FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ie p. 21
  • Nahoana Isika no Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Maty?
  • Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitondra fahafatesana ny tsy fankatoavana
  • “Nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana”
  • Ny antony mahatonga antsika hiharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ahoana no Amonjen’i Jesosy Antsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
ie p. 21

Nahoana Isika no Maty?

“Mangina avokoa izao ny zava-drehetra eny an-tampon-kavoana, zara raha andrenesanao fisefoana eny an-tampon’ny hazo; matory ny vorona any anaty hazo: andraso; tsy ho ela dia hiala sasatra tahaka azy ireo koa ianao.” — JOHANN WOLFGANG VON GOETHE, POETY ALEMÀ.

1, 2. a) Noforonina hanana faniriana inona moa ny olombelona? b) Karazana fiainana nanao ahoana moa no nananan’ilay mpivady olombelona voalohany?

NAMORONA ny olombelona hanana faniriana hiaina mandrakizay Andriamanitra. Milaza tokoa ny Baiboly fa nasiany “fahatsapana ny mandrakizay tao am-pon’izy ireo”. (Mpitoriteny 3:11, Beck). Tsy ny faniriana hiaina mandrakizay ihany anefa no nomen’Andriamanitra ny olombelona, fa ny fahafahana hahazo azy io koa.

2 Ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy i Eva, dia noforonina tanteraka, tsy nisy tsininy ara-tsaina na ara-batana. (Deoteronomia 32:4). Eritrereto ange e: tsy nisy aretina sy rofy nitaiza, na tahotra sy tebiteby tsy nahafaha-nihetsika! Ankoatra izany, Andriamanitra dia nametraka azy ireo tao amin’ny fonenana paradisa tsara tarehy. Ny fikasany dia ny hiainan’ny olona mandrakizay sy ny hamenoany ny tany tamin’ny taranany lavorary tamin’ny farany. (Genesisy 1:31; 2:15). Koa nahoana àry isika no maty?

Nitondra fahafatesana ny tsy fankatoavana

3. Niankina tamin’inona moa ny fahazoan’i Adama sy i Eva ny fiainana mandrakizay?

3 Nandidy an’i Adama toy izao Andriamanitra: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Nisy fepetra àry ny fahazoan’i Adama sy i Eva ny fiainana mandrakizay; izany dia niankina tamin’ny fankatoavany an’Andriamanitra.

4. Rehefa nanota i Adama sy i Eva, nahoana no verin’izy ireo ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa?

4 Mampalahelo anefa fa tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra i Adama sy i Eva. (Genesisy 3:1-6). Tamin’ny fanaovana izany, dia tonga mpanota izy ireo, satria “ny ota no fandikana ny lalàna”. (1 Jaona 3:4). Ho vokany, dia tsy nanana ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay intsony i Adama sy i Eva. Fa nahoana? Satria ny “fahafatesana no tambin’ny ota”. (Romana 6:23). Araka izany, rehefa nanambara didim-pitsarana tamin’i Adama sy i Eva Andriamanitra, dia nanao hoe: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” Noroahina tsy ho ao amin’ilay fonenany paradisa, avy eo, ireo ray aman-drenintsika voalohany. Tamin’ny andro nanotany, dia nanomboka ny fizorany niadana, nefa azo antoka, ho amin’ny fahafatesana i Adama sy i Eva. — Genesisy 3:19, 23, 24.

“Nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana”

5. Nahoana no nahatratra ny taranak’olombelona manontolo ny fahafatesana?

5 Nanjary raiki-tampisaka tao amin’ny fototarazon’i Adama sy i Eva izao ny fahotana. Noho izany, dia tsy afaka niteraka taranaka lavorary izy ireo, toy ny tsy ahafahan’ny lasitra misy tsininy iray manome vokatra tsy misy tsininy. (Joba 14:4). Eny tokoa, ny olombelona teraka tsirairay dia manamarina fa verin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny fahasalamana lavorary sy ny fiainana mandrakizay, ho an’ny tenany sy ny taranany. Hoy ny nosoratan’i Paoly, apostoly kristianina: “Izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. — Romana 5:12; ampitahao amin’ny Salamo 51:5.

6. Nahoana isika no maty?

6 Amin’izao andro izao, ireo mpahay siansa dia tsy mahalala hoe inona marina no mahatonga ny olona ho antitra sy ho faty. Ny Baiboly anefa dia manazava fa maty isika satria teraka mpanota, noho isika nandova io toetra io avy tamin’ireo ray aman-drenintsika olombelona voalohany. Inona anefa no mitranga amintsika rehefa maty isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara