-
Mifanampy ny Vahoakan’ilay FanjakanaEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
6. a) Nahoana no hoe fanompoana masina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina? b) Ahoana no ataontsika rehefa misy loza? (Jereo ilay hoe “Ary Ahoana Rehefa Tonga ny Loza?”, pejy 214.)
6 Nohazavain’i Paoly koa hoe nahoana no fanompoana masina tokony hataon’ny Kristianina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina. Nilaza izy fa “manaiky ny vaovao tsara momba an’i Kristy” isika, rehefa manao izany. (2 Kor. 9:13) I Kristy mantsy no nampianatra antsika hoe mila mifankatia, ka manaiky na mankatò azy isika raha manampy ny mpiara-mivavaka amintsika. Nanazava koa i Paoly fa ampiasain’i Jehovah isika amin’izany, mba hampiseho ny ‘halehiben’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’ (2 Kor. 9:14; 1 Pet. 4:10) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1975: ‘Tena tian’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany hanampy ny mpiray finoana amintsika isika.’ Manao fanompoana masina àry isika rehefa manampy ny tra-boina.—Rom. 12:1, 7; 2 Kor. 8:7; Heb. 13:16.
-
-
Mifanampy ny Vahoakan’ilay FanjakanaEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
7, 8. Inona ny tanjontsika rehefa manampy tra-boina, ary ahoana no nanasongadinan’i Paoly an’izany?
7 Mamaly izany i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 9:11-15. (Vakio.) Nilaza izy fa manao “fanompoana ho an’ny besinimaro” isika rehefa manampy tra-boina, ary misy tanjona telo tiantsika hotratrarina amin’izany.
8 Voalohany, tiantsika hahazo voninahitra i Jehovah. Nanasongadina an’izany i Paoly ao amin’ireo andininy ireo. Nilaza, ohatra, izy fa lasa ‘misaotra an’Andriamanitra’ sy manao “fisaorana maro be ho an’Andriamanitra” ilay Kristianina rehefa avy ampiana. (Andininy 11, 12) Lasa “mankalaza an’Andriamanitra” koa izy, sady miaiky hoe tena ‘lehibe ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’ (Andininy 13, 14) Na i Paoly aza nidera an’i Jehovah, ka niteny hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra!”—Andininy 15; 1 Pet. 4:11.
9. Inona no vokany rehefa mifanampy isika? Manomeza ohatra.
9 Manampy tra-boina àry isika satria te hanome voninahitra an’i Jehovah. (1 Kor. 10:31) Mandravaka ny fampianarany mihitsy aza isika rehefa manao izany, izany hoe manaporofo fa tsara ny zavatra ampianariny antsika. (Tit. 2:10) Matetika mantsy no misy olona diso hevitra momba an’i Jehovah sy momba antsika, nefa lasa niova rehefa nahita antsika nifanampy. Nasian’ny vehivavy iray soratra, ohatra, teo am-baravarany hoe: “Tsy Mila Vavolombelon’i Jehovah.” Nisy rivo-doza anefa tany amin’ny faritra nisy azy, indray mandeha. Voamariny tamin’izay fa nisy olona nifanampy nanamboatra trano simba teo ampitan’ny tranony. Nitazatazana azy ireo foana izy nandritra ny andro vitsivitsy, ka hitany fa tena mifankatia izy ireo. Nanatona teny àry izy mba hanontany hoe iza ireo olona ireo. Gaga be izy hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Hoy izy: “Hay izaho nitsaratsara anareo fotsiny hatramin’izay!” Inona no vokany? Nesoriny ilay soratra teo am-baravarany.
-