‘Hatsangana ny Maty’
“Fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.” — 1 KORINTIANA 15:52.
1, 2. a) Fampanantenana mampionona inona no nomena tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany? b) Ahoana no ahafantarantsika fa vonona hamelona indray ny maty Andriamanitra?
EFA mba maty havana akaiky ve ianao? Raha izany, dia fantatrao ny fahoriana ateraky ny fahafatesana. Na izany aza, ny Kristianina dia mahazo fampiononana avy amin’ilay fampanantenana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany, manao hoe: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?” — Hosea 13:14.
2 Amin’ireo be fisalasalana, dia toa hevi-dravina fotsiny ilay hevitra hoe ho velona indray ny maty. Azo antoka anefa fa manana ny hery hanaovana izany fahagagana izany ilay Andriamanitra Tsitoha! Ny tena zava-dehibe dia hoe vonona hamelona indray ny maty ve i Jehovah sa tsia. Nanontany toy izao ilay lehilahy marina atao hoe Joba: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Nanome izao valiny manome toky izao izy avy eo: “Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15). Ilay teny hoe “halahelo” dia milaza embona, na faniriana mafy. (Ampitahao amin’ny Salamo 84:2.) Eny, tsy andrin’i Jehovah izay hananganana ny maty — manina ta hahita indray ireo maty nahatoky izay mbola velona ao amin’ny fitadidiany, izy. — Matio 22:31, 32.
Nampiseho mazava ny fitsanganana amin’ny maty i Jesosy
3, 4. a) Inona no nasehon’i Jesosy mazava momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty? b) Nahoana i Jesosy no natsangana tamin’ny fanahy fa tsy tamin’ny nofo?
3 Tsy nahafanta-javatra firy momba ny fitsanganana amin’ny maty ny olona nanam-pinoana fahiny, toa an’i Joba. I Jesosy Kristy no nampiseho mazava tsara io fanantenana mahatalanjona io. Nasehony ny anjara asa lehibe tanany, fony izy nanao hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:36). Aiza no hankafizana izany fiainana izany? Ho an’ny ankamaroan’ireo izay maneho finoana, dia ho eto an-tany izany. (Salamo 37:11). Hoy anefa i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32). Any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, io fampanantenana io dia midika fa tsy maintsy hisy “ondry vitsy” hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra, ho zavaboary ara-panahy. (Jaona 14:2, 3; 1 Petera 1:3, 4). Izany ka fanantenana be voninahitra! Ankoatra izany, dia nahariharin’i Jesosy tamin’ny apostoly Jaona fa ho 144 000 monja ny isan’izany “ondry vitsy” izany. — Apokalypsy 14:1
4 Ahoana anefa no hidiran’ireo 144 000 any amin’ny voninahitry ny lanitra? Tamin’ny alalan’ny “filazantsara no nampisehoan[’i Jesosy] mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay”. Tamin’ny alalan’ny rany no nisantaran’i Jesosy “làlana vaovao sady velona” mankany an-danitra. (2 Timoty 1:10; Hebreo 10:19, 20). Maty aloha izy, araka ny efa nambaran’ny Baiboly mialoha fa hanjo azy. (Isaia 53:12). Avy eo, araka ny nambaran’ny apostoly Petera tatỳ aoriana, “izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 2:32). Tsy natsangana ho olombelona anefa i Jesosy. Efa niteny toy izao izy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jaona 6:51). Tsy hampanan-kery izany sorona izany ny fakany indray ny nofony. Koa “novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy” àry i Jesosy. (1 Petera 3:18). Tamin’izany i Jesosy dia “nahazo fanavotana mandrakizay” ho an’ny “ondry vitsy”. (Hebreo 9:12). Natolony an’Andriamanitra ny vidin’ny ain’olombelona lavorary nananany, ho avotra ho an’ny taranak’olombelona mpanota, ka ny 144 000 no voalohany nandray soa tamin’izany.
5. Fanantenana inona no natolotra an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?
5 Tsy i Jesosy irery ihany no hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Nilazan’i Paoly ireo Kristianina namany tany Roma fa voahosotry ny fanahy masina mba ho zanak’Andriamanitra sy ho mpiara-mandova amin’i Kristy izy ireo, raha nanamafy ny fanosorana azy, tamin’ny fiaretana hatramin’ny farany. (Romana 8:16, 17). Nanazava toy izao koa i Paoly: “Raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany”. — Romana 6:5.
Fiarovana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty
6. Nahoana no niharam-pamelezana ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty, tany Korinto, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny apostoly Paoly nanoloana izany?
6 Ny fitsanganana amin’ny maty dia anisan’ny “abidim-pianarana” ao amin’ny Kristianisma. (Hebreo 6:1, 2). Na dia izany aza, dia niharam-pamelezana ilay foto-pampianarana, tany Korinto. Niteny toy izao ny sasany tao amin’ny kongregasiona, miharihary fa noho izy ireo voataonan’ny filôzôfia grika: “Tsy misy fitsanganan’ny maty”. (1 Korintiana 15:12). Rehefa tonga tany amin’ny apostoly Paoly ny tatitra momba izany, dia niaro ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izy, indrindra fa ilay fanantenan’ireo Kristianina voahosotra. Andeha hodinihintsika ny tenin’ny Paoly, araka izay voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-15. Ho hitanao fa hanampy ny namakianao io toko io manontolo, araka ny nampirisihana tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.
7. a) Inona no raharaha lehibe nifantohan’i Paoly? b) Iza avy no nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty?
7 Nametraka ny foto-kevitr’ilay famelabelarana hataony i Paoly, ao amin’ireo andininy roa voalohany amin’ny 1 Korintiana toko faha-15, manao hoe: “Ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, (...) [raha tsy izany, dia very maina ny nahatongavanareo ho mpino, raha ny marina, NW ].” Raha tsy niorina mafy tamin’ny vaovao tsara ireo Korintianina, dia very maina ny naneken’izy ireo ny fahamarinana. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’i Jakoba Izy, dia tamin’ny Apostoly rehetra. Ary faran’izy rehetra, izaho, izay toy ny [teraka, NW ] tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.” — 1 Korintiana 15:3-8.
8, 9. a) Toy inona ny halehiben’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty? b) Azo inoana fa oviana no nisehoan’i Jesosy tamin’ny “rahalahy tsy omby diman-jato”?
8 Ho an’izay nanaiky ny vaovao tsara, ny finoana ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia tsy niankina tamin’izay safidin’ny tsirairay akory. Maro ireo vavolombelona nanatri-maso mba hanamarina fa “Kristy maty noho ny fahotantsika” ary efa natsangana. Iray tamin’izany i Kefasy, na Petera no ahafantarana azy tsara kokoa. Tsy maintsy nahazo fankaherezana lehibe i Petera tamin’ny nisehoan’i Jesosy taminy taorian’ny nandavany azy tamin’ilay alina namadihana sy nisamborana an’i Jesosy iny. Notsidihin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty koa “ny roa ambin’ny folo lahy”, dia ireo apostoly tamin’ny fitambarany. Tsy isalasalana fa nanampy azy ireo handresy ny tahotra sy ho sahy hijoro ho vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, izany. — Jaona 20:19-23; Asan’ny Apostoly 2:32.
9 Niseho koa tamin’antokon’olona maro kokoa i Kristy, tamin’ny “rahalahy tsy omby diman-jato”. Koa satria tany Galilia ihany no nisy mpanara-dia azy maro be toy izany, dia mety ho tamin’ilay fotoana nolazalazain’ny Matio 28:16-20 no nitrangan’izany, fony i Jesosy nanome ilay baiko mba hanao mpianatra. Fanambarana nanan-danja toy inona moa no azon’ireo olona ireo nomena! Mbola velona ny sasany tamin’ny 55 am.f.i., fony i Paoly nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Mariho anefa fa ireo izay efa maty dia voalaza fa “nodi-mandry”. Mbola tsy natsangana tamin’ny maty mba handray ny valisoany any an-danitra izy ireo.
10. a) Inona no vokatry ny fihaonan’i Jesosy farany tamin’ny mpianany? b) Ahoana no nisehoan’i Jesosy tamin’i Paoly ‘izay toy ny teraka tsy tonga volana’?
10 Niavaka raha samy vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty i Jakoba zanak’i Josefa sy i Maria, renin’i Jesosy. Miharihary fa tsy mpino i Jakoba talohan’ilay fitsanganana tamin’ny maty. (Jaona 7:5). Rehefa avy niseho taminy anefa i Jesosy, dia tonga mpino i Jakoba, ary angamba nandray anjara tamin’ny fiovam-pinoan’ireo rahalahiny hafa. (Asan’ny Apostoly 1:13, 14). Tamin’ilay nihaonany farany tamin’ny mpianany, tamin’ilay niakarany ho any an-danitra iny, dia naniraka azy ireo i Jesosy mba ‘ho vavolombelony hatramin’ny faran’ny tany’. (Asan’ny Apostoly 1:6-11). Tatỳ aoriana izy dia niseho tamin’i Saoly avy any Tarsosy, izay mpanenjika ireo Kristianina. (Asan’ny Apostoly 22:6-8). Niseho tamin’i Saoly ‘izay toy ny teraka tsy tonga volana’, i Jesosy. Toy ny hoe efa natsangana ho amin’ny fiainana ara-panahy sahady i Saoly, ka afaka nahita ny Tompo nomem-boninahitra, taonjato maro talohan’ny tokony hitrangan’ilay fitsanganana amin’ny maty. Io zavatra nodiaviny io dia nampiato tampoka an’i Saoly tsy hifofo ain’olona, tamin’ny fanoherany ny kongregasiona kristianina, ka nahatonga fiovana niavaka teo aminy. (Asan’ny Apostoly 9:3-9, 17-19). Tonga apostoly Paoly i Saoly, anisan’ireo loha laharana tamin’ny fiarovana ny finoana kristianina. — 1 Korintiana 15:9, 10.
Tena ilaina ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty
11. Ahoana no nampihariharian’i Paoly fa diso ny fitenenana hoe: “Tsy misy fitsanganan’ny maty”?
11 Zava-nitranga voamarina tsara àry ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. “Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ny maty”, hoy ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly, “ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty?” (1 Korintiana 15:12). Tsy vitan’ny hoe nisalasala na nanana fanontaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty izany olona izany, fa nanambara an-karihary ny tsy finoany an’izy io koa. Koa nahariharin’i Paoly fa diso hevitra izy ireo. Nilaza izy fa raha tsy natsangana i Kristy, dia lainga ny hafatra kristianina, ary “vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra” ireo izay nijoro ho vavolombelon’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Raha tsy natsangana i Kristy, dia tsy nisy avotra naloa tamin’Andriamanitra ka dia ‘mbola tao amin’ny fahotany ihany’ ny Kristianina. (1 Korintiana 15:13-19; Romana 3:23, 24; Hebreo 9:11-14). Maty tsy nanam-panantenana marina koa, araka izany, ireo Kristianina izay efa “nodi-mandry”, ka ny sasany aza maty maritiora. Ho ao anatin’ny toe-piainana mampahonena tokoa ny Kristianina raha tsy misy afa-tsy itỳ fiainana itỳ no azony andrandraina! Very maina ny nijalian’izy ireo.
12. a) Inona no tiana holazaina amin’ny fiantsoana an’i Kristy hoe “santatr’izay efa nodi-mandry”? b) Ahoana no nataon’i Kristy mba hahatonga ny fananganana ny maty ho azo atao?
12 Tsy izany anefa no izy. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy”. Ambonin’izany, dia izy no “santatr’izay efa nodi-mandry”. (1 Korintiana 15:20). Rehefa nankatò an’i Jehovah ny Isiraelita ka nanome azy ny voaloham-bokatra, dia nitahy azy ireo tamin’ny fahabetsahan’ny vokatra i Jehovah. (Eksodosy 22:28, 29; 23:19; Ohabolana 3:9, 10). Raha niantso an’i Kristy hoe ‘santatra’, i Paoly, dia te hilaza izy fa hisy vokatra fanampiny, dia olona izay hatsangana amin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra. “Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana”, hoy i Paoly, “dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” (1 Korintiana 15:21, 22). Nanjary azo atao ny fananganana ny maty satria nomen’i Jesosy ho avotra ny ain’olombelona lavorary nananany. Izany dia nanokatra ny lalana ho fanafahana ny olona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. — Galatiana 1:4; 1 Petera 1:18, 19.a
13. a) Oviana no nitranga ny fitsanganana ho any an-danitra? b) Nahoana no misy voahosotra sasany tsy “hodi-mandry”?
13 Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny [fanatrehany, NW ].” (1 Korintiana 15:23). Natsangana tamin’ny maty i Kristy, tamin’ny 33 am.f.i. Ireo voahosotra mpanara-dia azy kosa anefa, — “izay an’i Kristy” — dia tsy maintsy miandry hatramin’ilay fotoana aoriana kelin’ny fanombohan’ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha Mpanjaka azy, izay nitranga tamin’ny 1914, araka ny asehon’ny faminanian’ny Baiboly. (1 Tesaloniana 4:14-16; Apokalypsy 11:18). Ahoana ny amin’ireo izay mbola velona mandritra izany fanatrehany izany? Hoy i Paoly: “Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.” (1 Korintiana 15:51, 52). Mazava fa tsy ny voahosotra rehetra akory no matory ao am-pasana, miandry ny fitsanganana amin’ny maty. Ireo izay maty mandritra ny fanatrehan’i Kristy dia hovana eo no ho eo. — Apokalypsy 14:13.
14. Amin’ny ahoana ireo voahosotra no “atao batisa ny amin’ny maty”?
14 “Raha tsy izany”, hoy ny fanontanian’i Paoly, “hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?” (1 Korintiana 15:29, 30). Tsy te hilaza akory i Paoly hoe misy olona velona natao batisa ho solon’ireo efa maty, araka izay toa asehon’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Ny batisa tokoa mantsy dia mifandray amin’ny maha mpianatra kristianina, kanefa tsy afaka ny ho mpianatra ny fanahy efa maty. (Jaona 4:1). Ny noresahin’i Paoly kosa, dia ny amin’ireo Kristianina velona izay maro no ‘nanao vy very ny ainy’ sahala amin’i Paoly. ‘Natao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy’ ireo Kristianina voahosotra. (Romana 6:3). Hatramin’ny nanosorana azy ireo, dia azo lazaina hoe natao “batisa” ho amin’ny lalana iray izay hitarika ho amin’ny fahafatesana sahala amin’ny an’i Kristy, izy ireo. (Marka 10:35-40). Ho faty izy ireo, kanefa hanana ilay fanantenana fitsanganana be voninahitra ho any an-danitra. — 1 Korintiana 6:14; Filipiana 3:10, 11.
15. Loza inona avy no mety ho hitan’i Paoly teo amin’ny fiainany, ary mba hiaretana izany, dia inona no anjara asan’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty?
15 Nohazavain’i Paoly tamin’izay fa mafy aoka izany ny loza natrehiny ka afaka nilaza izy hoe: “Maty isan-andro aho.” Nanampy teny toy izao i Paoly, sao dia nisy niampanga azy ho nanita-dresaka: “Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. Nandika io andinin-teny io toy izao ny The Jerusalem Bible: “Miatrika fahafatesana isan’andro aho, ry rahalahy, ary afaka mianiana ny amin’izany aho, amin’ny reharehako ny aminareo ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” Ho ohatra ny amin’ireo loza natrehiny, dia niresaka ny amin’ny ‘ady tamin’ny bibidia tany Efesosy’, i Paoly eo amin’ny andininy faha-32. Matetika ny Romanina no namono ireo mpanao heloka bevava, tamin’ny fanipazana azy ireo teo amin’ny bibidia tao amin’ireo kianja filalaovana. Raha niady tamin’ny bibidia ara-bakiteny i Paoly, dia tsy ho tafavoaka velona izy raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah. Raha tsy nisy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, dia ho fahasahisahian-dratsy tokoa ny hifidianana lalam-piainana izay hampisetra loza azy toy izany. Raha tsy nisy fanantenana fiainan-ko avy, dia tsy hisy dikany firy ny fiaretana ireo zava-tsarotra sy ireo sorona hita amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. “Raha tsy hatsangana ny maty”, hoy i Paoly, “dia ‘aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty’ ”. — 1 Korintiana 15:31, 32; jereo ny 2 Korintiana 1:8, 9; 11:23-27.
16. a) Taiza no mety ho niavian’ilay fitenenana hoe “aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”? b) Inona avy ireo loza entin’io fiheverana io?
16 I Paoly dia mety ho nanonona ny Isaia 22:13 izay milazalaza ny toe-tsain’ireo mponina tsy mpankatò tany Jerosalema, izay nino fa tsy azo ihodivirana ny anjara. Na, ny mety ho tao an-tsainy dia ny zavatra ninoan’ireo Epikoreanina izay nanamavo izay rehetra mety ho fanantenana fiainana aorian’ny fahafatesana, ka nino fa ny fahafinaretan’ny nofo ihany no soa lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Na ahoana na ahoana, dia tsy araka an’Andriamanitra ilay filôzôfia hoe “hihinana sy hisotro”. Noho izany, dia nampitandrina toy izao i Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Ny fiarahana tamin’ireo tsy nanaiky ny fitsanganana amin’ny maty dia mety hanapoizina. Ny fiarahana tamin’olona toy izany dia mety ho anisan’ny nahatonga ireo zava-nanahirana tsy maintsy nalamin’i Paoly tao amin’ny kongregasionan’i Korinto, toy ny fahalotoam-pitondran-tena, fisaratsarahana, fifampitoriana tany amin’ny tribonaly sy ny tsy fanajana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. — 1 Korintiana 1:11; 5:1; 6:1; 11:20-22.
17. a) Fampirisihana inona no nomen’i Paoly ho an’ireo Korintianina? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hovaliana?
17 Noho izany, dia nanome izao fampirisihana mazava izao ho an’ny Korintianina, i Paoly: “Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.” (1 Korintiana 15:34). Ny tsy fanekena ny fitsanganana amin’ny maty dia nitarika ny sasany ho domelina toy ny mamo, teo amin’ny ara-panahy. Nila nifoha tsara izy ireo, nitoetra ho tsy mamo. Mila mifoha ara-panahy toy izany koa ireo Kristianina voahosotra amin’izao andro izao, fa tsy ho voataonan’ny fiheveran’izao tontolo izao be fisalasalana. Tsy maintsy mifikitra mafy amin’ny fanantenany fitsanganana ho any an-danitra, izy ireo. Mbola misy fanontaniana tokony hovaliana anefa — ho an’ny Korintianina tamin’izany, sy ho antsika ankehitriny. Amin’ny endriny ahoana, ohatra, no hitsanganan’ireo 144 000 ho any an-danitra? Ary ahoana ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro hafa izay mbola any am-pasana sady tsy manana fanantenana ny ho any an-danitra? Hidika ho inona ho an’ireny olona ireny ny fitsanganana amin’ny maty? Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika dia handinika ny sisa amin’ilay famelabelaran’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1991, mba hahitana famelabelarana momba ny avotra.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no nasehon’i Jesosy mazava momba ny fitsanganana amin’ny maty?
◻ Iza avy no sasany tamin’ireo vavolombelon’ny nitsanganan’i Kristy?
◻ Nahoana no niharam-pamelezana ny foto-pampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Paoly nanoloana izany?
◻ Nahoana no tena ilain’ireo Kristianina voahosotra ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty?
[Sary, pejy 15]
Ny zanakavavin’i Jaïro dia tonga porofo fa azo natao ny fananganana amin’ny maty
[Sary, pejy 16]
Raha tsy misy fanantenana fitsanganana amin’ny maty, dia tsy hisy fotony ny naha maty maritiora an’ireo Kristianina nahatoky