FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fankatoavana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mankatò an’ireo tompo sy manam-pahefana. Ampirisihina ny mpanompo mba hankatò ny tompony “amin’ny zava-drehetra”, ary tsy hanao fanompoana eo imaso fotsiny, fa hanompo amin-tahotra an’i Jehovah, “toy ny mpanompon’i Kristy.” (Kl 3:22-25; Ef 6:5-8) Azony alaina tahaka i Kristy Jesosy, raha miaritra fijaliana izy. Afaka manao toy izany koa ny vehivavy kristianina manambady, raha mijaly. (1Pe 2:18-25; 3:1) Voafetra ihany ny fahefana ananan’ny tompo. Marina fa tokony hankatò “amin’ny zava-drehetra” ny mpanompo, nefa tsy amin’ny zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny.

  • Mpanompo, Andevo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tokony ho mpanompo tsara kokoa ireo niova ho Kristianina, ka “tsy hamalivaly, tsy hangalatra, fa ho mendri-pitokisana tanteraka kosa.” (Tit 2:9, 10) Tokony hiasa tsara foana izy ireo, na dia nanao ny tsy rariny taminy aza ny tompony. Nanahaka an’i Jesosy Kristy izy ireo satria nijaly noho ny fahamarinana. (1Pe 2:18-25) Hoy i Paoly: “Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny tomponareo ara-nofo. Aza manao fanompoana eo imaso fotsiny, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa ataovy amim-pahatsoram-po sy amin-tahotra an’i Jehovah kosa izany. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” (Kl 3:22, 23; Ef 6:5-8) Raha nampihatra izany izy ireo, dia tsy hisy hiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ary tsy hisy sahy hilaza hoe kamo sy tsy misy ilana azy ny mpanompo kristianina.​—1Ti 6:1.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara