FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mikaela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Milaza ny Baiboly fa i Mikaela no anaran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra tamin’izy tany an-danitra (talohan’ny nahatongavany teto an-tany), sy taorian’ny niverenany tany. I Mikaela irery no antsoina hoe “arkanjely”, izay midika hoe “filohan’ny anjely” na “anjely lehibe indrindra.” Amin’ny endriny milaza tokana foana io teny io ao amin’ny Baiboly. Toa midika izany fa iray ihany no notendren’Andriamanitra ho filoha na lehiben’ny anjely. Azo inoana fa i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana tamin’ny maty ilay arkanjely, satria milaza ny 1 Tesalonianina 4:16 fa manana feon’arkanjely izy. Voalaza ao fa hidina avy any an-danitra izy, ka “hanome baiko mafy.” Mety ny ilazana hoe amin’ny “feon’arkanjely” no hanomezany an’ilay baiko, satria efa Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo izy izao ka manana fahefana lehibe. (Mt 28:18; Ap 17:14) Raha anjely hafa ilay “arkanjely” fa tsy i Jesosy Kristy, dia tsy mety ny ilazana hoe amin’ny “feon’arkanjely” no anomezany an’ilay baiko. Ambany kokoa noho ny an’ilay Zanak’Andriamanitra mantsy ny fahefan’izany anjely izany.

  • Feo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Hoy i Paoly momba ny fanangonana ny olona masina voahosotr’Andriamanitra: “Ny Tompo [Jesosy Kristy] mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.” (1Te 4:16) “Filohan’ny anjely” na “anjely lehibe indrindra” no dikan’ny hoe “arkanjely.” Manasongadina ny fahefan’i Jesosy hanome baiko àry ilay hoe “feon’arkanjely.” Hoy i Jesosy momba ny fahefana nomen’Andriamanitra azy: “Fa toy ny ananan’ny Ray fiainana ao aminy no anomezany alalana ny Zanaka mba hanana fiainana ao aminy. Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak’olona. ... Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”​—Jn 5:26-29.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara