FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Angano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • ANGANO

      Tantara tsy marina, noforomporonin’ny saina fotsiny, tantara valamaty, lainga; avy amin’ny teny grika hoe mytôs, izay hita ao amin’ny 1 Timoty 1:4; 4:7; 2 Timoty 4:4; Titosy 1:14; 2 Petera 1:16.

      Mifanohitra ny mytôs sy ny aleteia na “fahamarinana”, izany hoe zavatra mifanaraka amin’ny tena zava-misy. Asehon’ny Galatianina 2:5 fa ny “fahamarinan’ny vaovao tsara” no ahitana fa mifanohitra ny fampianarana marina ao amin’ny filazantsara sy ny fampianarana voaolana. Nilaza ireo apostoly fa mampidi-doza ny miala amin’ny fahamarinana ka manaraka tantara tsy marina, satria tsy mitombina izy ireny sady noforonin’ny sain’ny olona fotsiny. Feno an’ireny tantara ireny tao amin’ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy. Anisan’ireny ny lovantsofin’ireo anti-panahy, izay nantsoina hoe lalàna am-bava ary lasa anisan’ny Talmoda. Nanaraka ny filozofia sy ny fampianaran’ny mpanompo sampy ny Fivavahana Jiosy, izay tena mpanohitra ny Fivavahana Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany.

  • Angano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy tokony hihaino izany ny Kristianina. Nampirisika ny Kristianina i Paoly mba tsy hihaino tantara tsy marina. (1Ti 1:4) Mety hanao fikarohana tsy mahasoa mantsy ny Kristianina noho izany, ary mety ho voatarika hiala amin’ny fahamarinana. Mety ho anisan’ireny ny tantara fanaon’ny vehivavy antitra izay ela nanarahana ny fanaon’izao tontolo izao. Manazimbazimba ny fitsipika masina sy marin’Andriamanitra ireny tantara ireny. (1Ti 4:6, 7; Tit 1:14) Niresaka momba an’ireny koa ny apostoly Petera, ary nilaza fa noforonina tamin-kafetsena izy ireny mba hampivadika ny Kristianina. (2Pe 1:16) Nampifanoheriny tamin’ny tantara marina momba ny fiovan-tarehy izy ireny. Nanatri-maso izany mihitsy izy. (Mr 9:2) Nilaza i Paoly fa hinia hivily ho amin’ny tantara tsy marina ny olona fa tsy hihaino ny fahamarinana intsony.​—2Ti 4:3, 4.

  • Tetirazana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tsy nilaina nianarana sy nofakafakaina ireny tetirazana ireny, mainka moa fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Tsy zava-dehibe intsony mantsy ny nanaporofoan’ny olona hoe iza no razambeny, satria tsy navahan’Andriamanitra intsony ny Jiosy sy ny hafa firenena teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Ga 3:28) Efa voaporofo koa fa taranak’i Davida i Kristy. Tsy ho ela taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny dia horavana i Jerosalema. Ho potika koa ny tetirazan’ny Jiosy, satria tsy narovan’Andriamanitra. Nanahy àry i Paoly sao ho lany andro hikaroka sy hiady hevitra be momba ny tetirazana i Timoty sy ny fiangonana, nefa tsy hanatanjaka ny finoan’izy ireo akory izany. Efa ampy ny tetirazana ao amin’ny Baiboly mba hanaporofoana fa i Kristy no Mesia, ary io no tetirazana ilain’ny Kristianina indrindra. Porofoin’ny tetirazana hafa ao amin’ny Baiboly koa fa marina ny Soratra Masina, ary azo itokisana ny tantara ao anatiny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara