-
BatisaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Natao batisa ho amin’i Mosesy, izay mpanafaka sady mpitarika azy, koa ny fiangonan’Israely fahiny. Nilaza mantsy i Paoly fa “natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy” izy ireo, “fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina.” Toy ny hoe naroboka izy ireo, satria rahona no teo amboniny ary rano no teo amin’ny andaniny roa. Nilaza koa i Mosesy fa hanendry mpaminany toa azy Andriamanitra. I Jesosy Kristy ilay mpaminany, hoy i Petera.—1Ko 10:1, 2; De 18:15-19; As 3:19-23.
-
-
RahonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nandefa anjely iray i Jehovah mba ho “iraka manokana” hitarika ny Israely hivoaka avy tany Ejipta sy hamakivaky ny tany efitra. (Is 63:9) Tao anatin’ny andry rahona ilay anjely, ary nampiasain’i Jehovah rehefa nijery avy tao amin’ilay andry rahona izy ka nampifanaritaka ny tobin’ny Ejipsianina. (Ek 13:21, 22; 14:19, 24, 25) Nampiasa an’ilay rahona koa i Jehovah mba hanaovana batisa ny Israely ho lasa firenena tafaray amin’i Mosesy. Voalaza fa ‘natao batisa izy rehetra ka tafaray tamin’i Mosesy, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina.’ Teo ankaviany sy teo ankavanany mantsy ny rano tamin’izay, ary ilay rahona no teo amboniny sy teo aoriany.—1Ko 10:2; jereo koa No 14:14.
-
-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy ho fahagagana lehibe koa izay nitranga raha honahona fotsiny no niampitan’ny Israelita. Tsy ho “natelin’ny” Ranomasina Mena ireo Ejipsianina, ary tsy ho “nandifotra azy ireo ny rano manonja” ka tsy ho “nilentika tao amin’ny lalina tahaka ny vato” izy ireo. (He 11:29; Ek 15:5) Niresaka an’io fahagagana mahatalanjona io anefa i Mosesy sy Josoa tatỳ aoriana. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy ny Israelita, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina. Midika izany fa teo amin’ny andaniny roa ny ranomasina, ary teo ambonin’izy ireo sy tao aoriany ilay rahona. (1Ko 10:1, 2) Midika koa izany fa lalina kokoa noho ny honahona ilay rano niampitan’ny Israelita.
-