Aoka ianao ho vonona ho amin’ny Andron’i Jehovah!
Hevi-dehibe ao amin’ny Tesaloniana voalohany
NY ANDRON’I Jehovah! Nihevitra izany ho efa antomotra ireo kristiana tany Tesalonika fahiny. Marina ve ny fiheveran’izy ireo? Rahoviana izy io no ho tonga? Izany dia raharaha iray lehibe dia lehibe resahina ao amin’ny taratasy voalohan’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana, nalefa avy tany Korinto, tany amin’ny taona 50 amin’ny fanisan-taona iraisana tany ho any.
Nanorina ny kongregasiona tany Tesalonika, toeram-pitantanana ny provansa roman’i Makedonia, ry Paoly sy Silasy. (Asan’ny apostoly 17:1-4). Tatỳ aoriana, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesaloniana, dia nanolotra teny fiderana i Paoly, nanome fananarana, ary niresaka ny amin’ny andron’i Jehovah. Afaka mandray soa avy amin’io taratasy io koa isika, indrindra amin’izao andron’i Jehovah efa tena akaiky izao.
Manaova teny fiderana ary mampahereza
Voalohany indrindra, dia nanao teny fiderana ho an’ny Tesaloniana i Paoly. (1:1-10). Teny fiderana noho ny asany amin’ny finoana sy ny faharetany izany. Mendri-piderana koa fa “nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” izy ireo. Moa ve ianao manao teny fiderana ny hafa toy ny nataon’i Paoly?
Namela ohatra tsara ny apostoly Paoly. (2:1-12). Na dia teo aza ny fisetrasetrana tany Filipy, dia ‘sahy tao amin’Andriamanitra izy hiteny ny filazantsara tamin’ny Tesaloniana. Nanalavitra ny teny mandrobo sy ny fieremana ary ny fitadiavana voninahitra izy. Tsy nanjary enta-mavesatra loatra ho azy ireo i Paoly fa nalemy fanahy taminy, tahaka ny reny mitaiza ny zanany. Ohatra tsara re izany ho an’ireo loholona amin’ny andro ankehitriny!
Ireo tenin’i Paoly manaraka dia nampirisika ny Tesaloniana mba hiorina mafy hatrany rehefa enjehina. (2:13–3:13). Niaritra fanenjehana avy tamin’ireo mpiray firenena taminy izy ireo, ary nitondra fitantarana tsara ho an’i Paoly ny amin’ny toe-piainan’ireo ara-panahy i Timoty. Nivavaka ny apostoly Paoly mba hitombo amin’ny fitiavana izy ireo ary mba hiorina mafy ny fony. Sahala amin’izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah izao dia mivavaka ho an’ireo mpiray finoana aminy izay enjehina, mampahery azy ireo araka izay azo atao, ary mifaly amin’ny fandrenesana ny amin’ny fahatokiany.
Mifohaza hatrany amin’ny ara-panahy!
Manaraka izany dia nandray torohevitra ny Tesaloniana. (4:1-18). Tokony hitombo bebe kokoa amin’ny fanarahana fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fanehoana fifankatiavan’ny mpirahalahy bebe kokoa sy amin’ny fiasana amin’ny tanany mba hahazoana izay ilainy. Ankoatra izany, dia tokony hifampionona izy ireo amin’ny fanantenana fa amin’ny fanatrehan’i Jesosy, dia hatsangana aloha ireo mpino nateraky ny fanahy izay efa maty ka hampiraisina aminy. Manaraka izany, ireo voahosotra tavela mbola velona, rehefa maty sy hatsangana amin’ny maty, dia hampiraisina amin’i Kristy sy ireo izay efa natsangana ho any amin’ny fiainana any an-danitra.
Manaraka izany, dia niresaka ny amin’ny andron’i Jehovah i Paoly ary nanome torohevitra fanampiny. (5:1-28, MN). Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’i Jehovah, ka ho azo antoka ny hiavian’ny fandringanana tampoka aorian’ny antsoantso hoe: “Fiadanana sy filaminana!” Tokony hifoha hatrany amin’ny ara-panahy àry ny Tesaloniana, ho voaron’ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha. Tokony haneho fiheverana lalina ireo izay mitondra ao amin’ny kongregasiona izy, ary hifady ny fanao ratsy, tahaka antsika koa.
Ny taratasy voalohan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana dia tokony hanosika antsika hanao teny fiderana sy fampaherezana an’ireo mpiray finoana amintsika. Izy io koa dia tokony hanosika antsika ho ohatra tsara eo amin’ny fitondrantena sy fihetsika. Ary azo antoka fa afaka manampy antsika ho vonona ho amin’ny andron’i Jehovah ny torohevitra raketiny.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Fiarovan-tratra sy Fiarovan-doha: Raha nampirisika ny tokony hifohazana hatrany amin’ny ara-panahy i Paoly dia nanoratra toy izao: “Aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. (1 Tesaloniana 5:8). Anisan’ny fitafian’ny mpiady iray ho fiarovana ny tratra ny fiarovan-tratra, voaforona metaly kely maro be mifamatotra, rojo, na metaly mafy. Mitovy amin’izany, ny fiarovan-tratran’ny finoana dia miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy. Ary ahoana ny amin’ny fiarovan-doha fahiny? Izy io dia saron-dohan’ny miaramila, matetika vita tamin’ny metaly, natao hiarovana ny mpiady iray mandritra ny ady. Tahaka ny niarovan’ny fiarovan-doha ny lohan’ny mpiady iray, no iarovan’ny fanantenana ny famonjena ny herin-tsaina, ka amin’izany no ahafahan’ny kristiana iray hihazona ny tsy fivadihany. Tena iankinan’ny aina ny itafian’ny vahoakan’i Jehovah ny fiadiana ara-panahy toy izany! — Efesiana 6:11-17.