FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Filozofia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • FILOZOFIA

      (filôzôfìa).

      Midika ara-bakiteny hoe “fitiavana fahendrena” ny hoe filôsôfia (gr.). Miezaka hahatakatra sy hanazava ny lafim-piainana rehetra ary ny antony sy ny fitsipika mifehy ny zava-misy ny filozofa ankehitriny, ka mandinika sy manombantombana.

  • Fomban-drazana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy nanonona lovantsofina jiosy mihitsy i Jesosy sy ny mpianany rehefa nampianatra, fa nampiasa kosa ny Tenin’Andriamanitra. (Mt 4:4-10; Ro 15:4; 2Ti 3:15-17) Rehefa niorina ny fiangonana kristianina, dia lasa “fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa” azon’ny Jiosy “tamin’ny fampianarana nentin-drazana [gr.: patrôparadôto, “nampitain’ny razana”]” ireo fombafomba tsy ara-baiboly narahiny. (1Pe 1:18) Tsy nanaraka an’ireny intsony àry ireo Jiosy lasa Kristianina. Nampitandreman’i Paoly ny Kolosianina mba tsy hanaiky hotaomin’ny mpampianatra sandoka hanaraka ny “filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona”, indrindra fa ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy.​—Kl 2:8, 13-17.

  • Izao Tontolo Izao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity.” Noharin’i Paoly tamin’ny mpanompo ny ankizy tsy ampy taona, satria mbola olon-kafa no miandraikitra azy. Hoy izy avy eo: “Dia toy izany koa isika: Fony mbola zaza bodo isika dia nandevozin’ny zavatra fototra [stôikeia] eto amin’ity tontolo ity.” (Ga 4:1-3) Tonga anefa, hoy izy, ny Zanak’Andriamanitra rehefa “tapitra tanteraka ny fotoana voafetra”, ka nanafaka ny mpianany tsy ho eo ambanin’ny Lalàna mba handraisan’izy ireo ny fananganana azy ho zanaka. (Ga 4:4-7) Nampitandrina an’ireo Kristianina tany Kolosia koa izy, sao izy ireo ho voataonan’ny “filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra [stôikeia] eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy, satria ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra.” ‘Niara-maty tamin’i Kristy [mantsy] izy ireo raha ny amin’ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity.’​—Kl 2:8, 9, 20.

      Hoy ny Fanazavan’ny Mpitory Teny (Galatianina, p. 181) momba ilay teny grika hoe stôikeia (mr.: stôikeiôn) nampiasain’i Paoly: “‘Tsato-kazo nalahatra’ no heviny voalohany, ... nanjary nidika hoe litera maromaro nalahatra ilay teny [stôikeia] ka ireo no lasa teny fototra ampiasaina rehefa miresaka; ny zavatra fototra rehetra eo amin’ny natiora no hevitr’izy io tatỳ aoriana, toy ireo ‘singan-javatra’ efatra (jereo 2 Pet. 3:10, 12); ary avy eo nidika hoe fahalalana ‘fototra.’ Io heviny farany io no ao amin’ny Heb. 5:12.” (Nataon’i C. Spence, Londres, 1885) Midika hoe ‘manaraka tsara’ ilay matoanteny hoe stôikeô.​—Ga 6:16.

      Tsy ireo singan-javatra hita eo amin’ny zavaboary no noresahin’i Paoly tamin’ny Galatianina sy ny Kolosianina, fa “ireo zavatra fototra mampiavaka ny olona tsy kristianina”, izany hoe ny fitsipika fototra arahin’izy ireo, hoy i Heinrich Meyer manam-pahaizana alemà. (Boky Mamakafaka sy Mitsikera, 1884, Galatianina, p. 168) Anisan’izany koa, hoy i Paoly, ny filozofia sy ny fampianarana mamitaka izay mifototra amin’ny fitsipika sy ny fisainan’ny olona ary ny anganony, toy ireo nankafizin’ny Grika sy ny firenena hafa mpanompo sampy. (Kl 2:8) Anisan’ireo zavatra fototra noresahin’i Paoly koa ny fampianarana sasany ninoan’ny Jiosy nefa mifanohitra amin’ny Baiboly, toy ny hoe ilaina ny mampihafy tena be sy ‘mivavaka amin’ny anjely’ ary ny hoe tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina.​—Kl 2:16-18; Ga 4:4, 5, 21.

      Marina fa avy amin’Andriamanitra ny Lalàna, saingy tanteraka tamin’i Kristy Jesosy izy io ka efa lany andro. Aloky ny zavatra ho avy mantsy izy io, fa i Kristy no “tena izy.” (Kl 2:13-17) Zavatra ‘eto amin’ity tontolo ity’ na naorin’olombelona koa ny tranolay masina (sy ny tempoly). Naorina “tetỳ an-tany” (gr.: kôsmikôn; He 9:1) izy ireo, fa tsy tany an-danitra. ‘Nitaky zavatra momba ny nofo’ ny lalàna narahin’ny mpivavaka tao, “ary tsy maintsy notandremana ireny mandra-pahatongan’ny fotoam-panitsiana voatondro.” I Kristy Jesosy anefa efa niditra “tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana, izany hoe, tranolay tsy anisan’izao zavatra ary izao”, dia ny lanitra. (He 9:8-14, 23, 24) Efa nilaza tamin’ny vehivavy samaritanina iray koa izy fa ho avy ny fotoana tsy hivavahana ao amin’ny tempolin’i Jerosalema intsony. “Hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana” kosa ny tena mpivavaka. (Jn 4:21-24) Tsy nilaina intsony àry ny tranolay sy ny tempoly teo amin’ny tontolo misy ny olombelona, rehefa maty sy natsangana ary niakatra tany an-danitra i Kristy Jesosy. “Tandindon’ny” zavatra lehibe any an-danitra fotsiny mantsy izy ireny.​—He 9:23.

      Tsara kokoa ny fanompoan’ny Kristianina, anisan’izany ny an’ireo tany Galatia sy Kolosia, satria mifototra amin’i Kristy Jesosy. I Jesosy, fa tsy ny olona sy ny toro lalan’izy ireo ary ny fampianarany, na ‘ny Lalàna [izay] nitaky zavatra momba ny nofo’, no tokony heken’izy ireo, satria izy no manan-jo hamaritra an’izay fitsipika tokony harahina sy izay fampianarana marina ary fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra. (Kl 2:9) Tsy tokony hitondra tena toy ny ankizy ny Kristianina, ka izy ireo indray no haniry hanaraka ny Lalàn’i Mosesy, izay mpitaiza fotsiny raha ny marina. (Ga 3:23-26) Toy ny fifandraisan’ny zanaka efa lehibe amin’ny rainy kosa ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra. Fampianarana fototra na “ny abidy amin’ny fivavahana” ny Lalàna, raha oharina amin’ny fampianarana kristianina. (Boky Mamakafaka sy Mitsikera, nataon’i Meyer, 1885, Kolosianina, p. 292) Nateraka ho amin’ny fiainana any an-danitra ny Kristianina voahosotra, ka maty sy nofantsihana izy ireo araka ny fiheveran’ilay tontolo (kôsmôs) nisy tamin’izany, izay nitaky ny famorana. Lasa “zavaboary vaovao” àry izy ireo. (2Ko 5:17; Kl 2:11, 12, 20-23; ampit. Ga 6:12-15; Jn 8:23.) Fantatr’izy ireo fa tsy avy amin’olombelona ny Fanjakan’i Jesosy. (Jn 18:36) Tsy tokony hiverina any amin’ireo “zavatra fototra tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy” eo amin’ny tontolo misy ny olombelona àry izy ireo. (Ga 4:9) Sao mantsy izy ireo ho voafitaka ary hamoy ny “harena rehetra, izay tsy inona fa ny fatokisany tanteraka ny fomba fahazoany hevitra” sy ny “fahalalana marina tsara ny zava-miafina masin’Andriamanitra, izany hoe i Kristy” izay iafenan’ny “harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.”​—Kl 2:1-4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara