Ny avotra — Ilay fampianarana nafoy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana
NY AVOTRA, ilay finoana fa maty ho solon’ny taranak’olombelona mpanota i Jesosy, dia zava-dehibe ho an’ny kristianisma marina. Niharan’ny fanakianana sy ny fanarabiana hatramin’ny ela avy amin’ny teôlôjiana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana anefa ilay fampianarana.
Nahoana no toy izany no izy? Moa ve tsy ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza ao amin’ny Marka 10:45 hoe: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”?
Nilaza ny sasany fa tsy nanonona mihitsy ireo teny ireo i Jesosy, fa, taorian’ny nahafatesany, dia noforomporonina noho ny fitaoman’ny apostoly Paoly izany. Manome fanaporofoan-kevitra ny hafa fa, eto ny “avotra” dia fomba fitenenana, na koa hoe avy amin’ny angano grika ilay fampianarana. Koa saiky nanjavona tanteraka tao amin’ny fampianaran’ny fiangonana àry ny avotra.
Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ahoana no nahatakaran’ireo kristiana voalohany ny fahafatesan’i Jesosy. Milaza amintsika i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 5:14, 15 manao hoe: “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra (...) mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” Izany ka fampianarana tsotra sady voalaza amin’ny fomba mazava — afaka tanteraka amin’ny fanovana maro loha nanjo azy tatỳ aoriana teo am-pelatanan’ireo teôlôjian’ny fiangonana.
Mety ho namoromporona io fampianarana io ve i Paoly? Tsia, satria manazava toy izao izy ao amin’ny 1 Korintiana 15:3: “Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina”. Mazava fa, ela be talohan’ny nanoratan’i Paoly ireo epistiliny, ireo kristiana dia efa nahatakatra fa sorona ny fahafatesan’i Jesosy, vidiny iray tena izy naloa mba hanavotana ny taranak’olombelona mpanota, avotra iray. Ankoatra izany, araka ny nambaran’i Paoly, dia takatr’izy ireo fa ny fahafatesan’i Kristy dia nanatanteraka ny “Soratra Masina”, izany hoe ireo faminaniana toy ny Salamo 22 sy ny Isaia 53 ao amin’ny Soratra hebreo, na “Testamenta Taloha”.
Fanontaniana tsy voavaly
Raha mifidy ny hanadihady ny zava-misy ho an’ny tenanao manokana ianao, dia ho hitanao fa tafatsofoka tao amin’ny kristianisma tany akaikin’ny andron’ireo apostoly ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana. (Asan’ny apostoly 20:29, 30; 2 Timoty 4:3, 4). Nitoetra anefa ny finoana ny sorom-panavotan’i Kristy, araka ny asehon’ny taratasin’ireo Rain’ny fiangonana voalohany. Kanefa, rehefa nisy teôlôjiana sasany tatỳ aoriana nanao fikarohana tamim-pitandremana ny amin’ny fampianarana mikasika ny avotra, dia nampipoitra fanontaniana sarotra sasany izy ireo, toy ny hoe: Tamin’iza no naloa ilay avotra? Ary nahoana no nilaina ny fandoavana toy izany?
Tamin’ny taonjato faha-4 am.fan.ir., i Grégoire avy any Nysse sy olon-kafa maro, dia namelabelatra ny fiheverana fa naloa tamin’i Satana Devoly ny avotra! Mifehy ny olombelona i Satana, hoy izy ireo, ary naloa taminy ny avotra iray mba hanafahana ny taranak’olombelona. Kanefa, i Grégoire avy any Nazianze, niara-belona tamin’izy ireo, dia nahita lavaka nitanatana iray tao amin’io tsangan-kevitra io. Toa nilaza izany fa nanan-trosa naloa tamin’ny Devoly Andriamanitra — hadalana tokoa re izany! Kanefa na dia izany aza, dia tiam-bahoaka ilay hevitra hoe avotra naloa tamin’ny Devoly ary naharitra nandritra ny taonjato maro izany na dia nihena tsikelikely aza ny heriny.
Mety ho naloa tamin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ve ilay avotra? Tsapan’i Grégoire avy any Nazianze fa nahita zava-nanahirana tamin’io hevitra io koa izy. Koa satria ‘isika tsy eo ambany fanandevozan’[Andriamanitra]’, nahoana no ilaina aloa aminy ny avotra iray? Ankoatra izany, ‘afaka niravoravo tamin’ny fahafatesan’ny Zanany ve ny Ray’ tamin’ny fitakiana avotra? Izany ka fanontaniana toa sarotra, izay niharihary fa mahatonga fisalasalana ny amin’ny avotra mihitsy.
Ny fahafatesan’ilay avotra
Mety ho nitarika anao hatrany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-12 àry ny fanadihadiana nataonao ny amin’io raharaha io. Nanandrana namaly ireo fanontaniana ireo i Anselme, arsevekan’i Cantorbéry, ao amin’ilay bokiny hoe Cur Deus Homo (Nahoana Andriamanitra no tonga olombelona). Mampianatra ilay boky fa ny fahafatesan’i Jesosy dia nampiasaina toy ny zavatra nilaina mba hanomezana fahafahampo ny fahamarinan’Andriamanitra, fa tsy toy ny avotra iray akory. Nilaza ny heviny i Anselme fa, ny famelana heloka tamin’ny alalan’ny avotra iray tsy nisy fanomezana fahafahampo ny fahamarinan’Andriamanitra dia ho nitovy tamin’ny famelana ny heloka tsy ho voahitsy. “Tsy afaka hamela na inona na inona tsy ho voahitsy anefa Andriamanitra ao amin’ny Fanjakany”, hoy i Anselme. Ahoana àry no nanitsian’Andriamanitra ny raharaha?
Tamin’ny fanomezana fanaporofoan-kevitra fa ‘manala baraka an’Andriamanitra ny ota’, i Anselme dia nilaza fa tsy ho ampy “ny famerenana fotsiny izay nalaina” tamin’ny fahotan’i Adama. Koa satria voatevateva Andriamanitra, ny avotra iray — na dia ny sorona olona tanteraka iray aza — dia tsy ho ampy. “Raha heverina amin’ilay fanevatevana natao”, hoy ny fanjohian-kevitr’ilay mpitondra fivavahana, “dia bebe kokoa noho izay nalaina no tsy maintsy naverina”. (Izahay no nanao sora-mandry.) Nanome fanaporofoan-kevitra i Anselme fa izany dia nitaky ny fahafatesan’ny iray izay “sady Andriamanitra no olombelona”!
Na toy inona na toy inona nety ho fihetsikao tamin’ny fampianaran’i Anselme, izany dia nahazo ny fankasitrahan’ireo niara-belona taminy ary manohy mampihatra ny heriny amin’izao androntsika izao. Tamin’ny fomba tokana, i Anselme dia sady nanamafy ny fampianarana ny amin’ny Trinite no namely kapoka nahafaty ny avotra, fara faharatsiny tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana! Nanjary fitenenana fampiasan’ireo teôlôjiana matetika ny hoe “fahafahampo”, fa ny teny hoe “avotra” kosa dia nihananjavona tsikelikely tao amin’ny haizina. Na dia izany aza, ireo tsangan-kevitr’i Anselme dia saika niorina manontolo tamin’ny lôjika mamitaka fa tsy tamin’ny Baiboly. Ary arakaraka ny nandehanan’ny fotoana, dia nisy manam-pahaizana maro toa an’i Thomas Aquinas nanomboka nanaisotra ny tsangan-kevitr’i Anselme ny amin’ny “fahafahampo” tamin’ny lôjika feno hakingan-tsaina azy ireo manokana. Nanjary be dia be ny fanombantombanana. Nitombo isa ny tsangan-kevitra momba ny fanavotana, ary nanalavitra kokoa ny Soratra masina ny ady hevitra ka niditra lalina kokoa tao amin’ny fanjohian-kevitra sy filôzôfia ary ny tombantomban’olombelona.
Ny Fanavaozana sy ny avotra
Aoka anefa isika hifindra akaikikaiky kokoa ny androntsika. Rehefa nipoaka tamin’ny taonjato faha-16 ny fanafihana mahery vaikan’ny Fanavaozana protestanta, dia teraka ny antokon’olona niala tanteraka tamin’ny fomban-drazana nantsoina hoe Sôsiniana.a Nanda izy ireo fa na ahoana na ahoana, ny fahafatesan’i Jesosy dia tsy fomba “mendrika ny hitondra famonjena ho antsika”, niantso io finoana io ho “mamitaka sy diso, ary tena manimba (...), manohitra ny Soratra masina sy ny rariny”. (The Racovian Catechisme.) Koa satria Andriamanitra mamela heloka malalaka, dia tsy nisy fanomezana fahafahampo ny fahamarinana nilaina. Ny fahafatesan’i Kristy, hoy ny fitompoan-tenin’izy ireo, dia nanavotra amin’ny hoe nanosika ny olona hanahaka ny ohatra tanteraka navelany izany.
Notafihin’izany sy ny fiheverana hafa nifanohitra tamin’ny azy ny Eglizy katolika ka nandefa valim-panafihana tamin’ny famoriana ny Kaonsilin’i Trente (1545 ka hatramin’ny 1563 am.fan.ir.). Kanefa, raha nanambara mazava ny heviny mikasika fampianarana maro niadian-kevitra ilay kaonsily, dia niseho ho tsy hentitra sady tsy nilaza mazava izay tokony ho fihetsika ny amin’ny fanavotana. Niresaka ny amin’ny ‘asa mendrika nataon’i Jesosy Kristy’ ary nampiasa ny teny hoe “fahafahampo” izy io, saingy nanalavitra tamim-pitandremana ny teny hoe “avotra”. Noho izany, ny Eglizy dia tsy nampahafantatra ny fomba fijeriny ny amin’izay mety ho hevitra voafaritra tsara ao amin’ny Soratra masina. Mbola nivoha nidanadana ihany ny varavarana ho an’ny tombantombana.
Nahoana no tsy nahomby ireo filoham-pivavahana?
Hatramin’ny Kaonsilin’i Trente, ireo teôlôjiana — na katolika na protestanta — dia namelabelatra tsangan-kevitra momba ny fanavotana tsy tambo isaina. (Jereo ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-7). Tsy misy anefa fifanarahana ny amin’ny hevitry ny fahafatesan’i Jesosy tsinjo. Mifanaraka ireo teôlôjiana, eo amin’ny fanamavoany ny teny ao amin’ny Soratra masina hoe “avotra” ihany, ka aleony mody tsy mahafantatra izany, na manamaivana izany, na manazava izany tsy araka ny tena izy. Ny hevitry ny fahafatesan’i Kristy dia hazavaina amin’ny fitenenana ara-teknika tsy mazava, amin’ny fanolanana hevi-teny saro-bahana avy amin’ny lôjika mamitaka, amin’ny teny mipoapoaka toy ny hoe “fitaomana ara-pitondrantena” sy hoe “fampisehoana ara-batana ny fahafahampo”. Tsy nanorina finoana ny fahafatesan’i Kristy ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fa nanao ny hazo fijaliany ho vato mahatafintohina mampikorontana kosa.
Inona no antony fototra nahatonga io tsy fahombiazana tsy hita pesipesenina io? Nilaza i Boniface A. Willems, teôlôjiana katolika fa izany dia noho ireo teôlôjiana “nampianarina tao anatin’ny fitokanana nambenana fatratra” — nesorina lavitra loatra ny zavatra tena ilain’ny olona.b Tsy mirona hiray hevitra amin’izany fanombanana izany ve ianao? Lasa lavitra kokoa anefa ny Jeremia 8:9 amin’ny fanondroana ny tena fototry ny zava-manahirana: “Indro, ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?”
Ekena aloha fa ny fampianarana momba ny avotra dia mety hampipoitra fanontaniana sarotra sasany. (2 Petera 3:16). Kanefa, toy izay hikaroka valiny ao amin’ny Soratra masina, dia nampiasa fahendrena sy lôjikan’olombelona ireo teôlôjiana. (1 Korintiana 1:19, 20; 2:13). Sahy nanilika izay tapany rehetra ao amin’ny Baiboly tsy mifanaraka amin’ny haitraitrany na tsangan-keviny izy ireo. (2 Timoty 3:16). Nampandroso fampianarana tsy araka ny Soratra masina toy ny amin’ny Trinite izy ireo (Jaona 14:28). Ary ny fahadisoana lehibe indrindra vitany, dia ny nanaovany ny famonjena ny olombelona ho ambonin’ny zava-drehetra, ka ninia tsy nahafantatra ireo zava-dehibe kokoa mahatafiditra ny anarana sy ny Fanjakan’Andriamanitra izy. — Matio 6:9, 10.
Mpiaro ny avotra iray
Izao dia mba afindrao kely ho tonga hatreo amin’ny faran’ny taonjato faha-18 ny fandinihana ataonao. Nampisaraka ny tenany tamin’ny teôlôjia fahita ombieny ombieny ny lehilahy natahotra an’Andriamanitra iray nantsoina hoe Charles Taze Russell, ary nanomboka namoaka ity gazety eto an-tanantsika ity — Ny Tilikambo Fiambenana. “Hatramin’ny voalohany”, hoy i Russell nampahatsiaro, “dia mpiaro manokana ny Avotra izy ity”.
Manohy miasa toy izany Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’izao andro izao. Nandritra ny zato taona mahery izy ity dia nanolotra antony araka ny Soratra masina ara-dalàna hinoana ny avotra, ary nanome valiny araka ny Soratra masina azo ekena ho an’ny fihaikan’ireo mpanakiana. Manasa anao àry izahay izao mba handinika bebe kokoa izay lazain’ny Baiboly mikasika ny fahafatesan’i Jesosy sy ny hevitr’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo “Ny Sôsiniana — Nahoana izy ireo no mandà ny Trinite?” ao amin’ny gazety Réveillez-vous! tamin’ny 22 Novambra 1988.
b Mariho anefa ny tsangan-kevitr’i Willem manokana ao amin’ny faritra voafefy etsy ambony.
[Efajoro, pejy 7]
SANTIONANY AMIN’IREO TSANGAN-KEVITRA MOMBA NY FANAVOTANA
◻ TSANGAN-KEVITRY NY TALE NA FITONDRAM-PANJAKANA: Namelabelatra azy io i Hugo Grotius, teôlôjiana alemanina iray, tamin’ny taonjato faha-17 mba hanoherana ireo tsangan-kevitry ny Sôsiniana. Nihevitra ny fahafatesan’i Kristy “ho toy ny karazana fifanaovan-draharaha ara-dalàna”, i Grotius ka “Andriamanitra no mitana ny toeran’ny Tale na Governora, ary ny olombelona eo amin’ny toeran’ny olo-meloka”. — Firaketana momba ny Fivavahana sy ny fitsipi-pitondrantena (angl.) nataon’i Hastings.
◻ TSANGAN-KEVITRA MOMBA NY FANAVOTANA IANKINAN’NY AINA: Natolotr’i Clarence H. Hewitt, teôlôjiana protestanta izy io tamin’ny 1946. Nihevitra ny asan’i Kristy tsy ho toy fandoavana sazy ara-dalàna sasany izy, fa ho toy ny ‘fanafahana antsika amin’ny fanapahan’ny lalàn’ny ota sy ny fahafatesana, ary mitaona ho amin’ny fibebahana sy alahelo araka an’Andriamanitra, noho izany dia mahatonga antsika ho azo avela heloka eo anatrehan’Andriamanitra’.
◻ FANAVOTANA AVY AMIN’NY FIRAISANA KRISTIANA: I Boniface A. Willems, teôlôjiana katolika romana (1970), dia nampitovy ny “fanavotana” tamin’ny “fialana amin’ny fitiavan-tenantsika sy ny famborahana ny ao am-pontsika eo amintsika samy isika”. Hoy ny teny nanampiny: “Ny fiheverana kristiana momba ny fijaliana eo amin’ny toeran’ny hafa na ho solon’ny hafa dia ny hoe mahafantatra ny tsirairay fa tafakambana ho iray amin’ny taranak’olombelona simban’ny ota ny tenany (...) Ny Eglizy amin’izay dia ho firaisan’ireo izay vonona ny hiaina ao amin’ny fanompoana manokana iray ho fanasoavana ny hafa.”
◻ TSANGAN-KEVITRA MOMBA NY FANILIHANA NY HELOKA: Nanolotra izany tamin’ny 1978 i Raymund Schwager, teôlôjiana katolika. Nanda ny hevitra hoe Andriamanitra dia “hitaky maso solon’ny maso” izy. Mihevitra ny soron’i Kristy ho karazana “catharsis” (fanadiovana) izy, ka izany dia mamela ny fitambaran’olona hamoaka ny fironany mahery setra raiki-tapisaka — ary hatreo dia ho afaka amin’izany.
◻ FANAVOTANA ARA-POLITIKA SY ARA-TSÔSIALY: Nanoratra toy izao i Thorwald Lorenzen, teôlôjiana batista, tamin’ny 1985: “Andriamanitra dia tsy mitady fotsiny famelan-keloka ara-pivavahana ho an’ny mpanota, fa fanafahana ara-politika koa ho an’ny mahantra sy ny ampahorina. (...) Ny fahafatesan’i Jesosy àry dia mampahafantatra Andriamanitra iray izay miahy ny hanasitrana ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’olombelona”.
[Sary, pejy 5]
Namelabelatra tsangan-kevitra maro mikasika ny fanavotana sy ny avotra ireo teôlôjiana katolika sy protestanta; inona anefa no ampianarin’ny Baiboly?