Miaina ho An’ny Ankehitriny sa ho An’ny Hoavy Mandrakizay?
“Ny fanantenana no namonjena antsika”. — ROMANA 8:24.
1. Inona no nampianarin’ireo Epikoreana, ary nanao ahoana ny fiantraikan’izany karazana filôzôfia izany teo amin’ny Kristiana sasany?
NANORATRA toy izao ho an’ireo Kristiana nipetraka tany Korinto ny apostoly Paoly: “Ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty?” (1 Korintiana 15:12). Toa nisy tafatsofoka teo anivon’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ny filôzôfia feno poizina avy tamin’ilay olon-kendry grika atao hoe Épicure. Noho izany, i Paoly dia nanintona ny saina ho amin’ilay fampianarana epikoreana hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. (1 Korintiana 15:32). Nanamavo izay mety ho fanantenana fiainana any aorian’ny fahafatesana ireo mpanara-dia an’ilay filôzôfa, ka nino hoe ny fahafinaretan’ny nofo no zava-tsoa lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. (Asan’ny Apostoly 17:18, 32). Ny filôzôfia epikoreana dia tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny tenany, tsy natoky olona, ary tamin’ny farany dia nampikororosy.
2. a) Nahoana no nampidi-doza tokoa ny fandavana ny fitsanganan’ny maty? b) Ahoana no nanatanjahan’i Paoly ny finoan’ireo Kristiana tany Korinto?
2 Nisy zava-dalina nifandray akaiky tamin’io fandavana ny fitsanganan’ny maty io. Nanjohy hevitra toy izao i Paoly: “Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. (...) Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.” (1 Korintiana 15:13-19). Eny, raha tsy misy ilay fanantenana hoavy mandrakizay, dia “foana” ny Kristianisma. Tsy hanan-java-kendrena izy io. Tsy mahagaga àry raha nanjary toerana mora nitomboan’ny zava-nanahirana ny kongregasiona tany Korinto. (1 Korintiana 1:11; 5:1; 6:1; 11:20-22). Noho izany, i Paoly dia nikendry ny hanatanjaka ny finoan’izy ireo ny fitsanganan’ny maty. Tamin’ny fampiasana lôjika mahery sy teny nalaina avy tao amin’ny Soratra Masina ary fanoharana, dia noporofoiny tsy nisy isalasalana fa tsy noforomporonina akory ny fanantenana fitsanganan’ny maty fa zava-misy azo antoka ho tanteraka. Niorina tamin’izany no nahafahany nampirisika mafy ireo mpiray finoana taminy, nanao hoe: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — 1 Korintiana 15:20-58.
“Miambena”
3, 4. a) Araka ny voalazan’i Petera, fihetsika mampidi-doza inona no haharevo ny sasany amin’ny andro farany? b) Mila mampahatsiahy tena hatrany ny amin’inona isika?
3 Amin’izao andro izao dia maro no manana toe-tsaina mijery lafy ratsin-javatra ka miaina ho an’ny ankehitriny ihany. (Efesiana 2:2). Izany dia araka ilay nambaran’ny apostoly Petera mialoha. Noresahiny ny amin’ireo “mpaniratsira avy haniratsira (...) ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza”. (2 Petera 3:3, 4). Raha latsaka ao anatin’ny fiheverana toy izany ireo mpivavaka marina, dia mety hanjary “ho malaina na tsy hahavokatra” izy ireo. (2 Petera 1:8). Soa ihany fa tsy izany no izy raha ny amin’ny ankamaroan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao.
4 Tsy ratsy akory ny hoe liana momba ny hahatongavan’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ. Tsarovy ilay fahalianana nasehon’ireo apostolin’i Jesosy nanao hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Namaly toy izao i Jesosy: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” (Asan’ny Apostoly 1:6, 7). Ireo teny ireo dia mitondra ilay hafatra fototra izay efa nambarany teny amin’ny Tendrombohitra Oliva, nanao hoe: “Tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. (...) Amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:42, 44). Mila mampahatsiahy tena hatrany ny amin’io torohevitra io isika! Mety halaim-panahy ny sasany hanana ilay fihetsika hoe: ‘Angamba aho tokony hampiadam-pamindra kely fotsiny, ka tsy hanahy be loatra.’ Ho fahadisoana toy inona moa izany! Hevero i Jakoba sy i Jaona, ireo “Zana-baratra”. — Marka 3:17.
5, 6. Lesona inona avy no azontsika tsoahina avy amin’ny ohatr’i Jakoba sy i Jaona?
5 Fantatsika fa i Jakoba dia apostoly faran’izay be zotom-po. (Lioka 9:51-55). Raha vao niorina ny kongregasiona kristiana, dia tsy maintsy nandray anjara tamim-pahavitrihana tao izy. Kanefa raha mbola somary tanora ihany i Jakoba, dia nampamono azy i Heroda Agripa I. (Asan’ny Apostoly 12:1-3). Mihevitra ve isika fa, rehefa nahita ny fiainany nifarana tamin’ny fomba tsy nampoizina i Jakoba dia nalahelo noho izy be zotom-po aoka izany, sy nikely aina teo amin’ny fanompoany? Tsy izany velively! Azo antoka fa faly izy nandany ireo taona tsara indrindra tamin’ny fiainany izay somary fohy ihany, teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ankehitriny, dia tsy misy amintsika afaka mahafantatra raha mety hifarana amin’ny fomba tsy ampoizina ny fiainantsika na tsia. (Mpitoriteny 9:11; ampitahao amin’ny Lioka 12:20, 21.) Koa mazava fa fahendrena ny hitanana ho ambony ny zotom-pontsika sy ny asantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Amin’izany fomba izany no hitanantsika ilay laza tsara ananantsika eo anatrehany sy hanohizantsika hiaina amin’ny fahatsinjovana ny hoavintsika mandrakizay. — Mpitoriteny 7:1.
6 Misy ohatra velona iray mifandray amin’izany, nahatafiditra ny apostoly Jaona, izay teo fony i Jesosy nampirisika mafy hoe: “Miambena hianareo”. (Matio 25:13; Marka 13:37; Lioka 21:34-36). Nandray izany tam-po i Jaona ka nanompo tamin-kafanam-po nandritra ny am-polony taona maro. Raha ny marina, dia toa izy no sisa niangana tamin’ireo apostoly hafa rehetra. Rehefa nandroso taona be i Jaona, ka afaka nanao jery todika ireo am-polony taona maro niasana tamim-pahatokiana, moa ve izy nihevitra izany ho fahadisoana, ho fiainana diso lalana na tsy voalanjalanja? Tsia dia tsia tokoa! Mbola nijery ny hoavy tamim-pahadodonana izy. Rehefa niteny toy izao i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: “Eny, avy faingana Aho”, dia namaly avy hatrany i Jaona hoe: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” (Apokalypsy 22:20). Azo antoka fa i Jaona dia tsy niaina ho an’ny ankehitriny, ka hoe naniry mafy ny hanana ‘fiainana ara-dalàna’ nandeha moramora sy nilamina. Tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hanompo tamin’ny fiainany sy ny heriny rehetra izy, na oviana na oviana mety hahatongavan’ny Tompo. Ahoana ny amintsika?
Fototra iorenan’ny finoana ny fiainana mandrakizay
7. a) Ahoana no efa ‘nampanantenana hatry ny fony fahagola’ ilay fanantenana fiainana mandrakizay? b) Ahoana no nanomezan’i Jesosy fanazavana ny amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay?
7 Aoka ianao hahazo antoka fa tsy nofinofy nataon’olombelona na noforomporonin’ny sainy akory ilay fanantenana fiainana mandrakizay. Araka ny lazain’ny Titosy 1:2, ny fifikirantsika amin’Andriamanitra dia miorina amin’ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola”. Fikasan’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe hiaina mandrakizay ny olombelona rehetra mankatò. (Genesisy 1:28). Tsy misy na inona na inona afaka manakana io fikasana io, na dia ny fikomian’i Adama sy i Eva aza. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, avy hatrany Andriamanitra dia nampanantena ‘taranaka’ iray izay hanafoana ny fahavoazana rehetra nahazo ny olombelona. Rehefa tonga ilay ‘taranaka’, na Mesia, izany hoe i Jesosy, dia nataony ho iray amin’ireo fampianarany fototra ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16; 6:47, 51; 10:28; 17:3). Tamin’ny famoizany ny ainy lavorary ho avotra, i Kristy dia nahazo zo ara-dalàna hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. (Matio 20:28). Ny sasany amin’ireo mpianany, 144 000 amin’ny fitambarany, dia hiaina mandrakizay any an-danitra. (Apokalypsy 14:1-4). Araka izany, ny olombelona sasany izay mety maty taloha, dia “hitafy ny tsi-fahafatesana”! — 1 Korintiana 15:53.
8. a) Inona no atao hoe “tsi-fahafatesana” ary nahoana i Jehovah no nanome izany an’ireo 144 000? b) Fanantenana inona no natolotr’i Jesosy an’ireo “ondry hafa”?
8 Ny “tsi-fahafatesana” (tsy fetezan-ko faty) dia tsy midika fotsiny hoe tsy maty mihitsy. Tafiditra amin’izany ny “herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana [“tsy mety ringana”, NW ]”. (Hebreo 7:16; ampitahao amin’ny Apokalypsy 20:6.) Inona anefa no tontosain’Andriamanitra amin’ny fanolorana izany fanomezana miavaka izany? Tsarovy ilay fihaikan’i Satana hoe tsy misy azo itokiana ireo zavaboarin’Andriamanitra. (Joba 1:9-11; 2:4, 5). Amin’ny fanomezana tsy fetezan-ko faty an’ireo 144 000, no anehoan’Andriamanitra ny fitokiany tanteraka amin’io antokon’olona io, izay namaly tamin’ny fomba niavaka aoka izany ny fihaikan’i Satana. Ahoana anefa ny amin’ny sisa amin’ny olombelona? Nilaza tamin’ireo voalohany anisan’ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana i Jesosy, fa izy ireo dia “hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. (Lioka 12:32; 22:30). Milaza tsy mivantana izany fa hisy olon-kafa hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany, ho olom-pehezin’io Fanjakany io. Na dia tsy homena tsy fetezan-ko faty aza ireo “ondry hafa” ireo, dia tena hahazo “fiainana mandrakizay” kosa izy ireo. (Jaona 10:16; Matio 25:46). Ny fiainana mandrakizay àry no fanantenana ho an’ny Kristiana rehetra. Tsy noforomporonin’ny saina izy io fa fampanantenana hentitra nataon’“Andriamanitra tsy mahay mandainga”, sady efa naloa tamin’ny ra sarobidin’i Jesosy ny vidiny. — Titosy 1:2.
Amin’ny hoavy lavitra be ve?
9, 10. Inona avy ireo zavatra manondro mazava tsara fa akaikin’ny farany isika?
9 Nanambara mialoha ny apostoly Paoly fa ny “fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina” dia hilaza fa tsy azo lavina ny fahatongavantsika amin’ny “andro farany”. Rotidrotika ny fitambaran’olona manodidina antsika ka zary toe-piainana anjakan’ny tsy fisiam-pitiavana, ny fierenana, ny fanaranam-po sy ny tsy firaharahana an’Andriamanitra. Tsy takatsika avy amin’izany ve fa manatona haingana ny andro hanatanterahan’i Jehovah ny didim-pitsarany eo amin’itỳ fandehan-javatra eo amin’ny tontolo ratsy itỳ? Arakaraka ny itomboan’ny herisetra sy ny fankahalana, moa ve tsy hitantsika manodidina antsika ny fahatanterahan’ny tenin’ny Paoly fanampin’izany manao hoe: “Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia handroso hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka”? (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Mety hisy tsy hijery afa-tsy lafy tsaran-javatra ka hiantsoantso hoe “Miadana sy mandry fahizay”, kanefa dia hanjavona ireo fanantenana fiadanana rehetra satria “hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy”. Tsy navela ho ao anatin’ny maizina isika raha ny amin’ny hevitry ny fotoana misy antsika. Koa “aoka [isika] hiambina ka hahonon-tena”. — 1 Tesaloniana 5:1-6.
10 Fanampin’izany, dia asehon’ny Baiboly fa fe-potoana “kely sisa” ny andro farany. (Apokalypsy 12:12; ampitahao amin’ny 17:10.) Toa efa lany ny ankamaroan’io fe-potoana “kely” io. Ny faminanian’i Daniela, ohatra, dia milazalaza araka ny marina ny fifandrafiana eo amin’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo” izay maharitra hatramin’izao taonjato izao. (Daniela 11:5, 6). Ny hany sisa tavela ka tokony ho tanteraka dia ilay fanafihana farany hataon’ny “mpanjakan’ny avaratra” voalazalaza ao amin’ny Daniela 11:44, 45. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1987 sy ny 1 Novambra 1993, mba hahitana ny fandinihana an’io faminaniana io.
11. a) Aiza ho aiza ny fahatanterahan’ny Matio 24:14? b) Milaza inona ny tenin’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 10:23?
11 Eo koa ilay filazan’i Jesosy mialoha fa “hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany”. (Matio 24:14, NW ). Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manatontosa ny asany any amin’ny tany sy vondro-nosy ary faritany 233. Marina fa mbola misy faritany tsy voakasika, ary angamba amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah dia hisy toe-javatra ho azo hararaotina hitoriana any. (1 Korintiana 16:9). Na dia izany aza, dia mampieritreritra ireo tenin’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 10:23, manao hoe: “Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Isiraely hianareo tsy akory mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.” Na dia azo antoka aza fa ho voambara maneran-tany ny vaovao tsara, dia tsy ho vitan’ny tenantsika ny hanatratra ny faritra rehetra amin’ny tany amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana alohan’ny ‘hahatongavan’i Jesosy’, amin’ny maha-Mpampihatra didim-pitsarana azy.
12. a) Inona ilay ‘fanisiana tombo-kase’ resahina ao amin’ny Apokalypsy 7:3? b) Midika ho inona ny fihenan’ny isan’ireo voahosotra eto an-tany?
12 Diniho ilay andinin-teny ao amin’ny Apokalypsy 7:1, 3 izay milaza fa nohazonina ny ‘rivotra efatry’ ny fandringanana “mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika”. Izy io akory tsy manondro ilay fanisiana tombo-kase voalohany izay nitranga fony nahazo ny fiantsoana ho any an-danitra ny 144 000. (Efesiana 1:13). Izy io dia manondro ilay fanisiana tombo-kase farany, rehefa ho fantatra amin’ny fomba tsy azo ovana fa “mpanompon’Andriamanitsika” voazaha toetra sy mahatoky izy ireo. Nihena be ny isan’ireo tena zanak’Andriamanitra voahosotra mbola velona eto an-tany. Ankoatra izany, dia milaza mazava ny Baiboly fa “noho ny olom-boafidy” no ‘hanafohezana’ ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe. (Matio 24:21, 22). Efa zokiolona tokoa ny ankamaroan’ireo izay milaza ho voahosotra. Moa ve izany tsy manondro indray fa antomotra dia antomotra ny farany?
Mpitily mahatoky
13, 14. Inona no andraikitry ny kilasin’ny mpitily?
13 Mandra-pahatongan’izany, dia tsara raha arahintsika ny fitarihana omen’ny “mpanompo mahatoky”. (Matio 24:45, NW ). Nandritra ny zato taona mahery izao no niasan’ilay “mpanompo” amin’ny andro maoderina ho toy ny “mpitily”. (Ezekiela 3:17-21). Nanazava toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1984: “Mandinika ny fihodinan’ny zava-miseho [io mpitily io] amin’ny fahazavan’ireo faminanian’ny Baiboly, manome fanairana izy amin’ny fanambarana ny fipoahana tsy ho elan’ny ‘fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao’, ary mitondra ny vaovao tsaran’ny ‘zavatra tsara kokoa’.” — Matio 24:21; Isaia 52:7, NW.
14 Tadidio izao: Ny asan’ny mpitily dia ny miantsoantso milaza “izay hitany”. (Isaia 21:6-8). Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny mpitily dia nampaneno fanairana na dia mbola lavitra loatra aza ny loza mety hananontanona ka tsy fantatra mazava tsara. (2 Mpanjaka 9:17, 18). Azo antoka fa nisy ny fanairana diso tamin’izany. Tsy nampiahotra ny mpitily tsara iray anefa ny tahotra ny hoe hitsanga-menatra. Raha may ny tranonao, ahoana no ho tsapanao raha tsy nipoitra ny mpamonjy hain-trano noho ny fiheverany fa nety ho fanairana diso ilay izy? Tsia, antenaintsika hamaly haingana an’izay mety ho famantarana loza ny olona toy izany! Amin’ny fomba mitovy amin’izany no nitenenan’ilay kilasin’ny mpitily tamin-kasahiana rehefa toa nanome antony ampy mba hanaovana izany ny toe-javatra.
15, 16. a) Nahoana no asiana fanitsiana ny fahatakarantsika ny hevitr’ireo faminaniana? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo mpanompo nahatokin’Andriamanitra izay diso fahatakarana ny hevitry ny faminaniana sasany?
15 Arakaraka ny isehoan’ny zava-mitranga anefa, dia mihamanjary mazava kokoa ny fahatakarantsika ny hevitry ny faminaniana. Asehon’ny tantara fa mahalana, na tsy misy mihitsy aza faminaniana avy amin’Andriamanitra ka hoe azo amin’ny fomba feno ny heviny, alohan’ny hahatanterahany. Andriamanitra dia nilaza marina tsara tamin’i Abrama ny halavam-potoana hahatonga ny taranany ho “vahiny any amin’ny tany izay tsy azy”, izany hoe, 400 taona. (Genesisy 15:13). I Mosesy anefa dia nanolo-tena taloha loatra ho mpanafaka. — Asan’ny Apostoly 7:23-30.
16 Hevero koa ireo faminaniana momba ny Mesia. Rehefa atao jery todika, dia toa mazava tanteraka fa efa voambara mialoha ny hahafatesana sy ny hitsanganan’ny Mesia amin’ny maty. (Isaia 53:8-10). Na dia izany aza, dia tsy nahatakatra izany zava-nisy izany ireo mpianatr’i Jesosy. (Matio 16:21-23). Tsy takatr’izy ireo fa ho tanteraka mandritra ny pa·rou·siʹa, na ‘fanatrehan’i’ Kristy amin’ny hoavy ny Daniela 7:13, 14. (Matio 24:3, NW ). Koa diso kajy efa ho 2 000 taona izy ireo, fony izy nanontany an’i Jesosy hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” (Asan’ny Apostoly 1:6). Na dia taorian’ny nahatafaorina tsara ny kongregasiona kristiana aza, dia nipoitra hatrany ny hevi-diso sy ny fanantenana tsy marina. (2 Tesaloniana 2:1, 2). Na dia nisy aza indraindray nanana fiheverana diso, dia tsy azo lavina fa nitahy ny asan’ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany ireo, i Jehovah!
17. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo fanitsiana eo amin’ny fahatakarantsika ny hevitry ny Soratra Masina?
17 Amin’izao andro izao, ny kilasin’ny mpitily dia voatery toy izany koa manao izay hampahazava kokoa ny fiheviny indraindray. Misy ve anefa afaka misalasala ny amin’ny fitahian’i Jehovah ny “mpanompo mahatoky”? Ankoatra izany, raha jerena amin’ny fanazavana mifandray aminy ny ankamaroan’ireo fanitsiana natao, moa ve izy ireny tsy somary kely ihany? Tsy niova ny fahazoan-kevitra fototra ananantsika momba ny Baiboly. Ny fiekentsika mafy fa miaina amin’ny andro farany isika dia vao mainka mafy kokoa tsy misy toy izany!
Miaina ho an’ny hoavy mandrakizay
18. Nahoana no tsy maintsy halavirintsika ny hoe tsy miaina afa-tsy ho an’ny ankehitriny?
18 Mety hilaza izao tontolo izao hoe: ‘Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty’. Kanefa tsy tokony ho toy izany ny fihetsitsika. Nahoana no hisasa-poana amin’izay fahafinaretana mety ho azonao avy amin’ny fiainana ankehitriny raha toa ianao ka afaka miasa ho an’ny hoavy mandrakizay? Tsy nofinofy na noforomporonin’ny saina akory izany fanantenana izany, na ho fiainana tsy mety maty any an-danitra io, na ho fiainana mandrakizay eto an-tany. Zavatra tena hisy nampanantenain’ilay Andriamanitra izay “tsy mahay mandainga” izany. (Titosy 1:2). Sesehena ny porofo fa antomotra dia antomotra ny fahatanterahan’ny fanantenantsika! “Efa fohy ny andro” sisa tavela. — 1 Korintiana 7:29.
19, 20. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo sorona nataontsika noho ilay Fanjakana? b) Nahoana isika no tsy maintsy miaina amin’ny fitsinjovana ny mandrakizay?
19 Marina fa efa naharitra ela kokoa tsy araka ny niheveran’ny maro azy, itỳ fandehan-javatra itỳ. Mety hisy vitsivitsy izao hieritreritra hoe raha fantany izany taloha, dia mety ho tsy nanao sorona sasany izy ireo. Kanefa tsy tokony hanenina noho ny nanaovana izany ny olona iray. Raha jerena tokoa, dia tapany fototra amin’ny maha-Kristiana antsika ny fanaovana sorona. ‘Mandà ny tenany’ ny Kristiana. (Matio 16:24). Tsy tokony hihevitra mihitsy isika fa very maina ny ezaka nataontsika mba hampifaliana an’Andriamanitra. Nampanantena toy izao i Jesosy: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao (...) ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” (Marka 10:29, 30). Rehefa afaka arivo taona, hanao ahoana ny toa hasarobidin’ny asanao, ny tranonao na ny tahirim-bolanao any amin’ny banky? Kanefa ireo sorona nataonao ho an’i Jehovah dia mbola hisy vidiny rehefa afaka iray tapitrisa taona — rehefa afaka arivo tapitrisa taona! “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo”. — Hebreo 6:10.
20 Aoka àry isika hiaina amin’ny fitsinjovana ny mandrakizay, amin’ny fampifantohana ny masontsika, tsy amin’ny “ny hita (...), fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay”. (2 Korintiana 4:18). Nanoratra toy izao ny mpaminany Habakoka: “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy[. Tsy ho diso aoriana izy, NW ].” (Habakoka 2:3). Amin’ny ahoana ny ‘fiandrasana’ ny farany no misy fiantraikany eo amin’ny fomba anatontosantsika ny andraikitsika manokana sy ara-pianakaviana? Hiresaka ny amin’ireo raharaha ireo ny lahatsoratra manaraka.
Hevitra ho Famerenana
◻ Ahoana no fiantraikan’ilay toa fitaredretran’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ teo amin’ny sasany amin’izao andro izao?
◻ Mifototra amin’inona ny fanantenantsika fiainana mandrakizay?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ireo sorona nataontsika ho tombontsoan’ilay Fanjakana?
[Sary, pejy 15]
Tsy maintsy vita alohan’ny hahatongavan’ny farany ny asa fitoriana maneran-tany