FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/6 p. 15-20
  • Aoka isika ho mpiara-miasa amin’i Jehovah matoky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika ho mpiara-miasa amin’i Jehovah matoky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Aoka isika hampihatra ny rariny’
  • ‘Aoka isika ho tia hatsaram-po’
  • Sedraina ny fahatokiantsika
  • ‘Aoka isika hiara-handeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitsika’
  • Mahamendrika ny tanora ny fanetren-tena
  • Fiheveran-tena Araka ny Antonony​—Toetra Tsara Mampandroso Fihavanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • ‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny fanetren-tena​—firavaka tsara ho an’ny tanora sy ny antitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Ianao Irery Ihany ... no Tsy Mivadika”
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/6 p. 15-20

Aoka isika ho mpiara-miasa amin’i Jehovah matoky

“Nampahafantariny anao, ry olombelona nalaina avy amin’ny tany, izay tsara. Ary inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valiny, fa tsy ny hampihatra ny rariny sy ho tia hatsaram-po ary hiara-handeha amin’Andriamanitrao amim-panetren-tena?” — MIKA 6:8, MN.

1. Inona no fototra araka ny Baiboly mahatonga ny mpanompon’i Jehovah rehefa ho azo antsoina hoe “mpiara-miasa” aminy amin’izao andro izao?

IZAO no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!” (1 Jaona 3:1). Fa raha ny amin’ny apostoly Paoly, dia izao no nolazainy ny amin’ny tenany sy Apolosy namany: “Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay.” (1 Korintiana 3:9). Ireo fanambarana roa ireo, nataon’ny mpianatr’i Jesosy Kristy voahosotry ny fanahy, dia mahakasika ireo mpianatra voahosotra. Amin’ny fotopotony anefa, izany dia mihatra amin’ny tena mpanompon’Andriamanitra rehetra. Ho azontsika atao àry ny hanitatra amin’izao fomba izao: ‘Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika, mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa amin’i Jehovah.’

2. Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no afaka ny ho mpiara-miasa aminy?

2 Ahoana no mety hahatonga olombelona malemy sy tsy tanteraka ho mpiara-miasa amin’ilay Mpamorona lehibe, dia izy izay tsy manam-petra amin’ny hery sy ny fahendrena, tonga lafatra amin’ny rariny ary fampisehoana ny fitiavana mihitsy? Afaka manao izany izy ireo satria ireo ray aman-dreniny voalohany dia natao araka ny endrika sy fanahafana ny Mpamorona sy ilay mpiara-miasa aminy, dia ny Teny na Logos (Genesisy 1:26, 27; Jaona 1:1). Eny, Adama sy Eva dia nahazo fatram-pahendrena sy fahamarinana ary hery sy fitiavana. Noho izany antony izany, Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, dia afaka nilaza tamin’ireo mpanompony eto an-tany hoe: “Nampahafantariny anao, ry olombelona nalaina avy amin’ny tany, izay tsara. Ary inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valiny, fa tsy ny hampihatra ny rariny sy ho tia hatsaram-po ary hiara-handeha amin’Andriamanitrao amim-panetren-tena?” — Mika 6:8, MN.

3. Mahafaoka inona moa ny Mika 6:8, ary inona no tokony hatao alohan’ny hahafahana ho tonga mpiara-miasa amin’i Jehovah?

3 “Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valiny, fa tsy...?” Io tapa-pehezanteny io dia toa milaza fa izay manaraka dia mamintina ireo adidin’ny “olombelona nalaina avy amin’ny tany” amin’i Jehovah sy ny olombelona hafa. Ny famakafakana hataontsika dia hampiseho hoe amin’ny ahoana no toy izany no izy. Mazava ho azy fa tsy afaka miara-mandeha amin’i Jehovah daholo akory na iza na iza. Izany tombontsoa izany dia voatokana ho an’ireo izay ‘mifanaiky taminy’ raha lazaina ara-panoharana. (Amosa 3:3.) Ahoana izany? Araka ny asehon’ny lahatsoratra teo aloha, dia amin’ny fanoloran-tena tsy misy fepetra ho Azy sy amin’ny fanamarihana ny fanolorana ny tenany amin’ny alalan’ny batisa. Noho izany, milaza inona ny Mika 6:8 ho an’ireny olona ireny?

