FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Torohevitra, Mpanolo-tsaina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Hita amin’izany fa ny hoe “torohevitra” dia mety hidika koa hoe “sitrapo”, “fikasana”, na hevitra efa masaka ao an-tsaina. Izany no tian’i Jehovah holazaina rehefa niteny izy hoe: “Tsy hiova ny fikasako.” (Is 46:10) Inona kosa ilay “fikasan’ny fo [a.b.t.: torohevitry ny fo]” resahin’ny 1 Korintianina 4:5? Izay ao am-pon’ny olona, izany hoe ny fikasany na koa ny tetika na zavatra eritreretiny hatao, na izay zavatra efa masaka ao an-tsainy. Izany rehetra izany no haharihary rehefa ho avy hitsara i Jesosy Kristy Tompo. Inona no hevitry ny hoe ‘araka izay kasain’ny sitrapon’Andriamanitra’ (a.b.t.: araka ny torohevitry ny sitrapon’Andriamanitra), ao amin’ny Efesianina 1:11? Mety hidika izy io hoe “araka ny fikasany na ny hevitra efa masaka ao an-tsainy, izany hoe ny sitrapony.” Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy nanana trosan-dra izy, satria tsy niahotra nampianatra ny sitrapon’Andriamanitra rehetra (a.b.t.: torohevitr’Andriamanitra rehetra) (“ny fikasan’Andriamanitra”, DIEM), izany hoe izay rehetra ilaina mba hahavoavonjy.​—As 20:27.

  • Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Voatendry mialoha ireo ‘voantso sy voafidy.’ Misy koa ireo Kristianina “voantso” na ‘voafidy’ (Jd 1; Mt 24:24), izay ‘voafidy araka ny efa fantatr’Andriamanitra mialoha’ (1Pe 1:1, 2), ‘voafidy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao’, ‘voatendry mialoha mba hatsangana ho zanak’Andriamanitra’ (Ef 1:3-5, 11), ary ‘voafidy hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena sy voantso ho amin’izany indrindra.’ (2Te 2:13, 14) Ny Kristianina voahosotra tsirairay ve ireo voatendry mialoha ireo? Sa izay rehetra hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra, dia ny fiangonana kristianina izay “vatana iray” ihany?​—1Ko 10:17; Ef 1:22, 23; 2:19-22; He 3:1, 5, 6.

      Raha efa voatendry mialoha ho voavonjy mandrakizay ny Kristianina voahosotra tsirairay, dia toa midika izany fa tsy hivadika mihitsy izy, satria efa fantatr’Andriamanitra mialoha ny momba azy ary tsy tokony ho diso hevitra mihitsy Andriamanitra. Tsy tokony ho voasakana na handamòka mihitsy koa ny fikasany momba azy. Nilaza anefa i Petera sy Paoly fa misy efa ‘voavidy’ sy ‘nohamasinina’ tamin’ny ran’ny sorom-panavotan’i Kristy, sy efa “nanandrana ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra” sy ‘anisan’ny nahazo ny fanahy masina, ary efa nanandrana ny herin’ilay tontolo ho avy’, nefa mihemotra sy tsy mety mibebaka ka hahatonga fandringanana ho an’ny tenany. (2Pe 2:1, 2, 20-22; He 6:4-6; 10:26-29) Hoy àry ireo apostoly ireo: “Tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana.” “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.” (2Pe 1:10, 11; Fi 2:12-16) “Voantso ho apostolin’i Jesosy Kristy” i Paoly (1Ko 1:1), nefa tsy nihevitra hoe efa voalahatra ho voavonjy mandrakizay ny tenany. Nilaza mantsy izy fa mbola niezaka mafy ho tonga amin’ny ‘tanjona, mba hahazoany ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra avy any ambony’ (Fi 3:8-15), sao izy indray no “tsy hankasitrahana.”​—1Ko 9:27.

      Homena ny “satroboninahitry ny fiainana” ny Kristianina voahosotra, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny, na dia iharam-pitsapana aza. (Ap 2:10, 23; Jk 1:12) Mety tsy ho azony koa anefa ilay satroboninahitra ka tsy hiara-manjaka amin’ny Zanak’Andriamanitra izy. (Ap 3:11) Natoky i Paoly fa ‘notehirizina’ ho azy “ny satroboninahitry ny fahamarinana.” Efa akaiky ho ‘vitany’ anefa tamin’izay ny ‘fihazakazahany’, matoa izy afaka nilaza izany.​—2Ti 4:6-8.

      Raha efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha kosa ny hisian’ny fiangonana kristianina, na ilay “firenena masina” (1Pe 2:9) manontolo (fa tsy ny Kristianina voahosotra tsirairay), dia midika izany fa notendreny mialoha ny “modely” tokony harahin’ireo rehetra ho voantso ho anisan’ilay fiangonana, ary mifanaraka amin’ny fikasany izany. (Ro 8:28-30; Ef 1:3-12; 2Ti 1:9, 10) Efa voatendriny mialoha koa ny asa tokony hataon’izy ireo, ary efa fantany fa hisy fitsapana hatrehiny noho ny fampahorian’ity tontolo ity.​—Ef 2:10; 1Te 3:3, 4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara