Fanontanian’ny mpamaky
◻ Ao amin’ny 1 Timoty 2:5, 6 i Jesosy dia antsoina hoe “Mpanalalana” izay “nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra”. Noho izany, Mpanalalana ho an’ireo kristiana voahosotry ny fanahy ihany ve izy sa ho an’ny olombelona rehetra?
Ao amin’ny Baiboly dia misy fampianarana fototra sy fahamarinana lalina, izay mahaforona ventin-kanina ara-panahy. Ny iray amin’ireny fahamarinana ireny dia mahakasika ny anjara asa tanan’i Jesosy Kristy amin’ny maha-Mpanalalana azy. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’izao androny izao.” — 1 Timoty 2:5, 6.
Mba hahatakarana ny hevitr’ireo teny ireo, dia ilaintsika aloha ny mahazo ao an-tsaina fa araka ny Baiboly dia anjara roa no misokatra ho an’ny olona mahatoky: 1) fiainana tanteraka ao amin’ny paradisa tafaorina indray eto an-tany ary 2) fiainana any an-danitra, natokana ho an’ny ‘ondry vitsin’i Kristy’, izay miisa ho 144 000. (Lioka 12:32; Apokalypsy 5:10; 14:1-3). Raha ny amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izy io dia mampianatra fa ny tsara fanahy rehetra dia mankany an-danitra. Izany fampianarana tsy ara-Baiboly izany dia nanan-kery teo amin’ny sain’ny olona, hany ka noheverina fa Mpanalalana ho an’ny tsara fanahy rehetra i Jesosy. Kanefa inona moa no lazain’ny Baiboly?
Ny teny grika hoe mésitês, izay nadika hoe “mpanalalana” dia manondro ‘olona iray izay eo anelanelan’ny tena na andaniny roa’. Izy io dia ‘teny ara-teknika nanana lafiny maromaro izay noraisina avy tamin’ny fiteny ara-pitsaran’ny grika fahizay’. Araka ny profesora atao hoe Albrecht Oepke (Dictionnaire théologique du Nouveau Testament [anglisy]), ny hoe mésitês dia “iray amin’ireo teny ara-teknika izay nanana dikany samihafa indrindra teo amin’ny voambolan’ny lalàna grika fahizay”.
Fa nahoana ny Baiboly no mampiasa teny mifandray amin’ny fitsarana mba hiresahana ny anjara asa tanan’i Jesosy amin’ny maha-mpanalalana azy? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia aoka hodinihintsika izay lazain’i Paoly ny amin’ny Lalàn’Andriamanitra, izay nomena ny firenen’Isiraely tafavory teo anoloan’ny tendrombohitr’i Sinay: “Nalahatr’anjely teo an-tànan’ny mpanalalana izany.” (Galatiana 3:19, 20). I Mosesy io mpanalalana io. Izy no mpanalalana teo amin’i Jehovah sy ny Isiraely ara-nofo. Ho amin’ny zava-kendrena inona? Mba hanaovana fenekena, na fifanarahana ara-dalàna, teo amin’Andriamanitra sy io firenena io.a
Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa i Jesosy dia Mpanalalana amin’ny heviny ara-pitsarana voafaritra tsara? Izany tokoa. Ao amin’ny Hebreo 8:6, rehefa avy niresaka ny amin’ny tabernakely sy ireo sary tandindona hafa nisy teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna i Paoly dia manampy toy izao: “Efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.” Io “fanekena tsara lavitra” io dia ilay fanekena vaovao, izay nanolo ilay Fanekena izay i Mosesy no mpanalalana teo aminy (Hebreo 8:7-13). Io fanekena vaovao io dia “natao [voaorina ara-dalàna, MN ]”. Noho izy io, ny mpianatr’i Kristy sasany, ary ireo apostoly no voalohany amin’izany, dia afaka ny “hiditra ao amin’ny fitoerana masina”, any an-danitra mihitsy. — Hebreo 9:24; 10:16-19.
Misy fanoroan-javatra hafa mampiseho fa ara-dalàna ny maha-Mpanalalana an’i Jesosy amin’ny “fanekena vaovao”. Momba ilay fampanantenan’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Salamo 110:4, dia izao ny nolazain’i Paoly: “Dia tahaka izany koa no nanaovana an’i Jesosy ho Mpiantoka [énguos] ny fanekena tsara lavitra.” (Hebreo 7:22). Io irery ihany no andininy ao amin’ny Baiboly ampiasana ny teny hoe énguos. Ny Nouveau Dictionnaire international de théologie du Nouveau Testament (anglisy) dia nanoratra hoe: “Ny énguos dia niantoka ny fahatanterahan’ny adidy ara-dalàna iray.” Ny anjara asa tanan’i Jesosy amin’ny Maha-Mpanalalana azy amin’ny fanekena vaovao àry izany dia mahaforona antoka ara-dalàna fa ho tanteraka “ny fanantenana tsaratsara kokoa”. — Hebreo 7:19.
Ao amin’ny andininy hafa iray, i Paoly dia mampiasa teny mifandray amin’ny raharaha ara-pitsarana iray hafa koa, dia ny hoe arrabôn izay nadika hoe “antoka” ihany koa. Ilay rakibolana notononina tetsy aloha dia milaza hoe: “Ny teny grika hoe arrabôn (...) dia voambolana ara-pitsarana noraisina avy tamin’ny raharaha mikasika ny varotra.” Aoka hojerentsika izao ny tarehin-javatra nampiasan’i Paoly io teny ara-pitsarana io: “Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, Izay nanisy tombon-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra [antoka, MN ] ato am-pontsika.” (2 Korintiana 1:21, 22). Ireo toerana roa hafa ampiasana ny teny hoe arrabôn dia mifandray ihany koa amin’ireo kristiana izay voahosotry ny fanahin’Andriamanitra, ary mandray ‘valisoa na lova izay maharitra mandrakizay any an-danitra’ amin’ny maha-zanaka ara-panahin’Andriamanitra azy. — 2 Korintiana 5:1, 5; Efesiana 1:13, 14; jereo ny Soratra grika — Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra (anglisy).
Mazava tsara àry, fa ny fanekena vaovao dia tsy fandaharana azon’ny olombelona rehetra raisina. Izy io dia fanekena ara-dalàna izay novolavolaina tamim-pitandremana tsara ary mahakasika an’Andriamanitra sy ireo kristiana voahosotra.
Izany dia tokony hanampy antsika hahazo ny hevitry ny 1 Timoty 2:5, 6. Ny teny hoe “mpanalalana” izay hita ao dia efa nampiasaina indimy tao amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly teo aloha. Tokony ho azon’i Timoty àry izany fa ny maha-mpanalalana an’i Jesosy dia ilay anjara asa ara-pitsarana tanany ao amin’ny faritry ny fanekena vaovao. Ao amin’ny bokiny hoe Ireo taratasin’ny mpiandry (anglisy), Dibelius sy Conzelmann dia miaiky fa ao amin’ny 1 Timoty 2:5 ‘ny hevitry ny teny hoe “mpanalalana” dia manana endrika ara-pitsarana’. Nanampy toy izao izy ireo: “Mifanohitra amin’ny Hebreo 8:6, dia tsy manonona ilay fanekena io andinin-teny io, kanefa, araka ny tondroin’ny teny manodidina, dia tsy maintsy heverina ao an-tsaina fa miresaka ny amin’ilay ‘mpanalalana amin’ny fanekena vaovao’ izy io.” Nanao fanamarihana ny Profesora Oepke fa ao amin’ny 1 Timoty 2:5 i Jesosy dia aseho ho toy ny “mpisolovava sy mpandraharaha”.
Inty misy fanoharana iray izay hanampy anao hahazo ny hevitr’io foto-kevitra io, indrindra raha tsy kristiana voahosotry ny fanahy ianao: Raiso ho ohatra ny raharaha ara-pitsarana iray karakarain’ny mpisolovava iray. Ny anjara asan’izy io angamba dia tsy dia ny hisolovava eo amin’ny fitsarana loatra, fa ny hanelanelana na hanolotra fanekena ara-dalàna heken’ireo andaniny roa sy ho azony ampiasaina. Marina fa tsy tafiditra ao amin’ilay raharaha ianao ary noho izany dia tsy mpisolovava ho anao izy. Kanefa, mety ho sakaizanao akaiky izay afaka mitondra fanampiana sarobidy ho anao amin’ny lafiny hafa izy io.
Mety hitondra vokatra hahasoa olona maro hafa ny asa tontosain’ny mpisolovava iray. Toy izany ny amin’ny zavatra notanterahin’i Jesosy eo amin’ny lafiny ara-dalàna amin’ny maha-Mpanalalana azy amin’ny fanekena vaovao, izay namokatra “fanjakà-mpisorona” any an-danitra, zavatra izay tsy vitan’ny faneken’ny Lalàna (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9). Ao amin’ilay Fanjakana, any an-danitra, any aoriana, ireo kristiana voahosotra dia hampiray ny fiezahany amin’ny an’i Jesosy mba hitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. — Genesisy 22:18.
Ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, dieny izao dia efa mandray soa avy amin’ny asa vitan’i Jesosy. Na dia tsy Mpanalalana ara-dalàna ho azy ireo aza i Jesosy, satria tsy tafiditra ao amin’ilay fanekena vaovao izy ireo, dia amin’ny alalany ihany no anatonan’izy ireo an’i Jehovah: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6). Izay rehetra maniry hahazo ny fiainana eto an-tany dia tsy maintsy manolotra ny vavaka ataony amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy (Jaona 14:13, 23, 24). I Jesosy koa dia Mpisoronabe mamindra fo izay afaka mampihatra amin’izy ireo ny soa azo avy amin’ny sorona nataony, hany ka afaka ny hahazo famelan-keloka izy ireo ary amin’ny farany, ny famonjena. — Asa. 4:12; Hebreo 4:15.
Noho izany, ny 1 Timoty 2:5, 6 dia tsy mampiasa ny teny hoe “mpanalalana” amin’ny heviny malalaka toy ny andikan’ny fiteny maro azy. Io andininy io dia tsy milaza fa mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona rehetra akory i Jesosy. Mampiseho an’i Kristy amin’ny maha-Mpanalalana (na “mpisolovava”) ara-dalànan’ny fanekena vaovao azy kosa izy io, ary izany dia mifanaraka amin’ny hevitra voafintina omen’ny Baiboly io teny io. I Jesosy koa dia avotra hisolo ny olona rehetra tafiditra ao amin’io fanekena io, na Jiosy izany na Jentilisa, izay hahazo ny tsy fahafatesana any an-danitra. Miresaka ny amin’izy ireo ny apostoly Jaona ao amin’ny 1 Jaona 2:2, nefa lazainy eo koa fa hahazo soa avy amin’ny avotr’i Kristy koa ny olona maro hafa. Izao tokoa no ambarany: “Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.”
Ireo olona avy amin’“izao tontolo izao” ireo dia hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa voaorina indray eto an-tany. Misy an-tapitrisany maro amin’ireny mpanompon’Andriamanitra nahazo sitraka avy aminy ireny ankehitriny no mikolokolo izany fanantenana ny ho eto an-tany izany. Mihevitra an’i Jesosy ho toy ny Mpisoronabeny sy Mpanjakany izy ireo, ka amin’ny alalany no azony anatonana an’i Jehovah isan’andro. Matoky ny avotr’i Jesosy izy ireo, avotra izay ampiharina aminy, ary koa amin’ny olona toa an-dry Abrahama sy Davida ary Jaona mpanao batisa rehetra ho tafatsangana amin’ny maty ireo (Matio 20:28). Noho ny soron’i Kristy àry izany dia afaka ny hahazo fiainana mandrakizay ny olombelona rehefa mankatò.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hahita fianarana momba ireo fanekena ianao ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, 1 May 1989, eo amin’ireo pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-20.
[Sary, pejy 31]
Ny tendrombohitra Sinay nanaovan’i Mosesy ny asan’ny mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.