Afaka Mandresy Ireny Sakana Ireny Ianao!
NY FIARAMANIDINA goavana ( jumbo jet) dia afaka mitondra mpandeha an-jatony maro sy entana aman-taonina. Ahoana no ahafahan’ny fiaramanidina mavesatra toy izany miala amin’ny tany ka mihevaheva eny amin’ny habakabaka? Amin’ny alalan’ny tosika manainga fotsiny.
Rehefa mandeha mirimorimo eo amin’ny piste ny fiaramanidina, ny rivotra dia mibosesika avy eo ambony sy avy ao ambanin’ireo elatra miolika. Izany dia mamokatra hery mampiakatra antsoina hoe tosika manainga. Rehefa ampy ny tosika manainga ateraka, dia afaka mandresy ny fisintonan’ny tany ilay fiaramanidina ka misidina. Mazava ho azy fa ny fiaramanidina iray mavesatra loatra dia tsy afaka miteraka tosika manainga ampy mba hihevahevana eny amin’ny habakabaka.
Isika koa dia mety hanjary be zava-manavesatra. Taonjato maro lasa izay, dia nilaza i Davida Mpanjaka fa ‘ny helony dia tahaka ny enta-mavesatra tsy zakany’. (Salamo 38:4). Tahaka izany koa, i Jesosy Kristy dia nampitandrina mba tsy hanjary hovesaran’ny fiahiahiana izao fiainana izao. (Lioka 21:34). Ireo hevitra sy ireo fihetseham-po tsy manorina dia mety hanavesatra antsika ka ho tonga hatramin’ny hoe mety ho toa sarotra ny mahazo “tosika manainga”. Moa ve ianao mavesatra amin’izany fomba izany? Sa ianao mahita sakana sasany eo amin’ny fitomboanao ara-panahy lavidavitra kokoa? Raha izany no izy, inona no mety hanampy?
Sorisorena ve ianao?
Ny fahasorisorena — fitarainana mahazatra amin’izao andro izao — dia mety ho tonga sakana ao an-tsaina, na dia ho an’ny vahoakan’i Jehovah sasany aza. Ireo tanora indrindra indrindra no manana fironana tsy hiraharaha ireo zavatra atao sasany izay heveriny ho manorisory. Moa ve ianao mieritreritra toy izany indraindray ny amin’ireo fivoriana kristiana? Raha izany no izy, inona no azonao atao mba hahatonga ny fanatrehanao fivoriana handrisika?
Ny fandraisana anjara no fanalahidiny. Nanoratra toy izao tamin’ilay lehilahy tanora atao hoe Timoty, i Paoly: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny [fifikirana amin’, NW ]Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny [fifikirana amin’, NW ]Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:7, 8). Ny boky iray momba ny fahasalamana ara-batana dia hanorisory sy tsy hisy vidiny loatra raha toa isika ka tsy nanaraka hatramin’ny farany ireo fanazaran-tena nanoroana hevitra tao anatiny. Ireo fivoriana kristiana dia natao hanazarana ny saintsika ary izany no hataony raha toa isika ka miomana sy mandray anjara. Izany fandraisana anjara izany dia hahatonga ireo fivoriana hahafa-po sy hahaliana kokoa.
Momba izany, dia nilaza toy izao ny vehivavy kristiana tanora iray atao hoe Mara: “Raha tsy miomana ho amin’ny fivoriana aho dia tsy mahita fahafaham-po amin’izy ireny. Rehefa miomana mialoha anefa aho, dia mora mandray kokoa ny saiko sy ny foko. Manjary misy heviny kokoa ny fivoriana, ary tsy andriko ny hanomezana valin-teny.”
Ny fianarana mihaino dia hanampy koa. Mora ny mihaino mozika mahafinaritra sady ahazoana fahafinaretana avy hatrany. Tsy ny fahafaham-po rehetra anefa no azo eo no ho eo. Tsy misy afa-tsy amin’ny fihainoana amim-pitandremana izay voalaza ihany no ahazoantsika fahafaham-po avy amin’ny fandaharan’ny fivoriana. Ny Kristiana iray atao hoe Rachel dia nanao izao fanamarihana izao: “Rehefa tsy velombelona ilay mpandahateny dia mila ny mifantoka mafy aho. Amiko, ny fitsipika dia hoe: ‘Arakaraka ny tsy mahaliana ilay lahateny no ilako hifantoka bebe kokoa’. (...) Maneho fitandremana manokana ireo andinin-teny aho, ka miezaka mandray soa betsaka araka izay azo atao avy amin’izy ireny.” Isika dia mila ny mifehy ny tenantsika mba hihaino, tahaka an’i Rachel. Ny bokin’ny Ohabolana dia milaza toy izao: “Anaka, tandremo ny fahendreko, ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahalalako”. — Ohabolana 5:1.
Ny fanazavana sasany omena any amin’ireo fivoriana dia mety hoe hiverimberina ihany. Ilaina izany! Ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia mila fampahatsiahivana. Ny nofo tsy lavorary, miaraka amin’ireo fironany ratsy sy ny fitadidiana misy tsininy dia mila ny fanampiana rehetra azony raisina. Ny apostoly Petera dia ‘nazoto hampahatsiaro ireo mpino namany ny zavatra sasany, na dia efa fantatr’izy ireo aza izany ka efa naorina tsara tamin’ny fahamarinana izy ireo’. (2 Petera 1:12). I Jesosy koa dia nanazava fa “ny mpampianatra ampahibemaso rehetra (...) dia tahaka ny lehilahy iray, tompon-trano iray, izay mamoaka avy ao amin’ny fitahirizana ny harenany zavatra vaovao sy tranainy.” (Matio 13:52, NW ). Araka izany, na dia manolotra hevitra araka ny Soratra Masina fantatra tsara na ‘harena tranainy’ aza ireo fivoriantsika, dia misy foana ireo ‘harena vaovao’ sasany mba hitondra fahafaham-po ho antsika.
Ny fahatapahan-kevitra handray soa feno avy amin’ireo fivoriana dia mety hiafara amin’ny tena tosika ara-panahy. “Sambatra ny malahelo [“mpangataka”, NW, fanamarihana ambany pejy] am-panahy”, hoy i Jesosy. (Matio 5:3). Ny fihetsika toy izany eo anoloan’ny sakafo ara-panahy mahasoa omena any amin’ireo fivoriana dia hanaisotra ny fahasorisorena. — Matio 24:45-47.
Kivy noho ny ohatra ratsy ve?
Moa ve ianao sosotra noho ny fitondran-tenan’ny olona iray ao amin’ny kongregasionanao? Angamba ianao manontany tena hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny rahalahy iray mitondra tena tahaka izany, ary mbola hanana laza tsara ihany?’ Ny hevitra toy izany dia mety hiasa ho toy ny sakana ao an-tsaina, ka tsy hamela antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiarahana mahafinaritra ananantsika amin’ny vahoakan’Andriamanitra. — Salamo 133:1.
Angamba nanan-java-nanahirana nitovy tamin’izany ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasionan’i Kolosia. I Paoly dia nananatra azy ireo toy izao: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany”. (Kolosiana 3:13). Niaiky i Paoly fa ny Kristiana sasany tao Kolosia dia nety ho nitondra tena tamin’ny fomba ratsy ary araka izany, dia nety ho nanome antony marina hananan’ny hafa alahelo. Koa tsy tokony hahagaga antsika loatra àry raha misy amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika tsy maneho toetra kristiana sasany indraindray. I Jesosy dia nanome torohevitra marim-pototra ny amin’ny fomba fandaminana ireo tsy fifanarahana lehibe. (Matio 5:23, 24; 18:15-17). Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, isika dia afaka mizaka fotsiny ny fetran’ireo mpino namantsika ary mamela ny helok’izy ireo. (1 Petera 4:8). Raha ny marina, dia hahasoa antsika manokana sy ny hafa ny fanaovana izany. Nahoana no izany no izy?
“Ny [fahaiza-mahataka-javatry, NW ] ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana”, hoy ny Ohabolana 19:11. Tsara kokoa toy inona moa ny mamela heloka toy izay hamela ny fahatezerana sy ny fahasosorana hitombo! I Salvador, loholona iray fantatra noho ny fananany toe-tsaina feno fitiavana, dia nilaza toy izao: “Rehefa mitondra ahy amin’ny fomba ratsy ny rahalahy iray na milaza zavatra tsy mahafinaritra, dia manontany tena aho hoe: ‘Ahoana no azoko anampiana ny rahalahiko? Amin’ny fomba ahoana no ahafahako tsy mamoy ny fifandraisana sarobidy ananako aminy?’ Tsapako foana fa mora erỳ ny milaza zavatra tsy mety. Raha miteny amin’ny fomba tsy voahevitra ny olona iray, ny vahaolana tsara indrindra ho azy dia ny hikosoka izay nolazainy ary hamerina ny zava-drehetra indray. Tsy azo atao anefa izany, koa aleoko mifidy ny fomba fanaovan-javatra tsara indrindra manaraka ary mody tsy mahalala ilay fanamarihana. Heveriko ho avy amin’ny fisehoan’ny tsy fahalavorarian’ny nofo fotsiny izany fa tsy taratry ny maha-izy marina ny rahalahiko.”
Mety hieritreritra ianao fa mora tenenina kokoa izany fa sarotra atao. Miankina be dia be amin’ny fomba ampitodihantsika ny fisainantsika anefa izany. “Na inona na inona mahate-ho-tia, (...) dia hevero izany”, hoy i Paoly. (Filipiana 4:8). Ny hoe “mahate-ho-tia” dia midika ara-bakiteny hoe “manosika ho tia”. Irin’i Jehovah ny handinihantsika izay tsara ao amin’ny olona, ny hifantohantsika amin’izany toetra izay manosika ho tia fa tsy ho sosotra izany. Ny tenany mihitsy no manome ny ohatra fara tampony ho antsika amin’io lafiny io. Ny mpanao salamo dia nampahatsiahy antsika izany, rehefa nanao toy izao: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” — Salamo 103:12; 130:3.
Marina fa mety handiso fanantenana antsika indraindray ny fitondran-tenan’ny rahalahy iray, nefa ny ankamaroan’ireo mpiara-mivavaka amintsika dia ohatra mendrika hoderaina raha ny amin’ny fiainana kristiana. Raha tadidintsika ao an-tsaina izany, dia ho sambatra isika ‘hidera an’i Jehovah indrindra ary hidera azy eo amin’ny olona maro’, tahaka an’i Davida. — Salamo 109:30.
Toa sarotra loatra ve ny fahatongavana ho Vavolombelona?
Mampalahelo fa noho ny sakana hafa iray ao an-tsaina dia mbola tsy nanomboka nidera an’i Jehovah ny sasany. Lehilahy maro izay tsy Vavolombelon’i Jehovah no mamelona ny fianakaviany amin’ny fomba mendri-pitokiana ary manohana ny vadiny amin’ny fanompoana kristiana mihitsy aza. Mampiseho fisakaizana izy ireo ary mety haneho fahalianana amin’ny kongregasiona, nefa mitana tena tsy ho tonga mpanompon’Andriamanitra manolo-tena. Inona no mihazona azy ireo?
Ny zava-manahirana iray dia mety hoe mahamarika ny asa teokratika be dia be ataon’ireo vadiny ireny lehilahy ireny ka mety hieritreritra fa mitaky be loatra ny fahatongavana ho Vavolombelona. Na mety hatahotra izy ireo sao tsy ho afaka handray anjara amin’ny asa fitoriana isan-trano mihitsy. Amin’ny fomba fiheviny, ireo andraikitra dia toa manaloka ireo fitahiana. Inona no mahatonga ilay sakana ao an-tsaina? Ny ankamaroan’ireo mpianatra ny Baiboly dia mianatra sy mampihatra miandalana ny fahamarinana. Ireo tsy mpino manambady kristiana kosa anefa dia matetika mahalala tsara ireo andraikitra kristiana rehetra alohan’ny nampitomboany antony manosika mba hanekena azy ireny.
I Manuel, izay tao anatin’izany tarehin-javatra izany dia manazava toy izao: “Efa nandritra ny folo taona teo ho eo izao no niarahako tamin’ny vadiko tany amin’ireo fivoriambe sy ireo fivoriana. Raha ny marina no lazaina, dia naleoko ny fiarahana tamin’ireo Vavolombelona toy izay tamin’ny olon’izao tontolo izao, ary faly aho nanampy azy ireo rehefa azoko natao izany. Nanohina ahy ny fitiavana manjaka teo amin’izy ireo. Ny fieritreretana ny hoe handeha isan-trano anefa dia vato misakana iray lehibe ho ahy, ary natahotra aho fa sao hesoin’ireo mpiara-miasa amiko.
“Naharitra tamiko mihitsy ny vadiko ary tsy nanandrana nanery ahy hianatra ny Baiboly. Izy sy ny ankizy dia samy ‘nitory’ indrindra tamin’ny alalan’ny ohatr’izy ireo tsara. I José, loholona iray ao anatin’ny kongregasiona, dia naneho fiheverana manokana tamiko. Heveriko fa ny fampirisihana nataony tamin’ny farany no nahatonga ahy hanomboka hianatra tamim-pitandremana. Rehefa vita batisa aho vao tsapako fa ny vato misakana lehibe dia ny an’ny sakana ao an-tsaina. Raha vantany vao nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah aho, dia nahatsapa ny fanampiany tamin’ny fandresena ireo tahotro.”
Ahoana no ahafahan’ireo vehivavy manambady sy ireo loholona kristiana manampy ireo vady handresy ny sakana ao an-tsainy, tahaka an’i Manuel? Ny fianarana ny Baiboly dia mety hampitombo ny fankasitrahana sy ny faniriana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fahalalana miitatra momba ny Soratra Masina tokoa no fototra ho amin’ny fanehoana finoana sy ny fananana fitokiana amin’ny fanantenana amin’ny ho avy. — Romana 15:13.
Inona no hampirisika ny lehilahy manambady toy ireny hanaiky fampianarana Baiboly? Matetika, ny fisakaizana amin’ny rahalahy iray ao amin’ny kongregasiona izay mahazo ny fihevitry ny hafa dia mety ho anton-javatra manapaka. Angamba ho afaka hifankahalala amin’ilay lehilahy manambady ny loholona iray na ny rahalahy iray ampy fanandraman-javatra. Raha vantany vao voaorina ny fifandraisana tsara, ny hany mety hilainy dia olona iray mba hanolotra ny hiara-mianatra aminy. (1 Korintiana 9:19-23). Ao anatin’izany fotoana izany ihany, ilay vehivavy kristiana malina dia afaka mizara zavatra mahafinaritra ara-panahy amin’ny vadiny tsy mpino, amin’ny fahatakarana fa tsy azo inoana hampiseho fihetsika tsara eo anoloan’ny fanerena izy. — Ohabolana 19:14, NW.
Toy ny nianaran’i Manuel tamin’ny zavatra hitany manokana, rehefa mahazo tanjaka ara-panahy ny olona iray, ireo vato misakana toy ny tendrombohitra dia tonga toy ny antontan-tany kely. I Jehovah dia manome hery ireo izay maniry hanompo azy. (Isaia 40:29-31). Noho ny herin’Andriamanitra sy ny fanohanan’ireo Vavolombelona matotra, ireo sakana dia mety ho voaesotra. Araka izany, dia manjary tsy mahakivy firy ny asa isan-trano ary ireo mpiara-miasa dia tsy mampahatahotra firy, etsy an-danin’izany dia manjary manintona bebe kokoa ny fanompoana atao amin’ny fanahy manontolo. — Isaia 51:12; Romana 10:10.
Fihazonana ny tosika
Azo atao ny mandresy ireo sakana toy ireo telo nodinihintsika. Rehefa miainga ny fiaramanidina iray, dia takina ara-dalàna ny fara herin’ny maotera ary koa ny fitandremana tsy voazarazara avy amin’ny fitambaran’ny mpiasa ao amin’ilay fiaramanidina. Mandritra ny fiaingana, dia mandany solika be dia be ireo maotera noho ny mandritra izay mety ho tapany hafa amin’ilay fanidinana. Tahaka izany koa, ny miala amin’ireo hevitra sy ireo fihetseham-po tsy manorina dia mitaky ezaka sy fifantohana faran’izay betsaka. Ny fanombohana no mety ho ny tapany sarotra indrindra, kanefa kosa manjary mora kokoa ny fandrosoana rehefa azo ny tosika. — Ampitahao amin’ny 2 Petera 1:10.
Ny fandrosoana mitohy dia voahazona amin’ny fanarahana haingana ny fampirisihana ao amin’ny Soratra Masina. (Salamo 119:60). Afaka mahazo antoka isika fa ny kongregasiona dia haniry hanampy. (Galatiana 6:2). Ny mbola zava-dehibe indrindra anefa, dia ny fanohanan’i Jehovah Andriamanitra. Toy ny nilazan’i Davida azy hoe “isaorana anie ny Tompo [“Jehovah”, NW ], Izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro”. (Salamo 68:19). Rehefa manala izay manavesatra antsika ao amin’ny vavaka isika, dia manjary maivana kokoa ny entantsika.
Indraindray ny fiaramanidina dia miainga rehefa manorana sy be rahona ny andro, mamakivaky ny soson-drahona ka miditra haingana eo amin’ny lanitra feno masoandro mibaliaka. Isika koa dia afaka manary ireo hevitra tsy manorina. Omban’ny fanampian’Andriamanitra, dia afaka mandresy ny soson-drahona isika, raha azo atao ny milaza izany, ka maka fahafinaretana ao amin’ny rivo-piainana falifaly sy velombelona misy ny fianakaviana maneran-tanin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah.
[Sary, pejy 23]
Omban’ny fanampian’i Jehovah, dia afaka mandresy ireo sakana ao an-tsaintsika isika