FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiadiana, Fitaovam-piadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Miaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Miaro ny sain’ny Kristianina amin’ny fitaoman-dratsy koa àry ny “fiarovan-dohan’ny famonjena.” (Ef 6:17) Tokony ‘hotafina ny fanantenana famonjena’ mba “ho fiarovan-doha.” Midika izany fa tokony hanahaka an’i Mosesy ny Kristianina ka ‘hibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa.’​—1Te 5:8; He 11:26.

  • Fanantenana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Manatsara toetra sy mahasoa. Tena mila fanantenana ny Kristianina. Tononina miaraka amin’ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny herin’ny fanahy masina izy io. (Ro 15:13) Izy io no mahatonga ny olona ho sahy hiteny rehefa miangavy an’Andriamanitra mba hanehoany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy famindram-po. (2Ko 3:12) Izy io koa no mahatonga ny Kristianina ho faly rehefa miaritra fahoriana, na inona izany na inona. (Ro 12:12; 1Te 1:3) Toy ny fiarovan-doha miaro ny lohan’ny miaramila ny fanantenana famonjena, satria miaro ny sain’ny Kristianina izy io mba tsy hivadihany. (1Te 5:8) Manatanjaka ny voahosotra ny fanantenana raha mbola eto an-tany izy ireo, izany hoe mbola tsy mahazo ny valisoany any an-danitra. Mahery be mantsy ny faniriany sy ny fanantenany ka maharitra miandry an’ilay zavatra antenainy izy ireo na dia mafy aza ny fitsapana sy ny fahasahiranana diaviny.​—Ro 8:24, 25.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara