FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Novambra
    • 2. Mety ho firy no nanatrika teo rehefa nanome an’ilay baiko ao amin’ny Matio 28:19, 20 i Jesosy?

      2 Niseho tamin’ny olona 500 mahery i Jesosy, taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Kor. 15:6) Tamin’izay angamba izy no nanome an’ilay baiko hoe tokony hotorina amin’ny “olona any amin’ny firenena rehetra” ilay Fanjakana.a Asa sarotra ilay izy tamin’izany. Nilaza i Jesosy fa hitohy mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” io asa io, ary izany tokoa no mitranga. Azo antoka fa mandray anjara amin’io asa io ianao ka manatanteraka an’ilay tenin’i Jesosy.—Mat. 28:19, 20.

  • Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Novambra
    • a Azo inoana fa lasa Kristianina ny ankamaroan’ireo olona 500 ireo tatỳ aoriana. Nantsoin’i Paoly hoe “rahalahy” mantsy izy ireo ao amin’ilay andininy. Hoy ihany izy: “Mbola velona ankehitriny ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry.” Mety ho mbola nifanerasera tamin-dry Paoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany koa àry ny maro tamin’izy ireo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara