-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Heloka. Midika ara-bakiteny hoe “fahalavoana eo anilan’ny” ny teny grika hoe paraptôma, ka ilazana olona solafaka na nanao fahadisoana (Ro 11:11, 12) na ‘heloka.’ (Ef 1:7; Kl 2:13) “Fandikan-dalàna” ilay nataon’i Adama tamin’izy nihinana an’ilay voankazo voarara, satria nandika ny lalàn’Andriamanitra izy. “Heloka” koa ilay izy satria lavo na nanao fahadisoana i Adama, fa tsy nahajoro na nandeha mahitsy araka izay notakin’Andriamanitra, ary tsy nanaja ny fahefany. Nahatonga heloka maro ireo didy tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna, satria olona tsy lavorary no nasaina nanaraka azy io. (Ro 5:20) Nanao fahadisoana ny firenen’Israely manontolo rehefa nivadika tamin’io fifanekena io. (Ro 11:11, 12) Anisan’ny fifanekena iray ihany ireo fitsipika samihafa tao amin’ilay Lalàna, ka lasa meloka amin’izy rehetra na ‘nandika’ ny lalàna rehetra izay olona “diso” tamin’ny iray monja.—Jk 2:10, 11.
-
-
Izao Tontolo IzaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ilay tontolo nanao ny tsy marina talohan’ny Safodrano no ringana fa tsy ny olombelona rehetra, satria voatsimbina ry Noa mianakavy. Tsy nanao ny marina intsony anefa ny ankamaroan’ny olona taorian’ny Safodrano, ka niharatsy indray ilay tontolo. Na izany aza, dia mbola nisy ihany niezaka nanao ny marina. Nofidin’Andriamanitra ho vahoakany ny Israely tatỳ aoriana, ka nanaovany fifanekena. Niavaka tamin’ilay tontolo nisy tamin’izany izy ireo, ka nantsoin’i Paoly hoe kôsmôs na “izao tontolo izao” ny “hafa firenena” tsy Israelita na “Jentilisa.” (Ro 11:12-15, TV; Prot.) Izay rehetra tsy nanompo an’Andriamanitra àry no nantsoina hoe “izao tontolo izao” na kôsmôs, taorian’ny Safodrano sy talohan’ny andro kristianina. Ny tsy Israelita indrindra no nantsoina toy izany, tamin’ny mbola nanan-kery ilay fifanekena teo amin’ny Israely sy Jehovah. (Ampit. He 11:38.) Lasa nivadi-pinoana anefa izy ireo ka nofoanan’Andriamanitra ilay fifanekena nataony taminy. Nanjary nisy hafa firenena afaka nifandray sy nihavana tamin’Andriamanitra ka nandray soa be dia be.—Ampit. Ef 2:11-13.
-