FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
    • Nisalasala ny Kristianina sasany tany Korinto raha hisy tokoa ny fitsanganana amin’ny maty. Nisy aza tsy nino an’izany mihitsy. Nohazavain’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristianina tany Korinto hoe ahoana tokoa moa raha tsy hatsangana ny maty. Hoy izy: ‘Raha tsy hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty, na i Kristy aza tsy natsangana. Fa raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina ny finoantsika. Ary ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra isika. Raha tsy natsangana i Kristy, dia zava-poana ny finoanareo, ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo. Ary very koa izay nodimandry tao amin’i Kristy.’—1 Korintianina 15:13-18.

      ‘Rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany. Taorian’izany, dia niseho tamin’i Jakoba izy, avy eo tamin’ny apostoly rehetra, ary farany indrindra, dia niseho tamiko koa izy.’—1 Korintianina 15:6-8

  • Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
    • Raha tsy natsangana koa i Jesosy, dia mino lainga fotsiny ny Kristianina. Tsy vitan’izay fa hoatran’ny hoe nandainga be i Paoly sy ny namany rehefa nitory hoe natsangana i Jesosy, ka toy ny hoe namoron-dainga momba an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nanangana azy, koa izy ireo. Tsy ho marina koa ilay hoe “maty noho ny fahotantsika i Kristy.” (1 Korintianina 15:3) Raha ilay Mpamonjy aza mantsy tsy afa-bela tao amin’ny fahafatesana, ahoana moa no hamonjeny ny hafa? Toy ny hoe matimaty foana koa ny Kristianina novonoina noho ny fivavahany, satria nanantena hoe hatsangana nefa tsy hatsangana akory.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara