FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/6 p. 14-19
  • Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mpiara-miasa aminareo izahay’
  • Fanampiana ny rehetra hanompo amim-pifaliana
  • ‘Mankatoava ka maneke’
  • ‘Hajao indrindra izy’
  • ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’ mba Hikarakara ny Ondrin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Manekè ny mpitondra anareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • ‘Tiavo fatratra hatrany ny olona karazan’izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/6 p. 14-19

Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’

‘Ekeo izay mikely aina eo aminareo, ary hajao indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany.’ — 1 TESALONIANA 5:12, 13.

1. Araka ny Asan’ny Apostoly 20:35, inona no herin’ny hoe manome? Hazavao amin’ny ohatra.

“MAHASAMBATRA kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Tsaroanao ve ny fotoana farany nahatsapanao ny fahamarinan’ireo tenin’i Jesosy ireo? Angamba izany tamin’ny nanoloranao fanomezana iray ho an’ny olona iray tianao tokoa. Nofidinao tamim-pitandremana ilay fanomezana, satria nirinao ho zavatra hankamamin’ilay sakaiza tianao. Dibo-kafaliana erỳ ny fonao rehefa hitanao soritra teny amin’ny tavany ny hafaliany! Rehefa tsara ny antony manosika antsika hanome, dia fanehoam-pitiavana ny manome, ary manan-kery hahasambatra antsika ny maneho fitiavana.

2, 3. a) Nahoana no azo lazaina fa tsy misy sambatra kokoa noho i Jehovah, ary amin’ny ahoana no mampifaly ny fony ireo ‘lehilahy natolony ho fanomezana’? b) Inona no tsy irintsika hatao amin’ny fanomezana avy amin’Andriamanitra?

2 Iza àry no mety ho sambatra kokoa noho i Jehovah, ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra”? (Jakoba 1:17; 1 Timoty 1:11). Ny fitiavana no manosika azy hanome izay fanomezana rehetra. (1 Jaona 4:8). Azo antoka fa izany no izy, raha ny amin’ilay fanomezana natolotr’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ho an’ny kôngregasiôna, dia ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’. (Efesiana 4:8, NW ). Fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany lalina ny vahoakany ny nanomezany loholona hikarakara ny andian’ondry. Fidina amim-pitandremana ireo lehilahy ireo, satria tsy maintsy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina izy ireo. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy ‘miantra ny ondry’ ny tenany. Amin’izay mantsy ireo ondry dia hanana antony hankasitrahana ireo mpiandry be fitiavana ireo. (Asan’ny Apostoly 20:29; Salamo 100:3). Rehefa hitan’i Jehovah fa feno fankasitrahana toy izany ny fon’ny ondriny, dia azo antoka fa tsy maintsy ho faly ny fon’i Jehovah! — Ohabolana 27:11.

3 Azo antoka fa tsy irintsika ny hampihen-danja ny fanomezana iray avy amin’Andriamanitra, no sady tsy irintsika ny tsy hankasitraka ny fanomezany. Mipetraka àry ireto fanontaniana roa ireto: Ahoana no tokony hiheveran’ny loholona ny anjara asany ao amin’ny kôngregasiôna? Ary ahoana no azon’ny sisa amin’ny andian’ondry anehoana ny fankasitrahany ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’?

‘Mpiara-miasa aminareo izahay’

4, 5. a) Noharin’i Paoly tamin’ny inona ny kôngregasiôna, ary nahoana no fanoharana mety tsara izany? b) Inona no asehon’ilay fanoharan’i Paoly raha ny amin’ny fomba fijery tokony hananantsika momba antsika samy isika sy ny fomba tokony hifampitondrantsika?

4 Nanankinan’i Jehovah fahefana voafetra ao amin’ny kôngregasiôna ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’. Mazava ho azy fa tsy irin’ny loholona ny ho ratsy fampiasa ny fahefany, kanefa fantany koa fa mora dia mora ho an’ny olombelona tsy lavorary ny manao toy izany. Ahoana àry no tokony hiheverany ny tenany eo anoloan’ny sisa amin’ny andian’ondry? Diniho ilay fanoharana nampiasain’ny apostoly Paoly. Nanoratra toy izao izy, rehefa avy namelabelatra ny antony nanolorana ireo “lehilahy ho fanomezana”: “[Aoka isika] hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.” (Efesiana 4:15, 16). Koa noharin’i Paoly tamin’ny vatan’olombelona iray àry ny kôngregasiôna, tafiditra amin’izany ireo loholona sy mpikambana hafa. Nahoana no fanoharana mety tsara izany?

5 Rantsambatana maro samy hafa no mahaforona ny vatan’olombelona iray, nefa iray ihany ny lohany. Kanefa, tsy misy na inona na inona ao amin’ny vatana, na hozatra izany, na fitatitra, na lalandra, ka tsy ilaina. Samy tena ilaina ny rantsambatana tsirairay, ary samy mandray anjara mba hananan’ilay vatana manontolo fahasalamana sy hatsaram-bika. Toy izany koa ny kôngregasiôna: mpikambana maro samy hafa no mahaforona azy io, kanefa ny mpikambana tsirairay, na antitra na tanora, na matanjaka na osa, dia afaka mandray anjara mba hananan’ilay kôngregasiôna manontolo fahasalamana sy hakanto ara-panahy. (1 Korintiana 12:14-26). Tsy misy tokony hihevi-tena hoe tsinontsinona ka tsy misy vidiny mihitsy. Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy misy tokony hihevi-tena ho ambony koa, satria samy tapany amin’ilay vatana isika rehetra, na mpiandry izany, na ondry, ary tsy misy loha afa-tsy iray monja, dia i Kristy. Araka izany, dia nanao filazalazana mahafinaritra momba ny fitiavana sy ny fiahiana ary ny fanajana tokony hifanehoantsika, i Paoly. Ny fanekena izany dia manampy ny loholona hanana fomba fijery feno fanetren-tena sy voalanjalanja momba ny anjara asany ao amin’ny kôngregasiôna.

6. Na dia nanana fahefan’apostoly aza i Paoly, ahoana no nanehoany toe-tsaina feno fanetren-tena?

6 Ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ ireo dia tsy mitady hifehy ny fiainan’ny mpiara-mivavaka aminy na ny finoany. Nilaza tamim-panetren-tena toy izao tamin’ny Korintianina, ohatra, i Paoly, na dia nanana fahefan’apostoly aza: “Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.” (2 Korintiana 1:24). Tsy nirin’i Paoly ny hifehy ny finoan’ireo rahalahiny sy ny fomba fiainan’izy ireo. Tsy hitany tokoa izay tokony hanaovana izany, satria natoky izy fa efa lehilahy sy vehivavy tsy nivadika izy ireo, ary naniry hanao izay mahitsy matoa tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Noho izany, rehefa niresaka momba ny tenany sy momba an’i Timoty mpiara-dia taminy i Paoly, dia nilaza toy izao, raha ny marina: ‘Andraikitray ny miara-miasa aminareo mba hanompoana an’Andriamanitra amim-pifaliana.’ (2 Korintiana 1:1). Toe-tsaina feno fanetren-tena re izany!

7. Inona no takatr’ireo loholona manetry tena raha ny amin’ny anjara asany ao amin’ny kôngregasiôna, ary manao ahoana ny fatokisany an’ireo mpiara-miasa aminy?

7 Toy izany koa ny andraikitry ny ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ ankehitriny. ‘Mpiara-miasa hampandroso ny fifaliantsika’ izy ireo. Takatr’ireo loholona manetry tena fa tsy anjarany ny manapa-kevitra ny amin’izay habetsahan’ny mety ho vitan’ny hafa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Fantatry ny loholona fa na azony atao aza ny mampirisika ny hafa mba hanitatra na hanatsara ny fanompoany, dia tokony ho an-tsitrapo ny fanompoana an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:7.) Matoky ny loholona fa raha falifaly ireo mpiara-miasa aminy, dia hanao izay rehetra azony atao. Fanirian’ny loholona amim-pahatsorana àry ny hanampy ireo rahalahiny ‘hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana’. — Salamo 100:2.

Fanampiana ny rehetra hanompo amim-pifaliana

8. Inona avy no fomba sasany azon’ny loholona anampiana ireo rahalahiny mba hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana?

8 Ry loholona, ahoana no azonareo anampiana ireo rahalahinareo hanompo amim-pifaliana? Afaka mampirisika amin’ny ohatra omenareo ianareo. (1 Petera 5:3). Aoka hiseho ny zotom-ponareo sy ny fifalianareo eo amin’ny fanompoana, amin’izay dia mety harisika hanahaka ny ohatra omenareo ny hafa. Derao ny hafa noho ny ezaka ataony amin’ny fanahy manontolo. (Efesiana 4:29). Manampy ny hafa hahatsiaro tena ho ilaina tokoa mantsy ny teny fiderana amin-kafanam-po sy amim-pahatsorana. Mampirisika ireo ondry haniry hanao araka izay fara heriny eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Halaviro ny fampitahana tsy mampahery. (Galatiana 6:4). Manakivy ny fampitahana toy izany, fa tsy manosika ny hafa hihatsara. Ankoatra izany, dia samy manana ny mampiavaka azy ny ondrin’i Jehovah, satria samy hafa ny toe-javatra misy azy sy ny fahaizany. Toa an’i Paoly, dia manehoa fatokisana ny rahalahinareo. “Mino ny zavatra rehetra” ny fitiavana, koa fahendrena ny hinoantsika fa tia an’Andriamanitra sy maniry hampifaly azy ny rahalahintsika. (1 Korintiana 13:7). Rehefa ‘manome voninahitra’ ny hafa ianareo, izany dia mahatonga azy hanao araka izay fara heriny. (Romana 12:10). Matokia fa rehefa mahazo fampaherezana sy famelombelomana ny ondry, dia hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny ankamaroany, ka hahita fifaliana eo amin’izany fanompoana izany. — Matio 11:28-30.

9. Ahoana no tokony hiheveran’ny loholona tsirairay ireo loholona hafa, mba hanompoany amim-pifaliana?

9 Ny fiheveran-tena amim-panetren-tena ho “mpiara-miasa”, dia hanampy anareo hanompo amim-pifaliana sy hankasitraka ny fahaizana manokan’ireo loholona hafa. Samy manana ny talentany sy ny fahaizany ny loholona tsirairay, ary azony ampiasaina mba hahasoa ny kôngregasiôna izany. (1 Petera 4:10). Mety ho havanana amin’ny fampianarana ny loholona iray. Ny iray hafa mety ho mpandamin-javatra mahay, ary ny iray hafa kosa mety ho mora hatonina aoka izany, satria mahay mandray olona sy mangoraka. Izao no zava-misy: tsy misy loholona manana fahaizana feno amin’ny sehatra rehetra. Mahatonga ny loholona iray ho ambony noho ny iray hafa ve ny fananany fahaizana manokana, toy ny fahaiza-mampianatra, ohatra? Tsia dia tsia! (1 Korintiana 4:7). Etsy an-danin’izany, dia tsy misy tokony hahasosotra noho ny fahaizana ananan’ny loholona iray hafa. Ary tsy misy tokony hiheveran-tena ho tsy mahay koa, rehefa mahazo teny fiderana avy amin’ny hafa ny loholona iray noho ny fahaizany. Tadidio fa manana fahaizana izay hitan’i Jehovah ao aminao ny tenanao. Ary afaka manampy anao izy mba hanolokolo izany fahaizana izany sy hampiasa izany mba hahasoa ireo rahalahinao. — Filipiana 4:13.

‘Mankatoava ka maneke’

10. Nahoana no tena mety tsotra izao ny hanehoantsika fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’?

10 Rehefa mahazo fanomezana isika, dia tena mety tsotra izao ny maneho fankasitrahana. “Aoka ho feno fisaorana hianareo”, hoy ny Kolosiana 3:15. Ahoana àry ny amin’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, izay fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ho antsika? Mazava ho azy fa velom-pankasitrahana an’i Jehovah, ilay Mpanome malala-tanana, isika, voalohany indrindra. Ahoana anefa ny amin’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’? Ahoana no azontsika anehoana fankasitrahana azy ireo?

11. a) Ahoana no azontsika anehoana fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’? b) Inona no hevitry ny teny hoe ‘mankato’ sy ‘manaiky’?

11 Azontsika atao ny maneho fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, amin’ny fiezahantsika ho mailaka ny hanaraka ny torohevitra omeny sy ny fanapahan-kevitra raisiny, izay samy miorina amin’ny Baiboly. Manoro hevitra antsika toy izao ny Baiboly: “[Mankatoava, NW ] ny mpitondra anareo, ka [maneke, NW ] azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17). Mariho fa tsy hoe tsy maintsy ‘mankato’ an’ireo mitarika antsika fotsiny isika, fa tsy maintsy ‘manaiky’ azy ireo koa. Ny teny grika nadika hoe “maneke”, dia midika ara-bakiteny hoe “milefera eo ambanin’ny”. Hoy ny fanazavan’ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe R. C. H. Lenski, momba ireo teny hoe ‘mankato’ sy ‘manaiky’: “Ny hoe mankato ny olona iray dia [midika hoe] eken’ny sainy ny zavatra asaina ataony, ka ekeny fa marina sy mahasoa izany; ny hoe milefitra kosa ny olona iray (...) dia [midika hoe] tsy eken’ny sainy izany.” Rehefa takatsika ka eken’ny saintsika ny toromarika omen’ireo mitarika antsika, dia mety ho mora ny mankato. Ahoana anefa raha tsy takatsika ny antony nandraisana fanapahan-kevitra iray?

12. Nahoana isika no tokony hanaiky, na hilefitra, na dia tsy takatsika tsara aza ny antony nandraisana fanapahan-kevitra iray?

12 Amin’izay no mety hilantsika ny hanaiky, na hilefitra. Fa nahoana? Voalohany aloha, dia ilaintsika ny matoky fa mihevitra izay hahasoa antsika indrindra ireo lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy ireo. Rehefa heverina tokoa, dia fantany tsara fa tsy maintsy ampamoahin’i Jehovah ny amin’ireo ondry nankininy taminy izy ireo. (Jakoba 3:1). Fanampin’izany, dia fahendrena ny hitadidiantsika fa mety tsy ho fantatsika avokoa ny zava-misy tsiambaratelo rehetra, izay nitarika azy ireo handray fanapahan-kevitra voahevitra tsara. — Ohabolana 18:13.

13. Inona no manampy antsika hanaiky, raha ny fanapahan-kevitra ara-pitsarana raisin’ny loholona no asian-teny?

13 Ahoana ny amin’ny fanekena, raha ny fanapahan-kevitra ara-pitsarana no asian-teny? Marina aloha fa mety ho tsy mora ny manaiky, indrindra fa raha olona iray tiantsika, mety ho havana izany na namana akaiky, no roahina. Eto indray koa, dia fahendrena indrindra ny milefitra amin’ny didim-pitsarana navoakan’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’. Tsara toerana mba handinika amin’ny saina tsy miangatra izy ireo raha oharina amintsika, ary mety hahafantatra bebe kokoa ny zava-misy. Matetika no ory dia ory ireny rahalahy ireny rehefa mandray fanapahan-kevitra toy izany, satria andraikitra lehibe izany ‘hitsara ho an’i Jehovah’ izany. (2 Tantara 19:6). Manao ny fiezahana rehetra ireo loholona mba hamindra fo, satria tsaroany fa “vonona hamela heloka” Andriamanitra. (Salamo 86:5, NW ). Tsy maintsy mitandro ny fahadiovan’ny kôngregasiôna koa anefa izy ireo, ary andidian’ny Baiboly ny handroahan’izy ireo ny mpanao ratsy tsy mibebaka. (1 Korintiana 5:11-13). Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia manaiky ilay fanapahan-kevitra ilay nanao ratsy. Mety ho izany famaizana izany indrindra no ilainy mba hahatonga saina azy. Raha toa isika izay akaiky azy, ka manaiky ilay fanapahan-kevitra, dia mety hanampy azy handray soa avy amin’ilay famaizana isika amin’izany. — Hebreo 12:11.

‘Hajao indrindra izy’

14, 15. a) Araka ny 1 Tesaloniana 5:12, 13, nahoana ireo loholona no mendrika ny hohajaintsika? b) Nahoana no azo lazaina fa ‘mikely aina eo amintsika’ ireo loholona?

14 Azontsika atao koa ny maneho fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, amin’ny fanajana azy ireo. Nananatra ireo mpikambana tao amin’ny kôngregasiôna tany Tesalonika toy izao i Paoly, rehefa nanoratra ho azy ireo: ‘Ekeo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary hajao indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany.’ (1 Tesaloniana 5:12, 13). Tsy mahalaza tsara an’ireo loholona be fandavan-tena tokoa ve ny hoe “mikely aina”, noho izy ireo miezaka tsy amim-pitiavan-tena hanampy antsika? Diniho vetivety ny enta-mavesatra zakain’ireny rahalahy malala ireny.

15 Raim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireo, ka tsy maintsy miasa mba hamelomana ny ankohonany. (1 Timoty 5:8). Raha manan-janaka ilay loholona, dia mila manokana fotoana ho an’ireo zanany ireo sy maneho fiheverana azy ireo. Mety hila hanampy ny zanany hanao ny entimodiny izy, ary koa handamina fotoana handanian’izy ireo ny herin’ny fahatanorany amin’ny fialam-boly mahasoa. (Mpitoriteny 3:1, 4). Ny zava-dehibe indrindra, dia mikarakara izay ilain’ny ankohonany eo amin’ny lafiny ara-panahy izy, ka mitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka, miara-miasa amin’ny mpianakaviny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary mitondra azy ireo mamonjy fivoriana kristianina. (Deoteronomia 6:4-7; Efesiana 6:4). Aoka tsy hohadinointsika fa ankoatra ireo andraikitra iombonan’ny ankamaroantsika ireo, dia manana adidy hafa koa ny loholona: fanomanana ny anjarany amin’ny fivoriana, fanaovana fitsidihan’ny mpiandry, fikarakarana izay hahasoa ara-panahy ny kôngregasiôna, ary rehefa ilaina izany, dia eo koa ny fikarakarana raharaha ara-pitsarana. Ny sasany mbola manana andraikitra fanampiny mifandray amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, ny fivoriamben’ny distrika, ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tena “mikely aina” tokoa ireny rahalahy ireny!

16. Lazalazao hoe inona avy ireo fomba azontsika anajana ireo loholona.

16 Ahoana no azontsika anajana azy ireny? Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15:23; 25:11). Koa asehon’ny teny fankasitrahana sy fampaherezana ataontsika amim-pahatsorana, fa tsy manamaivan-danja ny asa mafy ataony isika. Afa-tsy izany koa, dia tokony hahalala ny antonony isika eo amin’izay antenaintsika avy amin’izy ireo. Etsy an-daniny, dia tsy tokony hisalasala isika hanatona azy rehefa mila fanampiana. Mety hisy fotoana ‘hampangorohoro ny fontsika’, ka ilantsika fampaherezana, tari-dalana, na torohevitra araka ny Soratra Masina avy amin’ireo izay “mahay mampianatra” ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 55:4; 1 Timoty 3:2). Etsy an-kilany, dia ilaintsika ny mitadidy fa voafetra ihany ny fotoana azon’ny loholona iray omena antsika, satria tsy azony atao tsirambina ny zavatra ilain’ny ankohonany na ny zavatra ilain’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna. Tokony ‘hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ireny’ rahalahy miasa mafy ireny isika, ka tsy haniry hitaky zavatra be loatra avy amin’izy ireny. (1 Petera 3:8, NW ). Tokony ho velom-pankasitrahana kosa isika na manao ahoana na manao ahoana ny fotoana azony atokana ho antsika sy ny fiheverana azony aseho amintsika, izay samy araka ny antonony. — Filipiana 4:5.

17, 18. Sorona inona avy no ataon’ny vehivavy maro vadina loholona, ary ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy manao tsinontsinona ireny anabavy mahatoky ireny isika?

17 Ahoana ny amin’ireo vadin’ny loholona? Moa ve izy ireo tsy mendrika ny hanehoantsika fiheverana koa? Rehefa heverina tokoa, dia iombonany amin’ny kôngregasiôna ny vadiny. Matetika izany no mitaky ny hanaovan’izy ireo sorona. Indraindray dia tsy maintsy mandany ora maro amin’ny takariva ikarakarana raharahan’ny kôngregasiôna ny loholona, amin’ny fotoana tokony ho niarahany tamin’ny ankohonany. Any amin’ny kôngregasiôna maro, dia vehivavy kristianina mahatoky maro no vonona hanao sorona toy izany mba hahafahan’ny vadiny hikarakara ny ondrin’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:15.

18 Ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy manao tsinontsinona ireny anabavy kristianina mahatoky ireny isika? Azo antoka fa tsy amin’ny fitakiana zavatra be loatra amin’ny vadiny. Aoka koa anefa isika tsy hanadino ny herin’ny teny fankasitrahana tsotra. Hoy ny Ohabolana 16:24: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” Diniho izao zava-nitranga izao: Taorian’ny fivoriana kristianina iray, dia nanatona ny loholona iray ny mpivady iray mba hangataka hiresaka aminy momba ny zanany mbola zatovo. Raha mbola niresaka tamin’izy mivady ilay loholona, dia niandry tamim-paharetana ny vadiny. Taorian’izay, dia nanatona ilay vadin’ny loholona ilay renim-pianakaviana, ka nilaza hoe: “Tiako ny hisaotra anao noho ny fotoana lanin’ny vadinao nanampiana ny ankohonako.” Tena nanohina ny fon’io vadina loholona io tokoa ireo teny fankasitrahana tsotra, nefa mamy, ireo.

19. a) Manatanteraka amim-pahatokiana zava-kendrena inona avy ireo loholona, amin’ny fitambarany? b) Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika rehetra?

19 Iray amin’ireo “fanomezan-tsoa” avy amin’i Jehovah ireo loholona, izay natolony mba hikarakara ny ondry. (Jakoba 1:17). Tsy hoe lavorary akory ireny lehilahy ireny, fa manao fahadisoana koa izy ireny, tahaka antsika rehetra ihany. (1 Mpanjaka 8:46). Amin’ny fitambarany anefa, ireo loholona ao amin’ireo kôngregasiôna maneran-tany dia manatanteraka amim-pahatokiana ny zava-nokendren’i Jehovah momba azy ireo, dia ny hanitsy, ny hampiorina, ny hampiray saina, ary ny hiaro ny andian’ondry. Enga anie ny loholona tsirairay ka ho tapa-kevitra ny hanohy hikarakara amim-pitiavana ny ondrin’i Jehovah, ka hanaporofo amin’izany fa fanomezana, na fitahiana, ho an’ireo rahalahiny ny tenany. Ary aoka isika rehetra ho tapa-kevitra ny haneho fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, amin’ny fankatoavana sy ny fanekena azy ary amin’ny fanajana azy noho ny asa mafy ataony. Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika, noho ny nanomezan’i Jehovah tamim-pitiavana, lehilahy izay milaza toy izao amin’ny ondrin’i Jehovah, raha ny marina: ‘Andraikitray ny manampy anareo hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana’!

Ahoana no Havalinao?

◻ Nahoana no mety tsara ny hanoharana ny kôngregasiôna amin’ny vatan’olombelona iray?

◻ Ahoana no azon’ny loholona anampiana ny rahalahiny hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana?

◻ Nahoana isika no tsy tokony hankato an’ireo mitarika antsika fotsiny, fa hanaiky azy koa?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anajana ireo loholona?

[Sary, pejy 16]

Ry loholona, derao ny hafa noho ny ezaka ataony amin’ny fanahy manontolo

[Sary, pejy 17]

Afaka manampy ny mpianakaviny sy ny olon-kafa hanompo amim-pifaliana ny loholona, amin’ny ohatra omeny amin’ny fanehoany zotom-po eo amin’ny fanompoana

[Sary, pejy 18]

Ankasitrahantsika ireo loholontsika miasa mafy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara