FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/10 p. 8-13
  • Andriamanitra ve no Voalohany ao Amin’ny Fianakavianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra ve no Voalohany ao Amin’ny Fianakavianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fandriky ny fanoheran’ny fianakaviana
  • Fiatrehana amim-pahombiazana ilay zava-tsarotra
  • Valisoa tondraka mety ho azo
  • Fianarana avy amin’i Jesosy
  • Ry lehilahy sy vehivavy manambady — Tahafo i Kristy!
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ry Lehilahy Manambady, Ekeo ny Fahefan’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Tari-dalana Feno Fahendrena ho An’ny Mpivady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mahità fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/10 p. 8-13

Andriamanitra ve no Voalohany ao Amin’ny Fianakavianao?

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra”. — MARKA 12:29, 30.

1. Ahoana no maha-zava-dehibe ny hitiavantsika an’i Jehovah?

“NY DIDY manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra?” hoy ny mpanora-dalàna iray nanontany an’i Jesosy. Tsy nanome ny heviny manokana i Jesosy fa namaly kosa ny fanontanian’io olona io tamin’ny fanononana teny avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 6:4, 5. Hoy izy namaly: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.’ ” — Marka 12:28-30.

2. a) Fanoherana inona no tsy maintsy natrehin’i Jesosy? b) Inona indraindray no mety hahatonga ny fampifaliana an’i Jehovah ho sarotra?

2 Ny fankatoavana izay nantsoin’i Jesosy hoe ilay didy voalohany — ilay lehibe indrindra — dia mitaky ny hanaovantsika mandrakariva izay mampifaly an’i Jehovah. Nanao toy izany i Jesosy, na dia nanohitra ny lalam-pitondran-tena narahin’i Jesosy aza ny apostoly Petera indray mandeha, ary tamin’ny fotoana hafa iray, dia nanao toy izany koa ireo havany akaiky mihitsy. (Matio 16:21-23; Marka 3:21; Jaona 8:29). Ahoana raha toa ianao ka mahita ny tenanao ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Aoka hatao hoe maniry ny hampitsaharanao ny fianaranao Baiboly sy ny fifandraisanao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo mpianakavy. Hapetrakao eo amin’ny toerana voalohany ve Andriamanitra amin’ny fanaovana izay mampifaly azy? Andriamanitra ve no voalohany, na dia rehefa mety hanohitra ny ezaka ataonao mba hanompoana azy aza ireo mpianakavy?

Ny fandriky ny fanoheran’ny fianakaviana

3. a) Inona avy no mety ho vokatry ny fampianaran’i Jesosy eo amin’ny fianakaviana? b) Ahoana ny mety hampisehoan’ireo mpianakavy hoe iza no tiany kokoa?

3 I Jesosy dia tsy nanamaivana ny zava-tsarotra mety hitranga rehefa manohitra an’ilay mpianakavy izay manaiky ny fampianarany ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. “Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony”, hoy i Jesosy. Kanefa, na dia eo aza izany vokany mampalahelo izany, dia nasehon’i Jesosy hoe iza no tokony ho voalohany, tamin’ny filazana hoe: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.” (Matio 10:34-37). Apetratsika eo amin’ny toerana voalohany i Jehovah Andriamanitra amin’ny fanarahana ny fampianaran’ny Zanany, i Jesosy Kristy, izay “endriky ny tenany [ny an’Andriamanitra] indrindra”. — Hebreo 1:3; Jaona 14:9.

4. a) Inona no nolazain’i Jesosy fa tafiditra amin’ny hoe maha-mpanara-dia azy? b) Amin’ny heviny ahoana no hoe tsy maintsy mankahala ireo mpianakaviny ny Kristiana?

4 Tamin’ny fotoana hafa iray, rehefa niresaka ny amin’izay tena tafiditra tokoa amin’ny hoe maha-mpanara-dia azy marina i Jesosy, dia hoy izy: “Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.” (Lioka 14:26). Miharihary fa tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hankahala ara-bakiteny ny mpianakaviny ireo mpanara-dia azy, satria nandidy ny olona izy mba ho tia na dia ireo fahavalony aza. (Matio 5:44). Ny tian’i Jesosy holazaina kosa eto dia hoe tsy maintsy tia ny mpianakaviny latsaka kokoa noho ny itiavan’izy ireo an’Andriamanitra, ireo mpanara-dia azy. (Ampitahao amin’ny Matio 6:24.) Mifanaraka amin’io fahatakaran-javatra io, dia milaza ny Baiboly fa ‘nankahala’ an’i Lea i Jakoba, fa tia an’i Rahely kosa, ka nidika izany fa tsy tia an’i Lea tahaka ny nitiavany an’i Rahely, rahavaviny, izy. (Genesisy 29:30-32). Na dia ny ‘aintsika’ aza, hoy i Jesosy, dia tokony hankahalaina, na ho tiana latsaka kokoa, noho i Jehovah!

5. Ahoana no anararaotan’i Satana amin-kafetsen-dratsy ny fandaharana momba ny fianakaviana?

5 Amin’ny maha-Mpamorona sy Mpanome aina an’i Jehovah, dia mendrika ny fifikirana feno avy amin’ireo mpanompony rehetra, izy. (Apokalypsy 4:11). ‘Mandohalika amin’ny Ray Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana’, aho, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Efesiana 3:14, 15). Namorona ny fandaharana momba ny fianakaviana tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany i Jehovah, hany ka manana firaiketam-po voajanahary amin’izy samy izy ireo mpianakavy. (1 Mpanjaka 3:25, 26; 1 Tesaloniana 2:7). I Satana Devoly anefa, dia manararaotra amin-kafetsen-dratsy an’io firaiketam-po voajanahary ao amin’ny fianakaviana io, izay mahatafiditra ny faniriana hampifaly ireo olon-tiana. Ataony mahery ny fanoheran’ny fianakaviana, ka maro no mahita fa zava-tsarotra ny mifahatra hanohana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, rehefa mifanatrika amin’izany. — Apokalypsy 12:9, 12.

Fiatrehana amim-pahombiazana ilay zava-tsarotra

6, 7. a) Ahoana no azo anampiana ireo mpianakavy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana Baiboly sy ny fiarahana kristiana? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa tiantsika marina tokoa ireo mpianakavintsika?

6 Inona no hataonao raha terena ianao hanao safidy ny amin’ny hoe hampifaly an’Andriamanitra ve sa hampifaly ny mpianakavy iray? Hanjohy hevitra ve ianao hoe Andriamanitra dia tsy manantena ny hianarantsika ny Teniny sy ny hampiharantsika ireo fotopoto-pitsipika raketin’izy io raha toa ka mahatonga fisaratsarahana eo amin’ny fianakaviana ny fanaovana izany? Nefa eritrereto ange e. Raha milefitra ianao ka mampitsahatra ny fianaranao ny Baiboly, na ny fifandraisanao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ahoana moa no hahatakaran’ireo olon-tianao, fa raharaha iankinan’ny aina ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly? — Jaona 17:3; 2 Tesaloniana 1:6-8.

7 Azontsika hazavaina amin’izao fomba izao ilay tarehin-javatra: Angamba tia tafahoatra zava-pisotro misy alkaola ny mpianakavy iray. Tena handraisany soa ve ny tsy firaharahana ilay zava-manahirana momba ny fisotroana mahazo azy, na ny fanalana tsiny izany? Ho tsara kokoa ve ny hitandrovana fihavanana amin’ny fileferana sy amin’ny tsy fanaovana na inona na inona momba ilay zava-manahirana mahazo azy? Tsia, azo inoana fa manaiky ianao hoe ny tsara indrindra dia ny miezaka manampy azy handresy ilay zava-manahirana momba ny fisotroana mahazo azy, na dia midika ho fiatrehana amim-pahasahiana ny hatezerany sy ny fandrahonany aza izany. (Ohabolana 29:25). Toy izany koa, raha tia marina tokoa ireo mpianakavinao ianao, dia tsy hilefitra amin’ny ezaka ataony mba hanakanana anao tsy hianatra Baiboly. (Asan’ny Apostoly 5:29). Amin’ny alalan’ny fifaharana ihany no mety hanampianao azy ireo hahatakatra fa iankinan’ny aintsika mihitsy ny fiainana araka ny fampianaran’i Kristy.

8. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny hoe nanao tamim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy?

8 Mety ho tena sarotra indraindray ny fametrahana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany. Kanefa, tadidio fa nanao izay hahasarotra ny fanaovan’i Jesosy ny sitrapon’Andriamanitra koa, i Satana. Kanefa tsy niala na oviana na oviana i Jesosy; niaritra izy na dia ny fangirifiriana teo amin’ny hazo fijaliana aza, ho antsika. “Jesosy Kristy [dia] Mpamonjy antsika”, hoy ny Baiboly. “Maty hamonjy antsika [izy]”. (Titosy 3:6; 1 Tesaloniana 5:10). Tsy velom-pankasitrahana ve isika noho i Jesosy tsy nilefitra tamin’ny fanoherana? Noho izy niaritra ny fahafatesana ho sorona, dia manana fahatsinjovana fiainana mandrakizay isika, ao amin’ny tontolo vaovaon’ny fahamarinana sady hanjakan’ny fiadanana, amin’ny fanehoana finoana ny ra nalatsany. — Jaona 3:16, 36; Apokalypsy 21:3, 4.

Valisoa tondraka mety ho azo

9. a) Ahoana no azon’ny Kristiana andraisana anjara amin’ny famonjena ny hafa? b) Inona no tarehin-javatra nisy ny fianakavian’i Timoty?

9 Takatrao ve fa ianao koa dia afaka mandray anjara amin’ny famonjena ny hafa, anisan’izany ireo hava-malala? Nampirisika an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe: “Mahareta amin’izany [ireo zavatra nampianarina anao]; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16, izahay no manao sora-mandry.) Niaina tao amin’ny ankohonana iray voazarazara i Timoty, satria tsy mpino ilay rainy grika. (Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:5; 3:14). Na dia tsy fantatsika aza raha tonga mpino na tsia ilay rain’i Timoty, ny fahafahana hoe nety ho naha-toy izany azy, dia nitombo be noho ny fitondran-tena nahatokin’i Eonika, vadiny sy ny an’i Timoty.

10. Inona no azon’ny Kristiana atao ho an’ny vadiny tsy mino?

10 Ahariharin’ny Soratra Masina fa ireo lehilahy sy vehivavy manambady izay manohana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba tsy azo hozongozonina, dia afaka mandray anjara amin’ny famonjena ny vadiny tsy kristiana, amin’ny fanampiana azy ireo ho tonga mpino. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?” (1 Korintiana 7:12, 13, 16). Ny apostoly Petera dia nilazalaza ny fomba ahafahan’ireo vehivavy mamonjy ny vadin’izy ireo, raha ny marina, tamin’ny fampirisihana hoe: “Maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny)”. — 1 Petera 3:1.

11, 12. a) Inona no valisoa azon’ny Kristiana an’arivony maro, ary inona no nataony mba hahazoana izany? b) Tantarao ny zavatra nitranga teo amin’ny fiainan’ny mpianakavy iray izay novalian-tsoa noho ny fiaretana tamim-pahatokiana.

11 Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy olona an’arivony maro tonga Vavolombelon’i Jehovah taorian’ireo volana sy ireo taona mihitsy aza, nanoherany ny asa kristiana nataon’ireo havany vavolombelona. Valisoa toy inona moa izany ho an’ireo Kristiana izay nitoetra ho tsy azo hozongozonina, ary fitahiana toy inona moa izany ho an’ireo mpanohitra teo aloha! Tamin’ny feo naneho fihetseham-po mafy no nilazan’ny loholona kristiana iray 74 taona hoe: “Matetika aho dia misaotra ny vady aman-janako noho ny nifikirany tamin’ny fahamarinana nandritra ireo taona izay nanoherako azy ireo.” Nilaza izy fa nandritra ny telo taona, dia nolaviny tamin-kiry na dia ny hamela ny vadiny hiresaka taminy momba ny Baiboly aza. “Kanefa nifidy ny fotoana azo inoana indrindra ho naha-vonona ny saiko izy”, hoy izy, “ary nanomboka nanao fanambarana tamiko rehefa nikosoka ny tongotro. Velom-pankasitrahana erỳ aho noho izy tsy nilefitra tamin’ny fanoherako!”

12 Nanoratra toy izao ny lehilahy hafa iray izay nanohitra ny fianakaviany: ‘Izaho no fahavalo ratsy indrindran’ny vadiko satria taorian’ny nahafantarany ny fahamarinana dia nandrahona azy aho, ary nifamaly isan’andro izahay; ny tiana holazaina dia hoe izaho foana no nanomboka ilay fifamaliana. Nefa very maina izany rehetra izany; nifikitra tamin’ny Baiboly ny vadiko. Toy izany no nandalovan’ny 12 taona tao amin’ny ady mafy nataoko hanoherana ny fahamarinana ary hanoherana ny vady aman-janako. Ho azy mianaka, dia izaho ilay Devoly nitafy nofo.’ Tamin’ny farany dia nanomboka namakafaka ny fiainany ilay lehilahy. ‘Hitako fa tena nanorisory aho’, hoy izy nanazava. ‘Namaky ny Baiboly aho, ary noho ny fanampian’ny fampianarana raketin’izy io, dia Vavolombelona vita batisa aho ankehitriny.’ Eritrereto ny valisoa lehibe azon’ilay vehivavy, eny, nanampy tamin’ny ‘famonjena ny vadiny’, noho ny fiaretana tamim-pahatokiana ny fanoheran’io azy nandritra ny 12 taona!

Fianarana avy amin’i Jesosy

13. a) Inona no lesona lehibe indrindra tokony hianaran’ireo lehilahy sy vehivavy manambady avy amin’ny lalam-pitondran-tena narahin’i Jesosy teo amin’ny fiainana? b) Ahoana no ahazoan’ireo olona izay mahita fa sarotra ny manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, mandray soa avy amin’ny ohatra navelan’i Jesosy?

13 Ny lesona lehibe indrindra tokony hianaran’ireo lehilahy sy vehivavy manambady avy amin’ny lalam-pitondran-tena narahin’i Jesosy teo amin’ny fiainana, dia ny fankatoavana an’Andriamanitra. “Izaho manao izay sitrany mandrakariva”, hoy i Jesosy. “Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 5:30; 8:29). Na dia rehefa nahita lafiny iray manokana tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ho naharikoriko aza i Jesosy indray mandeha, dia nankato izy. “Raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity”, hoy izy nivavaka. Kanefa nanampy teny haingana izy hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42). Tsy nangataka an’Andriamanitra mba hanova ny sitrapony, i Jesosy; nasehony fa tia marina tokoa an’Andriamanitra izy tamin’ny fanekena tamim-pankatoavana izay rehetra sitrapon’Andriamanitra momba azy. (1 Jaona 5:3). Ny fametrahana mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany, toy izay nataon’i Jesosy, dia zava-dehibe iankinan’ny aina mba hahombiazana, tsy eo amin’ny fiainana amin’ny maha-mpitovo ihany, fa eo amin’ny fiainam-panambadiana sy ny fiainam-pianakaviana koa. Diniho ny antony maha-toy izany azy.

14. Ahoana no anjohian’ny Kristiana sasany hevitra tsy araka ny tokony ho izy?

14 Araka ny voamarika teo aloha, rehefa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany ireo mpino, dia miezaka izy ireo hiara-mitoetra amin’ny vadiny tsy mino, ary matetika dia afaka manampy azy ho tonga eo amin’ny laharan’ny olona hovonjena. Na dia rehefa samy mpino aza ireo mpivady, dia mety ho tsy tonga lafatra velively ny fanambadian’izy ireo. Noho ireo fironana feno ota, dia tsy manana fiheverana mampiseho fitiavana amin’izy samy izy foana ireo lehilahy sy vehivavy manambady. (Romana 7:19, 20; 1 Korintiana 7:28). Misy mihitsy aza tonga hatramin’ny fitadiavana hahazo vady hafa, na dia tsy manana antony araka ny Soratra Masina hisarahana aza izy ireo. (Matio 19:9; Hebreo 13:4). Manjohy hevitra izy ireo fa ho azy, dia izany no tsara indrindra, ary sarotra loatra ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hiarahan’ireo mpivady hitoetra. (Malakia 2:16; Matio 19:5, 6). Izany dia tsy isalasalana fa fiheverana hafa koa araka ny fisainan’olombelona, fa tsy araka ny an’Andriamanitra.

15. Nahoana no fiarovana ny fametrahana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany?

15 Fiarovana toy inona moa ny fametrahana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany! Ireo mpivady izay manao toy izany dia hiezaka hifikitra amin’izy samy izy ary handamina ireo zava-manahirana azy amin’ny fampiharana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izany no analaviran’izy ireo ny karazana alahelo rehetra izay mitranga rehefa tsy raharahaina ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 19:7-11). Izany no hazavaina amin’ny alalan’ny ohatra ny amin’ny mpivady tanora iray izay, rehefa saika nanapa-kevitra ny hisaraka, dia nanapa-kevitra indray ny hanaraka ny torohevitry ny Baiboly. Taona maro tatỳ aoriana, rehefa nieritreritra ny amin’ny fifaliana hitany tao amin’ny fanambadiany ilay vehivavy dia nilaza hoe: “Tsy maintsy mipetraka aho ary mitomany rehefa misaintsaina fa nety ho niaina tafasaraka tamin’ny vadiko aho nandritra ireo taona rehetra ireo. Avy eo aho dia mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra ka misaotra azy noho ny toroheviny sy ny fitarihany izay nampiray anay ho amin’ny fifandraisana mahasambatra aoka izany.”

Ry lehilahy sy vehivavy manambady — Tahafo i Kristy!

16. Inona no ohatra navelan’i Jesosy ho an’ireo lehilahy sy vehivavy manambady?

16 I Jesosy, izay nametraka foana an’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany, dia namela ohatra mahatalanjona ho an’ireo lehilahy sy vehivavy manambady, ary tsara ny hanehoan’izy ireo fiheverana amim-pitandremana an’izany. Ireo lehilahy manambady dia ampirisihina mba hanahaka ny fomba nampiharan’i Jesosy ny maha-lohany nampiseho fitiavana tamin’ireo mpikambana tamin’ny kongregasiona kristiana. (Efesiana 5:23). Ary ireo vehivavy kristiana manambady dia afaka mianatra avy amin’ny oha-panekena an’Andriamanitra tsy nisy tomika navelan’i Jesosy. — 1 Korintiana 11:3.

17, 18. Tamin’ny lafiny inona avy i Jesosy no namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo lehilahy manambady?

17 Mandidy ny Baiboly hoe: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny [kongregasiona, NW ] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Ny fomba lehibe iray nanehoan’i Jesosy ny fitiavany ny kongregasionan’ireo mpanara-dia azy, dia tamin’ny naha-sakaizan’izy ireo akaiky azy. “Efa nataoko hoe sakaiza hianareo”, hoy i Jesosy, “satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15). Eritrereto ny fotoana rehetra lanin’i Jesosy niresahana tamin’ireo mpianany — ireo resaka be dia be niarahany nanao tamin’izy ireo — ary ny fatokiana napetrany tamin’izy ireo! Tsy ohatra faran’izay tsara ho an’ireo lehilahy manambady ve izany?

18 Naneho tena fahalianana tamin’ireo mpianany i Jesosy, ary nanana tena fitiavana marina azy ireo. (Jaona 13:1). Rehefa tsy nazava tamin’izy ireo ny fampianarany, dia naka fotoana nitokana tamim-paharetana izy mba hanazavana ny raharaha. (Matio 13:36-43). Ry lehilahy manambady, zava-dehibe aminao toy izany koa ve ny fahasambarana ara-panahin’ny vadinao? Mandany fotoana miaraka aminy ve ianao, mba hahazoana antoka fa mazava tsara ao an-tsaina sy ao am-ponareo roa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Niaraka tamin’ireo apostoliny teny amin’ny fanompoana i Jesosy, angamba nampiofana azy ireo isam-batan’olona. Miaraka amin’ny vadinao eny amin’ny fanompoana ve ianao, miaraka amin’ireo fitsidihana isan-trano sy ny fitarihana fampianarana Baiboly?

19. Amin’ny ahoana ny fomba niatrehan’i Jesosy ny fahalemen’ireo apostoliny niverimberina no mamela ohatra ho an’ireo lehilahy manambady?

19 Tamin’ny fiatrehany ny tsy fahatanterahan’ireo apostoliny indrindra no nanomezan’i Jesosy ohatra faran’izay tsara ho an’ireo lehilahy manambady. Nandritra ny sakafo farany niarahany tamin’ireo apostoliny, dia nahatsikaritra toe-tsaina nampiseho fifandrafiana niverimberina, izy. Nokianiny tamin’ny fomba henjana ve izy ireo? Tsia, fa nosasany tamim-panetren-tena ny tongotry ny tsirairay. (Marka 9:33-37; 10:35-45; Jaona 13:2-17). Maneho faharetana toy izany amin’ny vadinao ve ianao? Toy izay hitaraina momba ny fahalemena iray miverimberina, moa ve ianao miezaka amim-paharetana kosa hanampy azy sady hanohina ny fony amin’ny alalan’ny ohatra omenao? Azo inoana fa handray tsara ny fangoraham-po miharo fitiavana toy izany ireo vehivavy manambady, toy ny nataon’ireo apostoly tamin’ny farany.

20. Inona no tsy tokony hohadinoin’ireo vehivavy kristiana manambady mihitsy, ary iza no omena ho toy ny ohatra ho azy ireo?

20 Ireo vehivavy manambady koa dia mila mandinika an’i Jesosy, izay tsy nanadino mihitsy fa “Andriamanitra no lohan’i Kristy”. Nanaiky foana ilay Rainy any an-danitra izy. Toy izany koa, ireo vehivavy manambady dia tsy tokony hanadino fa ‘ny lehilahy no lohan’ny vehivavy’, eny, fa ny vadiny no lohany. (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:23). Nampirisika ireo vehivavy kristiana manambady ny apostoly Petera mba handinika ny ohatr’‘ireo vehivavy masina’ tamin’ny andro fahiny, indrindra ny an’i Saraha, izay “nanaiky an’i Abrahama ka nanao azy hoe ‘tompoko’ ”. — 1 Petera 3:5, 6.

21. Nahoana no nahita fahombiazana ny fanambadian’i Abrahama sy i Saraha, ary nahita tsy fahombiazana kosa ny an’i Lota sy ny vadiny?

21 Niharihary fa nilaozan’i Saraha ny tokantrano nampiadana iray tao amin’ny tanàn-dehibe niroborobo iray, mba hitoerana an-day tany an-tany hafa. Nahoana? Satria ve naleony izany fomba fiaina izany? Tsy azo inoana izany. Satria ve nangataka azy handeha ny vadiny? Tsy isalasalana fa antony iray izany, satria i Saraha dia tia sy nanaja an’i Abrahama noho ireo toetrany araka an’Andriamanitra. (Genesisy 18:12). Kanefa ny antony lehibe indrindra nandehanany niaraka tamin’ny vadiny, dia ny fitiavany an’i Jehovah sy ny faniriany tamim-pahatsorana hanaraka ny toromarik’Andriamanitra. (Genesisy 12:1). Nahita fahafinaretana izy tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Ny vadin’i Lota kosa tetsy an-danin’izany, dia nisalasala ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ka niherika hijery tamin’alahelo ireo zavatra nilaozany tao Sodoma, tanànany. (Genesisy 19:15, 25, 26; Lioka 17:32). Fiafarana nampalahelo toy inona moa izany ho an’io fanambadiana io — izany rehetra izany dia noho ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra!

22. a) Fandinihan-tena inona no hataon’ireo mpianakavy amim-pahendrena? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny fianarantsika manaraka?

22 Koa amin’ny maha-lehilahy na vehivavy manambady anao, dia zava-dehibe ny hanontanianao tena hoe: ‘Andriamanitra ve no voalohany ao amin’ny fianakavianay? Miezaka marina tokoa ve aho mba hanatontosa ny anjara asa nomen’Andriamanitra ahy, ao amin’ny fianakaviana? Manao ezaka amim-pahatsorana ve aho mba ho tia ny vadiko sy hanampy azy mba hahazoany fifandraisana tsara amin’i Jehovah, na mba hihazonany izany?’ Ao amin’ny ankamaroan’ny fianakaviana dia misy koa ireo zanaka. Hodinihintsika manaraka ny anjara asan’ireo ray aman-dreny, ary ny ilan’izy mivady mbamin’ireo zanany koa, hametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany.

Tadidinao Ve?

◻ Inona avy no mety ho vokatr’ireo fampianaran’i Jesosy eo amin’ny fianakaviana maro?

◻ Inona no valisoa azon’ny Kristiana an’arivony maro izay tsy azo hozongozonina?

◻ Inona no hanampy ireo mpivady hanalavitra ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fisaraham-panambadiana?

◻ Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesosy?

◻ Ahoana no ahafahan’ny vehivavy manambady mandray anjara mba hahasambatra ny fanambadiana?

[Sary, pejy 10]

Ahoana no nandraisan’i Saraha anjara tamin’ny fahombiazan’ny fanambadiany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara