Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?
NY FANDIDIANA teo amin’ny hazondamosin’i Harley dia nanery azy hiova asa, ka tsy ho mpanamboatra milina intsony, fa ho mpiasa birao. Rehefa nanontaniana izay tsapany momba io fiovana io i Harley, dia nilaza hoe: “Tena malahelo ny asa amin’ny milina aho. Raha ny marina anefa no lazaiko, dia sambatra kokoa aho amin’ny asako ankehitriny noho ny tamin’ny asako teo aloha.”
Rehefa nanome ny antony naha-afa-po azy i Harley, dia nitantara toy izao: “Izany dia noho ny fihetsiky ny olona miara-miasa amiko. Tsy mitovy amin’ny tany amin’ny toeram-piasako teo aloha, fa ny lehibeko sy ireo mpiara-miasa amiko ankehitriny dia mahay mankasitraka izay ataoko, ary tsy miahotra izy ireo manome teny fiderana. Nampisy fiovana lehibe izany.” Noho izy mahatsapa tena ho misy ilana azy sy ilain’ny hafa, dia mpiasa sambatra i Harley ankehitriny.
Ny teny fiderana na fankasitrahana, dia tena manafana ny fo, rehefa mendrika ny hatao. Ny vokatry ny tsy fahaiza-mankasitraka kosa, etsy an-danin’izany, dia afaka ny hampangatsiaka, araka ny nomarihin’i Shakespeare toy izao: “Mitsofa, mitsofa ianao, ry rivotry ny ririnina, tsy ratsy fanahy toy ny tsy fahaiza-mankasitraky ny olona ianao.” Mampalahelo fa maro no nanehoana haratsiam-panahy toy izany.
Mitandrema amin’ny tsy fahaiza-mankasitraka
Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mihamanjavona ny fanehoam-pankasitrahana amim-pahatsorana. Ny mpanoratra iray, ohatra, dia nametraka fanontaniana toy izao: “Raha nahita fotoana nametrahana adiresy tamin’ny taratasy fanasana 200 ho amin’ny fampakaram-badiny ny vehivavy ampakarina iray, nahoana izy no tsy hahita fotoana hanoratana taratasy fisaorana fohy, noho ireo fanomezana 163 azony?” Matetika, na dia ny teny tsotra hoe “misaotra” aza, dia tsy voalazan’ny olona. Mihamisolo toerana ny fahaiza-mankasitraka ny toe-tsain’ny izaho aloha. Io tarehin-javatra io dia iray amin’ireo marika famantarana ny andro farany. Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; fa ho tia tena ny olona (...), tsy mankasitraka”. — 2 Timoty 3:1, 2, Fandikan-teny Katolika.
Amin’ny toe-javatra hafa, dia ny fandokafana no misolo toerana ny fankasitrahana. Ny fanehoam-pankasitrahana dia atao avy amin’ny fo, tsy misy fieritreretana ny hahazo tombony ho an’ny tena manokana. Kanefa, ny fandokafana, izay mazàna no tsy amim-pahatsoram-po sy tafahoatra, dia mety ho avy amin’ny antony manosika miafina, dia ny hahazoana fisondrotana na tombontsoa manokana sasany. (Joda 16). Ankoatra ny fanangolena ilay olona, ny teny malefaka toy izany dia mazàna no vokatry ny eboebo sy ny fiavonavonana. Iza àry no maniry ho voan’ny fandokafana tsy misy fahatsoram-po? Tena mamelombelona anefa ny fankasitrahana avy amin’ny fo.
Ny olona maneho fankasitrahana dia mandray soa amin’ny fanaovana izany. Ny hafanana tsapany noho izy velom-pankasitrahana ao am-po dia manome azy fahasambarana sy fiadanana. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:13, 15.) Ary noho izy io toetra tsara, ny fahaiza-mankasitraka dia miaro ny olona amin’ny fihetseham-po ratsy toy ny fahatezerana sy ny fialonana ary ny lolompo.
“Asehoy fa velom-pankasitrahana ianareo”
Ny Baiboly dia mampirisika antsika mba hamboly toe-tsaina mahay mankasitraka, na hoe tia mankasitraka. Nanoratra toy izao i Paoly: “Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.” (1 Tesaloniana 5:18). Ary nanoro hevitra ireo Kolosiana toy izao i Paoly: “Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, (...) ary [asehoy fa velom-pankasitrahana ianareo, NW ]”. (Kolosiana 3:15). Salamo maro be no mirakitra fanehoam-pisaorana, izay milaza fa ny fankasitrahana avy amin’ny fo dia toetra tsara araka an’Andriamanitra. (Salamo 27:4; 75:1). Mazava fa faly i Jehovah Andriamanitra rehefa maneho fisaorana eo amin’ny asa aman-draharaha andavanandro isika.
Inona anefa ireo anton-javatra izay manasarotra ny fambolentsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka eto amin’itỳ tontolo tsy mahay mankasitraka itỳ? Ahoana no hanehoantsika fahaiza-mankasitraka eo amin’ny fiainana andavanandro? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.