FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/2 p. 25
  • Tano ny finoana sy ny fieritreretana tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tano ny finoana sy ny fieritreretana tsara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampirisihana ho amin’ny finoana
  • Torohevitra momba ny fanompoam-pivavahana
  • Fifikirana amin’Andriamanitra sy fianinana
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Timoty, Taratasy ho An’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/2 p. 25

Tano ny finoana sy ny fieritreretana tsara

Hevi-dehibe ao amin’ny Timoty voalohany

TANY amin’ny taona 56 am.fan.ir. tany ho any, ny apostoly Paoly dia nampitandrina ireo loholona tany Efesosy fa hisy “amboadia masiaka” hiseho avy ao aminy ihany ka ‘hitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.’ (Asan’ny apostoly 20:29, 30, MN). Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nanjary lehibe aoka izany ny fivadiham-pinoana, hany ka nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hanao ady ara-panahy tao anatin’ny kongregasiona hiarovana ny fahadiovany sy hanampiana ireo mpino namany hitoetra ao amin’ny finoana. Izany dia antony lehibe iray nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty avy tany Makedonia, tany amin’ny 61-64 am.fan.ir. tany ho any.

Nomena toromarika momba ireo andraikitry ny loholona, ny toerana tanan’ny vehivavy araka ny nanendren’Andriamanitra azy, ireo fepetra tokony hofenoin’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa ary zavatra maro hafa, i Timoty. Mahasoa antsika amin’izao andro izao koa izany toromarika izany.

Fampirisihana ho amin’ny finoana

Nanomboka tamin’ny fanomezana torohevitra momba ny tokony hitanana ny finoana sy ny fieritreretana tsara i Paoly. (1:1-20, MN). Nampirisika an’i Timoty hitoetra tany Efesosy ary ‘handidy ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa’ izy. Nanaiky i Paoly fa tamin’ny tsy fahalalana sy ny tsy finoana no nanaovany zavatra rehefa nanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesosy izy, ka velom-pankasitrahana noho ilay fanompoana nanendrena azy hataony izy. Nanome andraikitra an’i Timoty ilay apostoly mba hanohizany hanao ady ara-panahy, ‘hitana ny finoana sy ny fieritreretana tsara’ ary tsy ho tonga tahaka ireo izay ‘vaky sambo ny amin’ny finoany’.

Torohevitra momba ny fanompoam-pivavahana

Nanaraka izany, i Paoly dia nanome torohevitra tamin’ny naha-“mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana” azy. (2:1-15, MN). Tokony hanolotra vavaka ho an’izay manana toerana ambony ny kristiana mba hahafahany hiaina amim-piadanana. Sitrapon’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra, ary anisan’ny fampianarana iankinan’ny aina ny hoe “nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” i Kristy. Nampiseho i Paoly fa ny vehivavy dia tokony hiravaka amin’ny fahamaotinana ary tsy mahazo manapaka ny lehilahy.

Tsy maintsy voalamina tsara ny kongregasiona. (3:1-16). Nametraka ireo fepetra tokony hofenoin’ireo mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa àry i Paoly. Avy amin’ireo zavatra nosoratan’ilay apostoly, dia ho fantatr’i Timoty izay fitondrantena mety hatao ao anatin’ny kongregasiona, izay “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”.

Nanome torohevitra manokana ho an’i Timoty i Paoly mba hanampiana azy hitandrin-tena amin’ny fampianaran-diso. (4:1-16). Amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany. Kanefa amin’ny fitandremana mandrakariva ny tenany sy ny fampianarany, i Timoty dia ‘hamonjy ny tenany sy izay mihaino azy.’

Nahazo torohevitra koa i Timoty ny amin’ny hitondrana ny hafa, tanora sy antitra. (5:1-25). Ohatra, tokony hisy fandaharana hatao hanampiana ireo mpitondratena efa be taona ka fantatra ho kristiana tsara laza tokoa. Tsy tokony hifosa ireo mpitondratena tanora fa hanambady sy hanana zanaka kosa. Ireo loholona izay mitondra tsara dia tokony hahazo fanajana roa heny.

Fifikirana amin’Andriamanitra sy fianinana

Torohevitra momba ny fifikirana amin’Andriamanitra no namarana ny taratasin’i Paoly. (6:1-21, MN). “Ny fifikirana amin’Andriamanitra omban’ny fianinana” dia misy tombony lehibe tokoa, fa ny fahatapahan-kevitra ny hanan-karena kosa dia mitarika ho amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hiady ny ady tsaran’ny finoana ary ‘hihazona mafy ny fiainana mandrakizay’. Mba hihazonana izany tena fiainana izany, ireo manan-karena dia tsy maintsy ‘matoky, tsy ny harena miovaova, fa Andriamanitra’.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

Ho voavonjy amin’ny fiterahan-jaza: Tsy niresaka ny amin’ny famonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay akory i Paoly fa ny amin’ny toerana mety tokony hotanan’ny vehivavy tia an’Andriamanitra rehefa nanoratra izy hoe: “Ho voavonjy ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahaiza-mitsara zavatra.” (1 Timoty 2:11-15, MN). Amin’ny alalan’ny fiterahan-jaza, ny fikarakarana ny zanany ary ny fitandremana ny ankohonany, ny vehivavy iray dia “ho voavonjy” tsy hanjary mpifosa tsy manan-javatra hatao sy mpitsabaka amin’ny raharahan’olona. (1 Timoty 5:11-15, MN). Hifameno amin’ny fanompoana ataony ho an’i Jehovah ireo asany ao an-trano. Mazava ho azy fa ny kristiana rehetra dia tokony hitandrina ny amin’ny fitondrantenany ka hampiasa ny fotoanany amim-pahendrena. — Efesiana 5:15, 16, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara