-
Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
-
-
Tsy nieritreritra i Paoly hoe lainga fotsiny ny zavatra ninoan’ny Kristianina. Fantany fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy satria hoy izy: “Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina, ary nalevina izy dia natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina, ary niseho tamin’i Kefasy izy, ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.b Taorian’izany, dia rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany, ka mbola velona ankehitriny ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry. Taorian’izany, dia niseho tamin’i Jakoba izy, avy eo tamin’ny apostoly rehetra, ary farany indrindra, dia niseho tamiko koa izy.”—1 Korintianina 15:3-8.
-
-
Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
-
-
b Na dia 11 aza sisa ny apostoly, taorian’ny nahafatesan’i Jodasy Iskariota, dia mbola nantsoina foana hoe “izy roa ambin’ny folo lahy” izy ireo. Indray mandeha koa aza tsy teo i Tomasy, ka mety ho ny 10 tamin’izy ireo ihany no nisolo tena ny apostoly 12.—Jaona 20:24.
-