FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/7 p. 18-19
  • Ratsy ve ny Mirehareha?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ratsy ve ny Mirehareha?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fireharehana manimba
  • Misy fireharehana ara-dalàna ve?
  • Fireharehana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Vidin’ny Avonavona — Tonga Hatraiza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ho Vitanao ny Hanohitra An’i Satana sy Handresy Azy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ahoana ny Amin’ny Fireharehana Ara-pirazanana?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/7 p. 18-19

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ratsy ve ny Mirehareha?

MISY fitenenana nentim-paharazana milaza fa ny fireharehana no voalohany amin’ireo fahotana mahafaty fito. Na izany aza, dia olona maro amin’izao andro izao no mino fa tena efa nilaozan’ny toetr’andro izany. Eo an-tokonan’ny taonjato faha-21, dia heverina ho zavatra tsara ananana, fa tsy ota, ny fireharehana.

Rehefa miresaka momba ny fireharehana anefa ny Baiboly, dia mazàna no amin’ny heviny ratsy. Ny bokin’ny Ohabolana fotsiny, ao amin’ny Baiboly, dia ahitana filazalazana maromaro manameloka ny fireharehana. Ohatra, milaza toy izao ny Ohabolana 8:13: “Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.” Milaza toy izao ny Ohabolana 16:5: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”. Ary mampitandrina toy izao ny andininy faha-18: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.”

Fireharehana manimba

Ilay fireharehana melohin’ny Baiboly dia azo faritana hoe fiheveran-tena ho zavatra, fiheveran-tena ho ambony loatra raha ny amin’ny fahaizana, ny hatsaran-tarehy, ny harena, ny fanabeazana azo, ny laharana ara-tsosialy, sy ny toy izany. Mety ho hita eo ivelany amin’ny alalan’ny fihetsika feno fanamavoana, fieboeboana, famingavingana, na fizahozahoana, io fireharehana io. Ny fananana fiheverana tafahoatra momba ny tena dia mety hitarika ho amin’ny tsy fanekena handray fanitsiana ilaina, tsy fiekena ny fahadisoana sy tsy fetezana hiala tsiny, fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena, sy tsy fetezana ho vasoka. Mety hitarika ho amin’ny fahatongavana ho mora tafintohina loatra amin’izay nataon’ny hafa na nolazainy, koa izany.

Ny olona mirehareha dia mety hanizingizina ny hanaovana foana ny zavatra araka ny fombany, na ny tsy hanaovana izany mihitsy. Tsy sarotra ny mahatakatra fa matetika no miteraka fifandonana isan-karazany eo amin’ny olona ny fihetsika toy izany. Nitarika ho amin’ny ady tsy hita isa sy ny fandatsahan-dra ny fireharehana ny amin’ny firazanana na ny firenen’ny tena. Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia avonavona no nitarika zanak’Andriamanitra ara-panahy iray hikomy ka hanao ny tenany ho Satana Devoly. Momba ny fepetra takina amin’ireo loholona kristianina, dia nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly.” (1 Timoty 3:6; ampitahao amin’ny Ezekiela 28:13-17.) Raha izany no vokatry ny fireharehana, dia tsy mahagaga raha melohin’Andriamanitra izy io. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Moa ve tsy misy toe-javatra mety hahara-dalàna ny fireharehana?’

Misy fireharehana ara-dalàna ve?

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ilay matoanteny hoe kau·khaʹo·mai, adika hoe “mirehareha, mifaly, mieboebo” dia ampiasaina amin’ny heviny ratsy sy tsara. Milaza, ohatra, i Paoly fa mety ‘hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra’ isika. Nampirisika toy izao koa izy: ‘Fa izay mirehareha dia aoka Jehovah no ho reharehany.’ (Romana 5:2; 2 Korintiana 10:17). Izany hoe mirehareha ho manana an’i Jehovah ho Andriamanitsika izany dia fihetseham-po mety hitarika antsika hifaly noho ny anarany tsara sy ny laza tsarany.

Indro misy ohatra: Ratsy ve ny faniriana hiaro ny laza tsara rehefa misy fanendrikendrehana? Mazava ho azy fa tsia. Raha misy olona miampanga lainga ny mpianakavinao na ny olon-kafa tianao sy hajainao, tsy ho sosotra ve ianao ary ho voatosika hiaro azy ireo? “Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 22:1). Indray mandeha, dia hoy Andriamanitra Tsitoha tamin’ny farao iray, niavonavona, tany Ejipta: “Izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (Eksodosy 9:16). Koa mifaly noho ny anarany tsara sy ny laza tsarany àry Andriamanitra, ka be zotom-po ho an’izy io. Mety hahaliana antsika koa ny hiaro ny anarana tsara sy laza tsarantsika, nefa tsy fieboeboana na fireharehana feno fitiavan-tena no manosika antsika amin’izany. — Ohabolana 16:18.

Tena ilaina ny fanajana raha tiana ho tsara ny fifandraisana na amin’iza na amin’iza. Simba ny fifandraisantsika amin’ny hafa sy ny fifampiraharahana ara-barotra ataontsika rehefa tsy matoky ny hafa intsony isika. Mitovy amin’izany koa fa mety ho simba ny asa ifanaovana na ny fiaraha-miombon’antoka raha ny iray monja amin’ireo mpandamina azy no manao zavatra manala baraka ny namany. Mba hahatratrarana zava-kendrena, na inona izany na inona, dia tsy maintsy hazonina ny laza tsara. Izany no antony iray tsy maintsy ananan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny kôngregasiôna kristianina ‘laza tsara’ amin’ny eny ivelany. (1 Timoty 3:7). Tsy fiavonavonana feno fireharehana no manosika azy ireo haniry hahazo laza tsara, fa ny ilana hisolo tena an’Andriamanitra amin’ny fomba mendrika sy mihaja. Rehefa dinihina tokoa, ho azo itokisana ve ny mpitondra fivavahana iray ratsy laza amin’ny eny ivelany?

Ahoana ny amin’ny fireharehana noho ny zava-bitan’ny tena manokana? Raiso, ohatra, ny fahafinaretana mety ho tsapan’ny ray aman-dreny rehefa mianatra tsara ny zanany any an-tsekoly. Loharanom-pahafaham-po mety tsara izany. Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina hafa tany Tesalonika i Paoly dia nampiharihary fa izy dia nifaly koa noho ny zava-bita: “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, ka reharehan’ny tenanay hianareo eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo”. (2 Tesaloniana 1:3, 4, izahay no manao sora-mandry.) Eny, ny fironana voajanahary dia ny hahatsapa fahafinaretana noho ny zava-bitan’ireo olona tiantsika. Koa inona no mampiavaka ny fireharehana ratsy amin’ny fireharehana tsara?

Tsy hoe tsy mety akory ny haniriana hihazona ny laza tsaran’ny tenantsika manokana, ny hahombiazana, sy ny hifaliana noho ilay fahombiazana toy izany. Zavatra melohin’Andriamanitra anefa ny fisehoana ho manambony tena sy ho mieboebo ary ho matin-kambo noho ny amin’ny tena, na ny amin’ny hafa. Mampalahelo tokoa raha nanomboka ‘nirehareha’ na ‘nihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina’ ny olona iray. Tsy misy antony tokony hireharehan’ny Kristianina na hisehoany ho matin-kambo noho ny amin’ny olona iray na zavatra iray, afa-tsy ny amin’i Jehovah Andriamanitra, sy izay nataony ho azy ireo ihany. (1 Korintiana 4:6, 7; Romana 12:3). Manome antsika foto-pitsipika tsara dia tsara harahina i Jeremia mpaminany: “Izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany”. — Jeremia 9:23.

[Sary, pejy 18]

“Papa Innocent X”, nataon’i Don Diego Rodríguez de Silva Velázquez

[Sary nahazoan-dalana]

Scala/Art Resource, NY

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara