Fiainana Mifanaraka Amin’ny Voadim-panambadiana Ataonao!
ANDRO iray falifaly ny andro fampakaram-bady. Fotoana tena lehibe koa izy io. Manome fampanantenana mavesa-danja izay hisy fiantraikany eo amin’ny andro sisa hiainany, ny ampakarina sy ny mpampakatra. Ireo tonga amin’ilay fampakaram-bady amin’ny maha-olona nasaina azy, dia vavolombelon’io fampanantenana mavesa-danja io, kanefa dia i Jehovah Andriamanitra no Vavolombelona lehibe indrindra.
Ny Baiboly dia tsy mitaky fomba fanaovan-javatra voafaritra tsara na fombafomba fampakaram-bady karazany manokana iray. Kanefa na dia izany aza, ho fanekena ny maha-avy amin’Andriamanitra azy io, dia fanao ny mankalaza ny fanambadiana amin’ny alalan’ny fampiasana voadim-pampakaram-bady mandritra ny fombafomba ara-pivavahana iray. Hatramin’ny taona maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa izao voadim-panambadiana manaraka izao: “Izaho —— dia mandray anao —— ho vadiko ara-dalàna, hotiaviko sy holalaiko (Ampakarina: ary hohajaiko lalina) mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra voasoritra mazava ao amin’ny Soratra Masina ho an’ny (vehivavy/lehilahy) kristiana manambady, raha samy mbola miara-miaina eto an-tany koa isika araka ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana.”a
Zavatra hoeritreretina
Raha mikasa ny hanambady ianao, dia tena hisy vidiny lehibe ny hieritreretana ny amin’ny halalin’io voady io sy ny dikan’izy io, alohan’ny andro fampakaram-bady. Hoy i Solomona: “Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao”. (Mpitoriteny 5:1). Ahoana raha efa manambady ianao? Raha izany, dia handray soa ianao avy amin’ny fisaintsainana ny amin’ny halehiben’ilay fampanantenana mavesa-danja izay nataonao teo anatrehan’i Jehovah. Miaina mifanaraka amin’izy io ve ianao? Mihevitra ho zava-dehibe ny fampanantenana nataony ny Kristiana. Nanohy ny teniny toy izao i Solomona: “Efao ny voadinao. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa. Aza avela hahatonga heloka amin’ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason’ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho”. — Mpitoriteny 5:3-5.
Ny fandinihana ny fitenenana tsirairay amin’io voadim-pampakaram-bady io dia tsy isalasalana fa hanatsara ny fahazoanao ny hevitr’io fampanantenana mavesa-danja io.
“Izaho —— dia mandray anao”: Ireo no teny fanokafana ilay voady. Asongadin’izy ireo fa nandray andraikitra manokana ny tenanao eo amin’ny fanapahan-kevitrao hanambady.
Eo ambanin’ny fandaharana kristiana, dia tsy misy fanerena araka ny Soratra Masina ny hanambady. Ny tenan’i Jesosy Kristy dia nitoetra ho tsy nanambady ary nanoro hevitra ny fitoerana ho mpitovo ho an’ireo izay “mahay mandray” izany. (Matio 19:10-12). Etsy an-danin’izany, dia lehilahy nanambady ny ankamaroan’ireo apostolin’i Jesosy. (Lioka 4:38; 1 Korintiana 9:5). Mazava fa fanapahan-kevitra ataon’ny tena manokana ny fanapahan-kevitra hanambady. Tsy misy olombelona manam-pahefana araka ny Soratra Masina hanery olon-kafa iray hiditra ao anatin’ny fanambadiana.
Araka izany, dia tompon’andraikitra amin’ny nifidiananao ny hanambady ianao. Azo inoana fa nifantina ilay hovadinao ianao. Rehefa manao ilay voadim-panambadiana ianao amin’ny filazana hoe: ‘Izaho dia mandray anao ——’, dia mandray na manaiky an’io olona io ianao miaraka amin’ireo hatsaran-toetrany — kanefa koa miaraka amin’ny fahalemeny.
Rehefa mandeha ny fotoana dia azo inoana fa hahita lafin-toetra tsy niharihary teo aloha ianao eo amin’ny toetra maha-izy ny vadinao. Hisy fahadisoam-panantenana indraindray. Milaza ny Baiboly fa “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Koa mety hila ny hanao fanitsiana ianao mba hifanarahana amin’ny vadinao. Mety ho sarotra izany, ary indraindray dia mety ho te hiala ianao. Tsarovy anefa fa ny voadim-panambadiana dia atao eo anatrehan’i Jehovah. Afaka manampy anao mba hahomby izy.
“Ho vadiko ara-dalàna”: Tamin’ilay fampakaram-bady voalohany indrindra, rehefa nomena an’i Adama tamin’ny fanambadiana i Eva, dia nilaza i Jehovah Andriamanitra fa “ho nofo iray ihany ireo”. (Genesisy 2:24; Matio 19:4-6). Ny fikambanan’ny mpivady, araka izany, no fifandraisana akaiky indrindra mety hisy eo amin’ny olombelona anankiroa. Mitondra anao ho ao anatin’ny fifandraisana vaovao ny fanambadiana. Manaiky olona iray ho ‘vadinao ara-dalàna’ ianao. Tsy mitovy amin’izay mety ho fifandraisana hafa rehetra izy io. Ireo fanaovan-javatra izay mahatonga fanimbana kely eo amin’ny fifandraisana hafa dia mety hahatonga fandratrana lalina ao anatin’ny fandaharana ara-panambadiana.
Raiso, ohatra, ilay torohevitra araka ny Soratra Masina hita ao amin’ny Efesiana 4:26. Ao ny Baiboly dia milaza hoe: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Angamba ianao tsy nandamina foana ny zava-manahirana anao tamin’ireo havana aman-tsakaizanao haingana araka izay tokony ho nataonao. Kanefa ny vadinao dia akaiky kokoa noho izay mety ho havana aman-tsakaiza hafa rehetra. Ny tsy fandaminan-draharaha haingana amin’ny vadinao dia mety hampidi-doza ilay fifandraisana manokana eo aminareo.
Avelanao ve ny tsy fifanarahan-kevitra iray eo aminao sy ny vadinao hitombo ka ho tonga loharanom-pahasorenana na fahasosorana mitohy? Moa ve mitarazoka mandritra ny andro maromaro ireo tsy fifankahazoan-kevitra sy tarehin-javatra mampikorontan-tsaina? Mba hiainana mifanaraka amin’ilay voady nataonao, rehefa misy fahasahiranana mipoitra, dia aza mamela andro iray handalo ka tsy ho nihavananao tamin’ny vadinao. Izany dia midika ho famelan-keloka sy fanadinoana ary koa fiekena ny fahalemenao sy ny fahadisoanao. — Salamo 51:5; Lioka 17:3, 4.
“Hotiaviko”: Ilay lehilahy ho tonga vady dia mivoady ny ‘ho tia sy hihevitra ho malala’ an’ilay ampakariny. Io fitiavana io dia mahafaoka ilay fitiavana ifanehoan’ny mpifankatia izay azo inoana fa nahatonga azy ireo hiaraka. Tsy ampy anefa ny fitiavana ifanehoan’ny mpifankatia. Ilay fitiavana izay ivoadian’ny Kristiana iray haseho amin’ny vadiny dia lalina kokoa sy mahafaoka be kokoa.
Hoy ny Efesiana 5:25: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana”. Ny fitiavan’i Jesosy ny fiangonana dia azo antoka fa tsy mitovy sokajy amin’ilay fitiavana ifanehoan’ny mpifankatia lahy sy vavy. Ny fitenenana hoe “tiava” sy hoe ‘nitiavana’ ampiasaina ao amin’io andinin-teny io dia avy amin’ilay teny hoe a·gaʹpe, izay manondro fitiavana tarihin’ny fotopoto-pitsipika. Eto ny Baiboly dia mandidy ireo lehilahy manambady mba haneho fitiavana tsy tapaka sy tsy miovaova ary maharitra amin’ny vadiny.
Izany akory tsy karazana fihetseham-po manao hoe “tiako ianao satria ianao tia ahy” fotsiny. Ny lehilahy manambady dia mitady izay hahasoa ny vadiny alohan’ny an’ny tenany mihitsy aza, ary ilay vehivavy dia tia ny vadiny amin’ny fomba mitovy amin’izany. (Filipiana 2:4). Ny fambolena fitiavana lalina an’ilay vadinao dia hanampy anao hiaina mifanaraka amin’ny voadim-panambadiana ataonao.
“Holalaiko”: Araka ny diksionera iray, ny hoe ‘mihevitra ho malala’ dia midika hoe ‘mihevitra ho sarobidy, mahatsapa na maneho firaiketam-po amin’ny’. Tsy maintsy mampiseho ny fitiavanao amin’ny teny sy ny atao ianao! Ny vehivavy manambady indrindra no mila ny mahazo ireo fampisehoam-pitiavana tsy tapaka avy amin’ny vadiny. Mety hikarakara tsara izay ilainy ara-batana ralehilahy vadiny, kanefa dia tsy ampy izany. Misy vehivavy manambady izay manana sakafo ampy sy trano mampiadana, kanefa dia tsy sambatra aoka izany noho izy atao tsirambina na tsy raharahain’ny vadiny.
Etsy an-danin’izany, ny vehivavy iray manambady izay mahafantatra fa tiana sy lalaina, dia azo antoka fa manana antony hahasambatra. Mazava ho azy fa marina koa izany ho an’ireo lehilahy manambady. Ny fitiavana marina dia hatsaraina be amin’ny fampisehoana firaiketam-po tena marina. Ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, dia nihiaka toy izao ilay mpiandry ondry raiki-pitia: “Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!” — Tonon-kiran’i Solomona 4:10.
“Ary hohajaiko lalina”: Nisy lehilahy sasany nanao ratsy fitondra ny vehivavy sy nanambany azy nandritra ireo taonjato rehetra. Na dia amin’izao andro izao aza, araka ny gazetiboky World Health, dia “mitranga any amin’ny tany rehetra sy eo amin’ny kilasin’olona ara-tsosialy sy ara-toe-karena rehetra ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Any amin’ny kolontsaina maro dia heverina ho zon’ny lehilahy ny mamono vady”. Mety ho tsy meloka ho nanao izany fitondran-tena izany ny ankamaroan’ireo lehilahy. Na dia izany aza, dia toa maro tokoa ireo lehilahy izay tsy maneho fahalianana marina amin’ireo raharaha mampanahy ny vehivavy. Ho vokatr’izany, dia vehivavy maro no nampitombo fihetsika tsy manorina momba ny lehilahy. Nisy vehivavy manambady sasany re nilaza hoe: “Tiako ny vadiko, saingy tsy afaka manaja azy tsotra izao fotsiny aho!”
I Jehovah Andriamanitra anefa dia mihevitra ho sarobidy ny vehivavy izay miezaka mafy mba hanaja ny vadiny — na dia mandiso fanantenana azy aza ralehilahy indraindray. Miaiky izy fa ny lehilahy dia manana fanendrena na toerana nomen’Andriamanitra. (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:23). Araka izany, ny fanajany lalina ny vadiny dia tapany amin’ny fanompoam-pivavahana sy fankatoavany an’i Jehovah. Tsy hodian’Andriamanitra tsy hita akory ny fankatoavan’ireo vehivavy tia an’Andriamanitra. — Efesiana 5:33; 1 Petera 3:1-6; ampitahao amin’ny Hebreo 6:10.
Tokony hifamaly ny fanajana ao anatin’ny fanambadiana, ary tokony ho azo noho ny fiezahana izany fa tsy handrandraina na hotakina fotsiny. Ohatra, ireo resaka mandratra sy manafintohina dia tsy manan-toerana ao amin’ny fandaharana ara-panambadiana. Tsy ho fanehoana fitiavana na fanajana ny fanaovana teny manambany ny vadinao. Tsy misy soa azo avy amin’ny fampiharihariana ny fahalemen’ny vadinao amin’ny hafa na avy amin’ny firesahana izany ampahibemaso. Na dia amin’ny vazivazy aza, dia mety hampiseho tsy fahampiam-panajana miharihary ny tena amin’io lafiny io. Mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ny teny ao amin’ny Efesiana 4:29, 32. Ao ny Baiboly dia milaza hoe: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, (...) Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra”.
“Mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra voasoritra mazava ao amin’ny Soratra Masina”: Maniry antsika hankafy ny fahafahana hisafidy sy hanao zavatra, Andriamanitra. Tsy manavesatra antsika amin’ny lisitra milaza ny tsipiriany rehetra amin’ireo fitsipika mifehy ny fiainan’ny manambady izy. Ho tombontsoantsika manokana anefa, dia nanoritra mazava toro lalana sasany izy.
Amin’izao andro izao, dia misy zavatra vita pirinty maro samihafa momba ny fanambadiana, ary olona maro no manana ny filozofiany manokana. Mitandrema anefa! Mahakasika ilay foto-kevitra hoe fanambadiana, dia maro amin’ireo fanazavana miely patrana no mifanohitra amin’ny Baiboly.
Ekeo koa fa miovaova arakaraka ny mpivady ny tarehin-javatra. Amin’ny lafiny iray, dia toy ireo bohabohan’orampanala ( flocons de neige) ireo olon-droa mpivady; mety ho toa mitovy izy ireo raha tazanin-davitra, kanefa raha ny tena izy dia manokana ny tsirairay, tsy mitovy amin’ny hafa rehetra. Ny vokatry ny fitambaran’ny toetra maha-ianao anao miaraka amin’ny an’ny vadinao dia tsy mitovy amin’ny an’ny olon-droa mpivady hafa na iza na iza eo amin’izao tontolo izao. Koa aza maimaika manaiky fomba fiheveran’ny hafa manokana. Tsy misy fotopoto-pitsipika nataon’olombelona izay mihatra amin’ny fanambadiana rehetra!
Mifanohitra amin’izany, fa marina sy azo ampiharina avokoa ireo fandidian’ny Baiboly rehetra. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso”. (2 Timoty 3:16; Salamo 119:151). Raha mamaky ny Baiboly sy manaiky ny fampianarany ho mpitari-dalana eo amin’ny fiainanao isan’andro ianao, dia ho afaka hiaina mifanaraka amin’ilay voadim-panambadiana ataonao. — Salamo 119:105.
“Raha samy mbola miara-miaina eto an-tany koa isika”: Izany dia manondro fiarahana maharitra ela. Andriamanitra dia nandidy fa “ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny”. (Genesisy 2:24). Maniry ny hiarahanareo i Jehovah. Miaraha manompo an’Andriamanitra. Miaraha mianatra ny Teniny. Makà fotoana mba hiaraha-mandeha, miaraha mipetraka, miaraha misakafo. Miaraha mankafy ny fiainana!
Misy mpivady sasany manao ezaka mba hanokanana fotoana isan’andro mba hifampiresahana fotsiny. Na dia aorian’ny taona maro nivadiana aza, dia tena ilaina ho an’ny fahasambaram-panambadiana io fiarahana io.
“Araka ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana”: Ny fanambadiana dia fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra izay nanorina ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana. (Ohabolana 19:14). Ny tsy fanarahana ilay fandaharana nataony dia handrahona, tsy ny fahasambaram-panambadianao fotsiny, fa ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona koa. Etsy an-danin’izany, rehefa mamboly fifandraisana tsara amin’i Jehovah ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ka izany dia miseho amin’ny fankatoavana ilay fandaharana nataony, dia hanana fifandraisana milamina amin’ny hafa izy ireo, voafaoka amin’izany ny andaniny avy. — Ohabolana 16:7.
Aza hadinoina mihitsy fa i Jehovah no Vavolombelona lehibe indrindra amin’ny voadim-panambadiana ataonao. Manohiza miaina mifanaraka amin’io fampanantenana mavesa-danja io, ary dia ho loharanom-piderana sy voninahitra ho an’i Jehovah Andriamanitra ny fanambadianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Any amin’ny toerana sasany dia mety hisy ilana hampiasa endriny misy fanitsiana amin’io voady io mba hifanarahana amin’ireo lalàna eo an-toerana. (Matio 22:21). Kanefa any amin’ny ankamaroan’ireo tany dia mampiasa ilay voady etsy ambony ireo mpivady kristiana.
[Teny notsongaina/Sary, pejy 22]
Amin’ny lafiny iray, dia toy ireo bohabohan’orampanala ireo olon-droa mpivady. Mety ho toa mitovy izy rehetra raha tazanin-davitra, kanefa raha ny tena izy dia tsy mitovy amin’ny fomba manokana ny mpivady tsirairay
[Sary nahazoan-dalana]
Snow Crystals/Dover