MAHATSIARO SAINA, TSY MAMO
Midika hoe tsy eo ambanin’ny herin’ny zava-pisotro mahamamo ny teny grika hoe nefô (matoanteny) sy nefaliôs (mpamari-toetra). Matetika anefa izy ireo no ampiasaina an’ohatra ao amin’ny Soratra Masina, ka midika hoe mahatsiaro saina, mahay mandanjalanja eo amin’ny zavatra fanao, mailo, miambina, na misaina tsara. Teny iray tarika amin’ireo ny hoe eknefô izay midika hoe “misava ny hamamoana.” Ampiasaina ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izy io, ao amin’ny Genesisy 9:24 sy Joela 1:5 ary Habakoka 2:19. Voalazan’ny Genesisy fa “nisava ny hamamoan’i [nifoha i] Noa.” Nasain’i Joela mpaminany ‘hifoha’ ireo Israelita izay toy ny “mpimamo”, ary nilaza i Habakoka fa hahita loza ireo mpanompo sampy milaza amin’ny vato aman-kazo hoe: “Mifohaza!”
Milaza ny apostoly Paoly fa fepetra takina amin’izay hotendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny hoe “mahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony” (gr.: nefaliôs), anisan’izany ny hoe tsy tokony ho zatra misotro divay be loatra. Voalaza koa mantsy fa tsy tokony ho “mpimamo mila ady” izy. Asehon’io teny hoe nefaliôs io fa mahay misaina izy, ary mahay mandanjalanja amin’ny zavatra hafa toy ny teniny sy ny fitondran-tenany, ary koa mahalala onony isaky ny misotro.—1Ti 3:2, 3.
Notoroana hevitra koa ny vehivavy kristianina mba “ho mato-tsaina”, “tsy ho mpanendrikendrika, ary tokony hahay handanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony, sy ho mendri-pitokisana amin’ny zavatra rehetra.” (1Ti 3:11) Nilazana toy izany koa ny zokiolona, na lahy na vavy. Nasaina niezaka, ohatra, ny vehivavy zokiolona mba ho modely ka ‘hanampy ny vehivavy tanora hahatsapa tena’, ho vady sy reny tsara, ary hanaiky ny vadiny.—Tit 2:2-5.
Voatariky ny fampianaran-dison’ny olona sasany ny Kristianina tany Korinto, ka nananatra azy ireo i Paoly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa. Aoka ianareo hifoha sy hahatsiaro saina [endriny hafa amin’ny hoe eknefô] ka hanao ny marina, ary aza zatra manota. Tsy manana fahalalana an’Andriamanitra mantsy ny sasany. Ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.” (1Ko 15:33, 34) Tokony hifoha izy ireo ka tsy ho variana amin’ny fampianaran-diso izay namitaka olona sasany sy nahatonga azy ireny harary sy ho faty ara-panahy mihitsy. (1Ko 11:30) Nisy olona nampiely fampianarana tsy avy amin’ny apostoly koa tany Tesalonika talohan’izay, ka nampikorontan-tsaina an’ireo Tesalonianina. Nanoratra ho an’ireo tena Kristianina ireo koa i Paoly, ary nilaza fa ho avy tampoka ny “andron’i Jehovah”, nefa tsy hanampoka azy ireo toy ny mpangalatra izany. Tsy tokony ho rendremana àry izy ireo, fa tokony ho mailo ka “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana [a.b.t.: tsy ho mamo].”—1Te 5:2-6, 8.
Nampitandrina an’i Timoty koa i Paoly fa hisy fivadiham-pinoana, ka mety hivadika na dia ny Kristianina te hifikitra amin’ny finoana aza. Mpiandraikitra i Timoty ka tena tokony hiezaka “hisaina tsara foana [tsy ho toy ny mamo fa hahira-tsaina] amin’ny zava-drehetra”, ‘hiaritra fahoriana, hanao ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary hanatanteraka tsara ny fanompoany.’ (2Ti 4:3-5) Tokony hisaina tsara izy ka hitadidy fa tsy ho eo foana i Paoly (2Ti 4:6-8) ary ho toy izany koa izy, ka tokony hatolony an’ireo lehilahy mendri-pitokisana izay reny tamin’i Paoly, mba hahaizan’izy ireny hampianatra ny hafa. (2Ti 2:2) Hatanjaka tsara toy ny manda ny fiangonana amin’izay, ka hahatohitra ny fivadiham-pinoana, ary ho “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.”—1Ti 3:15.
Fantatry ny apostoly Petera koa fa kely sisa dia tsy ho eo intsony izy sy ny apostoly hafa. (2Pe 1:14) Izy ireo anefa no nisakana an’ilay fivadiham-pinoana avy tamin’ny Devoly. Nilaza tamin’ny Kristianina àry izy mba hifikitra amin’ny famonjena azy ireo amin’ny alalan’i Kristy, ka “hisaina tsara foana [a.b.t.: tsy ho mamo fa hahatsiaro saina tsara]” ary ‘hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay hoentina ho azy ireo rehefa haharihary i Jesosy Kristy.’ (1Pe 1:13) Fantatr’izy ireo fa manakaiky ny farany ary vao mainka hitombo ny fanenjehana, ka tokony hisaina tsara izy ireo, hiambina sy ho mailo ary tsy hanao tsirambina ny vavaka mba hahazoana hery hiaretana. (1Pe 4:7) Nampirisika azy ireo izy mba hisaina tsara foana, satria toy ny liona mierona mitady olona harapaka ny Devoly, ka tokony hanohitra mafy azy izy ireo. Tokony hahatsiaro saina tsara àry izy ireo fa tsy ho eo ambanin’ny herin’ny alkaola, ary tokony ho mato-tsaina sy hahafehy tena.—1Pe 5:8, 9.