‘Aoka isika hampihatra ny rariny’

4. Inona indrindra moa no dikan’ny hoe “mampihatra ny rariny”?

4 Voalohany indrindra, dia takina ny ‘hampiharana ny rariny’. Mba hahatongavana ho mpiara-miasa amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tokony hitana fieritreretana madio isika. Ny dikan’ny hoe ‘mampihatra ny rariny’ indrindra dia manao izay mahitsy, izay angatahin’Andriamanitra amintsika; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tokony hanatontosa ny adidintsika isika, ka ny voalohany indrindra dia ny fifikirana amin’i Jehovah irery ihany (Nahoma 1:2). Tsy leferin’i Jehovah mihitsy tokoa ny fandrafiana azy. Tsia, tsy afaka hanompo tompo roa isika. — 1 Korintiana 10:22; Matio 6:24.

5. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy Kristy fa tia ny rariny sy nankahala ny ratsy izy?

5 Ambonin’izany, mba ‘hampiharana ny rariny’, dia tokony ‘ho tia ny fahamarinana sy hankahala ny heloka’ isika, tahaka ny nataon’i Jesosy. Noho izy tia ny rariny, Jesosy dia nitoetra ho ‘tsy nisy tsiny, tsy nisy loto, voasaraka tamin’ny mpanota’ (Salamo 45:7; Hebreo 7:26); ary noho izy nankahala ny faharatsiana, ny fahatezerana ara-drariny dia nitarika azy hanameloka mafy ireo filoha ara-pivavahana mpihatsaravelatsihy sy fatra-pitia harena tamin’ny androny. — Matio 23:13-36; Jaona 8:44.

6. Nahoana moa isika no tokony hanao zavatra mihoatra noho ny fanekena ny hevitra ilazana fa tokony hifady izay rarana isika satria ratsy izany?

6 Araka ny asehon’ny ohatra nomen’i Jesosy, dia tsy ampy ny ho tia ny rariny, tokony hankahala ny ratsy koa isika — eny, tokony hahatsiravina antsika, ho halatsika, haharikoriko antsika ary ho faran’izay tsy tiantsika ny ratsy. Koa satria ratsy hatramin’ny fahazazantsika ny fironantsika ary mamitaka ny fontsika, dia tokony hanao zavatra mihoatra noho ny fanekena ny hevitra hoe rarana ny manao ratsy isika (Genesisy 8:21; Jeremia 17:9). Raha tsy manohitra mafy ny fironantsika hanota sy ireo fakam-panahy tonga eo anoloantsika isika, dia ho resin’ny fanangoleny. Tokony hankahala mafy ny ratsy isika, tahaka ny nasehon’i Finehasa fony izy nandefona mpivady tafaray tao amin’ny fanompoam-pivavahana maloto tamin’i Bala-peora. — Nomery 25:5-8.

7. Fanambarana inona moa no mampiseho fa tsy mifidy ireo ho mpiara-miasa aminy eo amin’ny ratsy fanahy Jehovah?

7 Tsy tian’i Jehovah ny hisian’ny ratsy fanahy eo amin’ireo mpiara-miasa aminy; nilaza mazava izany izy ao amin’ny Salamo 50:16-18: “Fa amin’ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra; ahoanao no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? Fa hianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. Raha mahita mpangalatra hianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ny mpijangajanga.”

8. Zava-nitranga inona moa no mampiseho fa mety hanala baraka ny anaran’i Jehovah isika raha resin’ny ratsy?

8 Mety harisika amin’ny asan’i Jehovah isika amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa raha tsy miseho ho malina dia malina isika ka tsy maneho fifehezan-tena, ny fahalemen’ny nofontsika dia mety hitarika antsika handika ny lalàn’i Jehovah sy hanala baraka ny anarany. Araka izany, taona vitsivitsy lasa izay, ny loholona iray dia nijangajanga tamin’ny anankiray tamin’ireo anabaviny ao amin’ny finoana izay tsy kristiana ny vadiny. Ny takariva nanambarana ny fandroahana an’io loholona io, dia nitsofoka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay lehilahy, nitondra basy fihazana, ary nitifitra ireo meloka. Tsy nisy maty izy roa ireo, nefa ny ampitson’iny dia noresahina tao amin’ny pejy voalohany amin’ny gazety mivoaka isan’andro lehibe indrindra any Etazonia ny fisehoan-javatra. Tena azo atao ny milaza fa manala baraka an’i Jehovah ny zavatra ratsy ataon’ny mpanompony. — Ohabolana 6:32.

9. Araka ny Ohabolana 4:23, inona moa no tokony hotandremantsika, ary nahoana?

9 Noho izany antony izany, dia tena mety ity torohevitra manaraka ity: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Tokony hifehy tena tokoa isika ary hitandrina izay ifantohan’ny fisainan’ny fontsika ara-panoharana. Ny televiziona, ny revio sy ny fomba fampitana hevitra hafa koa dia mihamampiseho izao karazam-pahalotoana rehetra izao, indrindra fa amin’ny alalan’ny sary maloto. Noho izany, dia tokony hofidintsika amim-pitandremana lehibe izay jerentsika sy henointsika ary vakintsika. Zava-dehibe tokoa ny hifehezantsika ny fisainantsika. Ohatra, ho mora aoka izany ny hahita fahafinaretana amin’ny famadibadihana ao an-tsaintsika hevitra mitodika any amin’ny zavatra mahakasika ny lahy sy ny vavy, dia zavatra tsy noeritreretintsika hatao akory (Matio 5:28). Matetika anefa ny eritreritra toy izany dia mitarika ho amin’ny fanaovan-dratsy. Tsy tokony hampiato ny saintsika amin’ireny zavatra ireny àry isika fa aoka haneho ny vokatry ny fanahy masina, dia ny fifehezan-tena ary hampifantoka ny saintsika amin’ireo hevitra voatanisa ao amin’ny Filipiana 4:8. — Galatiana 5:22, 23.

‘Aoka isika ho tia hatsaram-po’

10, 11. a) Milaza inona indrindra moa ny teny hebreo nadika hoe fahatokiana? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa naneho fahatokiana ny Zanak’Andriamanitra?

10 Ny fepetra faharoa voambara ao amin’ny Mika 6:8 dia ny ho “tia hatsaram-po”. Ny Baibolin’i Osty dia mandika an’io fitenenana io amin’ny hoe “tia fahatokiana”. Ny fanamarihana iray amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fizahan-teny tamin’ny 1984, dia mampiseho fa ny teny hebreo hèsèdh, nadika hoe “hatsaram-po” dia azo adika koa hoe “fahatsaran’ny fo” na “fitiavana tsy mivadika”. Araka ny filazan’ireo mpanao rakibolana, ny mpamaritra anarana hoe “mahatoky” dia manana heviny indrindra hoe fahatoherana amin’ny fomba hentitra izay rehetra mety ho fakam-panahy hiala na hamadika. Izay mahatoky dia manana hitsim-po avy hatrany. Ny hoe mahatoky, dia ny ho tapa-kevitra ny hiady amin-kitsim-po ho an’ny olona toy izao nofidin’ny tena, na ho an’ny raharaha toy izao noraisina ho an’ny tena, ary izany dia na dia toa mitsangana hanohitra antsika aza ny zavatra rehetra. Homarihina fa ny teny hoe “fahatokiana”, rehefa andikana ny hoe hèsèdh, dia tsy ampiasaina mihitsy raha zavatra tsy manana aina no resahina. Marina fa ao amin’ny fandikan-tenintsika dia hita ny mpamaritra anarana hoe “mahatoky” miaraka amin’ny anarana manondro zavatra. Araka izany, dia lazaina ho “vavolombelona mahatoky eny amin’ny lanitra” ny volana. (Salamo 89:37, MN.) Eto anefa ny teny hoe: “mahatoky” dia dikan’ny teny hebreo hafa. Ny tenin’Andriamanitra koa dia lazaina fa mahatoky, izany hoe azo antoka, mendrika inoana (Apokalypsy 21:5; 22:6)a. Kanefa, ny toetra (fahatsarana) mahatoky, rehefa andikana ny teny hoe hèsèdh dia tsy ampiharana afa-tsy amin’Andriamanitra sy ireo mpanompo ankasitrahany ihany. Koa izao no vakintsika ny amin’i Jehovah: “Izay mahatoky no hisehoanao ho mahatoky.” — 2 Samoela 22:26, MN.

11 Tany an-danitra, ny Zanak’Andriamanitra dia tsy nivadika tamin’i Jehovah. Teto an-tany, rehefa tonga Jesosy Kristy olombelona izy, dia niharam-pitsapana ary nanaporofo tamin’ny fankatoavany fa olombelona nahatoky izy; izany no asehon’ny Hebreo 5:7-9: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.”

Sedraina ny fahatokiantsika

12. Ahoana moa indraindray no isedrana ny fahatokiantsika, ary manao ahoana ny fihetsiky ny sasany eo anoloan’ireny fitsapana ireny?

12 Mba tsy hivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tokony tsy hivadika amin’ireo mpanompony eto an-tany koa isika, raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’ireo namantsika kristiana. Nampahatsiahy antsika izany tamin’ny fomba mazava dia mazava koa ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20). Mety ho fisedrana ny fahatokisantsika ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Ohatra, rehefa nisy nahatafintohina azy, ny kristiana sasany dia manana fahalemena: tsy mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’ny fandaminan’i Jehovah izy ary mitsahatra tsy manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Mety hosedraina koa ny tsy fivadihantsika amin’ireo rahalahintsika rehefa manao fahadisoana amin’ny fitsarana ireo asain’i Jehovah mitondra antsika. Indraindray ny sasany dia sosotra noho ireny fahadisoana ireny ka mampiasa izany ho fialan-tsiny mba hialana amin’ny fandaminana hita mason’i Jehovah. Azo hamarinina ve izany fihetsika izany? Tsy isalasalana fa tsy izany.

13. Nahoana moa no diso ireo olona mandao ny fandaminana, ary tonga eo anoloan’ny fisafidianana inona moa ireo izay miseho ho mivadika?

13 Nahoana no diso hevitra ireny olona ireny rehefa miala amin’ny fandaminan’i Jehovah? Satria manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Be fiadanana izay tia ny lalànao [Jehovah], ary tsy misy mahatafintohina azy.” (Salamo 119:165). Nahazo izao baiko izao koa isika: “Mifankatiava tsara: fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro.’ ” (1 Petera 4:8; Ohabolana 10:12). Aoka izao hataontsika hoe misaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah ny olona iray. Ho aiza izy? Moa ve izy tsy ho ao anatin’ny tarehin-javatra sahala amin’ny hitan’ireo apostolin’i Jesosy fony Jesosy nanontany azy ireo raha maniry handao azy koa izy ireo? Tamin’io toe-javatra niseho io, dia namaly araka ny marina tokoa toy izao i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:68). Ny olona iray misaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso dia tsy manana afa-tsy izay iray amin’ny zavatra roa azo ifidianana: ny fipetrahana eo ambany fitarihan’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, na ao anatin’ny fangejan’ny “bibi-dia” ara-politika izay Satana no tompony (Apokalypsy 13:3; 18:1-5). Amin’ny ankamaroany, ireo izay miseho ho mivadika dia miombona amin’i “Babylona lehibe”, izay manala baraka an’Andriamanitra.

‘Aoka isika hiara-handeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitsika’

14, 15. a) Inona avy moa no hevitry ny teny hoe “fanetren-tena”? b) Inona moa no hevitry ny teny hoe “fanetren-tena” mitana ny saintsika indrindra eto, ary nahoana? d) Nahoana moa ny kristiana no tokony haneho ‘fahalalana ny antonony, fahatanan-tena eo amin’ny fanombanana ny vidin’ny tenny sy ny toetran’ny tenany’?

14 Ny teny hoe “fanetren-tena” (modestie) dia mety hanana heviny samihafa: mety hilaza toetr’izay “tsotra, tsy mirenty, tsy dia manao ahoana” izany; ny mety ho dikany koa dia hoe: “fahamaotinana, fahatanan-tena eo amin’ny fisehoana ivelany, ny fihetsika” (1 Timoty 2:9); farany, ary ity no mahaliana antsika indrindra, izy io dia manana heviny hoe “fahalalana ny antonony, fahatanan-tena eo amin’ny fanombanana ny vidin’ny tena sy ny toetran’ny tena”, ary ampiharina amin’ny olona mahatsapa ny fetran’ny herin’ny tenany. Tsy ho afaka ny ho mpiara-miasa amin’i Jehovah mihitsy isika raha mihevi-tena ho zavatra loatra, raha manintona ny saintsika ho amin’ny tenantsika fa tsy ho amin’i Jehovah Andriamanitra.

15 ‘Fahalalana ny antonony, fahatanan-tena eo amin’ny fanombanana ny vidin’ny tenantsika sy ny toetrantsika’, izany no heviny tokony hampiarahintsika amin’ny teny hebreo nadika hoe “amim-panetren-tena” ao amin’ny Mika 6:8. Io heviny io dia miharihary amin’ny fomba ampiasana ny teny ao amin’ny Ohabolana 11:2, hany toerana hafa ao amin’ny Soratra Masina ahitana azy; ao tokoa izy io dia ampifanoherina, tsy amin’ny fahalotoam-pitondrantena fa amin’ny fieboeboana, kileman-toetra mahavoa ireo olona mihevi-tena ho zavatra loatra. Koa izao no azo vakina: “Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” Ny fanetren-tena dia tsy misaraka amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ny fahatahorana an’i Jehovah kosa mifamatotra amin’ny fahendrena (Salamo 111:10). Ny olona manetry tena dia matahotra an’i Jehovah satria tsapany ny tsy fitoviana lehibe misy eo amin’Andriamanitra sy izy, eo amin’ny fahamarinana, ny herin’i Jehovah, sy ny tsy fahatanterahany, ny fahosan’ny tenany. Noho izany antony izany, ny manetry tena dia miasa ho amin’ny famonjena azy amin-tahotra sy fangovitana. — Filipiana 2:12.

16. Manonòna andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Masina mampiseho hoe nahoana ny kristiana no tokony hanetry tena hatrany.

16 Ireo mpiara-miasa amin’i Jehovah dia manana antony maro tokony hiaraha-mandeha amim-panetren-tena amin’ny Andriamaniny, fa tsy manana antony mihitsy tokony hireharehana, ary izany dia na toy inona na toy inona halehiben’ny fahendreny, ny heriny ara-batana na ny fananany ara-nofo (Jeremia 9:23). Mampiseho amintsika ny antony ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny 1 Korintiana 4:7, manao hoe: “Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?” Toy izany koa, tsy tokony hirehareha noho ny vokatry ny fanompoantsika isika, ary izany dia araka ny teny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 3:6, 7, manao hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” Ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 17:10 dia tokony hanampy antsika koa hanetry tena hatrany: “Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.”

17. Nahoana moa no tena lalan’ny fahendrena ny fanetren-tena?

17 Ny fanetren-tena dia tena lalan’ny fahendrena; izany dia manampy antsika hahita fahafahampo na inona na inona tombontsoa atolotra antsika. Raha manetry tena isika, dia tsy hanandrana hisehoseho noho ny fanirian-daza, fa ho faly hitondra tena toy ny “kely indrindra”. (Lioka 9:48.) Amin’izany isika dia hitovy toe-tsaina amin’ny mpanao salamo izay nanambara hoe: “Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.” (Salamo 84:10). Ambonin’izany, raha manetry tena isika, dia hanana ny fitiavana izay hanosika antsika hanome ohatra amin’ny fanomezam-boninahitra ny hafa. — Romana 12:10.

Mahamendrika ny tanora ny fanetren-tena

18. a) Nahoana moa no zava-dehibe indrindra ny hananan’ny zatovo fanetren-tena? b) Tarehin-javatra inona no manamarina ny hoe tokony hanetry tena ny tanora?

18 Zava-dehibe indrindra ny hananan’ny tanora kristiana fanetren-tena; ary ohatra tsara ho azy ireo tokoa ny fitondrantenan’i Eliho! Na dia nanana fanaporofoan-kevitra marina aza izy, dia niandry tamim-panajana ny hiresahan’ny olona be taona kokoa (Joba 32:6, 7). Matetika ny tanora no mirona hiseho hatoky tena sy tsy hahatsapa firy ny fetran’ny heriny. Mety hanamavo ireo zokiny izy noho ny heriny ara-batana sy ny fahalalana vitsivitsy azony. Tsy hoe zavatra iray ihany akory ny fahalalana sy ny fahendrena izay fahalalana ampiharina. Mampahonena amin’izany ny fitondrantena ratsin’ny tanora amerikana. Any Etazonia tokoa, dia 63% amin’ny olona voasambotra noho ny fahadisoana lehibe no latsaka ny 24 taona, ary 30% no latsaka ny 18 taona. Voamarika koa fa “ny fitiavana fatratra ny zava-mahamamo sy ny zavatra mahadomelina no antony lehibe indrindra miteraka fahafatesana avy amin’ny fiarakodia eo amin’ny Amerikana 15 ka hatramin’ny 24 taona”. Mbola any Etazonia ihany, dia “mihamaro ny fanambadiana eo amin’ny samy zatovo miafara amin’ny fisarahana”, kanefa lazaina fa “azo antenaina haharitra kokoa ny fanambadiana raha toa ireo mpifamofo manana taona vitsivitsy amboniny hieritreretana”.

19. Torohevitra araka ny Baiboly inona moa no tsara raha raisin’ny tanora am-po?

19 Feno fahendrena tokoa ireo torohevitra voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rariny tokoa ny ampianarany ny tanora hanaja ny rainy sy ny reniny sy hankatò azy ireo amin’ny zavatra rehetra (Efesiana 6:1-3; Kolosiana 3:20). Ny tanora dia tokony handatsaka am-po indrindra izao torohevitra feno fahendrena izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” — Ohabolana 3:5, 6.

20. Afaka manantena ny handray valisoa inona moa ireo olona nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa raha mampihatra ny Mika 6:8?

20 Valisoa inona no azontsika rehetra antenaina raha toa, rehefa avy nampiseho ny fitokisantsika an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanolorana ny tenantsika sy ny batisa isika, dia ‘mampihatra ny rariny, maneho fitiavana amim-pahatokiana ary miara-mandeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitsika’? Voalohany, ary ity no zava-dehibe indrindra, dia hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika satria manaraka ny didiny, ary hampifaly ny fony isika amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanamasinana ny anarany lehibe sady mahatahotra (Ohabolana 27:11). Manaraka izany, dia ho tsapantsika eo amin’ny fiainantsika ny fahamarinan’ny fotopoto-pitsipika ilazana fa “ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka [satria, MN ] manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa”. — 1 Timoty 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Any andrefan’i Etazonia dia ahitana loharano mafana mipololotra miakatra avy any anaty tany malaza amin’ny maha-ara-dalàna ny fisondrotany: amin’ny ara-keviny dia indray mandeha isaky ny 65 minitra hatramin’ny taona maro. Mendrika ny anarana hoe Antitra Mahatoky izy io.

Ahoana no havalinao?

◻ Mifanaraka amin’ny Mika 6:8, inona no tokony hatao mba ‘hampiharana ny rariny’?

◻ Inona no fifandraisana amin’ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah sy ny fifandraisantsika amin’ireo namantsika kristiana?

◻ Nahoana isika no tokony hiara-handeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitra?

◻ Nahoana moa no mahasoa ny tanora kristiana indrindra ny fanetren-tena?

[Sary, pejy 17]

Miaro ny fonao ve ianao amin’ny fifidianana amim-pitandremana izay jerenao sy henoinao ary vakinao?

[Sary, pejy 18]

Fantatr’i Petera fa tsy afaka nandeha na taiza na taiza tany an-toeran-kafa izy satria ‘nanana ny tenin’ny fiainana mandrakizay’ Jesosy. Tapa-kevitra toy izany ve ianao ny tsy hivadika hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara