FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 1 p. 6-7
  • Torohevitra mba Hifandraisana Tsara Aman’olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra mba Hifandraisana Tsara Aman’olona
  • Mifohaza!—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha hamela heloka
  • Miezaha hanetry tena sy hanaja ny hafa
  • Aza manavakavaka
  • Miezaha halemy fanahy
  • Miezaha halala-tanana sy hahay hankasitraka
  • Sambatra ny Olona Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • ‘Manohiza Mifamela Heloka Amin-kalalahana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aoka Isika Hifamela Heloka Tanteraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Fomba Enina Hahombiazanao
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 1 p. 6-7
Fianakaviana manasa vahiny hisakafo ao an-tranony.

Torohevitra mba Hifandraisana Tsara Aman’olona

Atoron’ilay Mpamorona antsika hoe ahoana no atao raha tiantsika ny hifandray tsara amin’ny ao an-trano sy ny mpiara-miasa ary ny namantsika. Betsaka no efa nampihatra ny toroheviny ka nandray soa. Diniho, ohatra, ireto toroheviny ireto:

Miezaha hamela heloka

“Mahaiza foana ... mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”​—KOLOSIANINA 3:13.

Manao fahadisoana daholo isika. Mety hanafintohina ny hafa isika dia ny hafa koa mety hanafintohina antsika. Mila mamela ny hafa àry isika sady mila ny famelan’izy ireo koa. Tsy tezitra amin’ilay olona nanafintohina antsika intsony isika rehefa mamela azy. Tsy “mamaly ratsy ny ratsy” isika sady tsy hampahatsiahivintsika azy foana ny tsy nety nataony. (Romanina 12:17) Ahoana anefa raha tena nandratra ny fonao ilay izy dia any foana ny sainao? Mandehana miresaka mitokana amin’ilay olona. Ny hihavana aminy no tokony ho tanjonao fa tsy ny hanaporofo hoe diso izy.​—Romanina 12:18.

Miezaha hanetry tena sy hanaja ny hafa

“Amim-panetren-tena ... dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”​—FILIPIANINA 2:3.

Tian’ny olona ny miaraka amintsika raha manetry tena sy manaja ny hafa isika. Hainy mantsy hoe tsara fanahy sy be fiahiana isika dia tsy hanao fanahy iniana handratra ny fony. Raha manambony tena anefa isika na misisika hoe izay tiantsika foana no atao dia hiady aman’olona isika. Hihatakatahan’ny olona isika ary zara raha hana-namana.

Aza manavakavaka

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35.

Tsy hoe iangaran’ny Mpamorona ny olona sasany noho ny firenena niaviany na ny fiteniny na ny harenany na ny volon-kodiny. “Avy tamin’ny olona anankiray [mantsy] no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Azo lazaina hoe mpiray tam-po daholo izany ny olona. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja ny olona rehetra àry isika. Ho tian’ny olona izany sady hampifaly ny Mpamorona antsika. Isika koa aza mba hahatsiaro ho sambatra.

Miezaha halemy fanahy

“Mitafia ... fahalemem-panahy.”​—KOLOSIANINA 3:12.

Mahazo aina tsara ny hafa rehefa malemy fanahy isika. Tsy hisalasala mihitsy izy ireo hiresaka amintsika na hanitsy antsika satria fantany hoe tsy haninona azy isika. Mety hampitony olona tezitra koa isika raha malemy fanahy. Hoy ny Ohabolana 15:1: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”

Miezaha halala-tanana sy hahay hankasitraka

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

Tia tena sy tsy mety afa-po ny olona maro amin’izao. Ho sambatra anefa isika raha malala-tanana. (Lioka 6:38) Ny olona mantsy no tiantsika kokoa fa tsy zavatra. Asehontsika koa hoe mahay mankasitraka isika rehefa misy malala-tanana amintsika satria tiantsika ilay olona. (Kolosianina 3:15) Olona hoatran’ny ahoana izao no tianao ho namana: Olona kahihitra sy tsy mahay mankasitraka sa olona malala-tanana sy mahay mankasitraka? Mazava ny valiny. Raha tianao ho hoatr’izany ny namanao dia mba miezaha koa hanana an’ireo toetra ireo.​—Matio 7:12.

Tsy Manambany Olona Intsony Aho Izao

“Milaza ny Soratra Masina hoe: ‘Aoka ny fomba fihevitrareo ny hafa hitovy amin’ny fomba fihevitrareo ny tenanareo. ... Aoka ianareo tsy hihevi-tena ho hendry.’” (Romanina 12:16) “Nanampy ahy hiezaka mba tsy hihevi-tena ho ambony sy tsy hanambany olona izany. Tsy mihevitra ny fokonay ho ambony noho ny an’ny hafa intsony aho izao, sady tsy manambany ny olona tsy mitovy fivavahana amiko. Lasa sariaka kokoa aho sady te hiresaka amin’ny olona.”​—Asha.

Asha.

Fanazavana fanampiny:

Misy torohevitra hanampy anao hahay hifandray kokoa aman’olona ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FIADANAN-TSAINA & FAHASAMBARANA > FIFANDRAISANA AMAN’OLONA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara