FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 55
  • Ampio ny Fiangonana Misy Anao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Fiangonana Misy Anao
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Misaotra An’i Jehovah Izahay Noho ny Fitiavanareo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Asa sy ny Vola?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana Isika no Mbola Mila Manome ho An’ilay Tompon’izao Rehetra Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 55
Lesona 55. Rahalahy sy anabavy mikojakoja ny ivelan’ny Efitrano Fanjakana ivoriany.

LESONA 55

Ampio ny Fiangonana Misy Anao

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Olona an-tapitrisany eran-tany no faly manompo an’i Jehovah any amin’ny fiangonana an’arivony. Mahazo toromarika sy tari-dalana izy ireo any, ary tena mankasitraka an’izany. Mazoto manampy ny fiangonana amin’ny fomba isan-karazany àry izy ireo. Hoatr’izany koa ve no tsapanao?

1. Ahoana no azontsika ampiasana ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanampiana ny fiangonana?

Samy afaka manampy ny fiangonana daholo isika tsirairay. Misy olona be taona na kilemaina ve, ohatra, ao amin’ny fiangonanareo? Azonao ampiana ve izy rehefa handeha hivory? Sao dia afaka manao zavatra ho azy koa ianao, ohatra hoe miantsena na manampy azy amin’ny raharahany? (Vakio ny Jakoba 1:27.) Manampy ny fiangonana koa isika raha manolo-tena hanadio sy hikojakoja ny Efitrano Fanjakana. Tsy hoe terena hanao an’ireo akory isika. ‘Manolo-tena an-tsitrapo’ kosa isika satria tia an’i Jehovah sy ireo rahalahintsika.​—Salamo 110:3.

Rehefa vita batisa ny olona iray, dia mihabetsaka ny zavatra azony atao mba hanampiana ny fiangonana. Azo tendrena ho mpikarakara fiangonana, ohatra, ny rahalahy mahafeno fepetra, ary mety ho lasa anti-panahy izy rehefa mandeha ny fotoana. Samy afaka manampy amin’ny fitoriana ataon’ny fiangonana koa na ny rahalahy na ny anabavy rehefa manao mpisava lalana. Ny sasany indray mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, na mifindra any an-toeran-kafa mba hanampy fiangonana.

2. Ahoana no azontsika ampiasana ny volantsika sy ny fananantsika mba hanampiana ny fiangonana?

Azontsika atao ny ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananantsika.’ (Ohabolana 3:9) Tena faly isika hoe afaka manome vola na zavatra hafa mba hanampiana ny fiangonana misy antsika sy hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. (Vakio ny 2 Korintianina 9:7.) Ampiasaina hanampiana ny tra-boina koa ny fanomezana ataontsika. Betsaka no ‘manokana vola’ isan-kerinandro na isam-bolana mba hatao fanomezana. (Vakio ny 1 Korintianina 16:2.) Azontsika arotsaka ao anaty boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana ilay izy, na alefa amin’ny alalan’ny Internet ao amin’ny donate.jw.org. Afaka mampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah isika rehefa mampiasa ny volantsika sy ny fananantsika mba hanampiana ny fiangonana.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona ny zavatra sasany azonao atao mba hanampiana ny fiangonana.

3. Afaka mampiasa ny volantsika sy ny fananantsika isika

Tian’i Jehovah sy Jesosy ny olona manome amim-pifaliana. Niezaka nanao fanomezana, ohatra, ny vehivavy mpitondratena iray na dia nahantra aza. Nidera azy i Jesosy rehefa nahita an’izany. Vakio ny Lioka 21:1-4, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Mila manome vola be ve isika vao ho faly i Jehovah?

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah sy Jesosy ny fanomezana vokatry ny fo ataontsika?

Ahoana no ampiasana ny fanomezana ataontsika? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah” (4:47)

  • Ahoana avy no ampiasana ny fanomezana ataontsika, mba hahasoa ny fiangonana maneran-tany?

Anabavy be taona mandrotsaka vola ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana.

4. Afaka manolo-tena hanampy isika

Nazoto nikarakara ny toeram-pivavahany ny mpanompon’i Jehovah taloha. Tsy hoe nanome vola fotsiny ry zareo tamin’izany. Vakio ny 2 Tantara 34:9-11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no nataon’ny Israelita tsirairay mba hikarakarana ny tranon’i Jehovah, izany hoe ny toeram-pivavahan’izy ireo?

Manaraka ny modelin’izy ireo koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Karakarao Tsara ny Toeram-pivavahantsika (3:31)

Sary avy amin’ilay video hoe ‘Karakarao Tsara ny Toeram-pivavahantsika.’ Lehilahy sy vehivavy ary ankizy manadio ny ao anatin’ny Efitrano Fanjakana ivoriany.
  • Nahoana no tena mila diovina sy kojakojaina foana ny Efitrano Fanjakana?

  • Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’izany?

Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy miasa an-tsitrapo manorina Efitrano Fanjakana.

5. Afaka miezaka hahazo andraikitra bebe kokoa ny rahalahy

Mampirisika ny lehilahy kristianina ny Soratra Masina mba hiezaka hahazo andraikitra, amin’izay izy ireo afaka manampy tsara ny fiangonana. Inona, ohatra, no azony atao? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Ry Rahalahy: Miezaha Hahazo Asa Tsara (5:23)

  • Niezaka be i Ryan mba ho afaka hanampy bebe kokoa ny fiangonana. Ahoana no nataony?

Hazavain’ny Baiboly hoe inona no fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy. Vakio ny 1 Timoty 3:1-13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no fepetra takina amin’ireo rahalahy te ho lasa mpikarakara fiangonana sy anti-panahy?

  • Tokony hanao ahoana ny vady aman-janany?​—Jereo ny andininy 4 sy 11.

  • Inona no soa raisin’ny fiangonana rehefa miezaka mafy mba hahafeno an’ireo fepetra ireo ny rahalahy?

Rahalahy tanora iray manosika rahalahy be taona iray mipetraka eo ambony seza misy kodiarana. Miara-mitory isan-trano izy ireo.

METY HISY HANONTANY HOE: “Avy aiza ny vola ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tena faly i Jehovah rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny volantsika isika mba hanampiana ny fiangonana.

Famerenana

  • Ahoana no azontsika ampiasana ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanampiana ny fiangonana?

  • Ahoana no azontsika ampiasana ny volantsika sy ny fananantsika mba hanampiana ny fiangonana?

  • Inona avy no tianao hatao mba hanampiana ny fiangonana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no tsy asain’Andriamanitra mandoa ampahafolon-karena intsony ny mpanompony?

“Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ampahafolon-karena?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Milaza ny Baiboly fa lehilahy vita batisa no tokony hanao ny andraikitra sasany. Ahoana anefa raha vehivavy no mila manao azy ireny?

“Ny Fahefana Napetrak’i Jehovah ao Amin’ny Fiangonana” (Ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2012)

Ho hitanao ato ny ezaka mafy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany mba hanaterana boky sy gazety any amin’ny mpiara-manompo aminy.

Fanaterana Boky Ara-baiboly any Congo (4:25)

Mitovy amin’ny an’ny fivavahana hafa ve ny fomba ahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vola ampiasainy?

“Avy Aiza ny Vola Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara