FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 15/6 p. 11-15
  • Naneho Fitiavana Tamintsika Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naneho Fitiavana Tamintsika Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Namonjy ny mpanota Andriamanitra
  • Izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy
  • Fanafahana vokatry ny vidim-panavotana
  • Naneho fitiavana tamin’ny olon-kafa Andriamanitra
  • Afaka ny hihevitra antsika ho marina i Jehovah dieny izao
  • Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Inona no Fanomezana Tsara Indrindra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Ny fahafatesan’i Jesosy — Midika inona ho anao izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 15/6 p. 11-15

Naneho Fitiavana Tamintsika Andriamanitra

‘Hanjaka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanambarana ho marina, izay hahazoana fiainana mandrakizay.’—ROM. 5:21.

1, 2. Inona no heverin’ny olona sasany ho tena sarobidy? Inona anefa no sarobidy kokoa noho izany?

NILAZA ny mpampianatra iray ao amin’ny Oniversiten’i Melbourne, any Aostralia, fa ny lalàn’ny Fanjakana Romanina no lova sarobidy indrindra napetraky ny Romanina ho an’ny olombelona tatỳ aoriana. Mbola sarobidy noho izany anefa ny fanomezana iray nataon’Andriamanitra. Afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika noho izy io, ary azony ambara ho marina. Afaka manantena famonjena sy fiainana mandrakizay koa isika.

2 Nanaraka ny lalàny Andriamanitra rehefa nanome an’io fanomezana io. Na izany aza, dia tsy nanome tsipiriany momba ny lalàna ny apostoly Paoly rehefa nanazava azy io, ao amin’ny Romanina toko faha-5. Natombony tamin’ny hevitra mampahery kosa ny fanazavany. Hoy izy: “Koa satria nambara ho marina isika ankehitriny noho ny finoana, dia aoka isika hitandro ny fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Manjary tia an’Andriamanitra ny olona mahazo an’ilay fanomezana. Izany indrindra no tsapan’i Paoly, ka hoy izy: “Ny fitiavan’Andriamanitra efa naidina ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny fanahy masina.”—Rom. 5:1, 5.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Nahoana no nilaina ilay fanomezana? Ahoana no nataon’Andriamanitra mba hifanaraka amin’ny lalàny io fanomezana io, sady handraisan’ny olona rehetra soa? Ary inona no tokony hataon’ny tsirairay mba hahazoana azy io? Handinika ny valin’izany isika izao, ka ho hitantsika fa tena tia antsika Andriamanitra.

Namonjy ny mpanota Andriamanitra

4, 5. a) Inona no fomba miavaka nampisehoan’i Jehovah ny fitiavany antsika? b) Inona no manampy antsika hahatakatra izay voalazan’ny Romanina 5:12?

4 Tena tia antsika olombelona i Jehovah, ka naniraka ny Zanany lahitokana mba hanampy antsika. Hoy i Paoly: ‘Naneho ny fitiavany antsika Andriamanitra, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ (Rom. 5:8) Mariho anefa ilay hoe: “Fony mbola mpanota isika.” Ilaintsika rehetra ny mahafantatra hoe nahoana isika no lasa mpanota.

5 Hoy i Paoly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Rom. 5:12) Afaka mahatakatra ny dikan’ireo teny ireo isika, satria nasain’Andriamanitra nosoratana ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona. Namorona olona roa i Jehovah, dia i Adama sy Eva. Lavorary ny Mpamorona, ary lavorary koa ireo razambentsika ireo. Zavatra iray monja no nandraran’Andriamanitra azy mivady, ary nilaza izy fa ho faty izy ireo raha tsy mankatò. (Gen. 2:17) Nifidy ny tsy hankatò anefa izy ireo, na dia tsy nitaky be loatra taminy aza Andriamanitra. Hita tamin’izany fa tsy neken’izy ireo hoe i Jehovah no Mpanome Lalàna sy Mpanjaka.—Deot. 32:4, 5.

6. a) Nahoana no maty ny taranak’i Adama? Niova ve izany rehefa nanome ny Lalàn’i Mosesy i Jehovah? b) Nahoana no azo oharina amin’ny aretina manaraka ny fahotana?

6 Efa nanota i Adama vao nanan-janaka. Noho izany, dia namindra ny ota sy ny vokatr’izy io tamin’ny taranany rehetra izy. Marina fa tsy ninia nandika ny lalàn’Andriamanitra toa an’i Adama ny taranany. Tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama izy ireo. Mbola tsy nisy fehezan-dalàna koa tamin’izany. (Gen. 2:17) Na izany aza, dia nandova ota ny taranak’i Adama. Nanjaka àry ny ota sy ny fahafatesana nanomboka tamin’izay. Nitohy foana izany na dia taorian’ny nanomezan’Andriamanitra fehezan-dalàna ho an’ny Israelita aza, fehezan-dalàna izay nampiseho tsara fa mpanota izy ireo. (Vakio ny Romanina 5:13, 14.) Azo oharina amin’ny aretina manaranaka ny fahotana. Mahafaty ny sasany amin’izy ireny. Ny hany tsy mampitovy azy fotsiny dia hoe tsy voatery ho voan’ilay aretina avokoa ny zanak’ilay ray aman-dreny marary. Ny taranak’i Adama kosa mandova ota avokoa, ka miafara amin’ny fahafatesana daholo. Inona àry no vahaolana?

Izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy

7, 8. Inona no tsy itovizan’ny zavatra nataon’ireo lehilahy roa lavorary?

7 Tena tia antsika i Jehovah, ka nanao izay hanafahana antsika amin’ny ota. Nilaza i Paoly fa amin’ny alalan’ny olon-kafa iray lavorary no hahatanteraka an’izany. Azo lazaina hoe Adama faharoa izy io. (1 Kor. 15:45) Tsy mitovy ny zavatra nataon’ireo lehilahy roa lavorary, ary tena tsy mitovy koa ny vokatry ny nataony.—Vakio ny Romanina 5:15, 16.

8 Hoy i Paoly: ‘Tsy mitovy amin’ny vokatry ny heloka ny vokatry ny fanomezana.’ I Adama no nanao an’io heloka io, ka rariny raha nosazina ho faty izy. Tsy izy irery anefa no maty. Nilaza mantsy i Paoly hoe “ny heloky ny olona iray no nahafaty ny maro.” Rariny ve anefa izany? Izany tokoa, satria taranak’i Adama isika rehetra, ary mpanota toa azy, ka tokony hahazo ny sazy nihatra taminy. Mampahery anefa fa mifanohitra tanteraka amin’izany ny vokatry ny nataon’i Jesosy, ilay lehilahy iray lavorary. Noho ny nataony, dia azo ‘ambara ho marina ho amin’ny fiainana ny karazan’olona rehetra.’—Rom. 5:18.

9. Inona no dikan’ny hoe ‘ambara ho marina’ ny olona?

9 Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe ‘ambara ho marina’, ao amin’ny Romanina 5:16, 18? Manazava ny mpandika Baiboly iray hoe zava-mitranga eny amin’ny fitsarana no tonga ao an-tsaina rehefa mamaky an’ilay teny hoe ‘ambara ho marina.’ Toy ny voampanga miakatra fitsarana ny olombelona mpanota, ary Andriamanitra no mpitsara. Na dia mbola mpanota aza ny olona, dia ambaran’Andriamanitra ho marina, izany hoe nafahany madiodio. Tsy hoe ny olona akory no niova fa ny fiheveran’Andriamanitra azy.

10. Inona no nataon’i Jesosy, ka mahatonga ny olombelona ho azo ambara hoe marina?

10 Nahoana moa ilay “Mpitsara ny tany manontolo”, izay manao ny marina, no afaka manafaka madiodio ny olona tsy marina? (Gen. 18:25) Satria noho ny fitiavany, dia naniraka ny Zanany lahitokana ho etỳ an-tany izy. Nohambaniana be io Zanany io, niharan’ny fakam-panahy, ary nampijalina. Nanao ny sitrapon’ny Rainy foana anefa izy, ary nataony tamin’ny fomba tonga lafatra izany. Tsy nivadika mihitsy izy na dia novonoina teo amin’ny hazo fijaliana aza. (Heb. 2:10) Rehefa nanao sorona ny ainy lavorary àry i Jesosy, dia nanome ny vidim-panavotana, izay afaka manafaka ny taranak’i Adama amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Mat. 20:28; Rom. 5:6-8.

11. Inona ilay fifandanjana tiana horesahina amin’ilay hoe “vidim-panavotana mifandanja”?

11 Nantsoin’i Paoly hoe “vidim-panavotana mifandanja” io sorona nataon’i Jesosy io. (1 Tim. 2:6) Inona ilay fifandanjana tiana horesahina eo? Efa fantatsika fa nahatonga an’ireo taranany an’arivony tapitrisa ho tsy lavorary sy ho faty i Adama. Afaka ny hanana taranaka lavorary an’arivony tapitrisa koa anefa i Jesosy, satria lavorary izy.a Noeritreretina àry taloha hoe ny ain’i Jesosy miampy ny ain’ireo olona mety ho taranany, no mifandanja amin’ny ain’i Adama sy ny ain’ireo taranany tsy lavorary. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe anisan’ny vidim-panavotana ny ain’ireo olona mety ho taranak’i Jesosy. Milaza kosa ny Romanina 5:15-19 fa ny fahafatesan’ny “olona iray” monja no nitondra fanavotana. Ny aina lavorarin’i Jesosy àry no mifandanja amin’ny aina lavorarin’i Adama. Ny ain’i Jesosy Kristy irery no vidim-panavotana, ary izay no tokony ho izy. Nanjary afaka mahazo an’ilay fanomezana maimaim-poana sy ny fiainana ny karazan’olona rehetra, noho “ny asa fanamarinana iray”, izany hoe noho ny fankatoavan’i Jesosy sy ny tsy fivadihany mandra-pahafatiny. (2 Kor. 5:14, 15; 1 Pet. 3:18) Inona àry no vokatry ny vidim-panavotana?

Fanafahana vokatry ny vidim-panavotana

12, 13. Nahoana i Jehovah no nila nampihatra ny vidim-panavotana tamin’ny mpanompony? Noho ny nataon’izy ireo ve no nahatonga an’i Jehovah hampihatra azy io?

12 Neken’i Jehovah ilay “vidim-panavotana mifandanja” natolotry ny Zanany. (Heb. 9:24; 10:10, 12) Na izany aza, dia mbola tsy lavorary ihany ireo mpianatr’i Jesosy, anisan’izany ireo apostoliny tsy nivadika. Niezaka ny tsy hanao ratsy izy ireo, nefa nanota ihany. Nahoana? Satria nandova ota izy ireo. (Rom. 7:18-20) Nanao zavatra hamahana izany olana izany anefa Andriamanitra. Nampihatra an’ilay vidim-panavotana amin’ny mpanompony izy, mba hahasoa azy ireo.

13 Tsy noho ny asa tsara nataon’ireo apostoly sy ny olon-kafa anefa no mahatonga an’Andriamanitra hampihatra ny vidim-panavotana amin’izy ireo. Nanao izany kosa izy noho ny famindram-pony sy ny halehiben’ny fitiavany. Nifidy ny hanafaka azy ireo amin’ny sazy tokony hihatra aminy Andriamanitra, satria mihevitra azy ireo ho toy ny hoe afaka amin’ny ota nolovana. Hoy i Paoly nanazava izany: “Izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany tokoa no namonjena anareo, noho ny finoanareo. Ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan’Andriamanitra.”—Efes. 2:8.

14, 15. Inona no valisoa ho azon’ireo ambaran’Andriamanitra ho marina? Inona anefa no mbola tokony hataon’izy ireo?

14 Eritrereto hoe mamela ny fahotana nolovantsika sy ny fahadisoana nataontsika ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Tsy fanomezana sarobidy ve izany? Tsy voaisa ny fahotana vitan’ny olona, alohan’ny ahatongavany ho Kristianina. Afaka mamela an’ireny fahotana ireny anefa i Jehovah, noho ny vidim-panavotana. Hoy i Paoly: ‘Ilay fanomezana noho ny heloky ny maro dia nahatonga ny olona hambara ho marina.’ (Rom. 5:16) Nila nanompo an’i Jehovah foana sy naneho finoana anefa ireo apostoly sy ny olon-kafa, na dia nahazo an’ilay fanomezana aza, izany hoe na dia nambara ho marina aza. Inona no ho valisoan’izy ireo? “Ho velona ka hanjaka amin’ny alalan’ny olona iray, dia i Jesosy Kristy, ireo mahazo be dia be amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahamarinana, izay fanomezana maimaim-poana.” Mifanohitra amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama tokoa ny vokatr’ilay fanomezana, satria hahazo ny fiainana ny olona ambara ho marina.—Rom. 5:17; vakio ny Lioka 22:28-30.

15 Lasa zanak’Andriamanitra ara-panahy ireo olona ambara ho marina. Mpiara-mandova amin’i Kristy izy ireo, ka manantena ny hatsangana amin’ny maty sy hitafy vatana ara-panahy ary hiaraka “hanjaka” amin’i Jesosy Kristy any an-danitra.—Vakio ny Romanina 8:15-17, 23.

Naneho fitiavana tamin’ny olon-kafa Andriamanitra

16. Afaka ny hahazo inona ireo manantena hiaina eto an-tany, dieny izao?

16 Tsy ny Kristianina rehetra maneho finoana sy tsy mivadika anefa no hiaraka “hanjaka” amin’i Kristy any an-danitra. Maro ny Kristianina manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany, toa an’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristianina ihany. Afaka ny hahazo an’ilay fanomezana avy amin’Andriamanitra ve anefa izy ireo dieny izao, izany hoe hoheveriny ho marina mba hiaina eto an-tany? Izany tokoa, raha jerena ny tenin’i Paoly tamin’ny Romanina.

17, 18. a) Ahoana no niheveran’Andriamanitra an’i Abrahama, noho izy nanam-pinoana? b) Nahoana i Jehovah no afaka nanambara an’i Abrahama ho marina?

17 Niresaka momba an’i Abrahama, lehilahy nanam-pinoana i Paoly. Mbola tsy nanome fehezan-dalàna ho an’ny Israely i Jehovah, tamin’ny andron’i Abrahama. Mbola tsy nisy koa ny fanantenana ho any an-danitra, satria efa ela talohan’ny nahatongavan’i Kristy i Abrahama no velona. (Heb. 10:19, 20) Hoy anefa ny Baiboly: “Tsy ny lalàna, fa ny fahamarinana noho ny finoana, no nahazoan’i Abrahama na ilay taranany ny fampanantenana handova tontolo iray.” (Rom. 4:13; Jak. 2:23, 24) Hitantsika amin’izany hoe noheverin’Andriamanitra ho marina i Abrahama, noho ny finoany.—Vakio ny Romanina 4:20-22.

18 Tsy midika anefa izany hoe tsy nanota mihitsy i Abrahama, nandritra ireo taona rehetra nanompoany an’i Jehovah. Tsy izay no tiana holazaina amin’ilay hoe marina. (Rom. 3:10, 23) Tena hendry i Jehovah, ka nijery ny finoana miavaka nananan’i Abrahama sy ireo zavatra nataony vokatr’io finoana io. Nino an’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina, ohatra, i Abrahama, dia ilay Mesia, na Kristy hipoitra avy amin’ny taranany. (Gen. 15:6; 22:15-18) Afaka namela ny fahotan’i Abrahama àry i Jehovah, ilay Mpitsara ny olombelona, noho ny “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” Nanao toy izany tamin’ireo olon-kafa nanam-pinoana talohan’ny andro kristianina koa i Jehovah. Ho afaka hatsangana amin’ny maty i Abrahama sy ireny olona ireny vokatr’izany.—Vakio ny Romanina 3:24, 25; Sal. 32:1, 2.

Afaka ny hihevitra antsika ho marina i Jehovah dieny izao

19. Nahoana no tokony hampahery olona maro ny fomba fiheveran’Andriamanitra an’i Abrahama?

19 Tokony hampahery ny tena Kristianina ankehitriny ny mahalala hoe nihevitra an’i Abrahama ho marina ilay Andriamanitra be fitiavana. Marina fa tsy hoe nambara ho marina toa an’ireo voahosotra “mpiara-mandova amin’i Kristy” i Abrahama. “Voantso ho olona masina” mantsy ireo voahosotra, ary ekena ho “zanak’Andriamanitra.” (Rom. 1:7; 8:14, 17, 33) Nantsoina hoe “naman’i Jehovah” anefa i Abrahama, na dia talohan’ny nanomezana ny sorom-panavotana aza. (Jak. 2:23; Isaia 41:8) Ary ahoana ny amin’ireo tena Kristianina manantena hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany?

20. Inona no takin’Andriamanitra amin’ireo olona heveriny ho marina?

20 Tsy nahazo an’ilay “fanomezana maimaim-poana” ho an’ireo ho any an-danitra izy ireo, izany hoe tsy nambara ho marina mba hiaina any an-danitra, “amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” (Rom. 3:24; 5:15, 17) Na izany aza, dia mino an’Andriamanitra sy ny vidim-panavotana nomeny izy ireo. Manao zavatra tsara koa izy ireo mba hanehoana ny finoany, anisan’izany ny ‘fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianarana ny amin’i Jesosy Kristy Tompo.’ (Asa. 28:31) Noho izany, dia afaka mihevitra azy ireo ho marina, toy ny niheverany an’i Abrahama ho marina, i Jehovah. Tsy ilay “fanomezana maimaim-poana” omena ny voahosotra no omena azy ireo, fa fanomezana hafa, dia ny hoe lasa naman’Andriamanitra. Na izany aza, dia tena mankasitraka an’io fanomezana io izy ireo.

21. Inona no mampiseho fa tena tia antsika i Jehovah sady manaraka foana ny lalàny?

21 Tsy fampanantenana poakaty toy ny ataon’ireo mpitondra olombelona ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Azo antoka izy io, satria anisan’ny fikasan’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Nisy dingana maromaro nataon’io Mpanjaka hendry io, mba hanatanterahana ny fikasany. Mifanaraka amin’ny lalàna napetrany ireo dingana ireo, sady mampiseho ny halehiben’ny fitiavany. Tsy diso tokoa i Paoly raha nilaza hoe: ‘Naneho ny fitiavany antsika Andriamanitra, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’—Rom. 5:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miresaka momba izany, ohatra, ny Fandalinana ny Soratra Masina, Boky Faha-2, pejy 728, fehintsoratra faha-2-3.

Tadidinao Ve?

• Nandova inona ny taranak’i Adama, ary inona no vokatr’izany?

• Ahoana no nanomezana vidim-panavotana mifandanja, ary inona ilay fifandanjana tiana horesahina?

• Inona no fanantenanao noho ilay fanomezana, dia ny fanambarana ho marina?

[Sary, pejy 13]

Nanota ilay lehilahy lavorary atao hoe Adama. Nanome “vidim-panavotana mifandanja” ilay lehilahy lavorary atao hoe Jesosy

[Sary, pejy 15]

Vaovao tsara tokoa ny hoe azo ambara ho marina isika noho i Jesosy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara