fanatazan-drakitra dia mampiharihary amin’izany fa tsy nanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany, ka, noho izany, ny fanahin’Andriamanitra dia tsy manosika ireo mpiangona ao aminy hanao fanomezana malalaka. Azo atao koa ny milaza izany ny amin’ireo izay mitodika any amin’ny fakana ny ampahafolon-karena izay fanao efa lany andro. — Matio 10:8.

Amin’ny fomba ahoana no ikarakaranareo ara-bola ny tetikasa toy ny fanaovana Efitrano Fanjakana sy biraon’ny sampana vaovao, ary koa ny fanitaranareo ny foibe maneran-tany any Brooklyn sy any Patterson, any New York?

Mandatsaka ny fanahiny masina eo amin’ny Vavolombelony i Jehovah, ka mahatonga azy ho afaka ‘hanao asa soa, hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana’. (1 Timoty 6:18, 19). Io fanahy io dia manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanohana ny asan’ilay Fanjakana amin’ny fomba rehetra.

Tamin’ny 1989, ohatra, dia nandany 835 426 538 ora nampianarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny hafa ny Vavolombelona 3 787 188 tany amin’ny tany 212. Ary nitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano tsy tapaka 3 419 745 tamin’ny olona liana izy ireo. Izay vola lany rehetra avy amin’io asa io dia nozakain’ireo olona nanao azy io ihany. Novalian’i Jehovah soa io asa mafy natao tamim-pitiavana io tamin’ny fanomezana Vavolombelona vao natao batisa vaovao 263 855 fanampiny.

Manosika ireo Vavolombelona sy olona liana hanohana ara-bola io asa io ny toe-tsaina tia manome mitovy amin’izany ihany. Ankoatra ny fanampiana omeny mba handoavana ireo vidin-javatra aloan’ny kongregasiona eo an-toerana amin’ny andavanandro, izy ireo dia manohana izay asa fanorenana mety ho voatery hatao, toy ny fanavaozana na fanalehibeazana ny Efitrano Fanjakanany na ny Trano fanaovany fivoriambe na koa ny fanorenana iray vaovao. Isan-taona, noho ny fitomboana haingana, dia Efitrano Fanjakana maro be no tsy maintsy aorina, ary mahatratra an-tapitrisany ariary maro aza ny vidin’ny sasany aminy. Ny vola lany amin’izany dia zakain’ny Vavolombelona eo an-toerana amin’ny alalan’ny fanomezana sy asa an-tsitrapo.

Ankoatra izany, any amin’ny tany maro, dia nisy fanontam-printy sy biraon’ny sampana ary trano ipetrahana tsy maintsy nitarina — na trano vaovao naorina — mba hametrahana ireo mpiasa sy fiasana nitombo isa noho ny fitomboan’ny fandaminana. Io koa dia tohanan’ny fanomezana sy asa an-tsitrapo, toy ny asa fanorenana sy fanavaozana atao any Brooklyn sy Patterson, any New York. Rehefa azony atao izany, dia mikarakara ara-bola ilay fanorenana ireo Vavolombelona eo an-toerana. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mandamina ny hahazoan’ireo sampana fanampiana — ara-bola sy amin’ny alalan’ny asan’ny mpiasa manam-pahaizana manokana — avy any amin’ny tany hafa, ny Fikambanana Watch Tower. Amin’izany fomba izany, eo ambany fitarihan’ny Fikambanana, dia hisy ny “fitoviana”. — 2 Korintiana 8:14.

Nahoana ianareo no tsy mitarika hôpitaly na trano fitsaboana marary na mandray anjara amin’ny asa fanampiana ireo mila izany na asa ara-tsosialy hafa toy ny ataon’ny antokom-pivavahana maro?

Mamaly haingana tarehin-javatra mitaky fanampiana haingana vokatry ny ady na ny loza araka ny natiora ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa azony atao izany. Raha ny marina, amin’ny ankapobeny, dia anisan’ny voalohany eo an-toerana izy ireo miaraka amin’ny sakafo sy fitafiana ary mpiasa an-tsitrapo hanampy amin’ny fanorenana izay simba. Kanefa, tsy mitarika hôpitaly na trano fitsaboana marary izy ireo, ary tsy mikarakara sampana ho an’ny famonjena haintrano na sampana misy pôlisy izay atao ho famonjena aina ihany koa.

Mpanompo nanolo-tena ho an’ny filazantsara izy ireo ary ny nanendrena azy dia ny hitory sy hampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana ny tany ho vavolombelona alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14). Araka ny nolazain’i Jesosy, dia be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Tsy ho azo avela heloka mihitsy ny fanaovana tsirambina io asa lehibe dia lehibe io mba hikarakarana asa hafa, na dia mendri-koderaina toy inona aza izany. — Matio 9:37, 38.

Misy mpitsabo, mpanampy ny mpitsabo sy mpanampy any amin’ny hôpitaly maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy ireo anefa dia mihevitra izany asa izany ho fanampin’ny asa nanokanany ny fiainany voalohany, dia ny fanompoana kristiana.

Misy manan-karena avy amin’ny asa fanontam-printy maro dia maro ataonareo ve ireo mitana toerana ambony na ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Watch Tower?

Tsia dia tsia tokoa! Araka ny lalàna, ny Fikambanana dia fitambaran’olona ho amin’ny fanaovana asa iray tsy mikendry ny hahazoam-bola. Tsy misy mpampisambo-bola hatao varotra ao, na anjara zanabola na karama akory aza. Ny mpiasa tsirairay avy ao amin’ny birao foibe, anisan’izany ny prezidà sy ireo mpiandraiki-draharahan’ny Fikambanana, dia nanao voady araka ny lalàna ho amin’ny tsy fananana. Mandray sakafo, fialofana ary izay fikarakarana ara-pitsaboana ilainy izy, ary koa vola kely ho fanonerana izay tena laniny. Raha manao dia ho an’ny Fikambanana ny Vavolombelona iray, amin’ny ankapobeny dia aloa ho azy ny saran’ny fandehanany.

Ambonin’izany, na aiza na aiza maneran-tany dia tsy misy amin’ireo minisitra eo aminay mampandoa vola amin’ny fampakaram-bady, ny batisa na ny fandevenana ataony. Ary tsy misy vidim-pidirana na fanatazan-drakitra any amin’ireo lahateny ampahibemaso na fivoriambe.

Koa satria tsy misy fanatazan-drakitra mihitsy, amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ireo kongregasiona eo an-toerana vola mba handoavana ireo zavatra ilainy?

Misy vata fandraisana anjara ao amin’ireo Efitrano Fanjakana mba hahafahan’ny tsirairay manao fanomezana an-tsitrapo raha tiany izany. (2 Mpanjaka 12:9). Ny fanomezana rehetra, na kely izany na lehibe, dia ankasitrahana avokoa. (Marka 12:42-44). Indray mandeha isam-bolana, dia mamaky ny kaontim-bola fohy ho an’ny kongregasiona ny mpikarakara ny toe-bola ao amin’ny kongregasiona mba hampahafantarana azy ireo ny tontalin’ny fandraisana anjara voaray, ny vola lany ary ny fanomezana nataon’ny kongregasiona ho an’ny Fikambanana Watch Tower ho fanohanana ny asa fitoriana maneran-tany sy ny tetikasa hafa.

Rehefa mahatakatra io fandaharana io ny tsirairay, dia afaka mandray anjara amin’izany malalaka raha maniry izany izy, “na amin’inona na amin’inona no anambinana” ny tsirairay avy. (1 Korintiana 16:2). Izany no atao any amin’ireo kongregasiona maherin’ny 60 000 maneran-tany.

Tamin’ny andro Pentekosta, ireo kristiana voalohany dia niombona ny zavatra rehetra. Manao izany ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nisy tarehin-javatra nitaky fanampiana maika nitranga taorian’ny Pentekosta 33 am.fan.ir. rehefa nijanona tao Jerosalema mba hahazo fanazavana ara-panahy fanampiny ireo Jiosy avy tany amin’ny toerana lavitra ka vao niova ho amin’ny kristianisma. Nila trano hitoerana sy sakafo nandritra ny fotoana fohy izy ireo; noho izany, dia nandamina ny fivarotana an-tsitrapo ny fananany sy ny fizarana ny vola vidiny hiombonan’ny rehetra ny kristiana teo an-toerana mba hahafahany miaraka elaela kokoa. (Asan’ny apostoly 2:1, 38-47; 4:32-37). Tsy nisy na dia iray aza noterena hivarotra na hanao fanomezana. (Asan’ny apostoly 5:1-4). Tsy kôminisma akory izany fiombonana ny zavatra rehetra izany, araka ny fiheveran’ny sasany. Fandaharana nihelina ihany izy io. Rehefa niverina nody tany aminy indray ireo kristiana, dia nitsahatra izy io.

Mampianatra ve ianareo fa fomba hangatahana famelana heloka ny fanomezana ara-nofo?

Tsy izany velively! Milaza ny Baiboly hoe: “Fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina.” — 1 Petera 1:18, 19.

Manam-pinoana ny sorom-panavotan’i Jesosy hahazoana famonjena ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao fanomezana an-tsitrapo noho ny fanantenana ny hitondran’izany famonjena izy ireo. Na dia izany aza, dia fantatr’izy ireo fa mila vola be dia be mba hampielezana ny vaovao tsaran’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina. (2 Petera 3:13). Ary tsapan’izy ireo fa ny fanaovana fanomezana ho an’io asa fanambarana io dia tombontsoa avy amin’i Jehovah.

Rehefa nanao fanomezana maro ho an’ny tempolin’i Jehovah izay haorin’i Solomona zanany i Davida mpanjaka dia nivavaka hoe: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; (...) Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” — 1 Tantara 29:11, 14.

Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa tia ny rariny dia mitovy hevitra amin’i Davida. Faly izy ireo manana tombontsoa manao fanomezana mba hanohanana ny asa atao ho fiderana an’i Jehovah, ka manaiky fa izay rehetra omeny ho an’ny fanompoana azy dia avy aminy ihany. Mitahy izany toe-tsaina izany i Jehovah, ary amin’izany fomba izany no anambinany ny asany.

[Efajoro, pejy 23]

NY FOMBA FANAOVANA FANOMEZANA HO AN’NY ASAN’ILAY FANJAKANA (ARAKARAKA Ny TANY)

◻ FANOMEZANA: Ireo fanomezam-bola an-tsitrapo dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana. Azo atao koa ny manome trano, tany, firavaka na fananana sarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny mba hilazana fa fanomezana an-tsitrapo izany.

◻ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fametrahana fepetra fa, raha ilain’ilay nanome izany, dia haverina aminy indray.

◻ FANEKEM-PIANTOHANA: Azo ambara ho ny mpandray ny tombontsoa avy amin’ny “assurance-vie” ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fanaovana fandaharana toy izany.

◻ FIDÉICOMMIS: Azo atao ny mametraka tahirim-bola any amin’ny banky ho antoka ho an’ny Fikambanana. Raha izany no atao, dia aza fady mba ampahafantaro ny amin’izany ny Fikambanana. Azo atao koa ny manome petrabola miasa (actions), “obligations” sy fananana, amin’ny fanaovan’ilay mpanome fandaharana mba ho afaka ny handray soa avy amin’izany raha mbola velona. Io fomba io dia misoroka ny fandaniana sy ny tsy fahazoana antoka eo amin’ny fanaovana ny didim-pananana ho ara-dalàna, sady manome antoka ny Fikambanana fa ho azy ilay fananana rehefa maty ilay olona.

◻ DIDIM-PANANANA: Azo atao ny mampandova ny Fikambanana fananana na vola amin’ny alalan’ny didim-pananana vita ara-dalàna. Tokony halefa any amin’ny Fikambanana ny kopia iray amin’izany.

Mba hahazoana fanazavana na torohevitra misimisy kokoa momba izany, dia manorata any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana.

[Sary, pejy 24]

Tapany amin’ny toeram-pampianarana ara-baiboly alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo am-panorenana azy any Patterson, any New York

[Sary, pejy 25]

Manambina ny asa fanorenana amin’ny alalan’ny vahoakany izay manome fanomezana an-tsitrapo i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara