FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fahamarinana, Fahitsiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Tsara toetra sy marina” i Josefa avy any Arimatia, kanefa tsy tamin’ny fomba tonga lafatra satria tsy lavorary izy. (Lk 23:50; ampit. Mt 19:16, 17; Mr 10:17, 18; jereo HATSARAN-TOETRA [Hatsaran-toetran’i Jehovah].) “Masina [avy amin’Andriamanitra]” ny didy sy lalàna nomeny ho an’ny Israely, “sady ara-drariny no tsara [mahasoa amin’ny lafiny rehetra ho an’izay mankatò azy].”​—Ro 7:12; ampit. Ef 5:9.

  • Fahamarinana, Fahitsiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Marina ny Lalàna. Tsy hoe tsy ahitana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny atao hoe marina akory ny Lalàn’i Mosesy. Hoy mantsy i Paoly: “Masina ny Lalàna, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.” (Ro 7:12; De 4:8) Nahatratra ny zava-kendren’Andriamanitra izy io, satria nampiharihary ny fandikan-dalàna sady mpitaiza nitarika ny Jiosy tso-po ho amin’i Kristy, ary aloky ny zavatra tsara ho avy. (Ga 3:19, 24; He 10:1) Tsy afaka ny ho lasa olo-marina amin’ny fomba tonga lafatra anefa ireo teo ambanin’ny Lalàna. Mpanota daholo mantsy izy ireo, ka tsy afaka nitandrina azy io an-tsakany sy an-davany. Tsy nahafoana ny fahotan’izy ireo koa ny sorona sy fanompoana nataon’ny mpisoronabe. Tsy afaka ny ho olo-marina àry izy ireo, raha tsy nanaiky ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany. (Ro 8:3, 4; He 7:18-28) Nambara ho marina ireo nanaiky an’i Kristy, tsy noho izy ireo mendrika izany akory, fa noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. I Kristy no tonga “fahendrena avy amin’Andriamanitra” ho azy ireo, “sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” Amin’ny alalan’i Kristy ihany àry no tena ahafahana ho tonga olo-marina. Manandratra an’i Jehovah izany, satria mampiseho fa avy aminy ny fahamarinana rehetra fa tsy avy amin’olona na avy amin’izay ataon’ny olona, “mba ho araka ny voasoratra hoe: ‘Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.’”​—1Ko 1:30, 31; Ro 5:17.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara