Toko 41
Mahafaly ny Fiafaran’ny Andro Fitsarana!
Fahitana 15—Apokalypsy 20:11–21:8
Foto-kevitra: Ny fitsanganana amin’ny maty, ny Andro Fitsarana, ary ny fitahiana hoentin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao
Fotoana fahatanterahany: Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona
1. a) Inona no nafoin’ny olombelona rehefa nanota i Adama sy Eva? b) Inona no fikasana tsy miovan’Andriamanitra, ary ahoana no ahalalantsika izany?
NOFORONINA hiaina mandrakizay isika. Tsy maty mihitsy i Adama sy Eva raha nankatò an’Andriamanitra. (Genesisy 1:28; 2:8, 16, 17; Mpitoriteny 3:10, 11) Nanota anefa izy ireo ka tsy lavorary intsony, sady tsy afaka niaina mandrakizay izy sy ny taranany, izay nanjary nanjakazakan’ny fahafatesana, toy ny fahavalo tsy hay resena. (Romanina 5:12, 14; 1 Korintianina 15:26) Tsy niova anefa ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hisian’ny olona lavorary honina mandrakizay eto an-tany paradisa. Tiany be ny olona, ka nirahiny ho etỳ an-tany i Jesosy, Zanany lahitokana, mba hanome ny ainy lavorary ho vidim-panavotana ho an’ny “maro”, izany hoe ho an’ny taranak’i Adama. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Azon’i Jesosy ampiharina ny vidin’ny sorona nataony, mba ho afaka hiaina mandrakizay, eo amin’ny paradisa eto an-tany, sy ho lavorary indray, ny olona mino an’ilay sorona. (1 Petera 3:18; 1 Jaona 2:2) Antony lehibe ‘ifaliana sy iravoravoana’ izany!—Isaia 25:8, 9.
2. Inona no lazain’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 20:11, ary inona ilay “seza fiandrianana fotsy lehibe”?
2 Manomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy, rehefa migadra ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana. Izay no ‘andro kasain’Andriamanitra hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny.’ (Asan’ny Apostoly 17:31; 2 Petera 3:8) Hoy i Jaona: “Ary nahita seza fiandrianana fotsy lehibe sy ilay nipetraka teo amboniny aho. Nandositra tsy ho eo anatrehany ny tany sy ny lanitra, ary tsy nisy toerana ho azy ireo.” (Apokalypsy 20:11) Inona io “seza fiandrianana fotsy lehibe” io? Tsy inona io fa ny seza fitsaran’ilay “Mpitsara ny olona rehetra.” (Hebreo 12:23) Hitsara izy hahitana izay olona handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Marka 10:45.
3. a) Inona no dikan’ny hoe “lehibe” sy “fotsy” ny seza fiandrianan’Andriamanitra? b) Iza no hitsara amin’ny Andro Fitsarana, ary hiorina amin’ny inona ilay fitsarana?
3 Lazaina hoe “lehibe” ny seza fiandrianan’Andriamanitra, mba hanasongadinana fa ambony i Jehovah Tompo Fara Tampony. “Fotsy” koa ilay izy, satria tsy misy tomika ny fahamarinany. Izy no Mpitsara ambony indrindra. (Salamo 19:7-11; Isaia 33:22; 51:5, 8) Nankininy tamin’i Jesosy Kristy anefa ny fitsarana. “Tsy mitsara na iza na iza ny Ray, fa nankininy tamin’ny Zanaka ny fitsarana rehetra.” (Jaona 5:22) “Nomena fahefana hitsara ... arivo taona” miaraka amin’i Jesosy, ny 144 000. (Apokalypsy 20:4) Hiorina amin’ny fitsipik’i Jehovah anefa ny fitsarana ny olona tsirairay mandritra ny Andro Fitsarana.
4. Inona no dikan’ny hoe ‘nandositra ny tany sy ny lanitra’?
4 Inona no dikan’ny hoe ‘nandositra ny tany sy ny lanitra’? Io ihany ilay lanitra niala tahaka ny horonam-boky rehefa novahana ny tombo-kase fahenina. Tsy inona izy io fa ny fitondram-panjakan’olombelona izay “tahirizina ho amin’ny afo ... ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (Apokalypsy 6:14; 2 Petera 3:7) Ny tany kosa dia ny rafitra tantanan’io fitondrana io. (Apokalypsy 8:7) Toy ny hoe mandositra io tany sy lanitra io rehefa haringana ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, ary izay mandray ny marik’ilay bibidia sy mivavaka amin’ny sariny. (Apokalypsy 19:19-21) Handidy ny hisian’ny Andro Fitsarana hafa ilay Mpitsara Lehibe, rehefa avy nampiharina tamin’ny tany sy lanitr’i Satana ny didim-pitsarana.
Andro Fitsarana haharitra arivo taona
5. Iza sisa no ho tavela mba hotsaraina, rehefa nandositra ny tany taloha sy ny lanitra taloha?
5 Iza sisa no ho tavela mba hotsaraina, rehefa nandositra ny tany taloha sy ny lanitra taloha? Tsy ny sisa amin’ny 144 000, satria efa voatsara sy nasiana tombo-kase izy ireo. Ary raha misy aminy mbola velona eto an-tany aorian’ny Hara-magedona, dia tsy maintsy ho faty aoriana kelin’izay, ka hatsangana mba handray ny valisoany any an-danitra. (1 Petera 4:17; Apokalypsy 7:2-4) Mijoro “eo anoloan’ny seza fiandrianana” kosa ny vahoaka be an-tapitrisany, izay tafavoaka velona tamin’ny fahoriana lehibe. Nino ny ra nalatsak’i Jesosy izy ireo, ary noraisina ho fahamarinany izany, ka tafavoaka velona izy ireo. Mitohy mandritra ny arivo taona hitarihan’i Jesosy azy ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” anefa ny fitsarana azy. Hambara hoe marina tanteraka izy ireo, rehefa lavorary sy avy notsapaina. (Apokalypsy 7:9, 10, 14, 17) Mila ny hotsaraina mandritra ny arivo taona koa ny ankizy tafavoaka tamin’ny fahoriana lehibe sy ny zanaka ateraky ny vahoaka be mandritra ny Arivo Taona.—Ampitahao amin’ny Genesisy 1:28; 9:7; 1 Korintianina 7:14.
6. a) Iza ilay vahoaka hitan’i Jaona, ary inona no dikan’ny hoe “ny lehibe na ny madinika”? b) Ahoana no hananganana an’ireo olona tsy tambo isaina ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra?
6 Betsaka kokoa noho ilay vahoaka be tafavoaka velona anefa no hitan’i Jaona. Hisy an’arivony tapitrisa izany! “Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny madinika, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina.” (Apokalypsy 20:12a) Ny “lehibe na ny madinika” resahina eto, dia ny olona nalaza sy ny tsy nalaza firy izay velona teto amin’ity tany ity ary maty, nandritra ireo 6 000 taona lasa. Hoy i Jesosy momba ny Ray, ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona nosoratana taloha kelin’ny Apokalypsy: “Nomeny fahefana hitsara izy [i Jesosy], satria Zanak’olona. Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy.” (Jaona 5:27-29) Tena fikasana mahagaga izany hoe hanafoana ny fahafatesana sy ny fasana nisy hatrizay izany! Tsy isalasalana fa hatsangana tsikelikely ireo olona tsy tambo isaina ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Amin’izay dia ho afaka hamaha ny olana mety hitranga ny vahoaka be izay vitsy kokoa. Mety mbola hanaraka ny fomba fiainany taloha mantsy ireo hatsangana amin’ny maty, amin’ny voalohany, izany hoe hanana fahalemena sy hotarihin’ny nofo.
Iza no hatsangana sy hotsaraina?
7, 8. a) Horonam-boky inona no nosokafana, ary inona no nitranga taorian’izay? b) Iza no tsy hatsangana intsony?
7 Hoy ihany i Jaona: “Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.” (Apokalypsy 20:12b, 13) Mampientanentana izany! Samy manao ny anjarany na ny ranomasina na ny fahafatesana na ny fasana, na dia mety hifampiditra ihany aza.a Nolazain’i Jona, ohatra, fa tao amin’ny fasana, na Sheola, izy rehefa tao an-kibon’ny trondro, izany hoe teny afovoan-dranomasina. (Jona 2:3, fanamarihana ambany pejy) Azo inoana fa ao amin’ny fasana misy ny maty rehetra koa ny olona maty vokatry ny fahotan’i Adama. Manome toky tanteraka ilay faminaniana fa tsy hisy ho hadino izy ireo, na iray aza.
8 Mazava ho azy fa hisy olona tsy tambo isaina tsy hatsangana amin’ny maty. Anisan’ireny ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nanda an’i Jesosy sy ny apostoly, sady tsy nibebaka. Anisan’izy ireo koa “ilay lehilahy mpandika lalàna” na ny mpitondra fivavahana, ary ny Kristianina voahosotra izay “nihemotra.” (2 Tesalonianina 2:3; Hebreo 6:4-6; Matio 23:29-33) Nilaza koa i Jesosy fa hisy olona toy ny osy, amin’ny faran’ity tontolo ity, ho any amin’ny “afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny”, izany hoe “fandringanana mandrakizay.” (Matio 25:41, 46) Tsy hatsangana ireny!
9. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly, mba hampisehoana fa hisy handray soa manokana rehefa hatsangana, ary iza avy izy ireo?
9 Hisy kosa handray soa manokana rehefa hatsangana. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Ny “marina” hatsangana eto an-tany, dia ireo olona nahatoky fahiny, toa an’i Abrahama, Rahaba sy ny maro hafa. Nambara fa marina izy ireo, ka natao hoe sakaizan’Andriamanitra. (Jakoba 2:21, 23, 25) Anisan’ireo “marina” koa ny ondry hafa ankehitriny, izay maty mahatoky teo anatrehan’i Jehovah. Hatsangana daholo ireny tsy nivadika ireny, eo am-piandohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy. (Joba 14:13-15; 27:5; Daniela 12:13; Hebreo 11:35, 39, 40) Hotendrena hiandraikitra ny asa famerenana ny tany ho Paradisa ny ankamaroan’ireny olo-marina ireny, rehefa avy natsangana.—Salamo 45:16; ampitahao amin’ny Isaia 32:1, 16-18; 61:5; 65:21-23.
10. Iza ireo “tsy marina” hatsangana amin’ny maty?
10 Iza kosa ireo “tsy marina” voalazan’ny Asan’ny Apostoly 24:15? Anisan’ireny ny maty maro be nandritra ny tantaran’ny olombelona, indrindra fa ireo niaina tamin’ny “andron’ny tsy fahalalana.” (Asan’ny Apostoly 17:30) Tsy afaka nianatra nankatò an’i Jehovah sy nanao ny sitrapony izy ireo tany amin’izay nahaterahany na tamin’ny fotoana niainany. Mety hisy koa nandre ilay hafatra momba ny famonjena ihany, saingy tsy tena nandray tsara, na maty talohan’ny nanolorany tena sy nanaovana batisa azy. Hatsangana izy ireny mba hanohy hanitsy ny toe-tsainy sy ny fomba fiainany, raha tiany ny hahazo fiainana mandrakizay.
Ilay horonam-bokin’ny fiainana
11. a) Inona ilay “horonam-bokin’ny fiainana”, ary ny anaran’iza no voasoratra ao? b) Nahoana no hosokafana mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ilay horonam-bokin’ny fiainana?
11 Miresaka momba ny “horonam-bokin’ny fiainana” i Jaona. Firaketana ny anaran’ireo homen’i Jehovah fiainana mandrakizay izy io. Voasoratra ao ny anaran’ny voahosotra rahalahin’i Kristy, sy ny an’ny vahoaka be, ary ny an’ny olo-mahatoky fahiny, toa an’i Mosesy. (Eksodosy 32:32, 33; Daniela 12:1; Apokalypsy 3:5) Mbola tsy ao kosa ny anaran’ireo “tsy marina” vao hatsangana. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona àry no hosokafana ilay horonam-boky, mba hanoratana ny anaran’izay mendrika. ‘Hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo’ ireo tsy voasoratra ao amin’ilay horonam-boky, na bokin’ny fiainana.—Apokalypsy 20:15; ampitahao amin’ny Hebreo 3:19.
12. Hiankina amin’inona ny hanoratana ny anaran’ny olona iray ao amin’io horonam-boky io, ary inona no modely omen’ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah?
12 Hiankina amin’inona ny hanoratana ny anaran’ny olona iray ao amin’io horonam-boky io? Hiankina amin’ny fankatoavana an’i Jehovah, toy ny tamin’ny andron’i Adama sy Eva ihany. Hoy tokoa i Jaona tamin’ny Kristianina namany: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:4-7, 17) Manome modely amin’io lafiny io ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah. “Na dia Zanaka aza [i Jesosy], dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany. Ary rehefa avy natao lavorary izy, dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.”—Hebreo 5:8, 9.
Horonam-boky hafa hosokafana
13. Ahoana no hampisehoan’ireo hatsangana amin’ny maty fa mankatò izy, ary inona no toro lalana tsy maintsy arahiny?
13 Ahoana àry no hampisehoan’ireo hatsangana amin’ny maty fa mankatò izy? Nanome didy lehibe roa i Jesosy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” (Marka 12:29-31) Misy toro lalana hafa nomen’i Jehovah koa tsy maintsy arahin’izy ireo. Anisan’izany ny hoe tsy tokony hangalatra izy ireo, na handainga, na hamono olona na haloto fitondran-tena.—1 Timoty 1:8-11; Apokalypsy 21:8.
14. Horonam-boky hafa inona no hosokafana, ary inona no ao anatin’izy ireo?
14 Milaza anefa i Jaona fa misy horonam-boky hafa hosokafana mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apokalypsy 20:12) Inona izy ireo? Nisy fotoana nanomezan’i Jehovah toromarika momba ny toe-javatra manokana. Nanome lalàna maro nisy tsipiriany, ohatra, izy tamin’ny andron’i Mosesy, ary ela velona ny Israelita raha nankatò. (Deoteronomia 4:40; 32:45-47) Nisy toromarika vaovao koa tamin’ny taonjato voalohany, mba hanampiana ny Kristianina nahatoky hanaraka ny toro lalan’i Jehovah. (Matio 28:19, 20; Jaona 13:34; 15:9, 10) Voalazan’i Jaona fa ‘hotsaraina araka izay voasoratra ao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo’ ny maty. Filazana amin’ny an-tsipiriany izay zavatra takin’i Jehovah mandritra ny arivo taona àry no ao anatin’ireo horonam-boky ireo. Ho ela velona sy hiaina mandrakizay ny olona mankatò ny didy sy fitsipika ao amin’ireo horonam-boky ireo.
15. Inona no fampianarana hilaina rehefa hatsangana ny maty, ary azo inoana fa hanao ahoana ny ho fizotran’ny fitsanganana?
15 Ho be dia be tokoa ny fampianarana hatao amin’izany! Nitarika fampianarana Baiboly 6 061 534 teo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2005, tany amin’ny tany maro. Azo antoka anefa fa rehefa hatsangana ny maty, dia tsy ho hita isa ny fampianarana Baiboly sy fampianarana an’ireo horonam-boky vaovao! Tokony ho mpampianatra daholo ny vahoakan’Andriamanitra, sady hiezaka amin’izany. Ho mpampianatra koa ireo hatsangana amin’ny maty, rehefa mandroso tsara. Azo inoana fa ho toy izao no ho fizotran’ny fitsanganana amin’ny maty: Izay velona no handray sy hampianatra an’ireo havany sy olom-pantany, ary ireo indray kosa no handray sy hampianatra ny hafa. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 15:19-28, 58.) Efa miomana ho amin’ilay asa antenain’izy ireo hatao mandritra ny fitsanganana amin’ny maty, ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny enina tapitrisa, izay mitory ny fahamarinana ankehitriny.—Isaia 50:4; 54:13.
16. a) Ny anaran’iza no tsy voasoratra ao amin’ilay horonam-boky, na bokin’ny fiainana? b) Iza no hatsangana “ho amin’ny fiainana”?
16 Momba ireo hatsangana ho eto an-tany no nilazan’i Jesosy fa “izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.” Mifanohitra ny “fiainana” sy ny “fanamelohana” eto. Hita àry fa tsy mendrika ny hahazo fiainana ireo hanjary ‘zatra manao ratsy’ rehefa avy natsangana sy nampianarina ny Soratra Masina sy ireo horonam-boky. Tsy hosoratana ao amin’ilay horonam-boky, na bokin’ny fiainana ny anarany. (Jaona 5:29) Toy izany koa izay nahatoky teo aloha nefa nanjary niala tamin’Andriamanitra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Azo kosehina mantsy ny anarana. (Eksodosy 32:32, 33) Ho ao amin’io horonam-boky io foana kosa ny anaran’izay mankatò sy manaraka izay voasoratra ao amin’ireo horonam-boky, ary ho velona hatrany izy. Hatsangana “ho amin’ny fiainana” ny olona toy izany.
Hifarana ny fahafatesana sy ny fasana
17. a) Inona no zavatra mahafinaritra nolazain’i Jaona? b) Rahoviana no ho foana ny fasana? d) Rahoviana ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama no ‘hatsipy any amin’ny farihy afo’?
17 Zavatra tena mahafinaritra izao no nolazain’i Jaona: “Ary natsipy mafy tany amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy inona ny farihy afo fa fahafatesana faharoa. Ary izay tsy hita voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy mafy tao amin’ny farihy afo.” (Apokalypsy 20:14, 15) Efa tsy misy intsony ny “fahafatesana sy ny fasana”, rehefa mifarana ny Andro Fitsarana haharitra arivo taona. Nahoana no arivo taona? Ho foana mantsy ny fasana misy ny maty rehetra, rehefa hatsangana ny maty farany ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Ary mbola ao amin’ny olona foana koa ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama, raha mbola tsy lavorary izy ireo. Hanaisotra tanteraka ny aretina, sy ny fahanterana, ary ny kilema hafa nolovaina anefa ny vidim-panavotan’i Jesosy. Mandra-pahavitan’izany, dia mila mankatò an’izay voasoratra ao amin’ireo horonam-boky ny olona hatsangana ho eto an-tany sy ny vahoaka be tsy maty amin’ny Hara-magedona. ‘Hatsipy any amin’ny farihy afo’ amin’izay ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama sy ny fasana, ka hanjavona mandrakizay!
18. a) Inona no nolazain’i Paoly momba ny fahombiazan’ny fanjakan’i Jesosy Mpanjaka? b) Ataon’i Jesosy ahoana ny olombelona rehefa lasa lavorary? d) Inona koa no hitranga any amin’ny faran’ny arivo taona?
18 Ho tanteraka amin’izay ny tenin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina, hoe: “Fa tsy maintsy manjaka [i Jesosy], mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Ary hofoanana ny fahafatesana [vokatry ny fahotan’i Adama], izay fahavalo farany.” Inona no hitranga avy eo? “Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy.” Midika izany fa “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy.” (1 Korintianina 15:24-28) Efa resin’i Jesosy ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama, noho ny sorom-panavotany, ka olombelona lavorary no hatolony amin’i Jehovah Rainy. Any amin’ny faran’ny arivo taona izany no hitranga. Hovahana i Satana amin’izay, ka hotsapaina farany ny olona hahitana hoe ny anaran’iza no hijanona tanteraka ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana. “Miezaha mafy” mba ho ao ny anaranao!—Lioka 13:24; Apokalypsy 20:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy anisan’ireo hatsangana avy ao amin’ny ranomasina ny olona ratsy fanahy maty tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Naringana tanteraka izy ireo, toy ny olona haringana amin’ny fitsaran’i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe.—Matio 25:41, 46; 2 Petera 3:5-7.
[Sary, pejy 298]
Mety ho ao amin’ilay horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’ireo “tsy marina” natsangana tamin’ny maty, raha mankatò izay voasoratra ao amin’ireo horonam-boky hosokafana mandritra ny Fanjakana Arivo Taona izy ireo