FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/5 p. 15-20
  • Fandoavana Amin’i Kaisara Izay An’i Kaisara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandoavana Amin’i Kaisara Izay An’i Kaisara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Izay an’Andriamanitra”
  • “Izay an’i Kaisara”
  • Raharaha miaramila tsy maintsy atao
  • Fanompoana sivily
  • Andriamanitra sy Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?
    Mifohaza!—2003
  • Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Kristianisma Tany Am-boalohany sy ny Fitondrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/5 p. 15-20

Fandoavana Amin’i Kaisara Izay An’i Kaisara

“Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy”. — ROMANA 13:7.

1, 2. a) Araka ny voalazan’i Jesosy, ahoana no tokony hampifandanjan’ny Kristiana ny adidiny amin’Andriamanitra sy amin’i Kaisara? b) Inona no zavatra ahin’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany?

ARAKA ny voalazan’i Jesosy, dia misy zavatra izay tokony homentsika an’Andriamanitra, ary zavatra izay tokony homentsika an’i Kaisara, na ny Fitondrana. Hoy i Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Tamin’ireo teny vitsy ireo izy dia nahavery hevitra ireo fahavalony ary namintina tsara ny fihetsika voalanjalanja tsy maintsy ananantsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny Fitondrana. Tsy mahagaga raha “gaga taminy” ireo mpihaino azy! — Marka 12:17.

2 Mazava ho azy fa ny zavatra ahin’ireo mpanompon’i Jehovah voalohany indrindra dia ny handoavany amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. (Salamo 116:12-14). Amin’ny fanaovana toy izany anefa, dia tsy manadino izy ireo fa nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy manome zavatra sasany ho an’i Kaisara izy ireo. Ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly dia mitaky ny handinihan’izy ireo amim-pahatsorana hoe hatraiza izy ireo no afaka mandoa izay takin’i Kaisara. (Romana 13:7). Amin’izao andro maoderina izao, dia mpahay lalàna maro no niaiky fa manana ny fetrany ireo hery ara-pitondram-panjakana, ary hatraiza hatraiza ny olona sy ny fitondram-panjakana dia samy fehezin’ny lalàna voajanahary.

3, 4. Fanazavana mahaliana inona avy no natao momba ny lalàna voajanahary sy ny lalàna voambara ary ny lalàn’olombelona?

3 Nanisy firesahana an’io lalàna voajanahary io ny apostoly Paoly fony izy nanoratra toy izao momba ireo olona eo amin’izao tontolo izao: “Izay azo fantarina momba an’Andriamanitra dia miharihary eo amin’izy ireo, satria nahariharin’Andriamanitra tamin’izy ireo izany. Fa ireo toetrany tsy hita maso dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria tsapa amin’ny zavatra natao izy ireo, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy, ka tsy azo alan-tsiny ireo.” Raha toa izy ireo ka mandray tsara ny lalàna voajanahary, izy io dia hanosika mihitsy ny feon’ny fieritreretan’ireo tsy mpino ireo. Araka izany, dia niteny toy izao i Paoly, ho fanampin’izany: “Na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony”. — Romana 1:19, 20, NW; 2:14, 15.

4 Tamin’ny taonjato faha-18, dia nanoratra toy izao ilay mpahay lalàna anglisy malaza atao hoe William Blackstone: “Io lalàn’ny natiora [lalàna voajanahary] io, noho izy io niara-belona [nitovy taona] tamin’ny taranak’olombelona sady nodidian’Andriamanitra mihitsy, dia mazava ho azy fa ambony noho izay mety ho [lalàna] hafa rehetra raha eo amin’ny adidy aminy. Izy io dia mametraka adidy manerana ny bolan-tany manontolo, any amin’ny tany rehetra ary amin’ny fotoana rehetra: tsy misy lalàn’olombelona hanan-kery raha mifanohitra amin’izy io.” Nanohy niresaka ny amin’ny “lalàna voambara” araka ny hita ao amin’ny Baiboly i Blackstone, ary nanazava toy izao: “Eo ambonin’ireo fototra roa ireo, dia ny lalàn’ny natiora sy ny lalàna voambara no iankinan’ireo lalàn’olombelona rehetra; izany hoe, tsy misy lalàn’olombelona tokony havela hanohitra azy ireo.” Izany dia mifanaraka amin’izay nolazain’i Jesosy momba an’Andriamanitra sy i Kaisara, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Marka 12:17. Mazava fa misy faritra izay ameran’Andriamanitra ny azon’i Kaisara takina amin’ny Kristiana iray. Nihoa-pefy nankao amin’izany faritra izany indrindra ny Synedriona rehefa nandidy ireo apostoly mba hitsahatra tsy hitory an’i Jesosy. Noho izany, dia namaly marina tsara toy izao ireo apostoly: “Izahay tsy maintsy mankato an’Andriamanitra ho mpanapaka fa tsy olona”. — Asan’ny Apostoly 5:28, 29, NW.

“Izay an’Andriamanitra”

5, 6. a) Noho ny fahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, dia inona no tokony hataon’ny Kristiana tsara kokoa ao an-tsaina? b) Ahoana no anomezan’ny Kristiana iray porofo fa mpanompo ny tenany?

5 Tsy maintsy nanao izay hahazoana antoka ireo Kristiana fa tsy hanome izay an’Andriamanitra ho an’i Kaisara, indrindra indrindra fa hatramin’ny 1914, rehefa nanomboka nanapaka tamin’ny naha-mpanjaka azy i Jehovah Andriamanitra Tsitoha, tamin’ny alalan’ny Fanjakana Mesianikan’i Kristy. (Apokalypsy 11:15, 17). Ankehitriny ny lalàn’Andriamanitra dia mitaky mbola tsy nisy toy izany amin’ny Kristiana mba tsy ho “naman’izao tontolo izao”. (Jaona 17:16). Noho izy ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra Mpanome Aina azy, dia tsy maintsy mampiseho mazava tsara izy ireo fa tsy tompon’ny tenany intsony. (Salamo 100:2, 3). Araka ny nosoratan’i Paoly dia “an’i Jehovah” isika. (Romana 14:8, NW ). Ambonin’izany, tamin’ny batisan’ny Kristiana iray, dia voatendry ho mpanompon’Andriamanitra izy, koa afaka miara-milaza amin’i Paoly toy izao izy: “Andriamanitra (...) nahatonga anay hahafeno fepetra tsara tokoa ho mpanompo”. — 2 Korintiana 3:5, 6, NW.

6 Nanoratra toy izao koa ny apostoly Paoly: “Mankalaza ny fanompoako [aho]”. (Romana 11:13). Azo antoka fa tokony hanao toy izany koa isika. Na mandray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro isika na tapa-potoana, dia tokony hitadidy ao an-tsaina fa ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanendry antsika ho amin’ny fanompoantsika. (2 Korintiana 2:17). Koa satria mety hisy hametraka fisalasalana ny amin’ny toerana tanantsika, ny Kristiana nanolo-tena sy vita batisa rehetra dia tsy maintsy vonona hanome porofo mazava sy tsy azo iadian-kevitra fa tena mpanompon’ny vaovao tsara tokoa ny tenany. (1 Petera 3:15). Tokony hiharihary eo amin’ny fitondran-tenany koa ny fanompoany. Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy, ny Kristiana iray dia tokony hampirisika sy hampihatra fitsipi-pitondran-tena madio, hanohana ny firaisan-kinam-pianakaviana, hanao ny marina ary haneho fanajana ny lalàna sy ny filaminana. (Romana 12:17, 18; 1 Tesaloniana 5:15). Ny fifandraisan’ny Kristiana iray amin’Andriamanitra sy ny fanompoana nanendren’Andriamanitra azy no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tsy afaka ny hitsahatra tsy hanao ireo noho ny fandidian’i Kaisara izy. Mazava tsara fa izy ireny dia tokony hisaina ho anisan’ireo zavatra “izay an’Andriamanitra”.

“Izay an’i Kaisara”

7. Manao ahoana ny lazan’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny fandoavan-ketra?

7 Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa izy ireo dia tokony haneho ‘fanekena an’ireo fahefana ambony’, ireo mpanapaka ao amin’ny fitondram-panjakana. (Romana 13:1, NW ). Noho izany, rehefa manao fitakiana ara-dalàna i Kaisara, na ny Fitondrana, ny feon’ny fieritreretan’izy ireo voataizan’ny Baiboly dia mamela azy ireo hanome fahafaham-po an’ireny fitakiana ireny. Ohatra, anisan’ireo mpandoa hetra fakan-tahaka indrindra eto an-tany ny Kristiana marina. Tany Alemaina, dia hoy ilay gazety hoe Münchner Merkur momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izy ireo no olona manao ny marina indrindra sy mpandoa hetra ara-potoana indrindra eto amin’ny Repoblika Federaly.” Tany Italia, dia nanao izao fanamarihana izao ny gazety La Stampa: “Izy ireo [Vavolombelon’i Jehovah] no olom-pirenena tsy mivadika indrindra azon’iza na iza irina; tsy mampiasa fitaka amin’ny hetra izy ireo ary tsy mitady ny hiala amin’ireo lalàna manorisory, ho tombontsoan’ny tenany manokana.” Manao izany ireo mpanompon’i Jehovah ‘noho ny fieritreretany’. — Romana 13:5, 6.

8. Voafetra ho amin’ny vola hetra ihany ve ny zavatra tokony homentsika an’i Kaisara?

8 Voafetra ho amin’ny fandoavan-ketra ve ireo zavatra “izay an’i Kaisara”? Tsia. Nitanisa zavatra hafa toy ny tahotra sy ny haja, i Paoly. Ao amin’ilay bokiny hoe Critical and Exegetical Hand-Book to the Gospel of Matthew, dia nanoratra toy izao i Heinrich Meyer, manam-pahaizana manokana alemanina: “Amin’ny hoe [ireo zavatra izay an’i Kaisara] (...) isika dia tsy mihevitra fotsiny ny hetra sivily, fa izay zavatra rehetra tokony ho an’i Kaisara noho ny fananany fanapahana ara-dalàna.” Nomarihin’i E. W. Barnes mpanoratra tantara, tao amin’ilay asa sorany hoe The Rise of Christianity, fa ny Kristiana iray dia nandoa hetra raha tokony ho nanome izany izy, ary “ho nanaiky toy izany koa ireo adidy hafa rehetra tamin’ny Fitondrana izy, raha toa ka tsy notakina taminy ny hanomezana an’i Kaisara ireo zavatra izay an’Andriamanitra”.

9, 10. Fisalasalana inona no mety hananan’ny Kristiana iray, momba ny fandoavana amin’i Kaisara izay tokony ho azy, kanefa zava-misy inona avy no tokony hotadidina ao an-tsaina?

9 Zavatra inona avy no azon’ny Fitondrana takina kanefa tsy mifaningotra amin’ireo zavatra izay an’Andriamanitra ara-drariny? Nisy nihevitra fa afaka manome ara-dalàna vola an’i Kaisara amin’ny endriky ny hetra izy ireo, kanefa tsy misy afa-tsy izay. Azo antoka fa tsy hampandrimandry azy ireo ny hanome an’i Kaisara na inona na inona mety haka fotoana izay azo ampiasaina amin’ireo asa teokratika. Kanefa na dia marina aza fa tokony ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitsika amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’ isika, i Jehovah dia manantena ny handaniantsika fotoana amin-javatra hafa ankoatra ny fanompoana masina ataontsika. (Marka 12:30; Filipiana 3:3, NW ). Ny Kristiana manambady, ohatra, dia toroana hevitra mba hanokana fotoana hampifaliana ny vadiny. Tsy ratsy akory ny asa toy izany, kanefa ny apostoly Paoly dia nilaza fa izy ireny dia zavatra “an’izao fiainana izao” fa tsy “ny an’ny Tompo”. — 1 Korintiana 7:32-34; ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:8.

10 Ankoatra izany, i Kristy dia nanome lalana an’ireo mpanara-dia azy mba ‘handoa’ hetra, ary azo antoka fa izany dia mahatafiditra fampiasana fotoana izay voatokana ho an’i Jehovah — satria ny fiainantsika manontolo dia voatokana amin’izany fomba izany. Raha toa ny antsalan’ny hetra takina ao amin’ny tany iray ka 33 isan-jaton’ny fidiram-bola (ambony kokoa izy io any amin’ny tany sasany), izany dia midika fa isan-taona, ny mpiasa antonintoniny dia mandoa amin’ny Tahirim-bolam-panjakana karama efa-bolana amin’ny vola azony. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia hoe, amin’ny faran’ireo taona rehetra niasany, ny mpiasa antonintoniny dia ho nandany tokony ho 15 taona mba hahazoana ilay vola hetra izay takin’i “Kaisara”. Diniho koa ny raharaha momba ny fianarana any an-tsekoly. Any amin’ny ankamaroan’ireo tany dia takin’ny lalàna ny handefasan’ireo ray aman-dreny ny zanany any an-tsekoly mandritra ny taona maromaro fara fahakeliny. Ny isan’ireo taona fianarana any an-tsekoly dia miovaova arakaraka ny tany. Any amin’ny ankamaroan’ireo toerana, izany dia fotoana lavalava ihany. Marina fa mazàna mahasoa ny fianarana any an-tsekoly toy izany, kanefa dia i Kaisara no manapa-kevitra ny amin’ny hoe tapany manao ahoana amin’ny fiainan’ny ankizy iray no tsy maintsy lanina amin’izany fomba izany, ary manaraka ny fanapahan-kevitr’i Kaisara ireo ray aman-dreny kristiana.

Raharaha miaramila tsy maintsy atao

11, 12. a) Fitakiana inona no ataon’i Kaisara any amin’ny tany maro? b) Ahoana no niheveran’ireo Kristiana tany am-boalohany ny raharaha miaramila?

11 Fitakiana hafa iray ataon’i Kaisara any amin’ny tany sasany dia ny raharaha miaramila tsy maintsy atao. Tamin’ny taonjato faha-20, io fandaharana io dia naorin’ny ankamaroan’ireo firenena tamin’ny fotoan’ny ady, ary naorin’ny firenena sasany tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady koa. Tany Frantsa, nandritra ny taona maro io adidy io dia nantsoina hoe hetran-dra, izay midika fa ireo lehilahy tanora dia tsy maintsy vonona ny hanao sorona ny ainy ho an’ny Fitondrana. Moa ve izany zavatra azon’ireo nanolo-tena ho an’i Jehovah ireo omena amim-pieritreretana tsara? Ahoana no niheveran’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany io raharaha io?

12 Na dia niezaka ny ho olom-pirenena tsara aza ireo Kristiana tany am-boalohany indrindra, ny finoan’izy ireo dia nisakana azy tsy hanaisotra ny ain’ny hafa na tsy hanao sorona ny ain’ny tenany ho an’ny Fitondrana. Milaza toy izao ny The Encyclopedia of Religion: “Ireo rain’ny eglizy tany am-boalohany, anisan’izany i Tertullien sy i Origène, dia nilaza marimarina fa ireo Kristiana dia voarara tsy hanaisotra ain’olona, izany dia fotopoto-pitsipika izay nisakana azy ireo tsy handray anjara tao amin’ny tafika romana.” Nanoratra toy izao ny Profesora C. J. Cadoux, tao amin’ilay bokiny hoe The Early Church and the World: “Mandra-pahatongan’ny fanjakan’i Marc Aurèle [161-180 am.f.i.], na ahoana na ahoana dia tsy nisy Kristiana tonga miaramila taorian’ny batisany.”

13. Nahoana ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tsy mitovy fiheverana amin’ireo Kristiana tany am-boalohany?

13 Nahoana ireo mpikambana ao amin’ny fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tsy mihevitra toy izany amin’izao andro izao? Satria nisy fiovana lehibe nitranga tamin’ny taonjato fahefatra. Manazava toy izao ilay asa soratra katolika hoe A History of the Christian Councils: “Kristiana maro (...) teo ambanin’ny fanapahan’ireo emperora mpanompo sampy, no nanana ahiahy ara-pivavahana momba ny raharaha miaramila, ary nanda an-kitsirano ny handray fiadiana izy, na raha tsy izany dia nitsoaka an-daharana. Ilay Synoda [tany Arles, natao tamin’ny 314 am.f.i.], raha nandinika ireo fiovana nampidirin’i Constantin, dia nanazava tsara ilay adidy hoe tsy maintsy manompo ao amin’ny ady ny Kristiana, (...) satria mihavana (in pace) [amin’ny Fitondrana] ny Eglizy eo ambanin’ny fanapahan’ny andriana iray misakaiza amin’ny Kristiana.” Ho vokatr’io fandaozana ny fampianaran’i Jesosy io, nanomboka tamin’izay fotoana izay ka mandraka ankehitriny, dia nampirisika ireo andian’ondriny mba hanompo ao amin’ny tafik’ireo firenena ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, na dia nisy aza olona sasany nijoro ho olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

14, 15. a) Miorina amin’inona no itakian’ny Kristiana any amin’ny toerana sasany fanafahana amin’ny raharaha miaramila? b) Any amin’izay tsy anomezana fanafahana, fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina inona avy no hanampy ny Kristiana iray mba hanao fanapahan-kevitra marina tsara raha ny amin’ny raharaha miaramila?

14 Moa ve ny Kristiana amin’izao andro izao voatery hanaraka ny maro an’isa amin’io raharaha io? Tsia. Raha toa ny Kristiana iray nanolo-tena sy vita batisa ka mipetraka any amin’ny tany iray izay anomezana fanafahana amin’ny raharaha miaramila an’ireo mpitory teny, dia afaka manararaotra io fandaharana io izy satria raha ny marina dia mpitory teny ny tenany. (2 Timoty 4:5). Misy tany maromaro, tafiditra amin’izany i Etazonia sy i Aostralia, nanome fanafahana toy izany na dia tamin’ny fotoan’ny ady aza. Ary mandritra ny fotoana tsy isian’ny ady, any amin’ny tany maro izay mitana ny raharaha miaramila ho tsy maintsy atao, dia omena fanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny maha-mpitory teny azy ireo. Amin’izany izy ireo dia afaka manohy manampy ny olona amin’ny fanompoana ampahibemaso ataony.

15 Ahoana anefa raha toa ny Kristiana ka miaina any amin’ny tany iray tsy anomezana fanafahana ho an’ireo mpitory teny? Amin’izay izy dia tsy maintsy hanao fanapahan-kevitra manokana ka hanaraka ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. (Galatiana 6:5). Na dia hanisy fiheverana ny fahefan’i Kaisara aza izy, dia handanjalanja amim-pitandremana izay tokony homeny an’i Jehovah. (Salamo 36:9; 116:12-14; Asan’ny Apostoly 17:28). Ny Kristiana dia hitadidy fa ny famantarana ny Kristiana marina dia ny fitiavana an’ireo mpiray finoana aminy rehetra, na dia ireo miaina any an-tany hafa na anisan’ny foko hafa aza. (Jaona 13:34, 35; 1 Petera 2:17). Ankoatra izany, izy dia tsy hanadino ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina hita ao amin’ny andinin-teny toy ny Isaia 2:2-4; Matio 26:52; Romana 12:18; 14:19; 2 Korintiana 10:4; sy Hebreo 12:14.

Fanompoana sivily

16. Any amin’ny tany sasany, dia fanompoana tsy ara-tafika inona no takin’i Kaisara amin’ireo izay tsy manaiky hanao raharaha miaramila?

16 Misy anefa tany izay tsy amelan’ny Fitondrana fanafahana ho an’ireo mpitory teny, kanefa anekeny ny mety handavan’ny olona sasany ny raharaha miaramila. Maro amin’ireny tany ireny no manao fandaharana ho an’ny olona manaraka ny feon’ny fieritreretany toy izany, mba tsy hoterena hanao raharaha miaramila. Any amin’ny toerana sasany, dia misy fanompoana sivily takina, toy ny asa mahasoa iray eo amin’ny fiaraha-monina, izay heverina ho toy ny fanompoam-pirenena tsy ara-tafika. Moa ve ny Kristiana iray nanolo-tena afaka manao izany fanompoana izany? Eto indray, dia tsy maintsy manao ny fanapahan-keviny manokana miorina amin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly, ny Kristiana iray nanolo-tena sy vita batisa.

17. Misy ve ohatra taloha araka ny Baiboly momba ny fanompoana sivily tsy ara-tafika?

17 Toa fanao tamin’ny andron’ny Baiboly ny fanompoana tsy maintsy natao. Hoy ny boky iray momba ny tantara: “Ho fanampin’ireo hetra sy zavatra tsy maintsy naloa notakina tamin’ireo mponin’i Jodia, dia teo koa ny latasy [asa mafy tsy nandraisan-karama notakin’ireo manam-pahefam-panjakana]. Izy io dia zavatra naorina fahiny tany Atsinanana, izay mbola notanan’ireo fahefana grika sy romana. (...) Ny Testamenta Vaovao koa dia manonona ohatra ny amin’ny latasy tany Jodia, ka nampiseho fa niely patrana izy io. Mifanaraka amin’io fanao io, ireo miaramila dia nanery an’i Simona, Kyreniana mba hitondra ny lakroa [hazo fijaliana] an’i Jesosy (Matio 5:41; 27:32; Marka 15:21; Lioka 23:26).”

18. Miara-miasa matetika eo amin’ny karazana asam-pokonolona tsy ara-tafika sy tsy ara-pivavahana inona avy, ny Vavolombelon’i Jehovah?

18 Toy izany koa, ny olom-pirenena any amin’ny tany sasany amin’izao andro izao dia takin’ny Fitondrana, na takin’ny fahefana eo an-toerana, handray anjara amin’ny asam-pokonolona amin’ny endriny maro samihafa. Indraindray izy io dia mba hanaovana asa voafaritra tsara iray, toy ny fihadiana lava-drano na fanaovana lalana; indraindray izy io dia atao tsy tapaka, toy ny fandraisana anjara isan-kerinandro amin’ny fanadiovana ny lalana, na ny sekoly, na ny hopitaly. Rehefa mahasoa ny fiaraha-monina sy tsy mifandray amin’ny fivavahan-diso ary tsy manohitra ny feon’ny fieritreretan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fomba hafa izany fanompoana sivily izany, dia matetika nanaraka izany ny Vavolombelona. (1 Petera 2:13-15). Mazàna izany dia nahatonga fanambarana tena tsara, ary indraindray dia nampangina ireo izay niampanga lainga ny Vavolombelona ho mpanohitra ny fitondram-panjakana. — Ampitahao amin’ny Matio 10:18.

19. Ahoana no tokony hataon’ny Kristiana iray raha mangataka azy hanao fanompoam-pirenena tsy ara-tafika mandritra ny fe-potoana iray, i Kaisara?

19 Ahoana anefa raha toa ny Fitondrana ka mitaky amin’ny Kristiana iray, mandritra ny fe-potoana iray, mba hanao fanompoana sivily izay anisan’ny fanompoam-pirenena eo ambanin’ny fitantanan-draharaha sivily? Eto indray, ny Kristiana dia tsy maintsy manao ny fanapahan-keviny manokana miorina amin’ny feon’ny fieritreretana manam-pahalalana. “Samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.” (Romana 14:10). Ireo Kristiana izay miatrika fitakiana iray ataon’i Kaisara dia tokony handinika amim-pitandremana ao amin’ny vavaka ilay raharaha ka hisaintsaina azy io.a Mety ho fahendrena koa ny miresaka an’ilay raharaha amin’ny Kristiana matotra ao amin’ny kongregasiona. Aorian’izay, dia tsy maintsy atao ny fanapahan-kevitra manokana iray. — Ohabolana 2:1-5; Filipiana 4:5, NW.

20. Fanontaniana sy fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina inona avy no manampy ny Kristiana iray hanjohy hevitra ny amin’ilay raharaha momba ny fanompoam-pirenena sivily tsy ara-tafika?

20 Eo am-panaovana fikarohana toy izany, ny Kristiana dia handinika fotopoto-pitsipika maromaro ao amin’ny Baiboly. Nilaza i Paoly fa isika dia tsy maintsy ‘manaiky ny fitondram-panjakana sy ny fahefana ho mpanapaka, vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, mahalala ny antonona, mampiseho fahalemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra’. (Titosy 3:1, 2, NW ). Amin’izay fotoana izay ihany, dia ho tsara ny handinihan’ny Kristiana ilay asa sivily naroso. Raha manaiky azy io izy ireo, moa ve izy ireo ho afaka hitana fialanalanana kristiana? (Mika 4:3, 5; Jaona 17:16). Moa ve izany hahavoarohirohy azy ireo amin’ny fivavahan-diso sasany? (Apokalypsy 18:4, 20, 21). Moa ve ny fanaovana azy io hisakana na hametra tsy araka ny antonona azy ireo tsy hanatanteraka ireo andraikiny kristiana? (Matio 24:14; Hebreo 10:24, 25). Etsy an-danin’izany, moa ve izy ireo ho afaka hanohy hanao fandrosoana ara-panahy, angamba mihitsy aza handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro eo am-panaovana ilay fanompoana takina? — Hebreo 6:11, 12.

21. Na manao ahoana na manao ahoana fanapahan-kevitry ny rahalahy iray miatrika raharaha momba ny fanompoam-pirenena sivily tsy ara-tafika, dia ahoana no tokony hiheveran’ny kongregasiona azy?

21 Ahoana raha toa ny valin-teny amim-pahatsorana omen’ilay Kristiana ho an’ny fanontaniana toy izany, ka mitarika azy hanatsoaka hevitra fa ilay fanompoam-pirenena sivily dia “asa tsara” izay azony atao ho fankatoavana ny fahefana? Izany dia fanapahan-keviny eo anatrehan’i Jehovah. Ireo loholona voatendry sy ny hafa dia tokony hanaja tanteraka ny feon’ny fieritreretan’ilay rahalahy ka hanohy hihevitra azy ho toy ny Kristiana iray mijoro tsara. Raha mihevitra anefa ny Kristiana iray fa tsy afaka manao io fanompoana sivily io ny tenany, dia tokony hohajaina koa ny toerany. Mitoetra ho mijoro tsara koa izy ka tokony hahazo fanohanana feno fitiavana. — 1 Korintiana 10:29; 2 Korintiana 1:24; 1 Petera 3:16.

22. Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra atrehintsika, dia hanohy hanao inona isika?

22 Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tsy hitsahatra ny handoa “haja ho an’izay tokony hohajaina” isika. (Romana 13:7). Hanaja ny filaminana tsara isika ary hiezaka ny ho olom-pirenena tia fihavanana sy mpanara-dalàna. (Salamo 34:14). Mety hivavaka mihitsy aza isika “ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana” rehefa angatahina ireny olona ireny mba hanao fanapahan-kevitra izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika sy ny asantsika amin’ny maha-Kristiana. Ho vokatry ny fandoavantsika amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, dia manantena isika fa ‘hiaina miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra’. (1 Timoty 2:1, 2). Ambonin’ny zava-drehetra, isika dia hanohy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona, ka handoa amim-pieritreretana tsara amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 Septambra 1964, pejy faha-532-533, fehintsoratra faha-21.

Azonao Hazavaina Ve?

◻ Rehefa mampifandanja ny fifandraisany amin’i Kaisara sy amin’i Jehovah ny Kristiana iray, dia inona no zavatra ahiny voalohany?

◻ Inona no tokony homentsika an’i Jehovah ka tsy azontsika omena mihitsy an’i Kaisara?

◻ Inona avy ireo zavatra sasany izay mety ny amerenantsika azy amin’i Kaisara?

◻ Andinin-teny inona avy no manampy antsika hanao fanapahan-kevitra marina tsara raha ny amin’ny raharaha miaramila tsy maintsy atao?

◻ Inona avy ireo zavatra sasany tokony hotadidina ao an-tsaina raha antsoina hanao fanompoam-pirenena sivily tsy ara-tafika isika?

◻ Hanohy hanao inona isika mahakasika an’i Jehovah sy i Kaisara?

[Sary, pejy 16, 17]

Nilaza tamin’ny Synedriona toy izao ireo apostoly: “Izahay tsy maintsy mankato an’Andriamanitra ho mpanapaka fa tsy olona”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara