FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 15 p. 117-123
  • “Nanatanjaka An’ireo Fiangonana” Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nanatanjaka An’ireo Fiangonana” Izy Ireo
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Andao amin’izay isika hiverina hitsidika an’ireo rahalahy” (Asa. 15:36)
  • “Nifamaly be sady samy tezitra” (Asa. 15:37-41)
  • “Tsara laza ... izy” (Asa. 16:1-3)
  • ‘Nihanatanjaka ny finoan’izy ireo’ (Asa. 16:4, 5)
  • “Zanako Malalako sy Mendri-pitokisana ao Amin’ny Tompo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Vonona Hanompo An-tsitrapo i Timoty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • ‘Mahasoa Amin’ny Fanompoana’ i Marka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 15 p. 117-123

TOKO 15

“Nanatanjaka An’ireo  Fiangonana” Izy Ireo

Manampy ny fiangonana hatanjaka amin’ny finoana ny mpiandraikitra ny faritra

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 15:36–16:5

1-3. a) Iza ilay namana vaovao hiara-dia amin’i Paoly? Lazao ny mombamomba azy io. b) Inona no hianarantsika ato amin’ity toko ity?

LASA saina ny apostoly Paoly nijery an’ilay tovolahy niaraka taminy, tamin’izy ireo namakivaky faritra mikitoantoana teny anelanelan’ireo tanàna. Timoty no anaran’io tovolahy tanora sy mavitrika io, ary 20 taona teo ho eo angamba izy. Nihananalavitra ny tanàna niaviany izy, arakaraka ny nandehanany. Dify tsikelikely ny faritr’i Lystra sy Ikonioma, rehefa nihafolaka ny andro. Inona no miandry azy ireo? Fantapantatr’i Paoly ihany izany, satria io no dia misionera faharoa nataony. Fantany fa loza sy zava-tsarotra maro no miandry azy ireo. Ho zakan’ilay tovolahy ve izany?

2 Natoky be an’io tovolahy nanetry tena io i Paoly, ary mihoatra noho ny fatokisan’i Timoty ny tenany aza angamba izany. Vao mainka niaiky i Paoly, noho ireo zava-nitranga vao haingana, fa namana tena nety taminy no tokony hiara-dia aminy. Fantany fa mila vonona tanteraka sy miray saina ny mpiandraikitra ny faritra, satria ilana an’izany ilay asa miandry azy ireo, dia ny fitsidihana fiangonana sy fanatanjahana ny finoan’izy ireo. Nahoana i Paoly no nieritreritra izany? Antony iray angamba ny tsy fifanarahan’izy sy Barnabasy, izay nahatonga azy roa lahy hisaraka.

3 Inona no fomba tsara indrindra handaminana tsy fifanarahana? Hiana-javatra maro momba izany isika ato amin’ity toko ity. Ho hitantsika ato koa ny antony nifidianan’i Paoly an’i Timoty hiara-dia taminy, sy ny andraikitra lehibe ananan’ny mpiandraikitra ny faritra ankehitriny.

“Andao amin’izay isika hiverina hitsidika an’ireo rahalahy” (Asa. 15:36)

4. Inona no nokasain’i Paoly hatao tamin’ny dia misionera faharoa?

4 Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa nampahery ny fiangonana tao Antiokia i Paoly sy Barnabasy ary Jodasy sy Silasy, rehefa nilaza ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana momba ny famorana. Inona no nataon’i Paoly avy eo? Noresahiny an’i Barnabasy ny dia manaraka nokasainy hatao. Hoy izy: “Andao amin’izay isika hiverina hitsidika an’ireo rahalahy any amin’ny tanàna tsirairay nitoriantsika ny tenin’i Jehovah, mba hahitantsika hoe manao ahoana ry zareo izay.” (Asa. 15:36) Tsy hoe te hamangivangy an’ireo Kristianina vaovao ireo fotsiny i Paoly. Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny tena antony nanaovan’i Paoly ny dia misionera faharoa. Voalohany, mbola hampahafantatra an’ilay fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana izy. (Asa. 16:4) Faharoa, mpiandraikitra ny faritra i Paoly, ka tapa-kevitra ny hampahery ny fiangonana sy hanampy azy ireo hatanjaka amin’ny finoana. (Rom. 1:11, 12) Manahaka ny modely navelan’ny apostoly ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Ahoana no anaovany izany?

5. Ahoana no anomezan’ny Filan-kevi-pitantanana tari-dalana sy fampaherezana ny fiangonana?

5 Mampiasa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kristy ankehitriny mba hitarihana ny fiangonana. Ireo lehilahy voahosotra mendri-pitokisana ireo no manome tari-dalana sy fampaherezana ny fiangonana eran-tany, amin’ny alalan’ny taratasy, boky sy gazety amin’ny endrika elektronika sy vita pirinty, fivoriana, ary amin’ny fomba hafa. Miezaka hifandray akaiky amin’ny fiangonana tsirairay koa izy ireo, ka mampiasa an’ireo mpiandraikitra ny faritra an’arivony maneran-tany. Ny Filan-kevi-pitantanana no manendry mivantana an’ireo anti-panahy mahafeno fepetra mba ho mpiandraikitra ny faritra.

6, 7. Inona no sasany amin’ny andraikitry ny mpiandraikitra ny faritra?

6 Miezaka ny hampahery sy hiahy manokana an’ireo rehetra eo anivon’ny fiangonana tsidihiny ny mpiandraikitra ny faritra ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana? Manaraka ny ohatra navelan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, toa an-dry Paoly, izy ireo. Nampirisihin’i Paoly toy izao ny mpiandraikitra toa azy: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra; mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, ampirisiho ny hafa, ka miezaha hanam-paharetana tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao an’izany. ... Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara.”​—2 Tim. 4:2, 5.

7 Mankatò izany ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, raha manambady izy, ka mandray anjara amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana, miaraka amin’ny mpitory eo an-toerana. Mazoto mitory sy mahay mampianatra ireny mpiandraikitra ireny, ary misy vokany tsara eo amin’ny andian’ondry izany. (Rom. 12:11; 2 Tim. 2:15) Malaza ho mahafoy tena ireo manao ny asan’ny faritra. Vonona hanompo ny hafa izy ireo ka mandeha foana, na ratsy aza ny andro, ary na mampidi-doza aza ny toerana haleha. (Fil. 2:3, 4) Mampahery sy mampianatra ary mananatra ny fiangonana tsirairay koa ny mpiandraikitra ny faritra, amin’ny alalan’ny lahateny ara-baiboly. Mandray soa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, raha mandinika ny fitondran-tenan’izy ireny sy manahaka ny finoany.​—Heb. 13:7.

“Nifamaly be sady samy tezitra” (Asa. 15:37-41)

8. Ahoana no nandraisan’i Barnabasy ny fanasan’i Paoly?

8 Nankasitrahan’i Barnabasy ilay soso-kevitr’i Paoly hoe “hitsidika an’ireo rahalahy.” (Asa. 15:36) Niara-niasa tsara izy roa lahy tamin’izy ireo nitety faritany, ary efa fantany ny toerana sy ny olona hotsidihina. (Asa. 13:2–14:28) Toa nety tsara àry ilay hevitra hoe hiara-manao an’io asa io izy ireo. Nisy olana anefa. Hoy ny Asan’ny Apostoly 15:37: “Tapa-kevitra ny hitondra an’i Jaona, ilay antsoina hoe Marka”, zanak’olo-mpiray tam-po aminy i Barnabasy. Tsy soso-kevitra fotsiny ny an’i Barnabasy. “Efa tapa-kevitra” ny hitondra an’i Marka hiaraka aminy amin’ilay dia misionera izy.

9. Nahoana i Paoly no tsy niombon-kevitra tamin’i Barnabasy?

9 Tsy nanaiky i Paoly. Nahoana? Hoy ilay fitantarana: “Tsy nazoto hitondra an’i Marka niaraka tamin’izy ireo anefa i Paoly, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy nandeha niaraka tamin’izy ireo nanao an’ilay asa.” (Asa. 15:38) Niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy tamin’ilay dia misionera voalohany i Marka, saingy tsy nanohy hatramin’ny farany. (Asa. 12:25; 13:13) Niala an-daharana i Marka ka nody tany Jerosalema tamin’izy ireo tany Pamfylia, ary tsy lazain’ny Baiboly ny antony. Vao niandoha kelikely ny dian’izy ireo tamin’izay. Toa nihevitra i Paoly hoe tsy azo nanankinana andraikitra i Marka. Nisalasala angamba izy raha tena azo nianteherana i Marka.

10. Inona no niafaran’ilay tsy fifanarahan’i Paoly sy Barnabasy, ary inona no vokany?

10 Nikiry hitondra an’i Marka i Barnabasy, fa i Paoly kosa tsy nanaiky mihitsy. “Koa nifamaly be izy roa lahy sady samy tezitra, dia nisaraka”, hoy ny Asan’ny Apostoly 15:39. Nandray sambo nankany amin’ny Nosy Sipra, tany niaviany, i Barnabasy, ary nentiny i Marka. I Paoly kosa nanatanteraka an’izay efa nokasainy. Hoy ilay fitantarana: “I Paoly kosa nifidy an’i Silasy dia lasa, rehefa avy nangataka tamin’i Jehovah ireo rahalahy mba haneho hatsaram-panahy miavaka tamin’i Paoly.” (Asa. 15:40) “Namakivaky an’i Syria sy Kilikia izy [roa lahy], ka nanatanjaka an’ireo fiangonana tany.”​—Asa. 15:41.

11. Inona no toetra ilaina mba tsy ho tapaka tanteraka ny fihavanantsika amin’ny olona nanafintohina antsika?

11 Mampahatsiahy antsika angamba iny tantara iny fa tsy lavorary isika. Efa voatendry ho solontena manokan’ny filan-kevi-pitantanana i Paoly sy Barnabasy. Toa lasa anisan’izy io mihitsy aza i Paoly. Tsy lavorary anefa izy roa lahy ka izany no nahatonga azy hifanditra tamin’iny fotoana iny. Navelany hanapaka tanteraka ny fihavanany ve iny zava-nitranga iny? Olona nanetry tena sy nanana ny sain’i Kristy izy roa lahy, na dia tsy lavorary aza. Azo inoana fa nifamela heloka sy nifampitondra toy ny mpirahalahy indray izy ireo. (Efes. 4:1-3) Niara-nanatontosa andraikitra kristianina hafa i Paoly sy Marka tatỳ aoriana.a​—Kol. 4:10.

12. Inona no toetra tokony hampiavaka ny mpiandraikitra ankehitriny, raha manahaka an’i Paoly sy Barnabasy izy ireo?

12 Marina fa nifamaly be i Barnabasy sy Paoly tamin’iny, nefa tsy hoe efa toetran’izy ireo izany. Lehilahy be fitiavana sy nalala-tanana tokoa i Barnabasy ka tsy nantsoin’ny apostoly tamin’ilay anarany hoe Josefa, fa nantsoin’izy ireo hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny Fampiononana.” (Asa. 4:36) Be fitiavana sy nalemy fanahy koa i Paoly. (1 Tes. 2:7, 8) Tokony hanahaka an’i Paoly sy Barnabasy ny mpiandraikitra rehetra ankehitriny, anisan’izany ny mpiandraikitra ny faritra, ka hiezaka hanetry tena sy ho be fitiavana foana rehefa mifandray amin’ny anti-panahy hafa sy amin’ny andian’ondry.​—1 Pet. 5:2, 3.

“Tsara laza ... izy” (Asa. 16:1-3)

13, 14. a) Iza moa i Timoty, ary ahoana no mety ho nihaonan’i Paoly taminy? b) Inona no nahatonga an’i Paoly hahamarika an’i Timoty? d) Inona no andraikitra nomena an’i Timoty?

13 Nankany Galatia, faritany romanina, i Paoly tamin’ilay dia misionera faharoa. Efa nisy fiangonana vitsivitsy tany. “Tonga tany Derbe i Paoly, ary avy eo izy nankany Lystra.” Hoy koa ny Baiboly: “Nisy mpianatra atao hoe Timoty tao. Zanaka vehivavy jiosy mpino izy io, fa Grika kosa ny rainy.”​—Asa. 16:1.b

14 Azo inoana fa nihaona tamin’ny fianakavian’i Timoty i Paoly tamin’ny taona 47 tany ho any, tamin’izy nandalo voalohany tao amin’ilay faritra. Nahamarika an’i Timoty izy rehefa niverina tany fanindroany, roa na telo taona tatỳ aoriana. Nahoana? Satria “tsara laza teo amin’ireo rahalahy” i Timoty. Tsy ny rahalahy tao amin’ny tanàna niaviany ihany no tia azy, fa na ireo rahalahy tsy anisan’ny fiangonany koa aza. Manazava ilay fitantarana fa samy nanan-javatra tsara holazaina momba azy ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma, izay 30 kilaometatra teo ho eo ny elanelany. (Asa. 16:2) Notarihin’ny fanahy masina ny anti-panahy ka nanankina andraikitra mavesatra tamin’i Timoty tanora. Nasaina nanampy an’i Paoly sy Silasy tamin’ny asan’ny faritra izy.​—Asa. 16:3.

15, 16. Inona no nahatonga an’i Timoty ho tsara laza?

15 Inona no nahatonga an’i Timoty ho tsara laza, na dia mbola tanora aza? Nahira-tsaina ve izy, sa tsara bika, sa nanan-talenta? Izany matetika no manaitra ny olona. I Samoela mpaminany aza, indray mandeha, nifantoka loatra tamin’ny bika aman’endrika. Nampahatsiahy azy anefa i Jehovah hoe: “Tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Sam. 16:7) Tsy ny fahaizan’i Timoty no nahatonga azy ho tsara laza teo amin’ny Kristianina hafa, fa ny toetra naha izy azy.

16 Niresaka momba ny toetra kristianina sasany nananan’i Timoty ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nilaza izy fa tsara toetra sy be fitiavana ary nahafoy tena i Timoty, sady nazoto niantsoroka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. (Fil. 2:20-22) Nanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa izy.​—2 Tim. 1:5.

17. Ahoana no anahafan’ny tanora ankehitriny an’i Timoty?

17 Tanora maro ankehitriny no manahaka an’i Timoty, ka miezaka hanana toetra tsara. Tsara laza eo anatrehan’i Jehovah sy ny vahoakany àry izy ireny, na dia mbola kely aza. (Ohab. 22:1; 1 Tim. 4:15) Manana finoana tsy mihatsaravelatsihy izy ireny, ka tsy hoe maditra rehefa tsy misy mahita. (Sal. 26:4) Tanora maro toa an’i Timoty àry no manana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana. Tena mampahery an’izay rehetra tia an’i Jehovah izy ireny, rehefa mahafeno fepetra hitory ny vaovao tsara, ary manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa, rehefa mandeha ny fotoana.

‘Nihanatanjaka ny finoan’izy ireo’ (Asa. 16:4, 5)

18. a) Inona no andraikitra nomena an’i Paoly sy Timoty, noho izy ireo mpiandraikitra ny faritra? b) Inona no fitahiana azon’ny fiangonana?

18 Niara-niasa nandritra ny taona maro i Paoly sy Timoty. Mpiandraikitra ny faritra izy ireo ka nampanaovin’ny filan-kevi-pitantanana asa maro samihafa. Hoy ny Baiboly: “Nandeha nitety tanàna izy ireo, ka nampita an’ireo didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hankatoavin’ireo rahalahy.” (Asa. 16:4) Tena nankatò ny tari-dalan’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema ny fiangonana. Inona no vokatr’izany? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihabetsaka isan’andro izy ireo.”​—Asa. 16:5.

19, 20. Nahoana ny Kristianina no tokony hankatò an’ireo “mitarika” eo aminy?

19 Mahazo fitahiana koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, noho izy ireo manaiky sy mankatò ny tari-dalan’ireo “mitarika” eo aminy. (Heb. 13:17) Miovaova foana ny sehatr’izao tontolo izao, ka tena ilain’ny Kristianina ny maharaka an’ireo sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45; 1 Kor. 7:29-31) Hiaro antsika tsy hiala amin’ny fahamarinana izany, sady hanampy antsika tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao mihitsy.​—Jak. 1:27.

20 Tsy lavorary i Paoly sy Barnabasy ary Marka, mbamin’ireo anti-panahy voahosotra hafa tamin’ny taonjato voalohany. Tsy lavorary koa ny mpiandraikitra kristianina ankehitriny, anisan’izany ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. (Rom. 5:12; Jak. 3:2) Mendri-pitokisana anefa ny Filan-kevi-pitantanana, satria manaraka akaiky ny Tenin’Andriamanitra sy ny modely navelan’ireo apostoly. (2 Tim. 1:13, 14) Vokatr’izany, dia mahazo fampaherezana ny fiangonana ary matanjaka ny finoany.

MPANOMPO ‘NAMPANDROSO NY VAOVAO TSARA’ I TIMOTY

Tena sarobidy tamin’i Paoly i Timoty, satria nanampy be azy. Rehefa avy niara-niasa nandritra ny 11 taona teo ho eo izy ireo, dia afaka nilaza toy izao momba an’i Timoty i Paoly: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara anareo. Fantatrareo tsara ... ny lazan’i Timoty. Fa hoatran’ny zanaka miara-manompo amin’ny rainy izy, rehefa niara-nanompo tamiko mba hampandroso ny vaovao tsara.” (Fil. 2:20, 22) Vonona ny hikely aina hampandroso ny asa fitoriana i Timoty. Tena tian’i Paoly izy noho izany, ary modely ho antsika.

Timoty.

Lehibe tao Lystra angamba i Timoty. Grika ny rainy ary Jiosy ny reniny. Mbola zazakely izy, dia efa nampianatra azy ny Soratra Masina i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (Asa. 16:1, 3; 2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Toa tamin’i Paoly nandalo voalohany tao amin’ny tanàna nahabe an’i Timoty no lasa Kristianina izy sy ny reniny ary ny renibeny.

Roapolo taona teo ho eo angamba i Timoty rehefa niverina indray i Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Efa “tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy” tamin’izay. (Asa. 16:2) Nisy “faminaniana” momba an’i Timoty avy tamin’ny fanahin’Andriamanitra, ka natolotr’i Paoly sy ny anti-panahy teo an-toerana hanao fanompoana manokana izy. (1 Tim. 1:18; 4:14; 2 Tim. 1:6) Hiaraka amin’i Paoly hanao misionera izy, ary tsy maintsy handao ny fianakaviany. Nanaiky hoforana i Timoty, mba tsy hanana antony hanoherana azy ireo ny Jiosy hitoriany.​—Asa. 16:3.

Maro ny dia lavitra nataon’i Timoty. Niara-nitory tamin’i Paoly sy Silasy tany Filipy izy, niara-nitory tamin’i Silasy tany Beria, ary nitory irery tany Tesalonika. Rehefa nihaona tamin’i Paoly tany Korinto izy, dia nitondra vaovao tsara momba ny fitiavana sy ny tsy fivadihan’ireo Tesalonianina, na dia teo aza ny fahorian’izy ireo. (Asa. 16:6–17:14; 1 Tes. 3:2-6) Naharay vaovao nampikorontan-tsaina momba ny Korintianina i Paoly tany Efesosy, ka nikasa haniraka an’i Timoty hiverina tany Korinto. (1 Kor. 4:17) Tatỳ aoriana, dia nirahin’i Paoly avy tao Efesosy i Timoty sy Erasto mba ho any Makedonia. Efa tany amin’i Paoly tany Korinto indray anefa i Timoty, tamin’i Paoly nanoratra ho an’ny Romanina. (Asa. 19:22; Rom. 16:21) Vitsivitsy monja tamin’ny dia nataon’i Timoty noho ny vaovao tsara ireo.

Toa nisalasala hampihatra ny fahefany i Timoty, matoa i Paoly nampirisika azy hoe: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao satria hoe tanora ianao.” (1 Tim. 4:12) Natoky azy anefa i Paoly ka nirahiny tany amin’ny fiangonana iray nanana olana izy, ary nasainy ‘nandrara ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa.’ (1 Tim. 1:3) Nomen’i Paoly fahefana hanendry mpiandraikitra sy mpikarakara fiangonana teo anivon’ny fiangonana koa izy.​—1 Tim. 5:22.

Lasa tena tian’i Paoly i Timoty, noho ireo toetrany faran’izay tsara. Asehon’ny Soratra Masina fa namana akaiky sy mendri-pitokisana ary be fitiavana ilay tovolahy, ary toy ny zanaka mihitsy. Afaka nanoratra i Paoly fa nahatsiaro ny ranomason’i Timoty izy, naniry mafy hahita azy, ary nivavaka ho azy. Toy ny ray be fitiavana i Paoly, ka nanoro hevitra an’i Timoty momba ny ‘tsy fahasalamany matetika’, izay angamba aretim-bavony.​—1 Tim. 5:23; 2 Tim. 1:3, 4.

Niaraka tamin’i Paoly i Timoty rehefa nigadra voalohany tany Roma i Paoly. Nisy fotoana koa nigadran’i Timoty. (Filem. 1; Heb. 13:23) Nifandray am-po tokoa i Paoly sy Timoty, satria nanafatra an’i Timoty izy rehefa hitany fa antomotra ny hahafatesany. Hoy izy: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana atỳ amiko.” (2 Tim. 4:6-9) Tsy resahin’ny Soratra Masina raha tonga ara-potoana ihany i Timoty, ka mbola nahita an’ilay olona tsy foiny sy mpanoro hevitra azy.

Nahazo Andraikitra Maro I Marka

Resahin’ny Filazantsaran’i Marka fa notadiavin’ny olona hosamborina koa ny “tovolahy iray”, tamin’i Jesosy nosamborina. Nitsoaka anefa ilay tovolahy ka “nandositra nitanjaka.” (Mar. 14:51, 52) Mety ho i Marka, izay atao koa hoe Jaona Marka, io tovolahy io, satria izy ihany no mpanoratra Baiboly niresaka an’io tantara io. Raha izany no izy, dia nifandray nivantana tamin’i Jesosy ihany izy.

Marka, mihaino sy mandray an-tsoratra fa misy lehilahy zokiolona miteny.

Tokotokony ho 11 taona tatỳ aoriana, tamin’i Heroda Agripa nanenjika ny Kristianina, dia nivory mba hivavaka tao an-tranon’i Maria renin’i Marka, ny “olona be dia be” anisan’ny fiangonan’i Jerosalema. Tao no nalehan’i Petera rehefa nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja izy. (Asa. 12:12) Mety ho tao amin’ny trano nahabe an’i Marka àry no lasa nivorian’ny Kristianina. Toa nahalala tsara an’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany i Marka, ary nisy vokany tsara teo aminy izany.

Niara-nanompo tamin’ny mpiandraikitra maromaro teo anivon’ny fiangonana kristianina tany am-boalohany i Marka. Inona no andraikitra azony voalohany? Ny fantatsika dia hoe niara-niasa tamin’ny apostoly Paoly sy Barnabasy zanak’olo-mpiray tam-po aminy izy, rehefa notendrena hankany Antiokia any Syria izy ireo. (Asa. 12:25) Tamin’ny dia misionera voalohany nataon’izy roa lahy, dia niaraka taminy nankany Sipra i Marka, ary avy eo tany Azia Minora. Tany i Marka no niverina tany Jerosalema, noho ny antony tsy fantatra. (Asa. 13:4, 13) Tsy nifanara-kevitra momba an’i Marka i Barnabasy sy Paoly, araka ny Asan’ny Apostoly toko faha-15. Nanohy ny asa misionera tany Sipra àry i Marka sy Barnabasy.​—Asa. 15:36-39.

Tsy maintsy ho efa hadinon’izy ireo iny tsy fifanarahana iny tamin’ny taona 60 na 61, satria niara-niasa indray i Paoly sy Marka, fa tany Roma kosa tamin’izay. Nigadra tany Roma i Paoly, ary nanoratra ho an’ny fiangonana tany Kolosia hoe: “Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko, mpiara-migadra amiko, sy Marka, zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy.​—I Marka ilay nasaina noraisinareo tsara raha tonga any aminareo.” (Kol. 4:10) Nikasa ny haniraka an’i Jaona Marka avy tany Roma àry i Paoly mba ho any Kolosia hisolo tena azy.

Nisy fotoana niarahan’i Marka niasa tamin’ny apostoly Petera tany Babylona, teo anelanelan’ny taona 62 sy 64. Voalaza ao amin’ny Toko faha-10 amin’ity boky ity fa nifandray akaiky izy roa lahy satria nantsoin’i Petera hoe “Marka zanako” izy.​—1 Pet. 5:13.

Nigadra fanindroany tany Roma i Paoly tamin’ny taona 65 tany ho any, ary nanoratra ho an’i Timoty hoe: “Ento miaraka aminao i Marka fa ilaiko amin’ny fanompoana izy.” (2 Tim. 4:11) Tany Efesosy i Timoty tamin’io. Azo inoana fa neken’i Marka avy hatrany ilay fanasana, ka niala tany Efesosy izy ary niverina tany Roma. Tsy nahagaga raha tena tia an’i Marka i Barnabasy sy Paoly ary Petera.

Inona no andraikitra lehibe indrindra azon’i Marka? Nanoratra boky iray anisan’ny Filazantsara izy. Araka ny lovantsofina, dia azony tamin’ny apostoly Petera ny ankamaroan’ny zavatra nosoratany. Toa manamarina izany ny zava-misy. Mitantara tsipirian-javatra maro mantsy i Marka, ka tsy maintsy ho vavolombelona nanatri-maso toa an’i Petera vao hahalala izany. Toa tany Roma anefa no nanoratan’i Marka ny Filazantsarany, fa tsy tamin’izy niaraka tamin’i Petera tany Babylona. Nampiasa teny latinina maro izy, ary nadikany ny teny hebreo hitany fa ho sarotra amin’ny tsy Jiosy. Toa ny hafa firenena àry no tena nanoratany ny Filazantsarany.

a Jereo ilay efajoro hoe “Nahazo Andraikitra Maro i Marka”, pejy 118.

b Jereo ilay efajoro hoe “Mpanompo ‘Nampandroso ny Vaovao Tsara’ i Timoty”, pejy 121.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara