Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fivavahana mandrakariva
1 Nanoratra teny fampaherezana ho an’ny Filipiana toy izao ny apostoly Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.” (Fil. 4:13) Mila miantehitra tanteraka amin’i Jehovah koa isika mba hahazoana hery hampisehoana ny vaovao tsara amim-pahasahiana. Ahoana no hahafahantsika hanao izany?
2 Manamafy ny ilantsika ny ‘hivavaka mandrakariva ka tsy reraka’ i Jesosy. (Lioka 18:1) Nampirisika toy izao i Paoly: “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” (1 Tes. 5:17) Eny, ny hery dia azo avy amin’ny vavaka. Mila mampiseho ny vaovao tsara amin’ny fivavahana mandrakariva isika. Azontsika atao ny mivavaka mba hahitana fahafahana hitory amin’ny hafa, mba hahazoana fahendrena sy fahaiza-manavaka rehefa mitory isan-trano, ary mba hahitana fahombiazana amin’ny fanohinana ny fon’ireo olona ampianarintsika ny Baiboly. Koa satria ilaina maika dia maika ny hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana alohan’ny hahatongavan’ny farany dia ilaintsika koa ny mivavaka ho an’ny fandrosoan’ny tombontsoan’ilay Fanjakana maneran-tany. (Matio 24:14) Tsy maintsy ‘miambina’ amin’ny fivavahana isika mba hisorohana ny fatoritoriana ara-panahy sy mba hitomboan’ny fankasitrahantsika ny tombontsoa miresaka ny amin’ny fikasan’i Jehovah amin’ny hafa.—Kol. 4:2; wF 62, pp. 544, 545.
Rehefa mampianatra Baiboly
3 Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny vavaka rehefa mitarika fampianarana Baiboly? Manome ho antsika ny toe-tsaina mety amin’izany sady manampy ilay mpianatra mba hahatsapa ny mahazava-dehibe izay lazaina ny fanombohana ny fianarana amin’ny vavaka. Mianatra miantehitra amin’i Jehovah izy mba hahazoana fitarihana. Mianatra ny fomba fivavaka koa ilay mpianatra araka ny ohatra omenao.—Lioka 11:1.
4 Inona avy ireo zavatra mety raha hampidirina ao amin’ny vavaka atao amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano? Ohatra tsara dia tsara ny amin’izany ny vavaka nataon’i Paoly ho an’ny Filipiana. (Matio 6:9-13; Fil. 1:9-11) Tsy ilaina atao lava be tsy misy farany ny vavaka ataontsika fa tokony hirakitra zavatra hentitra kosa. Zava-dehibe ny hampidirantsika ao teny fiderana mety ho an’i Jehovah noho ny asany tsara dia tsara tsy hita isa. Afaka maneho fankasitrahana ny fahalehibeazany, ny fahamboniany ary ireo toetrany tanteraka isika. (Sal. 145:3-5) Ho tsara ny hanononana ny anaran’ilay mpianatra ny Baiboly, angamba amin’ny filazana fa takatrao ny toerana misy azy, sy amin’ny fivavahana mba handroso ara-panahy izy. Arakaraka ny handrosoany dia afaka mangataka ny fitahian’i Jehovah ny fiezahana ataony mba hanatrehana ireo fivoriana sy hizarany amin’ny hafa ny fahamarinana izay ianarany isika. Ampidiro ao koa ny fangatahana ny fitahian’i Jehovah ho an’ny asa fitoriana maneran-tany.
Ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika
5 Mpiara-miasa amintsika ny vahoakan’i Jehovah rehetra. (1 Kor. 3:9) Noho izany, rehefa manandrana manakana ny fitoriana ny vaovao tsara ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana dia voatosika hivavaka “ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana” isika. Noho ny zava-kendrena inona? “Mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN] sy ny fahamaotinana rehetra.” (1 Tim. 2:1-2) Ho tombontsoan’ny rahalahintsika maneran-tany no anaovana ny vavaka toy izany, raha ny marina. Mivavaka isika mba hananan’ny manam-pahefana fiheverana tsara eo anatrehan’ny asantsika.
6 Amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika, dia afaka mangataka hery ho an’ireo rahalahintsika izay mitory ao anatin’ny toe-javatra sarotra isika sy ho an’ireo izay mety ho marary ara-panahy amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika mba hahafahany mandray anjara feno kokoa amin’ny fanompoana. (2 Tes. 3:1, 2) Tsara ihany koa ny hivavahana ho an’ny loholona ao amin’ny kongregasiona, ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany, ary ho an’ny Kolejy Foibe—dia izay rehetra “mikely aina eo aminareo.”—1 Tes. 5:12.
7 Amin’ny fotoana rehetra, dia ilaintsika ny manankina ireo fanahiantsika amin’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra. (Sal. 55:22; 1 Pet. 5:7) Mahazo toky isika fa na inona na inona angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapony dia hihaino antsika izy. (1 Jaona 5:14) Noho izany, raha mangataka ny fanampian’i Jehovah isika mba hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoantsika, dia afaka matoky isika fa hohenoiny izany ary hataony izay hahombiazan’ny lalantsika.—2 Tim. 4:5.