Aoka isika hampiharihary ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny fampiharana izay ianarantsika
“Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.” — SALAMO 37:3.
1, 2. a) Noho ny fikendrena inona moa no tokony hianarantsika ny Baiboly isam-batan’olona? b) Fanoharana inona moa no nomen’i Jakoba, ary miresaka ny amin’ny topy maso haingana ve izy?
TSY HOE asa mahafinaritra fotsiny ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia tokony hanome fahafahana an’ilay mirotsaka amin’izany, hampitombo ny fatokiany an’i Jehovah (Ohabolana 3:1-5). Araka ny asehon’ny tenin’ny mpanao salamo voatonona etsy ambony, ny fatokiana an’i Jehovah, avy eo, dia manosika ‘hanao soa’.
2 Mandefa izao famporisihana izao i Jakoba ho an’ny kristiana: “Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.” (Jakoba 1:22-24). Ny fandinihan-tena resahin’i Jakoba eto dia tsy tokony ho vitan’ny fanopaza-maso haingana. Ny teny grika nadika hoe “mijery” tokoa dia manondro indrindra “ny fanahiana mafy ao an-tsaina ireo zava-misy mifandray amin’ny foto-kevitra nomena”. — Rakibolana manazava ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nosoratan’i W. Vine; jereo Asan’ny apostoly 7:31, Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra (anglisy).
3. Amin’ny ahoana moa ny olona iray mijery ny tenany ao amin’ny fitaratra no mety hanadino haingana ny hoe ‘karazan’olona manao ahoana izy’?
3 Aoka àry halaintsika sary an-tsaina fa misy olona iray mandinika ny tarehiny ao amin’ny fitaratra ary mahamarika toetra tsy dia mahafinaritra: saoka roa noho ny fihinanana sy ny fisotroana tafahoatra, maso bongo vokatry ny tsy fahampian-torimaso ary ketrona eo amin’ny handrina ateraky ny fanahiana lalandava. Eo anatrehan’ny tenany, dia mandray fanapahan-kevitra izy mba hitondra fiovana eo amin’ny fahazarany sy ny fomba fiainany, dia zavatra izay tokony ho nataony hatramin’ny ela. Dia “lasa” izy. Rehefa afaka amin’ny taratra manelingelin’ny tarehiny izy, “miaraka amin’izay dia hadinony”, tsy ny endriny loatra, fa ny hoe ‘karazan’olona manao ahoana izy’. Manjavona ireo fanapahan-keviny tsara.
4. Amin’ny ahoana ny fanoharana nomen’i Jakoba no mihatra amin’ny fianarantsika ny Soratra masina?
4 Toy izany koa, angamba ianao mianatra amim-pahazotoana ny Baiboly; kanefa inona no ataonao rehefa mijery ny tenanao ao amin’ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra ianao? Raha ohatra ao anatin’io ka voamarikao fa manana pentina na kilema ara-panahy ianao, moa ve izany tsy manahiran-tsaina anao afa-tsy amin’io fotoana io ihany, sa kosa, mifanohitra amin’izany, mandray fanapahan-kevitra hentitra ve ianao mba hanitsiana ireo kilema ireo? Hoy ny anampin’i Jakoba hoe: “Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia sambatra amin’ny asany izany olona izany.” (Jakoba 1:25). Izany no nahatonga ity vavaky ny mpanao salamo ity: “Jehovah ô, toroy ny làlan’ny didinao aho; dia hotandremako hatramin’ny farany izany.” — Salamo 119:33.
Ny fomba fanaovantsika zavatra dia mampiharihary hoe iza isika
5. a) Mampiharihary inona moa ny asantsika? b) Anjara inona moa no miandry an’ireo “mpanao ratsy”?
5 Raha ny marina dia mampiharihary ny maha-isika antsika lalina ny asantsika na ny fomba fanaovantsika zavatra. Na ho ela na ho haingana, ny tsirairay dia mampiharihary ‘ny zava-miafina ny amin’ny tenany’ amin’ny fanaovana na ny tsara na ny ratsy (Salamo 51:6, MN ). Niteny Solomona hoe: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” (Ohabolana 20:11). Voamarina io fotopoto-pitsipika io tamin’i Jakoba sy Esao, fony tanora izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasehon’i Esao tamin’ny fanaony fa tsy nahaliana azy ny raharaha ara-panahy (Genesisy 25:27-34; Hebreo 12:16). Voamarina koa io fotopoto-pitsipika io tamin’izay nitranga tamin’olona an’arivony maro nihambo ho nanana fatokiana an’i Jehovah, nefa niharihary, raha raisina ireo tenin’ny Baiboy, ho “mpanao ratsy”. (Joba 34:8.) Nanoratra ny mpanao salamo hoe: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay”. — Salamo 92:7.
6. Nahoana moa isika no tokony hampiseho amin’ny fomba hentitra ny fatokiantsika an’i Jehovah dieny izao?
6 Mitombo ny isan’ny olona ratsy fanahy ary manakaiky ny fandringanana azy. Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny tsy marina Andriamanitra (Ohabolana 10:29). Tsy maintsy mampiseho amin’ny fomba hentitra ny fatokiantsika an’i Jehovah àry isika amin’ny fampiharana izay ianarantsika. Mamporisika antsika i Petera mba ‘hanana foana fitondrantena tsara eo amin’ny jentilisa’. (1 Petera 2:12.) Aoka àry hodinihintsika ny lafiny vitsivitsy izay angamba tokony hihatsarantsika.
Ny fifandraisana amin’ny hafa
7. Nahoana isika no tokony ho malina eo amin’ny fifandraisantsika “amin’izay any ivelany”?
7 Aoka horesahintsika voalohany indrindra ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Mahita izao fampitandremana izao isika ao amin’ny Ohabolana 13:20: “Izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Manao tsinontsinona an’io torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io ny sasany, ka mifamatotra akaiky loatra amin’ireo mpiara-miasa na ireo mpiara-mianatra aminy. Toy izany no nananan’ny lehilahy iray, Vavolombelona manambady, fitondrantena maloto tamin’ny iray amin’ny mpiara-miasa aminy. Niaraka koa tamin’ny sasany amin’ireo namany tany amin’ny trano fivarotana kafe hosotroina izy ary nimamo. Izany ka tokony hanosika antsika ‘hanohy handeha amim-pahendrena amin’izay eo ivelany’. — Kolosiana 4:5.
8. Fanatsarana inona avy moa no ho azon’ny sasany entina eo amin’ny fifandraisany amin’ny namany kristiana?
8 Inona no holazaina momba ny fifandraisantsika amin’ireo namantsika kristiana? Aoka, ohatra, hataontsika hoe ananan’ny iray amin’ireny vola ianao. Hanana zo ve ianao hitaredretra hamerina ny volan’io rahalahy io amin’ny filazana anakampo fa toa miadana izy ary ianao dia mila kokoa an’io vola io noho izy? “Misambotra ny ratsy fanahy nefa tsy mamerina”, izany no vakina ao amin’ny Salamo 37:21. Raha mpampiasa ianao, moa ve ianao manaja ny fotopoto-pitsipika ilazana fa “ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany” rehefa hoe handoa ny volan’ny mpiasa Vavolombelon’i Jehovah (1 Timoty 5:18)? Momba ny fifandraisana nananany tamin’ireo namany dia afaka nilaza i Paoly hoe: “Fa tamin’ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra (...) no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.” — 2 Korintiana 1:12.
Fomba fitafy sy taovolo maotina
9. Fironana inona avy moa no voamariky ny loholona sasany eo amin’ny lafin’ny fitafiana sy ny taovolo?
9 Tany Alemaina, ny mpiandraikitra mpitety faritany iray dia niresaka ny amin’ny kristiana sasany ho toy ny “taranaka manao ‘baskets’ ”, noho ny fitafiany mampiseho tsy fahavarana loatra amin’ireo fivoriana. Nanampy ny biraon’ny sampana fa nisy mpanatrika amin’ireo fivoriana “saiky ratsy fitafy”, na dia “mitafy amin’ny fomba maotina aza ny ankamaroan’ireo rahalahintsika”. Manambara ny sampan’ny tany hafa iray fa “zava-manahirana ny tsy fisian’ny fahadiovana ara-batana (...). Tsy miakanjo amin’ny fomba madio ny rahalahy sasany ary manana volo misavoritaka sy maloto rehefa mankany amin’ny fivoriana na mandray anjara amin’ny fitoriana”. Tena zava-dehibe indrindra ny hananan’ny mpanompon’i Jehovah fitafiana milamina sy madio amin’ny lafiny rehetra. — 2 Korintiana 7:1.
10. a) Fotopoto-pitsipika inona moa no tokony hitarika antsika eo amin’ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika? b) Amin’ny fotoana inona moa no mety hiharihary fa tsara ny hanomezana torohevitra momba izany, ary ahoana no tokony handraisantsika izany?
10 Tokony ‘hitafy amim-pahamendrehana, amim-pitandremana tsara ary amim-pahatsorana’ isika, indrindra rehefa mandray anjara amin’ny asa ara-panahy (1 Timoty 2:9, Teny velona). Ny fanontaniana dia tsy ny hahafantarana raha ara-damaody ny fomba fitafy iray, fa raha mifanentana amin’ny olona iray milaza tena ho minisitr’Andriamanitra kosa izany (Romana 12:2; 2 Korintiana 6:3). Ny fitafiana mampiseho tsy fahavarana loatra na ny akanjo manara-tena dia mety haharatsy laza ny hafatra entintsika. Ireo lamaody izay mikendry an-karihary ny haha-toy ny vehivavy dia tsy mety mihitsy ho an’ny kristiana iray (jereo Deoteronomia 22:5). Mazava ho azy fa mety hiova ny fanao eo an-toerana arakaraka ny toetr’andro, ny asa ao amin’ilay faritra, sns. Izany no antony tsy anomezan’ny kongregasiona kristiana fitambarana fitsipika tsy azo alefitra ho an’ny fianakaviana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy. Tsy tokony hampanjaka koa ny zavatra tiany manokana amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ireo loholona. Kanefa, raha misy mpitory ilay Fanjakana mitafy amin’ny fomba mahatafintohina ny kongregasiona amin’ny fitambarany na mampihem-bidy ny fanompoana, dia mety ny hanoroana hevitra azy amim-pahamoram-panahy. Hanaiky izany karazan-torohevitra izany amim-panetren-tena ve ianao, ka hampiseho amin’izany ny fatokianao an’i Jehovah? — Hebreo 12:7.
Aoka isika hatoky ny fanohanana omen’Andriamanitra an’ireo izay mikatsaka ilay Fanjakana
11. Amin’ny ahoana ny sasany no mety ho revo amin’ny fikatsahana fananana ara-nofo, ary nahoana no tsy mampiseho fahendrena izany?
11 “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Endrey fa mampalahelo ny mahatsapa fa tsy manaraka an’io torohevitra io ny sasany! Noho ny fikatsahana ny nofinofin’ny tsy fananana ahiahy ara-bola, dia mitady fatratra aoka izany ny harena, ny fianarana lasa lavitra ary ny raharaha manan-daza izy, ka ‘mametraka ny fitokisany amin’ny fomba hivelomany’. (Salamo 49:6.) Mandefa ho antsika izao fampitandremana izao i Solomona: “Aza manasa-tena hanan-karena (...) Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” — Ohabolana 23:4, 5.
12. Inona mo no mampiseho fa ny olona tapa-kevitra ny hanan-karena dia ‘manindrona ny tenany amin’ny alahelo be’?
12 Etsy an-danin’izany, dia manome izao fampitandremana izao i Paoly: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:10). Tao amin’ny fanadinadinana navoaka tao amin’ny revio iray (U.S.News & Word Report), Douglas LaBier dia nanambara fa tovolahy sy tovovavy maro izay mitady hanan-karena no “mahatsapa tena hoe tsy afa-po, be fanahiana, reraka, tsy mahasoa, mila ho voan’ny aretin-tsaina ary mitaraina ny amin’ny fitohitohizam-pikorontanana ara-batana samihafa: aretin’andoha, marary lamosina, fivonkinan-kozatry ny vavony, tsy fahitan-tory ary fahalainan-komana”.
13. Nahoana moa no tsaratsara kokoa ny hianinana ‘amin’ny sakafo sy ny fitafiana’?
13 Misoroka fanaintainana sy fanahiana maro ireo izay matoky ny fanohanan’i Jehovah. Marina fa ny fianinana ‘amin’ny sakafo sy ny fitafiana’ dia midika ho fananana fari-piainana tsotra kokoa indraindray. (1 Timoty 6:8). Nefa “ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana”. (Ohabolana 11:4.) Fanampin’izany, amin’ny fanompoana bebe kokoa ny Andriamanitsika, dia miseho ho mendrika ‘ny fitahian’i Jehovah izay mampanan-karena ary tsy ampiany fanaintainana mihitsy’ isika. — Ohabolana 10:22, MN.
“Tadiavo ny fihavanana ary araho izany’
14, 15. a) Karazan-draharaha inona moa no nanakorontana ny fiadanan’ny kongregasiona sasany? b) Ahoana no azo itadiavana hatrany ny fihavanana rehefa mipoitra ny tsy fifanarahana?
14 Azontsika atao koa ny mampiharihary ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny ‘fitadiavana ny fahamarinana sy ny fanarahana izany’ eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny namantsika kristiana (1 Petera 3:10-12). Indraindray ny sasany tonga amin’ny fifandirana momba ny raharaha tsy dia lehibe: ny fandravahana ny Efitrano Fanjakana, ny fizarana ireo faritanin’ny kongregasiona, ny famoronana ireo fianarana ny boky, ny fizarana ny gazety sy ny boky. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia tsy nandamina ny tsy fifanarahana manokana na ara-bola araka ny hevitra voafaritra ao amin’ny Matio 18:15-17 ny kristiana sasany ka nanapa-kevitra kosa ny tsy hifampiteny intsony na nanakorontana ny kongregasiona tamin’ny tsy fifanarahan’izy ireo.
15 Hoy Jakoba hoe: “Ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana.” (Jakoba 3:18). Ho tombontsoan’ny fihavanana, dia aoka àry ianao ho vonona hilefitra eo anoloan’ny faniriana na ny hevitry ny hafa, na dia mitaky famoizana ireo zonao aza izany (jereo Genesisy 13:5-12). Ohatra, raha misy kongregasiona roa mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, dia tsy misy tokony hieritreritra fa “azy”ny efitrano ka afaka mampanjaka ny fitiavany zavatra amin’ilay kongregasiona hafa izy raha ny amin’ny oran’ireo fivoriana na ny raharaha hafa. Ny fifanajana sy ny fiaraha-miasa no tokony hahery lanja.
16. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanekena ny fandaharana teokratika eo anivon’ny fianakaviana sy ny kongregasiona?
16 Afaka misoroka fifandirana maro isika raha manaiky ny fandaharana toekratika sy mijanona amin’ny toerantsika (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:22-27). Rehefa manaja ny sitrapon’ny vadiny ny vehivavy manambady, mankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy ary manaiky ny fitarihan’ny loholona ny mpikarakara momba ny asa, ny fihetsik’izy ireo dia “manatanteraka ny fitomboan’ny [kongregasiona] ho amin’ny fampiorenana [ny tenany] ao amin’ny fitiavana”. (Efesiana 4:16, MN.) Marina fa manao fahadisoana ny lehilahy manambady, ny ray aman-dreny ary ny loholona indraindray (Romana 3:23). Nefa manatsara ny tarehin-javatra ve ny tena amin’ny fikomiana, amin’ny fitarainana na amin’ny tsy fetezana hanaraka fitarihan-dalana miorina tsara? Tsara lavita ny mijanona eo amin’ny toerana izay nanendren’Andriamanitra antsika sy ny mikatsaka ny fihavanana.
Aoka isika hiady amin-kerim-po eo amin’ny fanompoana
17. a) Antony inona avy moa no aroson’ny sasany mba hanamarinana ny fandraisany anjara kely dia kely amin’ny asa fitoriana? b) Ahoana no ampaherezan’i Jesosy ny kristiana hiatrika ireo zava-manahirana misy ankehitriny?
17 Ho an’ny kristiana maro anefa, ny sarotra indrindra dia ny mankatò ny baiko hitory ny vaovao tsara (Matio 24:14; 28:19, 20). Manao asa faran’izay kely ny sasany, angamba amin’ny fanoherana fa sarotra aminy ny manao mihoatra noho izany noho ny asany sy ny andraikiny ara-pianakaviana. Tsy azo lavina fa mametraka enta-mavesatra aoka izany eo amin’ny tsirairay “ny andro farany” (2 Timoty 3:1). Nefa nampitandrina antsika Jesosy mba tsy ‘hovesaran’ny fanahiana eo amin’ny fiainana’ isika. Raha mbola miharatsy ireo zava-manahirana, ny kristiana dia tokony ‘hiandrandra sy hanandratra ny lohany’. (Lioka 21:28, 34.) Ny iray amin’ny fomba tsara indrindra ‘hiorenana mafy’ hanohitra ny fanafihan’i Satana dia ny ‘manana tongotra mikiraro ny fitaovan’ny vaovao tsara’, amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana. — Efesiana 6:14, 15, MN.
18. Inona no antony mihazona ny sasany tsy handray anjara feno amin’ny fitoriana?
18 Tamin’ny andron’i Paoly, dia kristiana maro (fara faharatsiny teo amin’ny kongregasiona sasany) no ‘nitady ny tombontsoany manokana, fa tsy ny an’i Kristy Jesosy’. (Filipiana 2:21.) Mety hitranga ve ny hoe manao toy izany ny sasany amintsika ankehitriny? Angamba izy ireny tsy mihevitra ilay Fanjakana tahaka ny niheveran’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana ny “vato soa iray saro-bidy” izay hitany ary noho izany no nahavonona azy hivarotra izay nananany rehetra (Matio 13:45, 46). Noho izy ireo miahy ny tombontsoany manokana, dia ny kely indrindra araka izay azony atao no ataony ary tsy manolotra ho an’Andriamanitra afa-tsy asa anarany fotsiny izy. Kanefa aoka tsy hohadinointsika fa ny fitiavana an’i Jehovah sy ny hafa no manosika ny kristiana marina hitory, na dia tsy mirona avy hatrany hanombo-dresaka amin’olona tsy fantatra aza izy. — Matio 22:37-39.
19. Nahoana moa no tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fiezahana matimaty, ary ahoana no ahafahantsika mandinika ny asa ataontsika ho azy?
19 Raha tsy mahatsapa faniriana hitory isika, dia satria tsy lalina velively ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fatokiantsika azy. Namporisika an’i Solomona tamin’izao teny izao i Davida: “Aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo rehetra (...); fa Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” (1 Tantara 28:9). Tsy azo atao ny mamitaka an’i Jehovah amin’ny fiezahana matimaty. Na dia ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana aza dia tsy mahafapo azy raha ohatra isika ka tsy manolotra afa-tsy tapany amin’izay mety ho azontsika atao amin’ny ‘fiadiana mafy’ (Lioka 13:24, MN.) Tokony handinika amim-pahamarinana ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana àry ny kristiana tsirairay ary hanontany tena raha manao marina tokoa izay rehetra azony atao izy. Angamba hahatsapa izy fa ilainy ny mijery indray ireo zavatra apetrany amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany.
Manosika antsika ‘hanao soa’ ny ohatry ny hafa
20. Nahoana moa no tsara ny handinihana ny ohatra tsara omen’ireo namantsika kristiana?
20 Tsy manompo an’Andriamanitra amin’ny “fampitahan-tena amin’ny hafa” isika. (Galatiana 6:4, MN.) Na dia izany aza, ny ohatra tsara omen’ireo namantsika dia mety hanosika antsika hanao bebe kokoa matetika. Ny apostoly Paoly mihitsy no niteny hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1). Aoka àry isika handinika hoe toy inona ny fotoana atokan’ireo rahalahintsika isam-bolana amin’ny fitoriana. Ohatra, teo anelanelan’ny 1979 sy 1987, tany Etazonia, ny antsalan’ny ora natokan’ireo mpitory tsotra isam-bolana ho amin’ny fanompoana dia tafakatra ho 9,7 ilay 8,3. Nampitombo tsy tapaka ny fandraisany anjara tamin’ny fitoriana ireo rahalahintsika kristiana. Izany koa ve no mitranga aminao?
21. Inona moa no manosika ny kristiana maro hirotsaka amin’ny asan’ny mpitory maharitra? Manomeza ohatra iray.
21 Mahazo famporisihana noho ny zotom-po faka tahak’ireo namany ny Vavolombelona maro be tsy mbola nisy toy izany ka mirotsaka amin’ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona. Indray andro, tany Californie (Etazonia), ny zazavavy kristiana iray antsoina hoe Angela dia nahary fanolorana asa mampilendalenda, ary koa vola omen’ny fanjakana hamela hanohy ny fianarany any amin’izay oniversite tiany. Nefa nifidy ny fanompoana manontolo andro i Angela. Noho ny antony inona? “Ny fifaneraserana tamin’ny mpitory maharitra maro dia nahatsapako fa nandray fifaliana sy fahafahampo lalina izy ireny, tsy hoe avy amin’ny asan’izy ireny fotsiny, fa avy amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah koa. Niriko ny hahatsapa izany fifaliana sy fahafahampo lalina izany.”
22. Soa inona avy no raisina amin’ny fampiharana izay ianaran’ny tena?
22 Irinao, dia ianao koa ve, ny hahatsapa “fifaliana sy fahafahampo lalina”? Raha izany dia ‘matokia an’i Jehovah ary manaova soa’! Aoka ny fahalalanao hanosika anao hanatanteraka ny be indrindra eo amin’ny asan’i Jehovah! Raha mampihatra izay ianaranao ianao, dia hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao ara-panahy ary hamonjy aina ianao (1 Timoty 4:15, 16). Enga anie àry isika rehetra hanaraka ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny filipiana 4:9 hoe: “Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.”
Famerenana
◻ Inona no tokony hataontsika rehefa avy nijery lalina tao amin’ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra isika?
◻ Ahoana no ahazoantsika mandroso eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
◻ Nahoana moa no hadalana ny fikatsahana amim-pahadodonana fananana ara-nofo?
◻ Ahoana no azontsika itadiavana ny fihavanana eo anivon’ny kongregasiona?
◻ Inona no tokony hanosika antsika handray anjara feno amin’ny fitoriana?
[Sary, pejy 16]
Tsy ampy ny mahamarika ireo pentina sy kilema ara-panahin’ny tena. Ilaina ny miala amin’izany!
[Sary, pejy 18]
Matetika ireo izay tapa-kevitra hanan-karena no manindrona ny tenany amin’ny “alahelo be”.