FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/7 p. 23-26
  • Tandremo: mety hanamafy ny fonao ny fahotana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tandremo: mety hanamafy ny fonao ny fahotana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba anamafisan’ny fahotana ny fo
  • Rehefa manamafy ny fon’ny olona iray ny fahotana
  • Aoka hohalavirintsika ny fandriky ny ota
  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahotana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Inona Ilay Ota Tany Am-boalohany?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Rehefa Tsy Misy Ota Intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/7 p. 23-26

Tandremo: mety hanamafy ny fonao ny fahotana!

TIA azy tokoa ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana, tia an’io vehivavy mahay mampiseho fitiavana sy sariaka io. Namana nahatoky tamin’ny fitoriana sy tao amin’ireo fivoriana izy sy ny zanany vavy kely mahafatifaty. Indray andro anefa dia nisy nitantara tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasionany fa nifoka sigara tsy niafina izy tany am-piasany ... teo anatrehan’ny Vavolombelona hafa koa aza! Teo anoloan’izany fiampangana izany, dia niaiky izy fa tsy vitan’ny hoe nifoka sigara fotsiny, fa nijangajanga koa, sady nanampy teny toy izao tsy niraika: “Heveriko fa tsy maniry ny ho ao anatin’ny fahamarinana aho amin’izao fotoana izao.” Nanamafy ny fony ny fahotana.

Ao amin’ny Hebreo 3:13, ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny kristiana fa nety “ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota” izy ireo. Niharihary fa marina ireo teny ireo araka ny hita tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia Adama sy Eva. Rehefa notenenina noho ny tsy fankatoavany Adama dia nanaporofo tsy nisy indrafo hoe: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.” Niova aoka izany izy hatramin’ny andro nahitany voalohany ilay vadiny nahafinaritra ka nampihiaka azy hoe: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity.” Izao i Eva dia “ny vehivavy izay nomenao ho namako”. Eva kosa dia nanilika tamim-pahalemena ny fahadisoany tamin’ny bibilava. — Genesisy 2:23; 3:1-13.

Jodasy Isikariota dia lehilahy hafa iray koa nanjary mafy fo tsy nisy fanafodiny noho ny ota. Tsy maintsy ho tsara ny fony teo am-piandohana, raha tsy izany dia tsy ho nifidy azy ho apostoly i Jesosy. Kanefa taorian’ny nitenenan’i Jesosy azy indray mandeha, dia nanao teti-dratsy hanolotra ny tompony i Jodasy netsehin’ny fahasosorana (Matio 26:6-16). Rehefa nahariharin’i Jesosy fa hanolotra azy ny anankiray tamin’ny 12 lahy dia nanontany toy izao toy ny tsy nanan-tsiny ery i Jodasy: “Izaho va izany?” (Matio 26:25). Mpanota an-tsitrapo ihany no afaka mihatsaravelatsihy amim-pieboeboana toy izany. Ary tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo miaramila mba hisambotra an’i Jesosy, dia nofidin’i Jodasy, tamin’ny famantarana rehetra azony nampiasaina mba hamantarana azy, ny an’ny firaiketam-po sy fisakaizana fahizay, dia ny fanorohana. “Ry Jodasy, hoy Jesosy taminy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’olona?” — Lioka 22:48.

Ny fomba anamafisan’ny fahotana ny fo

Ahoana no ahatongavan’ny ota hanan-kery toy izany eo amin’ny olona iray? Ao amin’ny Hebreo 3:7-11, dia hazavain’i Paoly hoe tamin’ny fomba ahoana ny tsy fahampiam-pinoana izay fahotana no nandoto ny firenen’Isiraely. Nanonona ny Salamo 95:7-11 i Paoly ka nanambara toy izao ao amin’ireo andininy ireo: “Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andro fakam-panahy tany an-efitra, izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy tamin’ny nizahany toetra Ahy, ary nahita ny asako efa-polo taona izy. Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny làlako; ary araka izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy.’ ”

Nitranga ny fotoana “fahasosorana” tany amin’ny toerana iray nantsoina hoe Meriba na Masa (Salamo 95:8). Tany, taorian’ny nanafahana azy tamin’ny fomba mahagaga avy any Egypta, “dia nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay.” (Eksodosy 17:2). Tadidio ange: efa nahita loza folo nandrava an’i Egypta ny Isiraelita, ny rano manonjan’ny ranomasina Mena nisaraka ary ny mana nilatsaka avy any an-danitra. ‘Naniasia tamin’ny fony’ anefa izy ireo. Voatana loatra tamin’ny faniriany feno fitiavan-tena izy ireo ka tsy nieritreritra ny asan’i Jehovah. Tsy tonga tamin’ny ‘fahalalana ny lalan’Andriamanitra’ àry izy ireo na nanjary natoky fa afaka nanome izay nilain’izy ireo tamin’ny toe-javatra rehetra i Jehovah. “Omeo rano izahay”, hoy ny fitakian’izy ireo, toy ny hoe tsy nanan-kery ilay Andriamanitra nampisaraka ny ranomasina. Tsy mahagaga àry raha toa taty aorina ka naleon’izy ireo nino ny resaka ratsy nataon’ireo mpisafo tany folo saro-tahotra nizaha ny Tany nampanantenaina (Nomery 13:32 ka hatramin’ny 14:4). Noho ny tsy fahampiam-pinoana toy izany, dia izao no nambaran’i Jehovah: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy.” — Salamo 95:11.

Nanatsoaka fianarana avy amin’io fihetsika io i Paoly ka nanome izao fampitandremana izao: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.” (Hebreo 3:12, 13). Ny tsy fahampiam-pinoana no ‘fahotan’ny’ Isiraelita (ampitahao Hebreo 3:19 sy 12:1). Izany dia nitarika azy ireo ‘hiala tamin’Andriamanitra velona’, hanary izay rehetra mety ho fitokisana an’i Jehovah, na dia tao aza ny fahagagana maro vitany. Tsy azo nosakanana ny fahalatsahany tao amin’ny fikororosiana ara-pitondrantena.

Amin’izao andro izao, dia tena mety hitarika kristiana iray ‘hanana fo maniasia’ koa ny tsy fahampiam-pinoana ka ho resin’ny fironan’ny fo avy hatrany voalazalaza toy izao: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina’ iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9, 10). Manomboka mameno ny fony ny hevitra sy fanirian-dratsy, ka miteraka vokany mifampitohitohy: “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” — Jakoba 1:14, 15.

Rehefa manamafy ny fon’ny olona iray ny fahotana

Ny lehilahy iray dia nanana tombontsoa lehibe tamin’ny naha-loholona, sady nanafina tamim-pahakingana fa meloka ho nijangajanga izy. Na dia rehefa nanambady aza izy dia nanohy niaina tao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena. Nampiseho endriky ny tsy nanan-tsiny tamim-pahatoniana anefa izy ka anisan’ny komity mpitsara noforonina mba hitsara kristiana hafa mihitsy aza. Nanomboka nanamafy ny fony ny ota. Tsy ela aza izy dia nanjary nisalasala ny amin’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Farany, rehefa noterena hiaiky ny ratsy nataony izy, dia nanainga soroka fotsiny sy nilaza hoe: “Inona moa no maha-zava-dehibe izany izao?”

Ny fihatsarambelatsihy dia mety hahatonga ny fieritreretan’ny olona iray tsy hihontsina toy ny hoe “voapetaky ny vy mahamay” (I Timoty 4:2.) Manazava izany amin’izao teny izao ny Ohabolana: “Tahaka izany koa no fanaon’ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.” (Ohabolana 30:20). Ny mpanota nanamafy fo dia tonga hatramin’ny fieritreretana hoe: “Efa nanadino Andriamanitra; efa nanafina ny tavany Izy.” (Salamo 10:11). Niaiky toy izao ny zazalahy iray: “Fony aho nijangajanga voalohany, dia very hevitra aho. Taorian’izany anefa dia nihamora foana, hany ka tamin’ny farany izany dia tsy nampanahy ahy intsony mihitsy.”

Miharihary fa ny fo dia mitady fialan-tsiny mba hanamarinana ny zava-dratsy ataony. Ny zazalahy iray, rehefa avy nijangajanga tamin’ny sakaiza keliny, dia nitana azy tsy handeha hangataka fanampiana amin’ireo loholona tamin’ny filazana taminy hoe: “Hivady isika! Ary fantatrao fa milaza tsara ny Baiboly fa rehefa mifanome toky ny olona roa, dia saika efa mpivady eo imason’i Jehovah izy ireo.” Endrey izany fiheverana mampiseho fitiavan-tena sy mamitaka. Mampalahelo fa niditra tamin’ny fahazarana manota ireo tanora roa ireo ka rehefa avy eo izany dia nitarika azy ireo ho amin’ny famonoana olona, ho amin’ny fanalana zaza! Taty aoriana ilay zazavavy dia niaiky toy izao: “Manjary miha-tsy mihontsina ny tena, ary manomboka mieritreritra fa azo atao ny manana-tena.” Ny zazalahy iray resin’ny fijangajangana dia niaiky toy izao koa: “Ny tarehin-javatra misy ny tena dia sahala amin’ny an’ny mpimamo iray izay milaza hoe: ‘Afaka mijanona aho rehefa tiako. Avelao aho mbola hisotro iray vera fotsiny.’ Amin’izay ny tena dia manohy mangataka andro vao hanatona ireo loholona.” Manjary havanana aoka izany amin’ny famitahana ny hafa ilay mpanota, hany ka mamita-tena amin’ny farany. “Fa miarahaba tena izy ny amin’ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.” — Salamo 36:2.

Aoka hohalavirintsika ny fandriky ny ota

Koa satria “amin’ny fo no inoana”, dia tokony hanao izay rehetra azony atao ny kristiana iray mba hiarovana azy (Romana 10:10; Ohabolana 4:23). Ny vavaka, ny fivoriana sy ny fianarana manokana dia manampy antsika hameno ny fontsika amin’ny hevitra mampandroso. Marina fa indraindray dia hisy eritreri-dratsy ho tonga ao an-tsaintsika. Amin’izay anefa, ny hataontsika fotsiny dia ny mandà tsy hiato amin’izany. Raha sanatria ka voan’ny fakam-panahy hanao ratsy isika, dia tsy tokony hangataka andro hanatona an’i Jehovah ao amin’ny vavaka (Salamo 55:22). ‘Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo amintsika akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany’. (Efesiana 5:3.) Amin’izany fomba izany, dia tapaka alohan’ny nanombohany ny vokatra mifampitohitohy “miteraka ota” sy fahafatesana.

Tadidio koa fa “vetivety” ihany ny fifaliana amin’ny fahotana (Hebreo 11:25.) Na ho haingana na ho ela dia ‘hanody anao ny fahotanao’, ka amin’izay dia tsy maintsy hizaka ny vokany mangidy ianao (Nomery 32:23). Manontania tena hoe: “Tena tiako hanamafy ny foko tokoa ve ny fahotana? Na dia mety hitondra fahafinaretana eo no ho eo ho any aza izany, inona no ho vokany amiko rehefa ela ny ela?”

Inona anefa no azon’ny olona iray atao raha tafiditra ao amin’ny lalan-dratsy izy izao? Tsy tokony hoeritreretiny fa ampy azy ny manao fiezahana mafy amin’ny asany kristiana mba “hanonerana” ny fahotany. “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro”, hoy Davida mpanjaka nibebaka (Salamo 51:17). Manolotra izao torohevitra izao ho an’ireo marary ara-panahy ny Baiboly: Manatòna ireo loholona (Jakoba 5:14, 15)! Ireny olona matotra ireny dia hanao izay rehetra azony atao mba hanampiana izay marary hahita indray ny fahasalamana ara-panahy. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13). Hoy ny nambaran’ny lehilahy iray rehefa avy niaiky ny fahotany tamin’ireo loholona izy tamin’ny farany: “Toy ny nesorina teo an-tsoroko ny enta-mavesatra be.” — Jereo Salamo 32:1-5.

Koa satria izao tontolo izao miha-ratsy fanahy hatrany, dia ho zava-tsarotra tsy maintsy resen’ny kristiana iray kokoa hatrany ny fihazonana tsy fivadihana. Tadidio anefa fa “na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia (...) hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra”. (Mpitoriteny 8:12.) Matahora àry an’i Jehovah Andriamanitra! Hanampy anao tsy hanamafy fo noho ny ota izy!

[Sary, pejy 24]

Nanamafy ny fony ny Isiraelita rehefa nangataka rano tamin’i Mosesy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara