-
AlokaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo an-tsaina ny bikabikan’ny zavatra iray rehefa jerena ny aloka eo ivohony. Tsy ilay zavatra tena izy anefa ilay aloka. Nanazava i Paoly fa aloky ny zavatra lehibe kokoa ho avy ny Lalàna, anisan’izany ny tranolay sy ireo fety ary ireo sorona. Hoy izy: “Ny tena izy dia an’i Kristy.”—Kl 2:16, 17; He 8:5; 9:23-28; 10:1.
-
-
FahamarinanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy te hilaza akory i Jaona eo hoe diso ny Lalàn’i Mosesy. Marina izy io satria masina sy ara-drariny ary tsara, mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. (Sl 119:151; Ro 7:10-12) Mpitaiza nitarika ho amin’ny Kristy anefa izy io (Ga 3:23-25), ary aloky ny zavatra tena izy sy lehibe kokoa. (He 8:4, 5; 10:1-5) Tsy ny fahamarinana rehetra anefa no hita tao. Tsy maintsy nosoloana àry izy io rehefa tonga ny tena izy. Nanamafy izany i Paoly hoe: “Aoka tsy hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na fitandremana sabata. Fa aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kl 2:16, 17) ‘Tonga tamin’ny alalan’i Jesosy ny fahamarinana’, rehefa notanterahiny ny zavatra nambaran’ny Lalàna mialoha. Izy àry no “fahamarinana” satria tsy aloka izy fa ilay tena izy. Tonga ‘mpanompo’ koa izy “mba hanaporofoana fa marina Andriamanitra.” Notanterahiny mantsy izay nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razamben’ny Jiosy, rehefa nanompo an’ireo Jiosy voafora sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy.—Ro 15:8; jereo JESOSY KRISTY (‘Nanambara ny marina’).
-