FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/7 p. 10-12
  • Tokantrano Sambatra Ahitana ny Roa Tonga Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokantrano Sambatra Ahitana ny Roa Tonga Iray
  • Mifohaza!—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Aorian’ny andro fampakaram-bady
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Azo Avotana ny Fanambadianao!
    Mifohaza!—2001
  • Mifampiresaha Tsara dia Hihatsara ny Tokantranonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Henoy Tsara ny Vadinao
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/7 p. 10-12

Tokantrano Sambatra Ahitana ny Roa Tonga Iray

RAHA toa ka hanorina trano iray mafy sy tsy hanananao ahiahy ary hampiadana ianao, fitaovam-panorenana inona avy no hampiasainao? Hazo ve? Biriky ve? Sa vato? Ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly eto dia manoro hevitra toy izao: “Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina [“fahaiza-manavaka”, NW ] no mampaharitra azy; sady fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” (Ohabolana 24:3, 4). Eny, mitaky fahendrena, fahaiza-manavaka sy fahalalana ny fanorenana tokantrano sambatra.

Iza no manao ny trano? “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” (Ohabolana 14:1). Marina koa izany ho an’ny lehilahy hendry izay mahita fa miankina aminy ny hahatonga ny fanambadiany ho mafy sy sambatra na ho marefo sy feno alahelo. Anton-javatra inona avy no zava-dehibe? Mahaliana fa ny fanoloran-kevitr’ireo mpanolo-tsaina sasany momba ny fanambadiana amin’ny andro ankehitriny, dia mifanitsy akaiky erỳ amin’ny fahendrena tsy tontan’ny ela raketin’ny Tenin’Andriamanitra, izay nosoratana an’arivony taona maro lasa izay.

Fihainoana: “Ny tena fihainoana dia iray amin’ireo fanehoana fankasitrahana lehibe indrindra azonao aseho amin’ny olon-kafa iray ary tena zava-dehibe mba hamatorana sy hanolokoloana fifandraisana misy fifankahazoana am-po”, hoy ny boky fianarana iray mikasika ny fanambadiana. Ambaran’ny Ohabolana fa ‘ny sofin’ny hendry mitady fahalalana’. (Ohabolana 18:15). Koa satria tsy hita toy ny maso na vava misokatra ny sofina misokatra, ahoana no ahafahanao mampiseho amin’ny vadinao fa mihaino marina ianao? Fomba iray dia ny famerenana toy ny amin’ny fitaratra ny teny atao na ny fihainoana amim-paharisihana. — Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-11.

Fahatsorana sy fifankahazoana am-po: “Miasa mifanohitra amin’ny fahatsorana ny kolontsaina azontsika”, hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Iray Mifanohitra Amin’ny Iray — Fahazoana Ireo Fifandraisana Manokana (anglisy). “Ampianarina aloha be isika mba tsy hisalovana loatra amin’ny raharahan’ny hafa — mba hahatam-bava momba ny vola, ny hevitra, ny fihetseham-po, (...) izay zavatra rehetra momba antsika manokana. Tsy misinda tsotra izao izany fianarana izany, na dia rehefa ‘raiki-pitia’ aza isika. Raha tsy misy ezaka mitohy atao mba hisian’ny fahatsorana, dia tsy afaka ny hivelatra ny fifankahazoana am-po.” “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina” hoy ny fanamarihan’ny Ohabolana, “fa ao amin’ny mino anatra [“miara-midinika”, NW ] no misy fahendrena.” — Ohabolana 13:10; 15:22.

Tsy fivadihana sy fitokiana: Nifanao voady teo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hivadika ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. Ny fitiavana dia tsy voasembantsemban’ny fiahiahiana, ny avonavona, ny toe-tsaina tia fifaninanana, na ny fanahiana tafahoatra hahazo izay tokony ho an’ny tena, rehefa mifampatoky ireo mpivady fa tsy mivadika ny fifankatiavany.

Fiaraha-mizara: Mihamafy ny fifandraisana amin’ny fiarahana mizara fanandraman-javatra. Rehefa mandeha ny fotoana, dia afaka mamitrana lamba sarobidy misy tantara izay lalain’ny tsirairay, ny mpivady. Tsy azo saintsainina akory ny fiheverana handriatra izany fatoram-pisakaizana izany. “Misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” — Ohabolana 18:24.

Hatsaram-panahy sy fahalemem-panahy: Mampihena ny tsy fifanarahana sy mahalefy ny avonavona ireo asa feno hatsaram-panahy. Ny toetra mampiseho hatsaram-panahy, raha latsa-paka, dia tsy voatohina mihitsy na dia rehefa miakatra aza ny fientanam-po mandritra ny tsy fifanarahana, ka mampihena ny fahavoazana araka izany. Ny fahalemem-panahy dia mamorona rivo-piainana mafana izay ahafahan’ny fitiavana mivelatra. Na dia mety ho sarotra indrindra ho an’ny lehilahy aza ny mampiseho fahalemem-panahy, dia hoy ny Baiboly: “Ny zavatra faniry ao amin’ny olona dia ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana.” (Ohabolana 19:22, NW ). Ho an’ny vehivavy tsara manambady iray dia “ny lalàn’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana no eo amin’ny lelany”. — Ohabolana 31:26, NW.

Fanetren-tena: Fanafody fanefitra amin’ny poizin’ny avonavona ny fanetren-tena, izay manosika hiala tsiny avy hatrany sy haneho fisaorana matetika. Ahoana raha tena tsy manan-tsiny ny amin’ny fanafintohinana nambara taminao ianao? Nahoana raha milaza amim-pahalemem-panahy hoe: “Aza fady raha sorena mafy ianao”? Manehoa fiahiana ny toetra mora mihetsi-po ananan’ny vadinao, avy eo dia jereo miaraka ny fomba hanarenana izay tsy mandeha. “Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady.” — Ohabolana 20:3.

Fanajana: “Ny teny fototra amin’ny fanekena ireo tsy fitoviana eo amin’ny tsirairay avy sy ny fiarahana mitady ala olana amin’izy ireny, dia ny fanajana. Izay zava-dehibe amin’ny vady dia mety tsy ho toy izany ho an’ilay iray. Afaka manaja mandrakariva ny fomba fihevitr’ilay andaniny anefa ny ankilany.” (Fihazonana ny Firaisan’ny Fianakaviana Rehefa Misaratsaraka Izao Tontolo Izao, anglisy). “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny mino anatra [“miara-midinika”, NW ] no misy fahendrena.” — Ohabolana 13:10.

Fahaizana mandray zavatra amim-pihomehezana: Mety hisava amin’ny fiarahana mihomehy amim-pahatsorana ny rahona matevin’ny fotoan-tsarotra. Manamafy ny fatoram-pitiavana izany ary manamaivana ny fihenjanana, izay matetika tsy ahafahana manana fisainana tony. “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy”. — Ohabolana 15:13.

Fanomezana: Tadiavo amin’ny fomba manorina ireo zavatra tokony hankasitrahana ao amin’ny vadinao ary aza mitsitsy teny fiderana. Mety hitondra fankasitrahana lehibe kokoa noho ny fanaovana fanomezana karavato iray na akanjo, ireny fiahiana irina fatratra ireny. Mazava ho azy fa mbola afaka mifampividy na mifanao zavatra mahafinaritra ianareo. Nefa “ny fanomezana lehibe indrindra azonao omena”, hoy ilay boky hoe Fahaizana Ilain’ny Olon-dehibe sy ny Ankizy eo Amin’ny Fiainana (anglisy), “dia tsy ireo zavatra ara-nofo. Izany dia ny fanehoanao fitiavana sy fankasitrahana, ny fampaherezana ataonao, sy ny fanampianao.” “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” — Ohabolana 25:11.

Raha azo oharina amin’ny biriky fanorenana fifandraisana eo amin’ny mpivady ireny toetra tsara ireny, ny fampitan-kevitra kosa dia ny rihitra ilaina mba hanamafisana azy miaraka. Koa inona no azon’ireo mpivady atao rehefa mipoitra ny tsy fifanarahana? “Aza heverina ho toy ny loharano iavian’ny fifanoherana ny fomba fijery samy hafa ananan’ny vadinao (...) ataovy ho toy ny loharano ahazoana fahalalana izy ireny. (...) Manjary loharano miboiboika hahazoana fahalalan-javatra ireo tsipiriany amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ilay boky hoe Fahazoana ny Fitiavana Tadiavinao (anglisy).

Hevero ho toy ny fahafahana sarobidy hahatakatra hevi-dalina ao amin’ilay olon-tianao àry ny fotoana rehetra itrangan’ny tsy fifanarahana, fa tsy fihantsiana ho amin’ny ady. Aoka ianareo hiara-manaiky ny zava-tsarotra momba ny fahitana ala olana amin’ireo tsy fitoviana ary mandrosoa ho amin’ny fialofan’ny firindrana, ka amin’izany fomba izany no anamafisanareo ny fatorana sy hahatonga ny fitiavana izay mampiray ny roa, ho lalina.

Mahita toetra tsara dia tsara lehibe ao amin’ny fiaraha-miasa i Jehovah Andriamanitra, ka noho izany dia nampiditra azy io teo amin’ny asa famoronany — tao amin’ny tsingerina oksizenina omena sy alain’ireo zavamaniry sy biby, ny orbitan’ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, ny fifandraisam-piainana ifanasoavan’ireo bibikely sy voninkazo. Noho izany koa, eo amin’ny firaisan’ny mpivady, dia mety hisy tsingerina mafana izay hanomezan’ny lehilahy manambady toky ny vadiny ny amin’ny fitiavany azy, amin’ny teny sy ny atao; ary hanarahan’ny vehivavy manambady matoky sy be fitiavana amim-pahafaham-po ny fitarihany. Araka izany, dia tena manjary iray ihany ny roa, ka mitondra fifaliana ho an’izy samy izy sy ho an’ilay Mpamorona ny fanambadiana, dia i Jehovah Andriamanitra.

[Efajoro, pejy 11]

“Tandremo ny Fomba Fihainonareo”. — Lioka 8:18, NW

Ny fihainoana amim-paharisihana dia fomba iray ahazoana antoka fa mifankahazo hevitra marina ilay miteny sy ilay mihaino. Antsoina indraindray hoe famerenana toy ny amin’ny fitaratra ny teny izy io, satria ilay mihaino dia miezaka mamerina ny teny reny sy ny hevitra takany. Ireto manaraka ireto ny dingana fototra momba izany:

1. Mihainoa amim-pitandremana; aoka ianao ho mailaka handray ireo filazana hevitra lehibe.

2. Aoka ianao ho mailaka hahita ny fihetseham-po ao ambadik’ireo teny.

3. Avereno amin’ilay miteny izay renao. Aza mitsara na manakiana, na mifanditra. Aoka ho fantatr’ilay olona fotsiny fa voarainao tsara ny hevitra nolazainy. Ekeo ny fihetseham-pony.

4. Azo inoana fa, na hanamafy na hanitsy izay voalazanao ilay miteny, ka angamba izy mety hanome tsipiriany fanampiny momba ilay foto-kevitra.

5. Raha diso ny fahazoanao hevitra, dia manandrama indray.

Mandaitra indrindra ny fihainoana amim-paharisihana mba hampihenana ny fanindronan’ny fanakianana. Ekeo ny hoe miorina amin’ny fahamarinana sasany matetika ny fanakianana. Mety hotenenina amin’ny fomba maharary izy io, nefa toy izay hamaly ratsy ilay mpanakiana mba hiarovan-tena, nahoana no tsy mampiasa ny fihainoana amim-paharisihana mba hampitonena ny tarehin-javatra? Ekeo fa azonao izay mety ho fisehoan’ny fahasorenana nanaovana anao ho tompon’antoka, ary jereo ny fomba azo anarenana ilay raharaha.

[Efajoro, pejy 12]

“Raha Misy Manana Alahelo Amin’ny Sasany”. — Kolosiana 3:13

Rehefa manana alahelo ianao, ahoana no azonao itenenana izany tsara indrindra mba tsy hamelona ady? Voalohany, dia aoka ianao hatoky fa tsara fikasa ny vadinao. Mety hihevitra ianao fa ny vadinao dia tsy miraharaha, tsy mihevitra ny hafa, tsy mahay mandanjalanja, tsy mitandrina — nefa amin’ny ankapobeny dia azo inoana fa tsy nihevitra ny handratra anao izy. Ambarao amin’ny fomba tony tsy misy fiampangana ny fihetseham-ponao: “Rehefa nanao izao ianao, dia izao no tsapako...” Tsy misy zavatra mamelona fifamaliana eto. Fanambarana fotsiny izay tsapanao izany ary tsy misy fiampangana ny vadinao. Koa satria ilay olona nety ho tsy nihevitra velively ny hahasorena anao mihitsy, dia mety ho fandavana na fanamarinan-tena no asetriny. Mifantoha amin’ilay zava-manahirana anefa, ary aoka ianao ho vonona hanolotra ala olana.

[Sary, pejy 10]

Ny tena fihainoana dia iray amin’ireo fanehoana fankasitrahana lehibe indrindra azonao aseho amin’ny olon-kafa iray

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara