-
Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?
Samy manana ny heviny momba ny zava-pisotro misy alkaola ny olona. Misy, ohatra, tia misotro tsindraindray miaraka amin’ny namany. Misy kosa tsy misotro mihitsy. Ny sasany indray mamo vao mijanona. Inona àry no lazain’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola?
1. Tsy mety ve ny misotro zava-pisotro misy alkaola?
Tsy raran’ny Baiboly ny misotro zava-pisotro misy alkaola. Milaza mihitsy aza izy io hoe anisan’ny fanomezana omen’Andriamanitra ny “divay mampifaly ny fon’ny olona.” (Salamo 104:14, 15) Voaresaka ao koa fa nisy mpanompon’Andriamanitra nisotro zava-pisotro misy alkaola.—1 Timoty 5:23.
2. Inona ny torohevitra omen’ny Baiboly ho an’ireo mifidy ny hisotro?
Raran’i Jehovah ny misotro be loatra sy ny manao mamo. (Galatianina 5:21) Milaza ny Baiboly hoe: “Aza manaiky ho anisan’izay mpiboboka divay be.” (Ohabolana 23:20) Tsy tokony hisotro be loatra àry isika, na rehefa irery na rehefa miaraka amin’ny olona. Efa tafahoatra ny toaka lanin’ny olona iray raha lasa tsy misaina tsara izy, tsy mahafehy ny zavatra ataony sy lazainy, na lasa marary. Ahoana anefa raha tsy mahavita mifehy tena isika rehefa misotro? Tsara kokoa, amin’izay, ny tsy misotro mihitsy.
3. Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja ny safidin’ny hafa isika?
Ny olona tsirairay no mila manapa-kevitra raha hisotro izy na tsia. Raha misy olona mifidy ny hisotro araka ny antonony àry, dia tsy tokony hitsaratsara azy isika. Tsy tokony hoterentsika hisotro koa izay tsy te hisotro. (Romanina 14:10) Aleontsika tsy misotro raha mety hanafintohina ny hafa izany. (Vakio ny Romanina 14:21.) Mitady “an’izay hahasoa ny hafa” isika, “fa tsy izay hahasoa ny [tenantsika].”—Vakio ny 1 Korintianina 10:23, 24.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika ireto: Inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hanapa-kevitra hoe hisotro sa tsia, ary hoe hoatran’ny ahoana ny habetsahany? Inona no azonao atao raha manana olana amin’ny resaka fisotroana ianao?
4. Hifidy ny hisotro ve ianao?
Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny zava-pisotro misy alkaola? Manampy antsika hahalala an’izany ilay fahagagana voalohany nataony. Vakio ny Jaona 2:1-11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Raha jerena io fahagagana io, ahoana no fiheveran’i Jesosy ny zava-pisotro misy alkaola sy ny olona misotro an’ilay izy?
Tsy nandrara ny olona tsy hisotro i Jesosy. Ahoana àry no tokony hiheveran’ny Kristianina an’ireo olona mifidy ny hisotro?
Afaka misotro ny Kristianina iray raha tiany. Midika ve anefa izany hoe mety foana ny misotro? Vakio ny Ohabolana 22:3, ary iaraho midinika hoe: Nahoana ianao no mety hifidy ny tsy hisotro raha...
hitondra fiara na hampiasa masinina fiasana?
bevohoka?
nisy dokotera nanoro hevitra anao mba tsy hisotro?
sarotra aminao ny mifehy tena rehefa misotro?
tsy mamela anao hisotro ny lalàna?
miaraka amin’ny olona tsy misotro mihitsy satria efa nanana olana tamin’ny resaka fisotroana izy taloha?
Mety ve raha asiana zava-pisotro misy alkaola amin’ny mariazy na fiaraha-mikorana? Inona no hanampy anao hanapa-kevitra? Alefaso ilay VIDEO.
Vakio ny Romanina 13:13 sy ny 1 Korintianina 10:31, 32. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Ahoana no azonao ampiharana an’io toro lalana io mba hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisinao?
Anjaran’ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra raha hisotro izy na tsia. Mety hifidy ny hisotro izy indraindray, nefa aleony tsy misotro amin’ny fotoana sasany
5. Hoatran’ny ahoana ny habetsahany?
Inona no mila tadidinao raha mifidy ny hisotro zava-pisotro misy alkaola ianao? Tsy raran’i Jehovah ny hoe misotro. Milaza kosa izy hoe tsy mety ny misotro be loatra. Nahoana? Vakio ny Hosea 4:11, 18, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no mety hitranga raha misotro be loatra ny olona iray?
Inona no hanampy antsika tsy hisotro be loatra? Mila manetry tena isika, ka manaiky hoe voafetra ny toaka zakantsika. Vakio ny Ohabolana 11:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no maha tsara ny hoe ferana ny habetsahan’ny toaka hosotroina?
6. Inona no hanampy ny olona iray tsy hisotro be loatra intsony?
Inona no nanampy ny lehilahy iray tsy hiboboka toaka intsony? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nanao ahoana i Dmitry rehefa nisotro toaka?
Tonga ve izy dia afaka tamin’ilay fahazaran-dratsiny?
Inona no nanampy azy tsy hisotro be loatra intsony?
Vakio ny 1 Korintianina 6:10, 11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no tena ratsy ny hoe mamo lava?
Inona no mampiseho hoe mbola afaka miova ny olona mpisotro toaka be?
Vakio ny Matio 5:30, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Hita amin’io tenin’i Jesosy io hoe mila mahafoy zavatra isika raha te hampifaly an’i Jehovah. Raha zatra misotro be loatra ianao, inona no azonao atao mba hialana amin’izany fahazaran-dratsy izany?a
Vakio ny 1 Korintianina 15:33, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no vokany raha olona tia misotro toaka be no ataonao namana?
METY HISY HANONTANY HOE: “Ratsy ve ny misotro toaka?”
Ahoana no havalinao?
FAMINTINANA
Avelan’i Jehovah hisotro zava-pisotro misy alkaola isika satria manome fifaliana izany. Rarany anefa ny misotro be loatra sy ny manao mamo.
Famerenana
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola?
Inona no voka-dratsin’ny hoe misotro be loatra?
Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja ny safidin’ny hafa isika?
JEREO KOA IRETO
Inona no hanampy ny tanora handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny resaka fisotroana?
Inona avy no azonao atao raha manana olana amin’ny resaka fisotroana ianao?
“Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2010)
Mety amin’ny Kristianina ve ny mifandom-bera?
“Fanontanian’ny Mpamaky” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2007)
Inona no nanampy ny lehilahy iray tsy hisotro toaka be intsony? Vakio ilay tantara hoe “Hoatran’ny Barìka Tsy Mety Feno, Hono, Aho.”
“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2012)
a Mila manatona dokotera ny olona sasany andevozin’ny toaka, raha te hiala amin’io fahazaran-dratsy io. Betsaka ny dokotera milaza hoe aleo mifady toaka raha efa nanana olana tamin’ny resaka fisotroana.
-
-
Nahoana no Zava-dehibe ny Fiakanjontsika sy ny Paozintsika?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 52
Nahoana no Zava-dehibe ny Fiakanjontsika sy ny Paozintsika?
Samy manana ny mahafinaritra azy ny olona eo amin’ny resaka akanjo sy paozy. Raha manaraka toro lalana tsotra ao amin’ny Baiboly isika, dia ho afaka hanao an’izay akanjo sy paozy tiantsika sady hampifaly an’i Jehovah. Andao hodinihintsika ny sasany amin’izany toro lalana izany.
1. Inona ny toro lalana manampy antsika hanao safidy tsara?
Tokony hanao “akanjo mendrika sy maotina” isika sady tokony “hisaina tsara.” Tokony ho hita amin’ny paozintsika koa hoe “mpivavaka amin’Andriamanitra” isika. (1 Timoty 2:9, 10) Diniho ireto toro lalana efatra ireto: 1) Tokony ho “mendrika” ny akanjontsika. Rehefa mivory ianao dia mety ho tsikaritrao hoe tsy mitovy ny fiakanjo sy taovolo tian’ny vahoakan’i Jehovah, nefa samy manome voninahitra an’ilay Andriamanitra tompointsika ilay izy. 2) Tokony ho “maotina” ny akanjontsika. Midika izany hoe tsy tokony hahatonga ny olona hieritreri-dratsy ilay izy, na hisarika loatra ny mason’ny olona. 3) Tokony “hisaina tsara” isika. Midika izany hoe mandinika tsara isika fa tsy hoe arahintsika daholo izay lamaody nivoaka farany. 4) Tokony ho hita foana amin’ny paozintsika hoe “mpivavaka amin’Andriamanitra” isika. Amin’izay isika tonga dia fantatry ny olona hoe manompo an’ilay tena Andriamanitra.—1 Korintianina 10:31.
2. Misy vokany amin’ny mpiray finoana amintsika ve ny paozintsika?
Marina fa afaka mifidy an’izay akanjo sy paozy tiantsika isika. Mila eritreretintsika koa anefa hoe inona no mety ho vokatr’ilay izy amin’ny hafa. Miezaka mafy isika mba tsy hanafintohina an’iza na iza, fa “hampifaly ny [namantsika] ... mba hahasoa azy sy hampahery azy.”—Vakio ny Romanina 15:1, 2.
3. Nahoana ny paozintsika no mety hahatonga ny olona hanaraka ny fivavahana marina?
Efa miezaka manao akanjo mendrika foana isika isan’andro. Vao mainka anefa isika mitandrina ny fiakanjontsika rehefa mandeha mivory sy manompo. Tsy tiantsika mantsy raha ny paozintsika indray no ifantohan’ny olona fa tsy ny hafatra torintsika. Tiantsika kosa raha mahatonga ny olona hanaraka ny fivavahana marina ny paozintsika, sady “mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika.”—Titosy 2:10.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika hoe ahoana no atao mba ho azo antoka fa mety amin’ny Kristianina ny fiakanjontsika sy ny paozintsika.
Hita amin’ny paozintsika raha manaja ny olona manana fahefana isika. Na mahita ny any am-pontsika aza i Jehovah, dia tokony ho hita amin’ny paozintsika hoe manaja azy isika
4. Manaja an’i Jehovah isika rehefa mety tsara ny paozintsika
Inona no tena mahatonga antsika hitandrina tsara ny paozintsika? Vakio ny Salamo 47:2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Misolo tena an’i Jehovah isika. Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fiakanjontsika?
Araka ny hevitrao, tena ilaina ve ny mitandrina tsara ny paozintsika rehefa mandeha mivory sy manompo? Nahoana?
5. Inona no hanampy antsika hanao safidy tsara?
Na mora na lafo ny akanjontsika, dia tokony hadio ilay izy sady hifanaraka amin’izay ataontsika. Vakio ny 1 Korintianina 10:24 sy ny 1 Timoty 2:9, 10. Iaraho midinika avy eo hoe: Nahoana isika no tsy tokony hanao akanjo...
maloto sy misavoritaka na fitena be?
mifinjifinjy, mampihanjahanja vatana, na mahatonga ny olona hieritreri-dratsy?
Manampy ny Kristianina hahalala ny hevitr’i Jehovah ny Lalàn’i Mosesy, na dia tsy mila manaraka azy io aza izy ireo. Vakio ny Deoteronomia 22:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Misy karazana akanjo sy taovolo mahatonga ny lehilahy ho hoatran’ny vehivavy, na mahatonga ny vehivavy ho hoatran’ny lehilahy. Nahoana isika no tsy tokony hanao akanjo na taovolo hoatr’izany?
Vakio ny 1 Korintianina 10:32, 33 sy ny 1 Jaona 2:15, 16, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana isika no tokony handinika sao dia manafintohina ny mpiara-monina na ny mpiray finoana amintsika ny paozintsika?
Hoatran’ny ahoana ny paozy sy fiakanjon’ny olona etỳ aminareo?
Misy amin’ilay izy ve hitanao hoe tsy mety amin’ny Kristianina? Nahoana?
Samy manana ny fiakanjo sy paozy tiantsika isika, nefa afaka mampifaly an’i Jehovah daholo
MISY MITENY HOE: “Manana zo hanao an’izay akanjo tiako aho.”
Hoatr’izany koa ve ny hevitrao? Nahoana?
FAMINTINANA
Manaja an’i Jehovah sy ny olon-kafa isika rehefa mety tsara ny fiakanjontsika sy ny paozintsika.
Famerenana
Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny fiakanjontsika sy ny paozintsika?
Inona ny toro lalana sasany hanampy antsika hanapa-kevitra amin’ny resaka akanjo sy paozy?
Inona no mety ho vokatry ny paozintsika eo amin’ny fiheveran’ny olona ny fivavahana marina?
JEREO KOA IRETO
Inona no mety hoeritreretin’ny olona rehefa mahita ny akanjo anaovanao izy?
Nahoana ianao no mila mandinika tsara aloha raha mieritreritra ny hanao tatoazy?
“Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tatoazy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Inona koa ny toro lalana afaka manampy anao hahay hanapa-kevitra?
“Manome Voninahitra An’Andriamanitra ve ny Fiakanjonao?” (Ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2016)
Sarotra tamin’ny vehivavy iray ny nanaiky ny safidin’ny hafa teo amin’ny resaka akanjo sy taovolo. Inona no nanampy azy hiova?
“Resaka Fitafiana sy Taovolo no Tsy Nampandroso Ahy” (Mifohaza! 8 Janoary 2004)
-